Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2012

Tsara Fiafara Ihany ny Fiainako!

Tsara Fiafara Ihany ny Fiainako!

Sady nihomehezan’ilay miaramila tao amin’ny fonja tany Korea Avaratra izahay no nesoiny hoe: “Iza koa no mba hitady anareo eo? Mijanòna ato!” Tamin’ny 1950 izany no nitranga, dimy taona teo ho eo taorian’ny Ady Lehibe II. Ahoana no nahatonga anay higadra tany, nefa izahay Rosianina mazoto miasa sady tsy mba tia ady?

TERAKA tamin’ny 1924 aho, araka ny taratasy mombamomba ahy. Tany Shmakovka, any amin’ny faritra farany atsinanan’i Rosia, angamba aho no teraka. Any akaikin’ny sisin-tanin’i Chine no misy azy io.

Any Shmakovka, Primorskiy Kray, any amin’ny faritra farany atsinanan’i Rosia, toerana nahaterahako

Nalain’ny jiolahy an-keriny i Dada sy ny zokiko lahy rehetra, indray mandeha. Tsy nahita an-dry zareo intsony i Neny taorian’izay. Izy irery sisa no nitaiza anay ankizy madinika rehetra, ka sahirana be izy namelona anay. Nisy lehilahy mpiray tanàna taminay nilaza tamin’i Neny hoe aleo hoentiny any amin’ny trano fitaizana zaza kamboty an’ny fiangonana ortodoksa izahay ankizy, dia mody lazaina hoe nilaozan’ny neninay.

Nanaiky i Neny. Mety ho faty noana mantsy izahay raha tsy izany. Izao efa 80 taona mahery izao aho vao mieritreritra hoe soa ihany fa nalefany tany izahay. Raha tsy izany mantsy dia mety ho efa maty izahay hoatr’izay. Malahelo ihany koa anefa aho hoe nahavita an’izany i Neny.

Izaho sy Ivan natao mariazy, tamin’ny 1941

Nifindra tany Korea aho tamin’ny 1941, ary nanambady an’i Ivan. Rosianina izy ary tsara fanahy be. Teraka tany Séoul, tany Korea, i Olya, zanakay vavy, tamin’ny 1942, sy Kolya, lahimatoa tamin’ny 1945, ary Zhora, faralahy, tamin’ny 1948. Ny vadiko nivarotra, fa izaho kosa nanjaitra. Ny Japoney no nitondra an’i Séoul tamin’izany, ka lasa niteny japoney ny zanako na dia niteny rosianina aza izahay tao an-trano. Toa nihavana tsara ny Sovietika sy ny Amerikanina ary ny Koreanina tany Séoul, hatramin’ny 1950. Mpividy zavatra tao aminay izy rehetra ireo tamin’izany.

Voasambotra

Niova tao anatin’ny indray mipy maso ny zava-drehetra tamin’ny 1950. Ny miaramila avy any Korea Avaratra mantsy no lasa nitondra tany Séoul. Tsy tafatsoaka izahay ka noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vahiny hafa. Nentina nifindrafindra eran’ny Korea Avaratra izahay, nandritra ny telo taona sy tapany. Mpigadra anglisy, rosianina, amerikanina, ary frantsay no niaraka taminay. Napetraka tany amin’izay azo nisitrihana izahay sady niezaka nandositra baomba.

Izaho sy ny vadiko ary ny roa amin’ny zanakay, tamin’ny 1954

Indraindray ihany izahay vao napetraka tao amina trano nisy fanafanana sy nomena sakafo ampy. Ampemby anefa matetika no mba nohaninay ary nampatoriana tao amin’ny trano aolo sy mangatsiaka be izahay. Betsaka no maty satria noana sy tsy noraharahaina. Hontsa erỳ aho rehefa nijaly ny zanako. Tonga aloha koa ny ririnina tany Korea Avaratra tamin’izay. Nisy fotoana aho nanafana vato tamin’ny afo nandritra ny alina mba hatao tao ambanin’ny zanako hampahafana azy ireo.

Tsy nankahala anay ny tompon-tanàna, fa ry zareo aza nalahelo anay. Rehefa nihanafana ny andro, dia natoron-dry zareo anay izay zavamaniry azo hanina. Nitady tongolodia, anana, voaroimena, voaloboka, ary holatra izahay. Nianatra nisambotra sahona aho mba hanampiana ny sakafo kelinay. Nalahelo be mihitsy aho nahita  an-janako nangataka sahona tsy an-kijanona.

Nasaina nifindra tany Manp’o indray izahay. Oktobra tamin’izay. Nilazana izahay fa homena sarety hitondrana ny marary sy ny ankizikely. Nasaina nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny rehetra i Olya sy ny dadany. Efa niandry andro maromaro anefa izaho sy ny zanako kely vao tonga ny sarety. Nitebiteby be mihitsy aho nandritra izany.

