Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Manavakavaka Andriamanitra

Tsy Manavakavaka Andriamanitra

Ho an’ny Ankizy sy ny Tanora

Tsy Manavakavaka Andriamanitra

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Kornelio, Petera

Famintinana: Nanahaka an’Andriamanitra i Petera, ka tsy nanavakavaka fa nitory tamin’i Kornelio, lehilahy tsy Jiosy.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY ASAN’NY APOSTOLY 10:1-35, 44-48.

Nanao ahoana ny paozipaozin’i Kornelio, araka ny hevitrao?

․․․․․

Mety ho nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Kornelio rehefa niresaka tamin’ilay anjely, voatantara eo amin’ny andininy faha-3 hatramin’ny faha-6?

․․․․․

Inona no mety ho noresahin’i Kornelio sy ireo mpikarakara azy, araka ny andininy faha-7 sy 8?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana no nandaitra ilay fahitana na fanoharana naseho an’i Petera, resahina eo amin’ny andininy faha-10 hatramin’ny faha-16? (Tadidio fa Jiosy i Petera araka ny andininy faha-14.)

․․․․․

Inona no toetran’i Kornelio hitanao eo amin’ny andininy faha-25? Nahoana no mety ho vitsy amin’ny olona ambony toa azy no manana an’io toetra io? (Jereo ny andininy voalohany.)

․․․․․

Tadiavo ao amin’izay boky ara-baiboly anananao hoe firy ny miaramila tao amin’ny tafika italianina, teo ambany fahefan’i Kornelio.

․․․․․

Nahoana no tena mahavariana hoe niova ho Kristianina i Kornelio?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fampiasana fanoharana mandaitra.

․․․․․

Toetran’Andriamanitra hoe tsy manavakavaka.

․․․․․

Hoe ahoana no ampisehoanao fa tsy manavakavaka ianao.

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

TSY MANANA BAIBOLY VE IANAO? AZONAO ATAO NY MANGATAKA AMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH