Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Naminany Momba An’i Israely Ankehitriny ve ny Baiboly?

Naminany Momba An’i Israely Ankehitriny ve ny Baiboly?

Naminany Momba An’i Israely Ankehitriny ve ny Baiboly?

MAMPANAHY ny maro ny zava-mitranga any Israely sy ny firenena manodidina azy. Fahita any ny fanapoahana bala afomanga, ny adin’ny milisy mitam-piadiana, ary ny baomba apoakan’ny mpampihorohoro. Ahina hisy fitaovam-piadiana niokleary koa any. Manahy àry ny olona eran-tany.

Nampanahy an’izao tontolo izao koa ny zava-nitranga tany Israely sy ny firenena manodidina azy, tamin’ny Mey 1948, 62 taona lasa izay. Efa ho tapitra tamin’izay ny fotoana nifehezan’ny Anglisy an’i Palestina, ary nananontanona ny ady. Navelan’ny Firenena Mikambana (ONU) hanangana fanjakana mahaleo tena ny Jiosy tao amin’ilay tany nofehezin’ny Anglisy, tamin’ny 1947. Nivoady hanao izay fara heriny mba tsy hisian’izany ny Arabo teo amin’ny manodidina. Nampitandrina izy ireo hoe: “Tsy hisy afa-tsy tifitifitra sy ra mandriaka eny amin’ny sisin-tany.”

Zoma 14 Mey 1948 tamin’ny efatra ora tolakandro tamin’izay. Ora vitsy sisa dia tsy hifehy an’i Palestina intsony ny Anglisy. Nasaina mangingina tao amin’ny Tranombakok’i Tel Aviv ny olona 350 mba hanatrika ny fanambarana ofisialy momba ny fahaleovan-tenan’i Israely, izay efa nandrandraina mafy. Nambenana mafy ilay toerana sao hotafihin’ny fahavalo maro te hanakana an’ilay fanambarana.

I David Ben Gourion, filohan’ny Filan-kevi-pirenen’i Israely, no namaky an’ilay Fanambarana Momba ny Niorenan’ny Fanjakan’i Israely. Hoy izy: ‘Izahay anisan’ny Filan-kevitry ny Vahoaka, izay misolo tena ny Jiosy rehetra eto Eretz-Israel [Palestina], dia manambara etoana fa noho ny zonay amin’ny maha Jiosy anay sy noho ny zava-misy ara-tantara, ary noho ny Fanapahan-kevitra tamin’ny fivoriamben’ny ONU, dia aorinay eto Eretz-Israel [Palestina] ny Fanjakana Jiosy, izay fantatra amin’ny hoe Fanjakan’i Israely.’

Faminaniana tanteraka ve izany?

Mino ny Protestanta sasany fa fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly ny niorenan’ny fanjakan’i Israely. Hoy, ohatra, i John Hagee, mpitondra fivavahana, tao amin’ny boky iray: “Efa nosoratan’ny mpaminany Isaia mialoha ny momba an’io fotoan-dehibe io. Hoy izy: ‘Hisy firenena hatao indray miteraka.’ (Jereo ny Isaia 66:8.) ... Io no miavaka indrindra amin’ny fotoana nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, tamin’ny taonjato faha-20. Porofo mivaingana ho an’ny rehetra izany fa mbola velona ny Andriamanitry ny Israely.”

Marina ve izany? Milaza mialoha ny fiorenan’ny fanjakan’i Israely ankehitriny ve ny Isaia 66:8? Ny 14 Mey 1948 ve no “miavaka indrindra amin’ny fotoana nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-20”? Raha mbola firenena nofidin’Andriamanitra i Israely ankehitriny, ary raha mbola mampiasa azy io hanatanterahana ny faminanian’ny Baiboly izy, dia tena hahaliana ny olona rehetra mianatra Baiboly izany.

Hoy i Isaia: “Iza no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany ho teraka ao anatin’ny iray andro ve? Sa hisy firenena hatao indray miteraka? I Ziona anefa vao nihetsi-jaza dia niteraka an’ireo zanany lahy.” (Isaia 66:8) Voalaza eo fa hisy firenena iray ho teraka tampoka, toy ny hoe ao anatin’ny iray andro. Iza anefa no hahatonga izany? Hoy ny andininy manaraka: “ ‘Izaho ve no hamaky ny ranon-dohany, dia izaho indray no hisakana azy tsy hihetsi-jaza?’, hoy i Jehovah. ‘Izaho ve no mahatonga azy hihetsi-jaza, dia izaho indray no hisakana azy tsy hamoaka ny zanany?’, hoy ny Andriamanitrao.” Asehon’i Jehovah Andriamanitra fa izy no hahatonga an’ilay firenena ho teraka.

Fitondrana tsy ara-pivavahana entim-bahoaka i Israely, ary tsy nilaza tamin’ny fomba ofisialy mihitsy hoe miantehitra amin’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Nanaiky ve ny Israelianina tamin’ny 1948 fa i Jehovah Andriamanitra no nahatonga azy ireo hahaleo tena? Tsia! Tsy hita tao amin’ilay fanambarana mihitsy tamin’ny voalohany ny anaran’Andriamanitra, ary na ny hoe “Andriamanitra” aza. Hoy ny boky Fotoan-dehibe teo Amin’ny Tantaran’ny Jiosy (anglisy) momba izay nosoratana farany tao: ‘Mbola tsy tapaky ny Filan-kevi-pirenena hoe inona no hosoratana ao amin’ilay fanambarana, nefa efa tamin’ny iray ora tolakandro. Te hanisy hoe “Andriamanitry ny Israely” ireo mpandala ny maha Jiosy, nefa nanda izany ireo tsy mpivavaka. Nitady marimaritra iraisana i Ben Gourion ka nosoloana hoe “Vatolampy” ny hoe “Andriamanitra.”’