Hoatran’ireny vary navangongo ireny ireo marary tao anaty sarety. Tena nampivarahontsana ny nijery azy ireo. Sady nibaby an’i Zhora aho no nametraka an’i Kolya teo amin’ny zoron’ilay sarety. Nikiakiaka nitomany anefa izy hoe: “Neny a! Neny a! Izaho handeha an-tongotra hiaraka amin’i Neny. Aza ilaozana ho’aho izaho!”

Namikitra mafy tamin’ny zipoko tamin’ny tanana keliny avy eo i Kolya sady namikiviky kely erỳ mba haharaka ny dianay. Naharitra andro vitsivitsy ilay dia. Maro ny mpigadra notifirina nandritra izany. Feno goaika nanaraka tao aoriana nitsaingotsaingoka ny fatin’olona nitsirara tamin’ny tany. Nihaona tamin’i Olya sy ny vadiko ihany izahay tamin’ny farany. Nifamihina be izahay sady nitomany. Tsy natory aho tamin’io alina io fa nanafana vato tamin’ny afo mba hanafanana ny zanako. Maivamaivana erỳ aho fa teo daholo izy rehetra!

Tonga teo akaikin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Korea Avaratra sy Atsimo izahay, tamin’ny 1953. Teny vao mba nilamindamina ny fiainanay. Nahazo akanjo madio izahay, kiraro, mofo, ary vatomamy mihitsy aza. Nafahana ny Anglisy taorian’izay, dia avy eo ny Frantsay. Izahay anefa sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny aroa. Lasa daholo ny mpigadra rehetra, fa izahay sisa no tavela. Kivy be izahay ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina. Tamin’izay ilay miaramila no niteny an’ilay teny mankarary fo, terỳ am-piandohana.

Fiainam-baovao tany Etazonia

Tsy nampoizinay fa nentina tany Korea Atsimo izahay taoriana kelin’izay, ary nandalo teo amin’ny faritra tsy azon’ny  miaramila aleha nanasaraka an’i Korea Avaratra sy Atsimo. Nadinadinin’ny miaramila amerikanina izahay ary navela hifindra monina tany Etazonia avy eo. Nandeha sambo nankany San Francisco any Kalifornia izahay, ary nisy fikambanana mpanao asa soa nanampy anay. Nifindra tany Virginie izahay tatỳ aoriana. Lasa nifankahalala tamin’olona tany izahay. Tsara fanahy izy ireo ka nanampy anay hahazo izay nilainay. Nifindra tany Maryland izahay tatỳ aoriana ary nanomboka fiainam-baovao.

Na zavatra tsotra toy ny aspiratera aza dia nahavariana anay. Vahiny an-tanin’olona izahay ka tsy maintsy niasa mafy. Nalahelo be anefa aho fa nisy mpifindra monina nanararaotra ny mpifindra monina vao tonga, nefa efa metimety ny fiainany. Hoy ny pretra ortodoksa iray avy any Rosia, tsy ela taorian’ny nahatongavanay: “Efa atỳ amin’ny tany miadana ianareo izao, ka raha te hivoatra dia aza miaraka amin’ny olona iray fiaviana aminareo.” Sady gaga aho no tezitra be. Fa angaha moa isika tsy tokony hifanampy?

Nitsidika anay i Bernie Battleman tamin’ny 1970 mba hiresaka Baiboly taminay. Vavolombelon’i Jehovah izy. Natanjaka sy nivantambantam-piteny toa anay izy. Niresaka ela be izahay. Haiko tsianjery ny fampianaran’ny fiangonana ortodoksa satria notezaina tany amin’ny fitaizana zaza kamboty an-dry zareo aho. Tsy nieritreritra ny hividy Baiboly mihitsy anefa aho! Nitondran’i Bernie iray àry izahay sady hoy izy: “Ity misy Baiboly homeko anareo satria tiako ianareo.” Nampihaoniny tamin’i Ben koa izahay. Vavolombelon’i Jehovah avy any Belarus izy ary niteny rosianina.

Namaly ny fanontaniako avy tao amin’ny Baiboly i Ben mivady ary tsara fanahy izy ireo tamin’izany. Nieritreritra anefa aho hoe nandika vilana ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tezitra be, ohatra, aho rehefa nahita tao amin’ny bokiny fa nanan-janaka hafa ankoatra an’i Jesosy i Maria. Tsy izany mihitsy mantsy no nampianarina anay tany am-piangonana.

