Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Inona no nanampy ny reny tokan-tena iray, ho afaka tamin’ny rongony sy hifandray tsara tamin-janany? Ahoana no nataon’ny lehilahy iray monina teny an’arabe mba hialana tamin’ny fahazaran-dratsy nampahantra azy? Inona no nanampy ny lehilahy iray tsy hiboboka toaka intsony? Araho ny tantaran’izy ireo.

‘Nanjary tsapako hoe nila namelon-tena aho.’—NELLY BAYMATOVA

TAONA: 45

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: MPIFOKA RONGONY

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany Vladikavkaz, renivohitr’i Ossétie Avaratra aho. Nanan-karena izahay, nefa tsy sambatra aho. Efa indroa nisaram-panambadiana aho, tamin’izaho 34 taona. Efa nifoka rongony nandritra ny folo taona koa aho tamin’izay, ary efa indroa notsaboina tany amin’ny hopitaly vokatr’izany. Tsy niraiki-po tamin’ireo zanako mianadahy aho, ary tsy nahay nifandray tamin’ny namako sy ny fianakaviako.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Neny tatỳ aoriana. Matetika aho no nandre azy nitomany noho ny nataoko, sy nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy ahy. Nieritreritra aho hoe: ‘Tsotra loatra koa i Neny! Ahoana no hanampian’i Jehovah ahy?’ Niezaka niala tamin’ny rongony aho, nefa tsy vitako ny niady irery tamin’ilay izy. Tsy nifoka nandritra ny roa andro, ohatra, aho indray mandeha, ka te hivoaka ny trano ary nitsambikina teo am-baravarankely. Hay varavarankely tany ambony rihana no nitsambikinako! Tapaka ny tongotro sy ny tanako ary naratra ny lamosiko, ka iray volana mahery aho teo am-pandriana.

Nikarakara ahy tsara i Neny, ary tsy nanome tsiny ahy. Fantany hoe nikorontana ny fihetseham-poko ary niady saina aho. Nasiany gazety Mifohaza! * teo akaikin’ny fandrianako. Novakiko izy rehetra, ary tena nahaliana ahy sy nianarako zavatra. Nanapa-kevitra hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taorian’izay.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nampianatra ahy handray andraikitra ny Baiboly. Nanjary tsapako hoe nila namelon-tena sy namelona ny zanako aho, fa tsy hiankina amin’i Neny foana. Nanao izay tiako foana aho talohan’izay, ka tsy mora ny hoe hanana asa raikitra.

Tena nanampy ahy koa ny torohevitry ny Deoteronomia 6:5-7 hoe tokony hampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Fantatro hoe hampamoahin’Andriamanitra aho, arakaraka izay fomba hitaizako ny zanako. Nanomboka nanokana fotoana hiarahana tamin’izy ireo àry aho, ary niezaka ho tena tia azy ireo.

Tena nankasitraka an’i Jehovah aho noho izy namela ahy hahalala ny marina momba azy. Nanokan-tena ho azy aho noho izany, ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Nianatra nifehy ny hatezerako aho, ka lasa nifandray tsara kokoa tamin’i Neny. Nihatsara koa ny fifandraisako tamin’ny zanako.

Lasa halako ireo zavatra tsy tian’Andriamanitra, ka afaka tamin’ireo olana maro vokatry ny fomba fiainako taloha aho. Tena faly koa aho manampy ny olona hahafantatra ny marina momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana.

‘Tsapako hoe voavonjy ny aiko.’—MINORU TAKEDA

TAONA: 54

FIRENENA: JAPON

FIAINANY TALOHA: NIPETRAKA TENY AMIN’NY ARABE

NY FIAINAKO TALOHA: Tany Yamaguchi aho no nihalehibe. I Dada sy Bebe no nitaiza ahy, ary tsy nahalala ny reniko mihitsy aho. Maty i Bebe tamin’izaho 19 taona, ka niara-nipetraka tamin’i Dada aho. Mpahandro no asako, ary toy izany koa i Dada. Tsy nitovy ny ora niasanay, ka zara raha nifankahita izahay. Lasa zatra niasa nandritra ny ora maro aho, ary nisotrosotro niaraka tamin’ny namako.

