Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA SEPTAMBRA 2012

 Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nandefasana taratasy fahiny?

Mpitondra taratasim-panjakana tany Persa

Nampiasa olona maromaro ny Fanjakana Persianina ho mpitondra taratasim-panjakana nanerana ilay tany. Hoy ny Estera 8:10 momba izany: “Nosoratan’i Mordekay tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka ilay taratasy sady notombohiny tamin’ny peratra fanombohan-kasen’ny mpanjaka, ka nampitondrainy an’ireo iraka mitaingina soavaly haingam-pandeha, fanaovana fanompoana ho an’ny mpanjaka.” Nanana iraka toy izany koa ny Fanjakana Romanina, mba hitondra taratasy momba ny raharaham-panjakana sy momba ny tafika.

Tsy nitondra taratasin’olon-tsotra anefa izy ireny, toy ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly na ny olon-kafa. Ny mpanompony no nirahin’ny olona mpanankarena hanatitra ny taratasiny. Matetika anefa ny olona no nampitondra ny taratasiny an’izay olom-pantany na vahiny handalo any amin’ilay toerana hanaterana an’ilay taratasy. Nety ho havana na namana na miaramila na mpivarotra izany. Nila nojerena tsara fotsiny raha azo atokisana sy tsy mitelin-kafatra ilay olona. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nampitondrain’i Paoly an’ireo Kristianina namany ny sasany tamin’ny taratasy nosoratany.—Efesianina 6:21, 22; Kolosianina 4:7.

Nanao ahoana ny fandehan’ny varotra tany Israely fahiny?

Fivarotana voankazo

Ny fambolena sy fiompiana ary takalo no tena fidiram-bolan’ny Israelita fahiny. Milaza ny Baiboly fa nisy tsena teny am-bavahadin’ny tanàna, toy ny “Vavahadin’ondry” sy “Vavahadin-trondro” ary “Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga.” (Nehemia 3:1, 3; Jeremia 19:2) Hita amin’ireo anarana ireo ny zavatra namidy teo amin’ilay tsena. Miresaka momba ny “Lalan’ny mpanao mofo” tany Jerosalema, sy ny zavatra hafa namidy fahiny koa ny Baiboly.—Jeremia 37:21.

Ahoana kosa ny amin’ny vidin’entana? Hoy ny boky iray: “Niovaova be ny vidin’entana nandritra ny taonjato maro. Sarotra àry ny manombantombana ny vidin’ny entana iray tany amin’ny toerana iray tamin’ny fotoana iray.” Hita tao amin’ny asa soratra fahiny, toy ny Baiboly, anefa fa nisondrotra foana ny vidin-javatra taloha. Fanao tamin’izany ny nivarotra andevo. Namidy farantsa volafotsy 20, ohatra, i Josefa. Mety ho sekely ireo farantsa ireo ary izany angamba no vidin’ny andevo iray, tamin’ny taonjato faha-18 T.K. (Genesisy 37:28) Niakatra ho sekely 30 izany, 300 taona tatỳ aoriana. (Eksodosy 21:32) Lasa sekely 50 izany hatramin’ny taonjato fahavalo T.K. (2 Mpanjaka 15:20) Tafakatra sekely 90 na mahery mihitsy aza izany, 200 taona taorian’izay, tamin’ny andron’ny Persianina. Tsy amin’izao ihany àry no misondrotra ny vidin-javatra, fa efa hatramin’izay mihitsy.