Nitelefaonina namana poloney izay aho mba hijery ny Matio 13:55, 56 ao amin’ny Baiboly poloney. Novakiny tamiko ilay izy, ary gaga be aho fa hay nanana zandrilahy tokoa i Jesosy. Niantso olona fantany niasa tao amin’ny Tranom-bokin’ny Antenimiera any Washington koa ilay namako, ary nasainy nojeren’izy io tao amin’ny Baiboly rehetra tao ilay andininy. Nilaza tamiko avy eo ilay namako fa nitovy ny zavatra voalazan’izy rehetra hoe nanana zandry lahy sy vavy i Jesosy!

 Mbola be dia be ny fanontaniako, ohatra hoe: Maninona ny ankizy no maty? Maninona ny firenena no miady? Nahoana no tsy mifankahazo ny olona, nefa fiteny iray ihany no ampiasainy? Faly be aho nahafantatra ny valin’ireo tao amin’ny Baiboly. Haiko izao fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny hijalian’ny olona. Tretrika ny foko rehefa fantatro fa mbola hihaona amin’ireo olona tsy foiko maty tamin’ny ady aho. Lasa tena nisy i Jehovah tamiko.

Nikorontana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ny zanako lahy rehefa niverina avy niady tany Vietnam. Nanana sary masina aho ka nitalaho tamin’Andriamanitra teo anoloan’ireo indray mandeha, mba hanampiany an’io zanako io. Tonga saina tampoka aho hoe i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, no tokony hivavahako fa tsy sary. Nopotehiko àry ilay izy. Hitako tamin’izay fa hay tsy nisy dikany akory ilay izy fa zavatra milokoloko fotsiny. Novidiko tany am-piangonana ireny nefa tonga dia nosimbako tamin’iny alina iny.

Tsy mora ny niala tamin’ny fivavahanay hatramin’ny mbola kely. Tena tiako noho ny zavatra hafa rehetra anefa ny zavatra fantatro tao amin’ny Baiboly. Nankany amin’ny pretra ortodoksa rosianina izaho sy ny vadiko ary ny zanako vavy, herintaona tatỳ aoriana. Nitondra karine aho, ary feno fanontaniana momba ny Baiboly sy andinin-teny ilay izy. Rehefa novakiko mafy ny andinin-teny tao, dia nihivingivin-doha ilay pretra sady nilaza hoe: “Very ianao!” Nilaza taminay izy mba tsy hanitsaka ny tokonam-baravarany intsony.

Tsy mora miovaova hevitra i Olya, zanako vavy, sady tia karokaroka. Nisy vokany be taminy iny zava-nitranga iny. Nanomboka nandinika tsara ny Baiboly koa izy ary niara-nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay taorian’izay. Natao batisa aho tamin’ny 1972 ary izy tamin’ny 1973.

Ny teny filamatry ny fianakavianay

Eo an-jaridainan’ny tranonay any Maryland, any Etazonia, tamin’ny 1990 tany ho any

Izao no teny filamatry ny fianakavianay: ‘Aleo ny lasa homba ny lasa, fa ny ankehitriny ifantohana.’ Tsy nisalasala mihitsy àry izahay nanao zava-baovao raha hitanay fa mety izany. Rehefa nanomboka nifandray tamin’Andriamanitra izaho sy ny zanako vavy, dia lasa te hitsidika ny olona any an-tranony mba hiresaka izay nianaranay. Nivantambantam-piteny anefa aho sady tsy dia niraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa. Voatery namerina nanazava resaka tamin-katsaram-panahy foana àry izay niara-nitory tamiko. Nahay niresaka tamin’ny olona samy hafa fiaviana ihany aho, rehefa nandeha ny fotoana. Mba te hanatsara ny fiainany toa ahy koa mantsy izy ireny.

Matetika izaho sy ny zanako vavy no nifampiresaka fa rehefa azo aleha any Rosia, dia handeha hitory momba an’Andriamanitra amin’ny Rosianina toa anay any izahay. Azo naleha amin’izay tany tamin’ny taona 1990 tany ho any, ka nankany tokoa i Olya. Nitory manontolo andro nandritra ny 14 taona izy tany ary olona maro no efa nampianariny Baiboly. Anisan’ny nandika boky sy gazety avy amin’ny teny anglisy ho amin’ny teny rosianina koa izy, tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy afa-miala eto am-pandriana intsony aho izao. Manao izay fara heriny ny zanako mba hahasambatra ahy. Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsara fiafara ihany ny fiainako na dia nijaly aza aho taloha. Hitako hoe marina mihitsy ity voalazan’i Davida mpiandry ondry ity: “Mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara [Andriamanitra]. Mamelombelona ahy izy, ary mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana, noho ny anarany.”—Salamo 23:2, 3. *

^ feh. 29 Nodimandry tamin’ny 1 Martsa 2010 i Maria Kilin, tamin’ny fotoana nanomanana ity tantara notantarainy ity.