Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA FEBROARY 2013

Marina ve ny “Filazantsaran’i Jodasy”?

Marina ve ny “Filazantsaran’i Jodasy”?

NISY asa soratra fahiny atao hoe “Filazantsaran’i Jodasy” hita vao haingana. Nampahafantarin’ny manam-pahaizana ny besinimaro izay voarakitra tao amin’izy io, tamin’ny Aprily 2006. Niresaka momba izany ny gazety eran-tany tamin’izay. Voalaza tao amin’izy ireny fa hanova tanteraka ny zavatra fantatsika momba an’i Jodasy, ilay namadika an’i Jesosy, io filazantsara io. Izany mantsy, hono, no nolazain’ny manam-pahaizana. Nilaza koa izy ireo fa olona nahery fo i Jodasy. Izy, hono, no apostoly tena nahalala an’i Jesosy, ary natolony hovonoina i Jesosy satria i Jesosy mihitsy no nangataka azy hanao izany.

Tena marina ve anefa io “Filazantsaran’i Jodasy” io? Miresaka zavatra nafenina antsika momba an’i Jodasy Iskariota sy Jesosy ary ny Kristianina fahiny tokoa ve izy io? Tokony hanova ny fomba fiheverantsika an’i Jesosy sy ny zavatra nampianariny ve izy io?

AHOANA NO NAHITANA NY “FILAZANTSARAN’I JODASY”?

Tsy fantatra tsara ny fomba nahitana ny “Filazantsaran’i Jodasy.” Tsy mpikaroka ny any ambanin’ny tany mantsy no nahita sy namadika azy io ho boky. Nipoitra tampoka teny amin’ny mpivarotra rakitry ny ela kosa izy io, tamin’ny taona 1980 tany ho any. Toa tany Ejipta izy io no hita tamin’ny 1978, tao anaty lava-bato natao fasana izay efa tsy nampiasaina intsony. Asa soratra efatra samy hafa no tao amin’ilay kôdeksa (boky sora-tanana fahiny) hita tao amin’io fasana io, ary iray tamin’ireny ilay “Filazantsaran’i Jodasy.” Tamin’ny teny kôpta (avy amin’ny teny ejipsianina fahiny) no nanoratana azy ireo.

Notehirizina tany Ejipta nandritra ny taona maro ilay kôdeksa mifono hoditra, ary nety tsara izany satria mafana any. Rehefa nesorina tany anefa ilay izy dia lasa simba vetivety. Naseho tamin’ny manam-pahaizana vitsivitsy izy io tamin’ny 1983. Lafo be mihitsy anefa ny vidiny ka tsy nisy nividy ry zareo. Vao mainka nihasimba àry ilay izy, satria tsy nisy nikarakara nandritra ny taona maromaro sady tsy nety ny toerana nitehirizana azy. Nisy vehivavy soisa, mpivarotra rakitry ny ela, nividy an’ilay kôdeksa tamin’ny 2000. Nomeny manam-pahaizana vitsivitsy avy any amin’ny tany samy hafa izy io tatỳ aoriana, ka izy ireo no nasaina nanavao sy nandika ary nanazava an’ilay izy. Nasaina nofantarin’izy ireo koa ny  fotoana nanoratana azy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Fikambanana Mécène Mikarakara ny Zavakanto Fahiny sy ny Fikambanana Mpilaza Vaovao Momba ny Tany. Efa rotidrotika ny ampahany tamin’ilay kôdeksa tamin’izay.

Fomba famaritana daty amin’ny alalan’ny karbonina 14 no nampiasaina, ka hita fa mety ho tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra no nosoratana ilay kôdeksa amin’ny teny kôpta. Milaza anefa ireo manam-pahaizana fa efa ela be talohan’izany no nadika tamin’ny teny kôpta avy tamin’ny teny grika izy io. Oviana àry no nosoratana ilay filazantsara tamin’ny teny grika, ary inona no nitranga tamin’izany?

ANISAN’NY FILAZANTSARAN’NY GNOSTIKA

I Irénée, mpanoratra nilaza ny tenany ho Kristianina, no niresaka voalohany momba ny “Filazantsaran’i Jodasy” tamin’ny taona 180 tany ho any. Tsy nekeny ny fampianaran’ny olona sasany, ka hoy izy momba azy ireny, tao amin’ilay bokiny hoe Fanoherana ny Fivadiham-pinoana: ‘Milaza izy ireo fa i Jodasy no nahavita nivadika satria izy irery no tena nahalala ny marina. Izy no nahatonga ny zava-drehetra etỳ an-tany sy any an-danitra hikorontana. Namorona tantara tsy marina toy izany izy ireo, ary nantsoiny hoe Filazantsaran’i Jodasy izany.’

