Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Fanafodin’ny Famoizam-po Aho

Nahita Fanafodin’ny Famoizam-po Aho

Nahita Fanafodin’ny Famoizam-po Aho

Notantarain’i Eusebio Morcillo

Nitsidika fonja iray tena tsara ambina aho, tamin’ny Septambra 1993. Natao batisa mantsy i Mariví zandriko vavy, anisan’ny voafonja tao. Nisy voafonja sy tompon’andraikitry ny fonja nanatrika izany tamim-panajana. Aleo aloha hotantaraiko ny fiainanay tamin’ny mbola kely, vao hohazavaiko hoe nahoana izahay no tao amin’io fonja io.

TERAKA teto Espaina aho tamin’ny 5 Mey 1954. Izaho no lahimatoa taminay valo mianadahy, ary fahatelo i Mariví. Notezain’ny bebenay ho Katolika mafana fo izahay tamin’ny mbola kely, ary tiako erỳ ny mieritreritra fa tena tia an’Andriamanitra aho tamin’izany. Tena ratsy anefa ny fiainanay tao an-trano. Novonoin’i Dada foana i Neny sy izahay ankizy. Nitebiteby foana izahay, ary nampahory ahy ny nahita ny fijalian’i Neny.

Nisy zavatra nahavaky fo koa tany am-pianarana. Pretra no mpampianatra anay. Napokany tamin’ny rindrina ny lohanay rehefa diso ny valin-teninay. Ny iray indray nametaveta ny ankizy nanao entimody niaraka taminy. Nanahiran-tsaina sy nampahatahotra ahy koa ny fampianaran’ny Katolika, anisan’izany ny afobe. Nampihena ny fitiavako an’Andriamanitra izany.

Lasa tsy nisy dikany ny fiainako

Tsy nahazo tari-dalana mba hampifaliana an’Andriamanitra intsony aho, ka nanomboka nandany andro niaraka tamin’ny olona ratsy fitondran-tena sy nahery setra tany amin’ny trano fandihizana. Matetika ny olona tany no nifamely tamin’ny antsy, rojo, vera, na zavatra hafa. Na dia tsy nandray anjara tamin’ireny ady ireny aza aho, dia voa ihany indray mandeha ka torana.

Leon’ny toe-javatra toy izany aho tamin’ny farany, ka nitady trano fandihizana nilamina kokoa. Mbola fahita tany ihany anefa ny fampiasana zava-mahadomelina. Nahatonga ahy hitebiteby sy hahita zavatra tsy tena misy ny zava-mahadomelina, fa tsy nitondra fahafinaretana sy fiadanan-tsaina.

Tsy nahafa-po ahy ny fiainako, nefa notarihiko hanao toa ahy koa i José Luis zandriko lahy sy Miguel namako akaiky. Tena naditra be izahay tamin’izany, niaraka tamin’ny tanora maro teto Espaina. Nataoko daholo ny zava-drehetra mba hahazoana vola hividianana zava-mahadomelina. Very tanteraka ny hajako.

Namonjy ahy i Jehovah

Matetika aho tamin’izany no niresaka tamin’ny namako momba ny fisian’Andriamanitra sy ny anton’ny fiainana. Nanomboka nitady an’Andriamanitra aho, ka nitady olona hiresahana ny fihetseham-poko. Voamariko fa tsy nitovy tamin’ny hafa i Francisco mpiara-miasa tamiko. Hitako hoe falifaly sy manao ny marina ary tsara fanahy izy, ka tapa-kevitra ny hamboraka taminy ny tao am-poko aho. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nomeny gazety Tilikambo Fiambenana iray miresaka momba ny zava-mahadomelina aho.

Novakiko ilay lahatsoratra, ary nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra aho. Nivavaka aho hoe: “Tompo ô, fantatro fa misy ianao, ka te hahalala anao sy hanao ny sitraponao aho. Ampio aho!” Nampiasa Baiboly i Francisco sy ny Vavolombelona hafa mba hampaherezana ahy. Nomeny boky ara-baiboly koa aho hovakiko. Hitako fa izy ireo no nampiasain’Andriamanitra hanampy ahy. Tsy ela dia noresahiko tamin’i José Luis sy ny namako ny zavatra nianarako.