Milaza ny Israelianina fa ny fanapahan-kevitry ny ONU sy ilay antsoin’izy ireo hoe zony amin’ny maha Jiosy azy ary ny zava-misy ara-tantara no nahatonga azy ho firenena. Tsy nanome voninahitra an’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly àry io vahoaka io. Vahoaka toy izany ve dia hampiasain’Andriamanitra hanatanterahana faminaniana sy hanaovana fahagagana?

Tsy mitovy amin’izay nitranga taloha

Tena tsy mitovy amin’izay nitranga tamin’ny 537 T.K. (Talohan’i Kristy) ny fihetsik’ireo Israelianina. Toy ny hoe ‘nateraka indray’ tao anatin’ny iray andro ny firenen’Israely tamin’izay, rehefa avy nataon’ny Babylonianina fongana sy lao, 70 taona talohan’izay. Tamin’ny 537 T.K. ilay Persianina atao hoe Kyrosy Lehibe no nandresy an’i Babylona, ary tanteraka ny Isaia 66:8, rehefa navelany hiverina tany amin’ny taniny ny Jiosy.—Ezra 1:2.

Niaiky i Kyrosy Mpanjaka fa i Jehovah no nahatonga an’ilay zava-niseho tamin’ny 537 T.K. Niverina tany Jerosalema koa ny Jiosy mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana amin’i Jehovah sy hanamboatra indray ny tempoly. Tsy nilaza mihitsy i Israely ankehitriny hoe mba naniry hanao toy izany.

Mbola firenena voafidin’Andriamanitra ihany ve izy ireo?

Nanda ny Mesia Zanak’i Jehovah ny firenen’Israely tamin’ny taona 33, ka lasa tsy firenena voafidin’Andriamanitra intsony. Ny Mesia mihitsy no nilaza hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! ... Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Matio 23:37, 38) Tanteraka izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema ka tsy nisy intsony ny tempoly sy ny fisoronana. Ary ahoana ilay fikasan’Andriamanitra haka ‘fananana manokana avy amin’ny firenena hafa rehetra, ho fanjaka-mpisorona sy firenena masina’?—Eksodosy 19:5, 6.

Hoy ny apostoly Petera, izay Jiosy, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hafa firenena sy jiosy: ‘Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.” Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny. Tsy namindrana fo ianareo, fa amindrana fo kosa ankehitriny.’—1 Petera 2:7-10.

Anisan’ny firenena ara-panahy àry ny Kristianina nofidin’ny fanahy masina, ary tsy ny fireneny na ny toerana misy azy no mamaritra izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy ny hoe voafora na tsy voafora no zava-dehibe, fa ny hoe zavaboary vaovao. Ary enga anie ny fiadanana sy ny famindram-po ho amin’izay rehetra hanaraka tsara an’ity fitsipi-pitondran-tena ity, eny, ho amin’ny Israelin’Andriamanitra!”—Galatianina 6:15, 16.

Omen’ny firenena israelianina zom-pirenena avokoa ny Jiosy sy ireo miova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Izay ‘mankatò sy amafazana ny ran’i Jesosy Kristy’ ihany anefa no ekena ho anisan’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Israelin’Andriamanitra”, na Jiosy ara-panahy. (1 Petera 1:1, 2) Hoy i Paoly momba azy ireo: “Tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra. Koa tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra, ny fiderana izany olona izany.”—Romanina 2:28, 29.

Lasa mazava amintsika ny zavatra hafa nolazain’i Paoly, noho io andininy io. Nohazavainy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina hoe toy ny sampan’oliva ny Jiosy ara-nofo tsy nino an’i Jesosy. Notapahina ireo sampany ireo mba hanaovana grefy ny ‘sampan’olivadia’, izay manondro ny hafa firenena. (Romanina 11:17-21) Nofaranany toy izao ilay fanoharana: “Nisy tsy nihontsina ny Israely, mandra-pahafenon’ny isan’ny hafa firenena izay niditra, ary izany no fomba hamonjena ny Israely rehetra.” (Romanina 11:25, 26) Te hilaza ve i Paoly fa ho lasa Kristianina ny Jiosy rehetra? Mbola tsy nisy ny toy izany.

Ny Israely ara-panahy, izay Kristianina nofidin’ny fanahy masina, àry no tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “Israely rehetra.” Nilaza izy fa tsy niova ny fikasan’Andriamanitra hanana hazo “oliva” an’ohatra izay feno sampany mamokatra, na dia nanda ny Mesia aza ny Jiosy ara-nofo. Mifanaraka amin’izany ny tenin’i Jesosy rehefa nohariny tamin’ny voaloboka ny tenany. Nisy sampany tsy namokatra izy io ka notapahina. Hoy izy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny daholo. Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa.”—Jaona 15:1, 2.

Tsy nilaza mialoha momba ny hiorenan’ny fanjakan’i Israely ankehitriny ny Baiboly, nefa nanambara mialoha ny hisian’ny firenen’Israely ara-panahy. Hahazo fitahiana mandrakizay ianao, raha mamantatra an’io firenena ara-panahy io, ary miaraka aminy.—Genesisy 22:15-18; Galatianina 3:8, 9.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Inona no dikan’ilay fanoharan’i Paoly momba ny hazo oliva?

[Sary, pejy 27]

David Ben Gourion, tamin’ny 14 Mey 1948

[Sary nahazoan-dalana]

Israel Government Press Office, Photographer: Kluger Zoltan

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Todd Bolen/Bible Places.com