Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA 2008-08-01

Tokony Hisy hoe Jehovah ve ao Amin’ny Testamenta Vaovao?

Tokony Hisy hoe Jehovah ve ao Amin’ny Testamenta Vaovao?

TOKONY ho hita ao amin’ny Baiboly ve ny anaran’Andriamanitra? Raha ny hevitr’Andriamanitra, dia izany no tokony ho izy. Miverina im-7 000 latsaka kely mantsy izy io ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany, izay matetika antsoina hoe Testamenta Taloha. Litera hebreo efatra no fanoratana an’ilay anarana. *

Eken’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa hita ao amin’ny Testamenta Taloha, na Soratra Hebreo, ny anaran’Andriamanitra. Maro anefa no mihevitra fa tsy nahitana io anarana io tao amin’ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany, izay nosoratana tamin’ny teny grika.

Indraindray ireo olona nanoratra ny Testamenta Vaovao, dia namerina andalan-teny avy tao amin’ny Testamenta Taloha, izay nahitana ilay anarana. Ahoana àry no nataon’ireo olona nandika ny Testamenta Vaovao? Tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny ankamaroany, fa nosoloany hoe “Tompo” ilay izy. Tsy izany kosa no hita ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Miverina im-237 ao amin’izy io ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao.

Inona àry no olana atrehin’ny mpandika Baiboly, rehefa hanapa-kevitra izy raha hampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, na tsia? Misy antony marim-pototra ve tokony hampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’io ampahany amin’ny Soratra Masina io?   Ary nahoana no mitondra soa ho anao ny Baiboly misy ny anaran’Andriamanitra?

Olana hitan’ny mpandika teny

Tsy ananantsika intsony ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany. I Matio, Jaona, Paoly, ary olon-kafa no nanoratra azy io. Sora-tanana no nanaovan’izy ireo an’ilay izy. Nampiasaina imbetsaka anefa ireo soratra ireo, ka vetivety dia simba. Noho izany, dia tsy maintsy nadika izy ireny. Nihasimba koa anefa ireo dika soratra ireo, ka tsy maintsy nadika indray. An’arivony amin’ireo dika soratra ireo no ananantsika ankehitriny. Roanjato taona teo ho eo taorian’ny nanoratana ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany no nanoratana ny ankamaroan’izy ireny. Rehefa nataon’ny olona dika soratra ny Testamenta Vaovao tamin’izany, dia toa nosoloany an’ilay teny grika hoe Kyriôs (Tompo) ny Litera Efatra fanoratana ny anaran’Andriamanitra. Avy amin’ireny dika soratra efa tsy misy ny Litera Efatra ireny no nandikan’ny olona sasany tatỳ aoriana. *

Rehefa nadika tamin’ny teny hafa àry ny Testamenta Vaovao, dia tsy maintsy nitady porofo ampy aloha ilay mpandika teny, raha tena nisy an’ireo Litera Efatra ireo tao amin’ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany. Inona avy no porofo momba izany? Diniho ireto manaraka ireto:

  • Nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy rehefa namaky ny Testamenta Taloha, na nilaza andinin-teny avy tamin’izy io. (Deoteronomia 6:13, 16; 8:3; Salamo 110:1; Isaia 61:1, 2; Matio 4:4, 7, 10; 22:44; Lioka 4:16-21) Natao dika soratra ny Testamenta Taloha amin’ny teny hebreo. Nahitana ny Litera Efatra tao amin’ireny dika soratra ireny, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany. Mbola izany no izy hatramin’izao. Nandritra ny taonjato maro anefa, dia nihevitra ny manam-pahaizana fa tsy nisy an’ireo Litera Efatra ireo tao amin’ny Testamenta Taloha, Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nihevitra koa izy ireo fa tsy hita tao amin’ny Testamenta Vaovao natao dika soratra izany. Nisy zavatra miavaka hita anefa tany amin’ny taona 1950 tany ho any. Sombiny tamin’ny Baiboly Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ilay izy, ary efa nisy hatramin’ny andron’i Jesosy. Hita ao amin’ireo  sombiny ireo ny anaran’Andriamanitra misoratra amin’ny litera hebreo.

  • Nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy, ary nampahafantatra azy io. (Jaona 17:6, 11, 12, 26) Nilaza mazava tsara izy hoe: “Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko ... aho.” Nantitranteriny koa fa ‘nataony tamin’ny anaran’ny Rainy’ ny asa nataony. Ny anaran’i Jesosy mihitsy aza dia midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”—Jaona 5:43; 10:25.