Nijery rindran-kira rock niaraka tamin’ny namako aho, indray andro. Tsy niara-nipetraka tamin’izy ireo anefa aho. Nandinika azy ireo avy lavitra aho, ka hitako fa mahatsiravina ny fitondran-tenan’ny olona mampiasa zava-mahadomelina. Tapa-kevitra aho tamin’izay fa hiova, ary hiezaka ho tonga Vavolombelon’i Jehovah.

Nangataka Baiboly tamin’i Francisco aho ka nomeny iray. Nomeny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay * koa aho. Namaky momba ny fampanantenan’Andriamanitra hamafa ny ranomaso rehetra sy hamarana ny fahafatesana aho, ka nino fa nahita ny fahamarinana manafaka ny olombelona. (Jaona 8:32; Apokalypsy 21:4) Nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tatỳ aoriana. Tena nampiaiky volana ahy ny fifankatiavan’izy ireo sy ny hatsaram-panahiny.

Tsy andriko ny hiresahana amin’ny hafa ny zavatra hitako sy reko tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nantsoiko avy hatrany àry i José Luis sy ireo namako mba hitantarako izany. Nanatrika fivoriana daholo izahay, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nangala-pijery tatỳ aminay ny ankizivavy iray nipetraka teny aloha. Gaga be izy nahita lehilahy maromaro lava volo. Nitandrina anefa izy mba tsy hitoditodika intsony. Tsy maintsy ho gaga izy rehefa nahita anay niverina ny herinandro nanaraka, satria nanao kompile sy kravaty izahay.

Nanatrika fivoriamben’ny faritra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay sy Miguel, tatỳ aoriana kely. Mbola tsy nahita toy izany izahay. Nifankatia ny rehetra na dia samihafa taona aza. Nahagaga fa tao amin’ilay toerana nijerenay rindran-kira rock no natao ilay fivoriambe. Namelombelona anefa ny feon-kira sy ny zavatra natao tao tamin’izay.

Nanomboka nianatra Baiboly izaho sy ireo namako. Valo volana teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 26 Jolay 1974, dia natao batisa izahay sy Miguel. Roapolo taona izahay tamin’izay. Natao batisa koa ny efatra tamin’ireo namanay, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nahatonga ahy hanampy an’i Neny tamin’ny raharaha tao an-trano ny fianarako Baiboly. Noresahiko tamin’io reniko efa niaritra ny mafy io koa ny finoako vaovao. Lasa mpinamana be izahay. Nanokana fotoana betsaka hanampiana an’ireo zandriko koa aho.

Tamin’ny farany, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Neny sy ny iray tam-po tamiko, afa-tsy ny rahalahiko iray. Nanambady an’i Soledad aho, tamin’ny 1977. Izy ilay ankizivavy nijerijery anay tamin’izahay nivory voalohany. Lasa mpisava lalana, na mpitory manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay mivady rehefa afaka volana vitsivitsy.

Avotra ihany ilay anabaviko

Nisy nametaveta i Mariví, zandriko vavy, tamin’izy mbola kely, ka nisy vokany lalina teo aminy izany. Lasa ratsy fitondran-tena izy rehefa nihalehibe, ka nampiasa zava-mahadomelina sy nangalatra ary nivaro-tena. Naiditra am-ponja izy tamin’izy 23 taona, ary mbola nanohy ny toetra ratsiny ihany.

Mpiandraikitra ny faritra teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’izany. Voatendry hiasa tao amin’ny faritany nisy ny fonja nigadran’i Mariví izahay sy Soledad, tamin’ny 1989. Vao nosarahin’ny manam-pahefana taminy ny zanany lahy tamin’izay. Kivy tanteraka izy ary tsy te ho velona intsony. Nitsidika azy aho indray andro, ary nanasa azy hianatra Baiboly. Nanaiky izy. Niala tamin’ny zava-mahadomelina sy ny sigara izy, iray volana taorian’izay. Faly be aho nahita fa nomen’i Jehovah hery hanaovana izany izy.—Hebreo 4:12.

