Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Desambra 2012

Ny Makiazy Fahiny

Ny Makiazy Fahiny

  Ny Makiazy Fahiny

Fanaon’ny vehivavy fahiny ny manao makiazy sy manosotra zavatra amin’ny vatany

Manosotra menaka manitra ny vehivavy fahiny rehefa avy mandro. Maka boaty iray be haingonkaingony izy avy eo. Misy tavoahangy sy vazy ary siny kely isan-karazany ao anatin’ilay izy ary vita amin’ny vera na ivoara na akorandriaka na vato izy ireny. Misy karazana menaka sy ranomanitra ao anatin’izy ireny ary samy hafa ny fofony. Misy, ohatra, manitra balsama, sakaitaninkaràna, kanelina, tantely, ary miora.

Misy sotro sy vilia ary vilia baolina isan-karazany mahafatifaty kely koa ao anatin’ilay boaty. Ao anatin’ireny no afangarony izay zavatra tiany hahosotra amin’io andro io. Mankeo amin’ilay fitaratra halimo amin’izay izy ary somokotra manamboatra tarehy, toy ny fanaony.

EFA hatramin’ny taloha ny vehivavy no tia manatsara bika sy tarehy. Hita amin’ny sary hoso-doko eny amin’ny fasana sy rindrina tany Mezopotamia sy Ejipta fahiny fa fanaon’ny olona ny nanao makiazy. Ny mason’ny vehivavy ejipsianina amin’ireny sary ireny no tena be mpitia, satria be makiazy sady somary boribory lavavala.

Nanao makiazy koa ve ny vehivavy israelita fahiny? Inona anefa no makiazy fampiasan’izy ireo raha nanao izy? Marina aloha fa tsy misy sary hoso-doko amin’ny fasana na rindrina tany Israely fahiny ahalalana an’izany. Hita ihany anefa fa nampiasa makiazy ny olona tany, raha ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly sy ny zava-tsarobidy hita tany Palestina no dinihina.

Ny fitaovana nampiasaina

Vilia vatosokay fampifangaroana zavatra fanosotra, Israely

Be dia be mihitsy ny fasiana ranomanitra sy zavatra fampiasa tamin’ny fanatsarana tarehy hitan’ny mpikaroka tany ambanin’ny tany, tany Israely. Anisan’izany ny vilia kely na vilia baolina vato. Fitotoana sy fampifangaroana zavatra fanatsarana tarehy izy ireny. Nahita tavoahangy kely maromaro fasiana ranomanitra hoatran’ny paozina karaoty koa izy ireo, siny vatosanga fasiana paomady, ary fitaratra kely halimo. Nahita sotro vita amin’ny ivoara koa izy ireo ary misy sarisary ny tahony. Sarina ravina palmie no tao ambadika ary sarina voromailala manidintsidina eo amin’ny lohana vehivavy no tao amin’ny ilany.

Akorandriaka misy haingonkaingony no nataon’ny olona manan-katao fitoerana zavatra fanatsarana tarehy. Nahitana sotrokely hazo na ivoara koa tany Ejipta sy tany amin’ny tanin’ny Kananita. Nampiasaina rehefa hanatsara tarehy izy ireny. Hoatran’ny ankizivavy milomano ny paozin’ny sotrokely sasany, fa tena hafakely kosa ny paozin’ny sasany. Hita amin’izany fa mpanao makiazy ny vehivavy fahiny.

Manjamaso

Milaza ny Baiboly fa nanan-janakavavy atao hoe “Kerena-hapoka” i Joba. Mety hidika hoe “Tandroka Fasiana Loko Mainty (Amin’ny Maso)” izany amin’ny teny hebreo. Mety ho boaty kely fitoerana makiazy na loko mainty fanosotra amin’ny hodi-maso ilay izy. (Joba 42:14) Tsara tarehy be i Kerena-hapoka ka izany angamba no antony nanomezana azy an’izany anarana izany. Hita avy amin’izany koa anefa fa nanao makiazy ny vehivavy fahiny.

Mahagaga fa vehivavy malaza ratsy foana no resahin’ny Baiboly hoe nanao manjamaso. Anisan’izany i Jezebela vadina mpanjaka sy Jerosalema,  izay noharin’i Jeremia sy Ezekiela mpaminany tamin’ny vehivavy mpivaro-tena satria nivadika tamin’Andriamanitra. (2 Mpanjaka 9:30; Jeremia 4:30; Ezekiela 23:40) Be dia be anefa ny fitoerana makiazy hitan’ny mpikaroka tany Israely. Vita tamin’ny vera na vato izy ireny ary nisy zavatra kely fanosorana manjamaso niaraka taminy. Hita amin’izany àry fa lasa nanao manjamaso be sy nanao makiazy hafa toa an’ireo vehivavy mpanompo sampy ny vehivavy israelita nivadi-pinoana, indrindra fa ireo anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka sy ny mpanefohefo.

Menaka manitra

Fanao tany Israely fahiny ny nanamboatra sy nampiasa ranomanitra avy amin’ny menaka oliva. Misy fomba fanaovana menaka manitra ao amin’ny Eksodosy. Nampiasain’ny mpisorona tao amin’ny tempoly ireny. Kanelina sy miora ary zavamaniry manitra hafa no nafangaro mba hanaovana azy ireny. (Eksodosy 30:22-25) Nahita toerana iray tany Jerosalema koa ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Mieritreritra izy ireo fa tao no nanamboarana ny emboka sy zava-manitra nampiasaina tao amin’ny tempoly, tamin’ny taonjato voalohany. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka fa nampiasaina tamin’ny  fivavahana sy teo amin’ny fiainana andavanandro ny menaka manitra.—2 Tantara 16:14; Lioka 7:37-46; 23:56.