  • Hita amin’ny endriny nohafohezina ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika. Ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6 no ahitana azy io, ao amin’ilay teny hoe “Aleloia”, na “Haleloia”, izay midika hoe “Miderà an’i Jah!” Fanafohezana ny hoe Jehovah ny Jah.

  • Hita amin’ny boky nosoratan’ny Jiosy fahiny fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina jiosy tao amin’ny asa sorany. Manaporofo izany, ohatra, ny Tosefta, izay fitambarana lalàna am-bava noraketina an-tsoratra tany amin’ny taona 300 tany ho any. Izao no voalaza ao momba ny asa soratra kristianina nodorana tamin’ny Sabata: “Tsy narovan’izy ireo tamin’ny afo ny bokin’ny Evanjelisitra sy ny bokin’ny minim [na Kristianina jiosy]. Navela nirehitra teo izany, ... sy ny ampahany nisy ny Anaran’Andriamanitra.” Averina ao amin’ny Tosefta koa ny tenin’ny Raby Yosé, Galilianina velona tany amin’ny taona 200 tany ho any. Nilaza izy fa tamin’ny andro hafa ankoatra ny Sabata, dia “nohetezana [tao amin’ireo asa soratra kristianina] ny ampahany misy ny Anaran’Andriamanitra ary notehirizina. Nodorana kosa ny ambiny.” Miharihary àry fa neken’ny Jiosy tany amin’ny taona 200 tany ho any, hoe nampiasa ilay anarana hoe Jehovah ny Kristianina, tao amin’ny asa sorany.

Inona no nataon’ny mpandika teny?

Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ihany ve no namerina ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika? Tsia. Noho ny porofo voatanisa etsy ambony, dia maro ny mpandika Baiboly nihevitra fa tokony haverina ao amin’ny Testamenta Vaovao ny anaran’Andriamanitra.

Miverina imbetsaka, ohatra, ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny fiteny maro fampiasa any Afrika, Amerika, Azia, ary any amin’ny nosin’i Pasifika. (Jereo ny efajoro, pejy 21.) Azo atao hoe vao haingana ihany ny sasany amin’izy ireo. Anisan’izany ny Baiboly amin’ny teny rotumien (1999). Miverina in-51 ao amin’ny andininy 48 ny anarana hoe Jihova, ao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’izy io. Toy izany koa ny Baiboly amin’ny teny batak-toba (1989) any Indonezia. Miverina im-110 ao ny anarana hoe Jahowa, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hita ao amin’ny Baiboly sasany  amin’ny teny frantsay sy alemà ary espaniola koa ny anaran’Andriamanitra. Nandika ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny espaniola, ohatra, i Pablo Besson tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, ary hita ao amin’ny Joda 14 ao amin’izy io ny hoe Jehová. Efa ho 100 ny fanamarihana ambany pejy ahitana hoe toa ny anaran’Andriamanitra no tokony ho hita ao amin’ny andininy maromaro.

Ireto misy Baiboly ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao:

  • Baiboly malagasy navoakan’ny London Missionary Society (1835)

  • Fandikana Ara-bakiteny ny Testamenta Vaovao ... Avy Amin’ny Sora-tanan’i Vatikana, nataon’i Herman Heinfetter (1863, anglisy)

  • The Emphatic Diaglott, nataon’i Benjamin Wilson (1864)

  • Fandikan-teny Tsimihety (1931)

  • Baiboly malagasy navoakan’ny International Bible Association (1996)

  • Baiboly navoakan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (1997)

Izao no hita ao amin’ny sasin-tenin’ny Baiboly be mpamaky iray (Fandikan-teny Vaovao Ankehitriny, fanontana 2004, anglisy), eo ambanin’ny hoe “Fandikana ny Anaran’Andriamanitra”: “Nadikanay hoe ‘ny TOMPO’ foana ny Litera Efatra (YHWH) amin’ny ankapobeny, ary nataonay sora-baventy toy ny ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly anglisy. Natao izany mba hanavahana azy io amin’ilay anarana hoe adônai, izay nadikanay hoe ‘Tompo.’ ” Izao koa no voalaza ao momba ny Testamenta Vaovao: “Nadika hoe ‘Tompo’ foana ilay teny grika hoe kyriôs. Nadika hoe ‘TOMPO’ anefa izy io ao amin’ny Testamenta  Vaovao, raha andininy nalaina avy tao amin’ny Testamenta Taloha no nisy azy, sady efa sora-baventy ilay teny tao.” (Izahay no manao sora-mandry.) Eken’ireo mpandika an’io Baiboly io àry, fa tokony ho hita ao amin’ireo andininy naverina ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo ny Litera Efatra (YHWH).