“Tsy tamin’ny andron’i Jodasy io filazantsara io no nosoratana ary tsy hoe olona tena nahafantatra azy no nanoratra azy io”

Tian’i Irénée hoporofoina fa diso ny fampianaran’ny Gnostika na ny Kristianina nihambo ho nanana fahalalana manokana. Mizara ho antoko maromaro ny Gnostika, ary samy nanana ny heviny momba ny atao hoe “marina” ny antoko tsirairay. Nampiely ny fampianarany tao amin’ny bokiny izy ireo, ary niely be ireny boky ireny tamin’ny taonjato faharoa.

Voalaza tao amin’ireny filazantsaran’ny Gnostika ireny matetika fa diso fandray ny fampianaran’i Jesosy ny apostoliny sasany. Nampianatra zava-miafina koa, hono, i Jesosy ary vitsivitsy ihany no nofidiny hahatakatra an’ilay izy. * Nisy Gnostika nino fa toy ny fonja mihazona ny fanahin’ny olombelona izao rehetra izao. Ambany àry, hono, ilay “andriamanitra mpamorona” voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo, raha oharina amin’ireo andriamanitra izay heverin’izy ireo hoe tonga lafatra. Nahatakatra an’izany “zava-miafina” izany, hono, izay tena “nanam-pahalalana”, ka nitady fomba hialana tao amin’ny vatany.

Izany hevitra izany no hita ao amin’ny “Filazantsaran’i Jodasy.” Izao no teny fampidirana ao amin’izy io: “Ity no zava-miafina nolazain’i Jesosy an’i Jodasy Iskariota nandritra ny valo andro, telo andro talohan’ny nankalazany ny Paska.”

Io “Filazantsaran’i Jodasy” io àry ve ilay noresahin’i Irénée, ary noheverina hoe very nandritra ny taona maro? Mamaly izany ny tenin’i Marvin Meyer, anisan’ireo manam-pahaizana voalohany nandinika sy nandika an’ilay kôdeksa. Nilaza izy fa ‘mifanaraka tsara amin’ny tenin’i Irénée ilay asa soratra amin’ny teny kôpta hoe Filazantsaran’i Jodasy.’

TSY MITOVY HEVITRA NY MANAM-PAHAIZANA

Milaza ny “Filazantsaran’i Jodasy” fa nihomehezan’i Jesosy ny mpianany rehefa hitany fa tsy nahafantatra ny tena marina. I Jodasy irery, hono, tamin’ireo apostoly 12 no tena nahalala tsara ny toetran’i Jesosy. Noresahin’i Jesosy mangingina taminy àry ny “zava-miafina momba ilay fanjakana.”

Nisy vokany be tamin’ny zavatra nosoratan’ireo manam-pahaizana nandika voalohany an’io filazantsara io ilay tenin’i Irénée. Hita tao amin’ny zavatra nadikan’izy ireo hoe i Jodasy irery no mpianatra noeritreretin’i Jesosy hoe hahatakatra ny zava-miafina sy hahazo ny fanjakan’ny lanitra. Hita tao koa fa voafitaka ny apostoly hafa ka nitady solon’i Jodasy. Lasa “fanahy fahatelo ambin’ny folo” anefa, hono, i Jodasy ka “hihoatra” noho ny mpianatra hafa rehetra. Nilaza tamin’i Jodasy mantsy, hono, i Jesosy fa hanampy azy hiala ao amin’ny vatany i Jodasy rehefa hanao sorona azy.

Nisy mpanoratra malaza nandinika an’ilay “Filazantsaran’i Jodasy”, ary navoakany ho an’ny besinimaro ny heviny sy ny zavatra hitany. Anisan’ny nanao izany i Bart Ehrman sy Elaine Pagels, izay samy manam-pahaizana  momba ny Fivavahana Kristianina voalohany sy ny fampianaran’ny Gnostika. Nitovy be tamin’ny fandikan-tenin’ireo manam-pahaizana voalohany nandika an’ilay filazantsara ihany ny zavatra nolazain’izy ireo. Nisy manam-pahaizana hafa anefa, taoriana kelin’izay, nilaza ny zavatra nampanahy azy momba ny nandikana an’ilay izy. Anisan’izany i April DeConick sy Birger Pearson. Nilaza izy ireo fa nataon’ny Fikambanana Mpilaza Vaovao Momba ny Tany izay namoahana an’ilay filazantsara haingana, satria tiany ho izy no hamoaka an’ilay izy voalohany. Tsy nasaina nodinihin’ny manam-pahaizana hafa koa, hono, ilay izy talohan’ny namoahana azy, satria efa nanao sonia fifanekena ireo nandika azy hoe tsy hamoaka fanazavana momba an’izay nataon’izy ireo.