Fasiana ranomanitra vita amin’ny tanimanga, Israely

Tsy dia nisy rano tany Israely fahiny ka tena fampiasan’ny olona ny menaka manitra mba hidiovana. Tsy hoe niarovana ny hoditra tamin’ny hainandro fotsiny anefa ny menaka, fa nanatsarana bika sy tarehy koa. (Rota 3:3; 2 Samoela 12:20) Toy izany, ohatra, no natao tamin’i Estera, vehivavy jiosy, talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka. Norina tamin’ny menaka miora aloha izy nandritra ny enim-bolana, dia avy eo norina tamin’ny menaka balsama indray nandritra ny enim-bolana.—Estera 2:12.

Sarobidy toy ny volafotsy sy volamena ny ranomanitra sy menaka manitra tamin’izany. Nisy fotoana, ohatra, ny mpanjakavavin’i Sheba nanao dia lavitra be mba hitsidihana an’i Solomona Mpanjaka. Nitondra fanomezana sarobidy izy, anisan’izany ny volamena sy vatosoa ary menaka balsama. (1 Mpanjaka 10:2, 10) Nisy iraka avy tany Babylona koa, indray mandeha, nankany an-tranon’i Hezekia Mpanjaka. Nirehareha erỳ i Hezekia tamin’izay nampideradera “menaka balsama” sy “menaka sarobidy” niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena ary ny fitaovam-piadiany rehetra.—Isaia 39:1, 2.

Voninkazo, voankazo, ravinkazo, ditin-kazo, na hodi-kazo no akana ranomanitra na menaka. Kely ihany anefa no azo avy amin’izy ireny. Miresaka an’ireny zavamaniry manitra isan-karazany ireny ny Baiboly. Anisan’izany ny aloesy, balsama, hazo matambelo, harefo, kanelina, hazo fakana emboka manitra, miora, tamotamo, ary narda. Tany amin’ny Lohasahan’i Jordana no naniry ny sasany tamin’ireny. Ny hafa indray nohafarana avy tany Inde sy Arabia Atsimo ary avy any an-tany hafa, ary efa misy lalana falehan’ny mpivarotra azy mihitsy tamin’izany.

Ny menaka balsama

Hitantsika teo fa miresaka momba ny menaka balsama ny tantaran’i Estera sy Hezekia ary ny mpanjakavavin’i Sheba. Nahita fitoera-menaka kely tao amin’ny lava-bato iray ny mpikaroka tamin’ny 1988. Tany akaikin’i Qoumrân eny amin’ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasina Maty ilay izy no hita. Samy nilaza ny heviny momba an’ilay izy ny olona. Asa raha io no menaka balsama fahiny sisa tavela! Tsy tena fantatry ny mpikaroka izany. Azo antoka anefa fa nalaza be mihitsy ny balsama fahiny. Mbola miezaka mamboly azy io ihany aza ny mpamboly hatramin’izao.

Fasiana zavatra fanosotra vita amin’ny ivoara, Israely

Lafo vidy be ny menaka balsama ka nafenina ny fomba fanamboarana sy fambolena azy. Ny ranoka ao amin’izy io mantsy no hanaovana ranomanitra. Manam-pahaizana maro no mino fa avy any Arabia na Afrika ny balsama. Voaporofo koa anefa fa tany akaikin’i En-jedy no nambolena ny balsama resahin’ny Baiboly. Nahita fatana sy siny ary zavatra maromaro vita amin’ny vy sy taolana tany mantsy ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Tamin’ny taonjato fahenina T.K. no nisian’izy ireo. Mitovitovy amin’ny fitaovana fanamboarana ranomanitra nampiasaina tany amin’ny faritra hafa ireo zavatra hita ireo.

Sarobidy tamin’ny mpanao politika koa ny balsama. Nilaza, ohatra, i Josèphe, mpahay tantara, fa nahazo tany feno balsama i Marc Antoine ary nataony fanomezana ho an’i Cléopâtre, mpanjakavavy ejipsianina, izany. Nilaza koa i Pline, mpahay tantara tany Roma, fa nisy balsama be dia be naniry saika hopotehin’ny Jiosy mpikomy tamin’ny Adin’ny Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Resin’ny Romanina mantsy izy ireo ka tsy tiany ho lasan’izy ireo ilay balsama.

Nanampy antsika hahafantapantatra ny fanatsarana bika sy tarehy fanao fahiny àry ny Baiboly sy ny zavatra hitan’ny mpikaroka. Tsy manakana ny olona tsy hanao makiazy na hihaingo ny Baiboly. Milaza kosa izy io fa tokony hisaina tsara sy ho maotina ilay olona rehefa manao izany. (1 Timoty 2:9) Nilaza ny apostoly Petera fa “ny toetra tony sy malemy paika” no “tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.” Miovaova foana izao ny lamaody ka azo antoka fa tena ilain’ny vehivavy Kristianina izany torohevitra izany, na tanora izy na antitra.—1 Petera 3:3, 4.