Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2012

Mino ve Ianao fa Efa Nisy Taloha?

Mino ve Ianao fa Efa Nisy Taloha?

“Tena misy ny hoe maty dia velona indray. Ny olona velona, raha ny marina, dia olona efa nisy taloha ihany fa maty dia teraka indray. Velona foana koa ny fanahin’ny olona maty.”—TENIN’I SOCRATE NAVERIN’I PLATON, FILOZOFA GRIKA, TAONJATO FAHADIMY T.K.

“Tsy vatana akory ny fanahy. Mila vatana anefa izy io ka velona sy mifindrafindra any amin’ny vatan’olona samihafa.”—GIORDANO BRUNO, FILOZOFA ITALIANINA, TAONJATO FAHA-16.

“Tsy tena maty ny olona rehefa maty ... Mifindra ao anaty vatana vaovao ny fanahiny ka toy ny hoe mitazana ny zava-misy avy eo am-baravarankely.”—RALPH WALDO EMERSON, MPANORATRA SADY POETY AMERIKANINA, TAONJATO FAHA-19.

EFA nieritreritra ve ianao hoe: ‘Iza marina àry aho? Efa nisy àry ve aho taloha?’ Efa hatry ny ela ny olona any amin’ny tany maro no nieritreritra toy izany. Nisy aza lasa nino hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona rehefa maty. Misy “fanahy tsy hita maso”, hono, miala amin’ny vatana rehefa maty ny olona ary mifindra any amin’ny vatana hafa. Mety ho vatan’olona izany na biby na zavamaniry. Mifindrafindra foana ilay fanahy isaky ny maty ilay olona.

 Olona maro no lasa mino an’izany. Tena marina ve anefa izany? Inona no lazain’ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra? Hodinihintsika aloha hoe avy aiza izany fampianarana izany.

Avy aiza izany fampianarana izany?

Milaza ny mpahay tantara sy ny manam-pahaizana fa ny mponina tany Babylona fahiny no nanomboka nino hoe tsy mety maty ny fanahy. Roa arivo taona mahery talohan’i Kristy no nisian’io tanàna io. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Morris Jastrow, tao amin’ilay boky hoe Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria (anglisy): ‘Zava-dehibe tamin’ireo teolojianina babylonianina ilay hoe tsy mety maty ny fanahy. Fifindrana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny mantsy tamin’izy ireo ny fahafatesana. Sarotra tamin’izy ireo ny nino fa tsy mahatsiaro tena mandrakizay ny maty. Izany no nahatonga an’ilay fampianarana hoe tsy mety maty mihitsy ny fanahy, fa mifindra any amin’ny vatana hafa fotsiny.’

Lasa niely tany amin’ny faritra hafa koa izany fampianarana izany fahiny. Nisy filozofa karàna, ohatra, namorona fampianarana sarotra be atao hoe ny lalàn’ny antony sy ny vokany na Karma. Rehefa maty, hono, ny olona iray, dia mifindra any amin’ny vatana hafa ny fanahiny, ka arakaraka izay zavatra nataony tamin’izy nisy taloha ny ho fiainany rehefa teraka indray izy. Nisy filozofa grika koa nino hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny maty, ka maro no lasa nino an’izany koa.

Lasa be dia be tampoka koa izao ny olona liana amin’izany any amin’ny tany tandrefana. Lasa manintona ny olo-malaza sy ny tanora ny fampianarana sy ny fombafomban’ny fivavahana any amin’ny tany tatsinanana. Be dia be koa ny boky sy tranonkala ao amin’ny Internet manazava izay heverin’ny olona fa niainany taloha. Malaza any amin’ny tany maro izao ny fitsaboana mifandray amin’izany. Atao toy ny matory ilay marary ka asaina mitadidy sy mitantara izay zavatra eritreretiny hoe niainany tamin’izy nisy taloha. Izany, hono, no hamantarana tsara ny aretiny sy ny toetrany amin’izao.

Marina ve izany fampianarana izany?

Ekena fa efa hatry ny ela be ny olona no nino hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny maty. Marina ve anefa izany? Azo antoka fa te hahafantatra an’izany ianao raha Kristianina. (Jaona 17:17) I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, no Loharanon’aina sady “Mpampiharihary zava-miafina.” Izy àry no mampahafantatra antsika ny marina momba ny fiainana sy ny fahafatesana. Hitantsika ao amin’ny Teniny dia ny Baiboly izany.—Daniela 2:28; Asan’ny Apostoly 17:28.

