Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Miaiky ny Heloka Nataonao ve Ianao?

Tsy Maintsy Miaiky ny Heloka Nataonao ve Ianao?

Tsy Maintsy Miaiky ny Heloka Nataonao ve Ianao?

Fanao any amin’ny fivavahana maro ny mikonfesy amin’ny pretra. Mbola ilaina ve anefa ny miaiky heloka? Ny olona ankehitriny mantsy tsy miraharaha momba ny fitondran-tena intsony.

TSY mitovy ny hevitry ny olona momba izany. Navoakan’ny gazety iray any Kanada, ohatra, ny hevitry ny olona iray. Marina, hoy izy, fa sarotra ny mitantara amin’olona ny ratsy nataonao. Kanefa, “maivamaivana ianao rehefa misy mihaino sy miara-mivavaka aminao ary milaza izay tokony hataonao.” Izao kosa no tenin’ny lehilahy iray, araka ny boky hoe Tsofy Rano Aho, Raiko, fa Nanota (anglisy): “Anisan’ny lesoka lehibe indrindra amin’ny fanaon’ny Eglizy ny konfesy, satria mahatonga ny olona hiady saina tsy amin’antony [momba ny ratsy vitany].” Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Misy toromarika mazava momba izay tokony hataon’ny olona nanota ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Rehefa nanota tamin’ny namany, ohatra, ny olona iray na nandika lalàna, dia tsy maintsy niaiky an’izany tany amin’ny mpisorona, izay avy amin’ny fokon’i Levy. Ilay mpisorona indray avy eo no hanao fanatitra ho an’Andriamanitra, mba hahazoan’ilay olona famelan-keloka.—Levitikosy 5:1-6.

Nanota i Davida Mpanjaka, taonjato maro tatỳ aoriana, ka nananatra azy i Natana mpaminany. Niaiky avy hatrany izy hoe: “Nanota tamin’i Jehovah aho.” (2 Samoela 12:13) Nivavaka sy nitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra koa izy. Inona no vokany? Hoy i Davida: “Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin’ny farany, ary ny fahadisoako tsy mba nosarontsaronako. Hoy aho: ‘Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.’ Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.”—Salamo 32:5; 51:1-4.

Nasain’Andriamanitra niaiky ny helony koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nampirisika an’ireo mpiray finoana taminy toy izao i Jakoba rahalahin’i Jesosy, anisan’ireo nitarika teo anivon’ny fiangonana tany Jerosalema: ‘Aoka ianareo hifampiaiky heloka imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.’ (Jakoba 5:16) Mila miaiky heloka àry ny Kristianina, saingy heloka manao ahoana izany, ary amin’iza?

Heloka manao ahoana?

Tsy lavorary isika ka mora manota amin’ny hafa isan’andro, ohatra hoe manao zavatra na teny mandratra, na dia tsy fanahy iniantsika aza. (Romanina 3:23) Izay fahadisoana rehetra toy ireny ve anefa, dia tsy maintsy lazaintsika amin’ny olona nomena fahefana ho amin’izany?

Marina fa tsy tian’Andriamanitra ny fahotana rehetra, nefa mamindra fo izy ka mitadidy fa manao diso imbetsaka isika satria tsy lavorary. Niaiky mihitsy ny mpanao salamo hoe: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô? Fa ao aminao ny tena famelan-keloka, mba hatahorana anao.” (Salamo 130:3, 4) Inona àry no tokony hatao raha nanota tsy nahy tamin’ny hafa isika? Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpianany hoe: “Mamelà ny helokay, fa izahay koa mba mamela izay nanota taminay.” (Lioka 11:4) Hamela ny helotsika àry Andriamanitra raha mifona aminy, amin’ny anaran’i Jesosy isika.—Jaona 14:13, 14.

Mariho fa nilaza i Jesosy hoe mila ‘mamela izay nanota tamintsika’ isika. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo mpiray finoana taminy: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’ (Efesianina 4:32) Rehefa mamela ny hafa isika, dia afaka manantena fa havelan’Andriamanitra koa ny helotsika.

Ahoana kosa ny amin’ireo fahotana lehibe, toy ny mangalatra, minia mandainga, mijangajanga, manao mamo, sy ny sisa? Manota amin’Andriamanitra izay manao an’ireo, satria mandika ny lalàny. Inona àry no tokony hatao?

Hiaiky heloka amin’iza?