Mahaliana ny voalazan’ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Litera Efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao.” Izao no voalaza ao: “Manana porofo isika fa hita tao amin’ny Test[amenta] Vao[vao] tany am-boalohany ny Litera Efatra fanoratana ny Anaran’Andriamanitra hoe Yahweh, tao amin’ny andininy sasany na ny andininy rehetra nalaina avy tao amin’ny Test[amenta] Tal[oha].” Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izany hoe ny Testamenta Taloha no nampiasain’ny Kristianina voalohany. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe George Howard, fa ‘mbola hita tao [amin’izy io] ny Litera Efatra. Azo inoana àry fa tsy nanaisotra an’izany ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao, rehefa nanoratra andininy avy tao amin’ny Testamenta Taloha.’

Antony roa nihazonana ilay anarana

Mazava àry fa tsy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no Baiboly voalohany ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Aoka hatao hoe maty daholo ny vavolombelona amin’ny raharaham-pitsarana iray. Mila mandinika tsara ny porofo rehetra eo am-pelatanany ny mpitsara amin’izay, alohan’ny hamoahany didim-pitsarana. Toy izany ny olana natrehin’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao. Nandinika tsara ny porofo àry izy io, ka izany no nanampy azy hanapa-kevitra hampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah tao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ireto ny antony roa lehibe nahatonga azy hanao izany:

1) Nino ireo mpandika teny fa nasain’Andriamanitra nosoratana mba ho famenon’ny Soratra Hebreo ny Soratra Grika Kristianina. Noho izany, dia hitan’izy ireo ho hafahafa raha tsy ho hita tampoka ao amin’izy io ilay anarana hoe Jehovah.

Nahoana izany no mitombina? Hoy i Jakoba mpianatra tamin’ny anti-panahin’i Jerosalema, tany antenatenan’ny taonjato voalohany: “I Simeona efa nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo ho an’ny anarany.” (Asan’ny Apostoly 15:14) Araka ny hevitrao, ho nilaza an’izany ve i Jakoba, raha tsy nisy nahalala na nampiasa ny anaran’Andriamanitra tamin’izany?

2) Ny anaran’Andriamanitra no nampiasain’ireo dika soratra sasany amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa tsy ilay hoe Kyriôs (Tompo). Nino àry ireo mpandika teny fa tena nisy ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Masina natao dika soratra rehetra tamin’ny andron’i Jesosy, na tamin’ny teny grika izany na tamin’ny teny hebreo.

Toa efa taorian’ny andron’i Jesosy àry ny olona vao nanomboka nanaisotra ny anaran’Andriamanitra, rehefa nanao dika soratra ny Baiboly grika. Ahoana àry ny hevitrao? I Jesosy sy ny apostoliny ve dia ho nampirisika ny olona hanaraka an’izany fanao tsy manaja an’Andriamanitra izany?—Matio 15:6-9.

Miantsoa “ny anaran’i Jehovah”

Ny Soratra Masina mihitsy, raha ny marina, no porofo mivaingana fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny Kristianina voalohany tao amin’ny asa sorany, ary indrindra rehefa nanoratra andininy avy tao amin’ny Testamenta Taloha izay nisy an’io anarana io. Azo antoka àry fa marim-pototra ny antony namerenana an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Inona no soa azonao avy amin’izany fanazavana izany? Nilaza andininy avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny apostoly Paoly, mba hampahatsiahivana ny Kristianina tao Roma hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Nanontany izy avy eo hoe: ‘Hataon’izy ireo ahoana no fiantso izay tsy inoany? Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny?’ (Romanina 10:13, 14; Joela 3:5) Manampy anao hanatona an’Andriamanitra ny Baiboly misy ny anarany eo amin’ireo toerana tokony hisy azy. (Jakoba 4:8) Voninahitra ho antsika tokoa ny hoe mahafantatra sy miantso ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

^ feh. 2 Mifanitsy amin’ny YHWH ireo litera hebreo ireo. Jehovah na Iaveh matetika no andikana azy ireo amin’ny teny malagasy.

^ feh. 7 Raha mila fanazavana fanampiny momba izany ianao, dia jereo ilay bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, pejy 23-27.