Samy tsy nisy nilaza ny manam-pahaizana nandinika an’io filazantsara io hoe marina ny voalazan’izy io

Samy nandinika samirery an’ilay filazantsara i DeConick sy Pearson, ary samy nilaza fa nisy tsy nety ny fomba nandikana voalohany ny ampahany tena lehibe tao amin’ilay izy. Rehefa namerina nandika an’ilay izy, ohatra, i DeConick, dia nilaza fa tsy “fanahy fahatelo ambin’ny folo” no niantsoan’i Jesosy an’i Jodasy, fa “Demonia Fahatelo Ambin’ny Folo.” * Niteny mazava tsara tamin’i Jodasy koa, hono, i Jesosy fa tsy hahazo ny fanjakan’ny lanitra izy. Nilaza koa i DeConick fa diso ilay hoe “hihoatra” noho ny mpianatra hafa i Jodasy. Nilaza mantsy, hono, i Jesosy fa hosazina mafy i Jodasy satria namono an’i Jesosy. Araka ny hevitr’i DeConick, dia nataon’ny Gnostika hanesoana ny apostoly rehetra ny “Filazantsaran’i Jodasy.” Niaiky tanteraka àry i DeConick sy Pearson, rehefa avy nandinika tsara an’ilay “Filazantsaran’i Jodasy”, fa tsy olona nahery fo izany mihitsy i Jodasy.

MANAPOROFO INONA NY “FILAZANTSARAN’I JODASY”?

Mihevitra àry ny manam-pahaizana sasany fa olona nahery fo ilay Jodasy resahin’ilay filazantsara. Ny hafa indray mihevitra hoe demonia izy. Samy tsy nisy nilaza anefa ny manam-pahaizana nandinika an’io filazantsara io hoe marina ny voalazan’izy io. Hoy i Bart Ehrman: “Tsy i Jodasy no nanoratra an’io Filazantsara io ary tsy voalaza ao koa hoe i Jodasy no nanoratra azy. ... Tsy tamin’ny andron’i Jodasy io filazantsara io no nosoratana ary tsy hoe olona tena nahafantatra azy no nanoratra azy io. ... Tsy io boky io mihitsy àry no hilaza amintsika izay zavatra hafa mbola tsy fantatsika, nefa tena nitranga tamin’ny andron’i Jesosy.”

Bokin’ny Gnostika tamin’ny taonjato faharoa àry ny “Filazantsaran’i Jodasy”, ary tamin’ny teny grika izy io tamin’ny voalohany. Tsy mbola azon’ny manam-pahaizana antoka tsara koa hatramin’izao, raha io filazantsara io ihany ilay noresahin’i Irénée. Hita avy amin’io anefa fa tena nisy Kristianina sandoka tokoa fahiny, ary namorona fampianaran-diso izy ireo ka lasa nisaratsaraka ho sekta maro be. Vao mainka ny “Filazantsaran’i Jodasy” nanaporofo fa marina ny fampitandreman’ny apostoly ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’izany izao tenin’i Paoly izao: ‘Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy olona hanolana hevi-teny hipoitra avy aminareo mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.’—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

^ feh. 11 Ny anaran’ny olona lazaina fa nahatakatra tsara ny fampianaran’i Jesosy matetika no natao anaran’ireny filazantsara ireny. Misy, ohatra, ny “Filazantsaran’i Tomasy” sy ny “Filazantsaran’i Maria Magdalena.” Telopolo eo ho eo ny asa soratra fahiny mitovitovy amin’ireo, efa hitan’ny mpikaroka.

^ feh. 18 Manam-pahaizana maro koa no mino fa demonia i Jodasy ao amin’ilay kôdeksa, ary nahafantatra tsara noho ny mpianatra hafa izy hoe iza marina i Jesosy. Hitan’izy ireo hoe mifanaraka tsara amin’izany ny tantara ao amin’ny Filazantsara ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao mantsy fa fantatry ny demonia tsara hoe iza i Jesosy.—Marka 3:11; 5:7.