Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataonao mba ho Sambatra Ianao?

Inona no Hataonao mba ho Sambatra Ianao?

Inona no Hataonao mba ho Sambatra Ianao?

HO TENA sambatra ianao amin’ny hoavy, raha mieritreritra mialoha izay ho vokatry ny fanapahan-kevitrao.

Tsy mieritreritra afa-tsy ny androany anefa ny ankamaroan’ny olona. Lasa sarotra àry ny manapa-kevitra hoe hanao izay zavatra hitondra soa mandritra ny androm-piainana. Fantatrao, ohatra, fa ho sambatra ny fianakavianao raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly. (Efesianina 5:22–6:4) Mba hahavitana an’izany anefa, dia tsy maintsy miaraka matetika amin’izy ireo ianao, ary miady mafy mba tsy ho variana loatra amin’ny asa na ny fialam-boly. Tsy maintsy manapa-kevitra ianao hoe izay mahafinaritra anao vetivety fotsiny ve no hataonao sa izay tena hahasambatra anao foana. Mila misafidy hoatr’izany ianao matetika eo amin’ny fiainana. Ahoana àry no hahaizanao hanapa-kevitra tsara?

1 Eritrereto mialoha izay mety ho vokany

Rehefa hanapa-kevitra ianao dia eritrereto amin’ny saina tsy miangatra ny mety ho vokany. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Rehefa hitanao fa mety hahavoa anao ilay izy, dia azo antoka fa tsy handray an’ilay fanapahan-kevitra ianao. Rehefa hitanao kosa fa hitondra soa ho anao foana ilay izy, dia hazoto hanao azy ianao.

Eritrereto àry izao: ‘Inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitro rehefa afaka herintaona na 10 na 20 taona mihitsy aza? Sao dia handiso fanantenana ahy ilay izy na hankarary ahy? Inona no mety ho vokany eo amin’ny fianakaviako sy ny namako?’ Fa ny tena mila eritreretinao dia hoe: ‘Hampifaly an’i Jehovah ve ilay izy? Mbola hifandray tsara aminy foana ve aho raha manao an’ilay izy?’ Matetika no misy olana mety tsy horaharahainao rehefa hanapa-kevitra ianao. Hanampy anao hahita azy ireny sy hampifaly an’Andriamanitra anefa ny Baiboly, satria avy amin’ny fanahy masina.—Ohabolana 14:12; 2 Timoty 3:16.

2 Aza maka tahaka ny hafa

Olona maro no manahaka izay hataon’ny hafa fotsiny rehefa hanapa-kevitra. Tsy voatery hahasambatra anefa ny zavatra iray satria fotsiny hoe be mpanao. Mila mandinika tsara àry ianao. Nilaza, ohatra, i Natalie * hoe: “Nieritreritra aho taloha fa rehefa hanambady, dia tiako raha mba tena mifankatia sy tsy misaraka mihitsy izahay. Raha ny zavatra nataoko anefa no jerena, dia tsy ho nisy mihitsy izany. Nanaraka izay nataon’ny namako tany amin’ny oniversite fotsiny tsinona aho. Nahay be ry zareo, nefa tsy arakarak’izay ny fiainany. Niovaova sipa foana ry zareo, dia mba niaraka tamin’ny ankizilahy be dia be koa aho. Lasa narary fo anefa aho.”

Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Natalie. Hoy izy: “Sambatra erỳ ny tanora sy ny mpivady ao amin-dry zareo.” Mba te hitovy amin’izy ireo i Natalie, ka nanova ny fiainany na dia sarotra taminy aza izany. Nisy vokany ve ilay izy? Hoy izy: “Tanteraka ihany ilay faniriako hatrizay. Olona tena tiako no lasa vadiko sady Vavolombelon’i Jehovah hoatr’ahy. Misaotra an’Andriamanitra aho, satria tsara noho ilay nofinofiko taloha mihitsy aza ny fiainanay izao.”

3 Mahaiza mitsinjo lavitra

Inona no hataonao mba hahay hitsinjo lavitra ianao? Eritrereto tsara hoe inona no tena tanjonao eo amin’ny fiainana ary ahoana no hanatratraranao izany. (Ohabolana 21:5) Izay mety ho vokany mandrakizay mihitsy anefa atao an-tsaina, fa tsy izay vokany amin’ny fiainanao mandritra ny 70 na 80 taona fotsiny.

Milaza ny Baiboly fa nanao sorona an’i Kristy Jesosy Andriamanitra mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. (Matio 20:28; Romanina 6:23) Mampanantena izy fa kely sisa dia ho tanteraka ilay fikasany hoe hatao Paradisa ny tany. Hiaina mandrakizay koa izay tia an’Andriamanitra. (Salamo 37:11; Apokalypsy 21:3-5) Hahazo izany ianao raha mahay mitsinjo lavitra.

4 Iezaho tratrarina ilay tanjonao

Ahoana anefa no hahazoanao fiainana mandrakizay? Mianara momba an’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Rehefa azonao tsara izay lazain’ny Baiboly, dia hatoky ianao fa tena ho tanteraka ny zavatra ampanantenainy. Hazoto hanao izay fiovana rehetra ilaina ianao amin’izay, mba hankasitrahany.

Izany no nataon’i Mika. Hoy izy: “Nanomboka nisotro toaka be sy nifoka rongony aho, tamin’izaho 12 taona. Niaraka tamin’ny andian-jiolahy aho, ary nieritreritra fa tsy hahatratra 30 taona akory dia ho faty. Efa imbetsaka aho no nanandrana namono tena rehefa diso fanantenana sy tezitra. Nino ihany aho hoe misy antony matoa isika velona, saingy tsy fantatro fotsiny hoe inona ilay izy.” Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny jiolahy iray naman’i Mika, ka nianatra koa izy. Mbola nianatra tany an-tsekoly izy tamin’izay.

Hoy i Mika: “Lasa fantatro fa ho Paradisa ny tany, ary hiadana ny olona fa tsy hitebiteby intsony. Lasa niandrandra an’izany aho. Ny hifandray tsara amin’i Jehovah no nataoko tanjona. Resin’ny fakam-panahy ihany anefa aho indraindray. Nisy fotoana aho mbola mamo ihany na dia efa nianatra Baiboly aza. Nijangajanga koa aho ka nanao firaisana tamin’ny ankizivavy iray.”

Inona no nampiova tanteraka an’i Mika? Hoy izy: “Nampirisika ahy ilay mpampianatra Baiboly ahy hoe mamakia Baiboly isan’andro ary miaraha amin’ny olona tia an’Andriamanitra. Hitako koa hoe ilay izaho niaraka tamin’ny namako no mbola nahatonga ahy hanao ratsy. Tsy niaraka tamin-dry zareo intsony àry aho na dia toy ny fianakaviako mihitsy aza ry zareo.”

Ny hankatò ny fitsipik’Andriamanitra no tena tanjon’i Mika. Ahoana no nataony mba hanatratrarana izany? Niezaka tsikelikely izy. Azonao atao koa izany. Soraty hoe inona no tena tanjonao, ary inona avy no hataonao tsikelikely mba hanatratrarana izany. Resaho amin’izay afaka manampy anao hanatratra ny tanjonao koa izany.

Aza mangataka andro àry fa mianara momba an’Andriamanitra ary araho ny toroheviny. Ataovy izay hitiavanao an’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly. Milaza ny Salamo 1:1-3 fa ‘hahomby daholo izay hataonao’, raha mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Novana ny anarana.