Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

Manatòna An’Andriamanitra

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

RAHA ianao no asaina mifidy teny indraim-bava ilazana ny tena maha izy an’i Jehovah, dia inona no teny hofidinao? Nahazo fahitana, ohatra, i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy (T.K.). Nahita anjely maro nidera an’i Jehovah izy ary nampiasa teny iray mahalaza tsara ny maha izy an’i Jehovah izy ireo, dia ny hoe masina. Tena hahatalanjona antsika io fahitan’i Isaia io sady hahatonga antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah. Ho hitantsika ao amin’ny Isaia 6:1-3 izany, ary ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao rehefa mandinika an’izany isika.

Fa inona tokoa no hitan’i Isaia? Hoy izy: ‘Hitako i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina.’ (Andininy 1) Tsy hoe nahita ara-bakiteny an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, akory i Isaia. Tsy afaka mahita fanahy mantsy ny olombelona. Hoy mihitsy ny Baiboly: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18) Fahitana àry no hitan’i Isaia. Hoatran’ny tena izy anefa ilay fahitana ka tena gaga izy, ary toy ny nahita an’i Jehovah mihitsy.

Nahita zavatra mbola tsy nisy nahita tamin’ny fahitana mihitsy i Isaia avy eo. Hoy izy: ‘Nisy serafima nijoro teo ambonin’i Jehovah. Samy nanana elatra enina avy izy ireo, ka ny roa nanaronany ny tarehiny, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.’ (Andininy 2) Anjely manana toerana ambony be ny serafima. I Isaia ihany no mpanoratra Baiboly miresaka momba azy ireo. Vonona handeha any amin’izay hampandehanana azy foana ny serafima ary hanao izay tian’i Jehovah hampanaovina azy. Saronan’izy ireo ny tarehiny sy ny tongony, mba hampisehoana fa manaja lalina an’i Jehovah izy ireo. Tena voninahitra ho azy ireo mantsy ny manompo eo anatrehan’i Jehovah.

Tsy ny zavatra hitan’i Isaia ihany no nahatalanjona azy fa ny zavatra reny koa. Mihira fiderana toy ny antoko-mpihira any an-danitra ireo serafima. Hoy i Isaia: “Nanao antso nifamalivaly izy ireo hoe: ‘Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!’ ” (Andininy 3) Midika hoe madio ilay teny hebreo nadika hoe “masina.” Misy “hevitra hoe afaka tanteraka sy tafasaraka tanteraka amin’ny ota” ihany koa io teny io. Manao hira mifamalivaly ny serafima ka averin’izy ireo intelo ilay hoe “masina” ao amin’ilay hirany, mba hanamafisana fa tena tonga lafatra ny fahamasinan’i Jehovah. (Apokalypsy 4:8) Ny fahamasinana àry no tena mampiavaka an’i Jehovah. Madio tanteraka sy tsy misy kianina izy.

Lasa te hifandray amin’i Jehovah isika rehefa mahafantatra hoe masina izy. Tsy mba toy ny mpitondra olombelona mantsy izy ka hoe hanao ny tsy rariny sy hanjakazaka. Tsy mba manota mihitsy kosa izy. Masina i Jehovah ka manome toky antsika izany fa izy no Ray tsara indrindra, sy Mpitondra manao ny rariny, ary Mpitsara tsy manavakavaka. Afaka matoky tanteraka isika fa tsy mba handiso fanantenana antsika mihitsy izy, satria ny fahamasinana no tena mampiavaka azy.

Famakiana Baiboly Amin’ny Desambra:

Isaia 1-23

[Teny notsongaina, pejy 26]

Lasa te hifandray amin’i Jehovah isika rehefa mahafantatra hoe masina izy