Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanda An’i Jesosy i Petera

Nanda An’i Jesosy i Petera

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nanda An’i Jesosy i Petera

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY MATIO 26:31-35, 69-75.

Firy ny olona ao amin’ilay tantara?

․․․․․

Tsara fanahy ve ireo olona niresaka tamin’i Petera? Sa tezitra? Sa mba te hahalala zavatra? Sa ahoana no fahitanao azy ireo?

․․․․․

Araka ny hevitrao, nanao ahoana i Petera rehefa nampangainy?

․․․․․

Nahoana i Petera no nanda an’i Jesosy? Satria ve izy tsy tia an’i Jesosy? Sa nisy antony hafa?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.—VAKIO NY LIOKA 22:31-34; MATIO 26:55-58; JAONA 21:9-17.

Natoky tena loatra i Petera, ka izany angamba no nahatonga azy handa an’i Jesosy. Hazavao.

․․․․․

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mbola natoky an’i Petera izy, na dia fantany aza fa hanao fahadisoana i Petera?

․․․․․

Inona no porofo fa be herim-po kokoa noho ny mpianatra hafa i Petera, na dia nanda an’i Jesosy aza?

․․․․․

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa namela ny helok’i Petera izy?

․․․․․

Nahoana i Jesosy, hoy ianao, no nanontany intelo an’i Petera hoe: “Tia ahy ve ianao?”

․․․․․

Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Petera taorian’ny resak’izy sy Jesosy? Nahoana?

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Tahotra olona.

․․․․․

Fangoraham-po nasehon’i Jesosy tamin’ny mpianany, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo.

․․․․․

Inona no hevitra hitanao hoe tena mahasoa anao, ao amin’io tantara io? Nahoana?

․․․․․

․․․․․