Nankaleo ahy ny asako, tatỳ aoriana. Nifamaly tamin’ny lehibeko aho, ary vao mainka niboboka toaka. Niala tao an-trano aho tamin’izaho 25 taona mahery kely, ary nandeha nitety tany. Rehefa lany ny volako, dia niasa tao amin’ny toeram-pilokana iray aho. Nihaona tamin’ny ankizivavy iray izay aho tao, ary nanambady azy. Vao roa taona sy tapany anefa no nivadianay, dia nisaraka izahay.

Kivy be aho sady tsy nanana herin-tsaina intsony. Bokan’ny trosa koa aho. Nandositra an’ireo olona nanana trosa tamiko aho, ary niverina nipetraka tany amin’i Dada, tao amin’ilay tanàna niaviako. Nandainga taminy anefa aho, ka simba ny fihavananay. Nangala-bola taminy koa aho, ary niloka mba hivelomana. Lasa nahantra be aho, ka nipetraka teny amin’ny gara. Nifindra tany Hakata aho tatỳ aoriana, avy eo nankany Himeji, ary farany tany Kyoto. Teny amin’ny arabe aho no nipetraka nandritra ny taona vitsivitsy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nisy vehivavy roa nanatona ahy tamin’ny 1999, tao amin’ny zaridainam-panjakana tsy lavitra ny Reniranon’i Kamogawa, any Kyoto. Nanontany ahy ny iray tamin’izy ireo hoe: “Sao dia te hianatra Baiboly ianao?” Nanaiky aho. Kristianina matotra tao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana no nampianatra ahy, ary nanampy ahy hahita hoe tena ilaina ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Nampirisihiny hitady asa sy trano koa aho. Te hampifaly an-dry zareo fotsiny aho, ka nankany amin’ny orinasa vitsivitsy nitady mpiasa. Tsy tena nitady asa anefa aho tamin’ny voalohany. Tatỳ aoriana aho vao tena nikaroka sady nivavaka, ka nahita ihany!

Tena nanampy ahy hiatrika olana lehibe hafa koa ny vavaka. Tratran’ireo olona nanana trosa tamiko aho, ka niady saina be. Rehefa nivavaka sy namaky Baiboly araka ny fanaoko isan’andro aho, dia tonga teo amin’ny Isaia 41:10. Mampanantena Andriamanitra ao hoe: ‘Hanampy anao aho.’ Nampahery ahy izany, ka niezaka be aho namerina ny trosako, ary voaloako daholo ilay izy tamin’ny farany. Nahafeno fepetra hatao batisa aho tamin’ny taona 2000, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Niezaka namitram-pihavanana tamin’i Dada aho, noho ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly, ary namela ny fahadisoako izy. Faly be izy hoe lasa nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly aho. Izaho koa nahatsapa hoe namonjy ny aiko izany.

Afaka mamelon-tena koa aho izao. (Efesianina 4:28; 2 Tesalonianina 3:12) Nahazo tena namana koa aho eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Marka 10:29, 30) Tena velom-pisaorana an’i Jehovah aho noho izay nampianariny ahy.

“Tsy mora ny niova.”—DAVID HUDSON

TAONA: 72

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: MPIBOBOKA TOAKA

NY FIAINAKO TALOHA: Willie sy Lucy no anaran’ny ray aman-dreniko, ary izaho no zanany faha-11. Tany amin’ny tanàna kely atao hoe Aurukun izahay no nipetraka, any amin’ny farany avaratra amin’i Queensland. Eo amoron’ny renirano tsara tarehy atao hoe Reniranon’i Archer no misy azy io sady akaiky ranomasina. Nampianarin’i Dada sy Neny hihaza sy hanjono izahay mba hivelomana. Ny fanjakana no nitantana ny volan’ny tompon-tany, ka tsy nahazo nitazona vola izahay. Voafetra koa ny toerana azonay nipetrahana, ka tsy nahazo nipetraka tany ivelan’io faritra io izahay.