Raha mandinika tsara izay lazain’ny Baiboly isika, dia hahafantatra hoe manao ahoana isika rehefa maty. Izao, ohatra, no nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama rehefa tsy nankatò izy sy Eva: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Genesisy 3:19) Vovoka no nanamboarana an’i Adama, ka rehefa maty izy dia lasa vovoka indray. Tsy teraka indray ao amin’ny vatana hafa àry ny olona rehefa maty fa lasa tsy misy intsony. * Mifanohitra tanteraka ny hoe fiainana sy fahafatesana, toy ny hoe hafanana sy hatsiaka, na mando sy lena, na mazava sy maizina. Tena maty ny olona rehefa maty! Tsy tsotra sy mitombina ve izany?

Misy antony hafa àry matoa ny olona sasany mihevitra fa tadidiny ny fiainany tamin’izy nisy taloha. Ekena aloha fa mbola tsy fantatra tsara ny fomba fiasan’ny sain’ny olona sy ny vokatry ny fanafody nohaniny, na ny zavatra nandona be ny sainy. Mitahiry zavatra be loatra koa ny atidoha ka lasa manonofy na maminavina zavatra ny olona. Be tsipiriany loatra indraindray ilay nofiny ka lasa hoatran’ny tena izy mihitsy. Ataon’ny anjely ratsy koa  indraindray izay ahitan’ny olona iray zavatra hafahafa, ka na zavatra tsy misy aza lasa misy aminy.—1 Samoela 28:7-19.

Efa voajanahary amin’ny olona ny hoe te ho velona sy hahafantatra ny hoavy. Milaza mantsy ny Baiboly fa ‘efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny mandrakizay.’ (Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Protestanta) Te ho velona mandrakizay àry ny olombelona.

Raha i Jehovah Andriamanitra àry no nahatonga antsika haniry ho velona mandrakizay, dia tsy tokony holazainy amintsika koa ve hoe ahoana no hahatonga antsika hiaina mandrakizay? Milaza ny Baiboly fa tiany hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany izay mankatò. Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” Tsy maintsy hatsangana àry aloha ny maty. Anisan’ny fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly izany ary mifandray foana amin’ny resaka fiainana mandrakizay.—Asan’ny Apostoly 24:15; 1 Korintianina 15:16-19.

Porofo fa tena hatsangana ny maty

Mitantara olona valo natsangana tamin’ny maty teto an-tany ny Baiboly, ary nisy vavolombelona nahita izany. * Nitsangana tamin’ny maty izy ireo fa tsy hoe teraka indray tao amin’ny vatana hafa. Tonga dia fantatry ny havany sy ny namany koa ilay olona rehefa nitsangana. Tsy nandeha hatraiza hatraiza akory izy ireo mba hitady zaza vao teraka sao nifindra tao amin’ny iray amin’izy ireny ny fanahin’ny havany maty.—Jaona 11:43-45.

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa kely sisa dia hatsangana ao amin’ny tontolo vaovao eto an-tany ny ankamaroan’ny maty. Tsy hisy intsony amin’izay ity tontolo ratsy ity. (2 Petera 3:13, 14) Mampahery tokoa izany! Tadidin’i Jehovah tsara daholo ny mombamomba an’ireo olona an’arivony tapitrisa maty hatramin’izay. Na ny anaran’ny kintana rehetra aza mantsy tadidiny. (Salamo 147:4; Apokalypsy 20:13) Ho afaka hamantatra ny tetirazany ny olona rehefa hatsangany daholo ny razambeny. Tena hahafinaritra tokoa izany!

^ feh. 13 Manazava bebe kokoa momba ny hoe “Aiza no Misy ny Maty?” ny toko 6 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 18 Ato amin’ireto andininy ireto no misy an’izany fitantarana izany: 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia ho hitanao fa teo imason’ny vavolombelona no nitsangana tamin’ny maty izy ireo. I Jesosy Kristy no olona fahasivy natsangana tamin’ny maty.—Jaona 20:1-18.