Andriamanitra irery no afaka mamela ny fahotana natao taminy. Tsy misy olombelona nomeny fahefana hanao izany. Hoy ny Baiboly: ‘Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.’ (1 Jaona 1:9) Amin’iza àry isika no tokony hiaiky heloka?

Amin’Andriamanitra irery isika no tokony hiaiky fahotana, satria izy ihany no afaka mamela heloka. Nanao an’izany i Davida, araka ny efa hitantsika. Ahoana anefa no ahazoana famelan-keloka? Hoy ny Baiboly: “Koa mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba hisian’ny fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah.” (Asan’ny Apostoly 3:19) Mila miaiky sy mitsotra ny fahadisoany izay nanota, nefa tsy maintsy vonona hiala amin’ny ratsy nataony koa, vao hahazo famelana. Matetika izany no sarotra, nefa afaka mahazo fanampiana izy.

Tadidio ny tenin’i Jakoba terỳ aloha hoe: ‘Aoka ianareo hifampiaiky heloka imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.’ Hoy koa izy: “Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.” (Jakoba 5:16) Mety ho “anti-panahin’ny fiangonana” ilay “olo-marina” eo, araka ny andininy 14. Natao hanampy an’ireo mitady famelan-keloka amin’Andriamanitra ny ‘anti-panahy.’ Tsy afaka manafoana fahotana izy ireny, satria tsy nomena fahefana hanao izany. * Afaka mananatra sy manitsy an’izay nanao fahotana lehibe kosa izy ireo, mba hanampiana azy hiaiky fa tena ratsy ny nataony, ary hibebaka.—Galatianina 6:1.

Nahoana no ilaina ny miaiky heloka?

Lasa simba ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra sy ny hafa rehefa nanota izy, na lehibe ilay fahotana na tsia. Mety hanahy na hiady saina izy vokatr’izany. Midika izany fa manenjika azy ny feon’ny fieritreretany, izay fanomezan’ny Mpamorona. (Romanina 2:14, 15) Inona àry no azony atao?

Hoy indray i Jakoba: “Misy marary [ara-panahy] ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.”—Jakoba 5:14, 15.

Araka izany dia afaka mikarakara izay ilain’ny ondry ny anti-panahy. Inona no ataony? Tsy hoe mihaino an’ilay olona milaza ny diso vitany fotsiny akory izy ireo. Manao zavatra koa izy mba ‘hanasitranana ilay marary’ ara-panahy. Zavatra roa no tafiditra amin’izany.

Voalohany, mampiasa ny Tenin’Andriamanitra, izay afaka manasitrana, izy ireo. Izany no dikan’ilay hoe ‘manosotra menaka.’ Nilaza i Paoly fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ... ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany”, izany hoe afaka manova ny fo sy ny saina. (Hebreo 4:12) Mampiasa tsara ny Baiboly ireo anti-panahy ka manampy an’ilay marary ara-panahy hahita ny tena anton’ilay olana, ary hanitsy an’izay tsy mety mba hihavanany amin’Andriamanitra.

Faharoa, ny “vavaka atao amim-pinoana.” Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny vavaky ny anti-panahy, na dia tsy manova ny fitsarana ara-drariny hampihariny aza. Vonona hamela heloka mantsy izy miorina amin’ny soron’i Kristy. (1 Jaona 2:2) Vonona izy hanampy an’izay tena mibebaka sy mampiseho izany “amin’ny ataony.”—Asan’ny Apostoly 26:20.

Ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra no tena mahatonga antsika hitsotra ny helotsika, na nanota taminy isika na tamin’ny hafa. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy mifandamina sy mihavana amin’ny namantsika aloha isika, vao afaka manompo an’Andriamanitra sy hanana feon’ny fieritreretana madio. (Matio 5:23, 24) Hoy ny Ohabolana 28:13: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.” Hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra isika raha manetry tena sy mangataka famelana. Hanandratra antsika izy amin’ny fotoana voatondrony.—1 Petera 5:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Misy mampiasa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:22, 23, mba hanamarinana fa misy olombelona afaka mampikonfesy na manafoana ny fahotan’ny hafa. Manazava tsara an’izany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1996, pejy 28-29.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Hamela ny helotsika Andriamanitra ka hanadino izany raha mifona aminy, amin’ny anaran’i Jesosy isika

[Sary, pejy 24]

Ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra no tena mahatonga antsika hitsotra ny helotsika