Niezaka mafy i Dada sy Neny nampianatra anay hanana toetra tsara sy hizara izay kely nanananay. Nampianariny hanaja ny zokiolona tao an-tanàna koa izahay, ka noraisinay ho toy ny ray aman-dreny izy ireo.

Maty i Dada tamin’izaho fito taona, ka nifindra tany amin’ny tanàna kelin’i Mapoon izahay, tany amin’ny 150 kilaometatra any avaratr’i Aurukun. Nianatra niompy soavaly sy omby aho tamin’izaho 12 taona, ary niasa tany amin’ny toeram-piompiana maro hatramin’ny faha-45 taonako tany ho any. Tena mafy ny asako. Nisotro toaka be aho matetika, ka narary andoha lava sady nahita olana.

Nivembena nivoaka ny hotely iray aho indray mandeha, rehefa avy niboboka toaka, ka notsenain’ny fiara nirimorimo. Voadona aho, ka notsaboina nandritra ny roa taona. Tsy afaka nanao ny asako intsony aho!

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nanome ahy gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny vehivavy iray namako, tamin’izaho mbola narary. Tsy dia nahita fianarana anefa aho, ka tsy nahay namaky teny tsara. Nisy lehilahy iray 83 taona tonga tao amiko indray mandeha. Nigaingaina ny andro tamin’izay, ka nomeko rano mangatsiaka izy. Nomeny boky ara-baiboly aho ary nanontaniany hoe mbola afaka miverina ve izy hanazava izay voalaza tao. Nampianatra Baiboly ahy tsy tapaka izy tatỳ aoriana. Hitako tamin’izany fa nila nanova ny toetrako sy ny fomba fiainako aho, raha te hampifaly an’Andriamanitra.

Tsy mora ny niova, kanefa tena nanaja an’ilay zokiolona nampianatra ahy aho noho ny fitaizana azoko. Tena nankasitraka ny fanazavana ara-baiboly nomeny ahy koa aho. Tsy sahy nanokan-tena ho an’Andriamanitra anefa aho, satria nieritreritra fa mila fantatro tsara daholo aloha izay voalazan’ny Baiboly.

Nisy mpiara-miasa tamiko Vavolombelon’i Jehovah, nanampy ahy hanitsy izany fomba fihevitro izany. Nasainy nojereko ny Kolosianina 1:9, 10. Voalaza ao hoe mila manana ‘fahalalana marina tsara an’Andriamanitra’ isika ary ‘mampitombo’ izany foana. Nohazavainy fa tsy maintsy hisy zava-baovao foana hianarako, ka tsy tokony hisalasala hanokan-tena ho an’Andriamanitra aho satria hoe mbola vitsy ny zavatra fantatro.

Tena gaga aho, rehefa niara-nivory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako hoe manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina izy ireo, na dia samy hafa fiaviana aza. Izany no nahatonga ahy ho resy lahatra hoe nahita ny fivavahana marina. Natao batisa aho tamin’ny 1985 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Lasa mahay mamaky teny kokoa aho izao, ka afaka manokana ora maro isan-kerinandro mba hanampiana ny olona hamaky sy hianatra ny Baiboly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay vehivavy namako nanome ahy Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary natao batisa. Izy no lasa vadiko, ary tena be fitiavana izy. Tena faly izahay mivady manampy ny olona ao amin’ny tanànanay hahalala an’i Jehovah Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tena faly izahay mivady manampy ny olona ao amin’ny tanànanay hahalala an’Andriamanitra