Tsy ela taorian’ny nanombohan’i Mariví nianatra, dia niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny voafonja hafa sy ny tompon’andraikitry ny fonja izy. Nitory foana izy, na dia nafindrafindra fonja aza. Nitory isan’efitra mihitsy aza izy, tao amin’ny fonja iray. Gadra maro no nampianarin’i Mariví Baiboly tany amin’ny fonja samihafa, nandritra ny taona maro.

Nilazan’i Mariví aho, indray andro, fa te hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa izy. Tsy nahazo nivoaka ny fonja anefa izy, ary tsy nisy nahazo niditra tao mba hanao batisa azy. Niaritra ny fitondran-tena ratsin’ny olona tao izy, nandritra ny efa-taona nanaraka. Inona no nanampy azy hiaro ny finoany? Namaky ny zavatra nodinihina tany am-pivoriana izy, tamin’ny fotoana nivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nianatra Baiboly samirery sy nivavaka foana koa izy.

Nafindra tao amin’ny fonja iray tena tsara ambina i Mariví, tatỳ aoriana, ary nisy dobo filomanosana tao. Nino izy fa ho afaka hatao batisa amin’izay, ary izany tokoa no nitranga. Nanao ny lahatenin’ny batisany àry aho. Teo anilany aho tamin’ny fotoana lehibe indrindra teo amin’ny fiainany.

Voan’ny SIDA i Mariví noho ny fiainany taloha. Nafahana talohan’ny fotoana izy, tamin’ny Martsa 1994, noho ny fitondran-tenany tsara. Niara-nipetraka tamin’i Neny izy, ary Kristianina nazoto foana mandra-pahafatiny, roa taona taorian’izay.

Ady amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka

Tsy afa-niala tanteraka tamin’ny vokatry ny fiainako taloha koa aho. Nisy vokany teo amin’ny toetrako ny fampijalian’i Dada ahy sy ny fomba fiainako tamin’ny fahatanorako. Matetika aho no ory noho ny fahatsapana ho meloka sy tsy misy vidiny. Kivy be aho indraindray. Tena manampy hiady amin’ireny fihetseham-po manimba ireny anefa ny Tenin’Andriamanitra. Nandritra ny taona maro, dia nampihena ny fahatsapako ho meloka ny fisaintsainana foana ny andinin-teny toy ny Isaia 1:18 sy ny Salamo 103:8-13.

Nanampy ahy hiady tamin’ny fahatsapana ho tsy misy vidiny koa ny vavaka. Matetika aho no nivavaka tamin’i Jehovah tamin-dranomaso be. Nampahery ahy koa ny teny ao amin’ny 1 Jaona 3:19, 20 hoe: “Izao no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, ary izao no hanomezantsika toky ny fontsika eo anatrehany ny amin’izay rehetra mety hanamelohan’izy io antsika: Lehibe noho ny fontsika mantsy Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.”

Takatro fa tsy ratsy araka ny niheverako azy ny tenako, rehefa tena nanatona an’Andriamanitra tamin’ny “fo torotoro sy mangorakoraka” aho. Manome toky ny Baiboly, fa tsy ataon’i Jehovah tsinontsinona ireo tena manenina noho ny fitondran-tenany fahiny sy miova, ary lasa manao ny sitrapon’i Jehovah.—Salamo 51:17.

Miezaka mameno ny saiko amin’ny zavatra mampahery toy ilay voalaza ao amin’ny Filipianina 4:8 aho, isaky ny mahatsiaro ho tsy mendrika. Haiko tsy an-jery ny Salamo faha-23 sy ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Raha vao mitady hieritreritra zavatra tsy mampahery aho, dia averimberiko ireny andinin-teny ireny. Tena nanampy ahy izany tamin’ny alina tsy nahitako tory.

Nampahery ahy koa ny teny fiderana nataon’ny vadiko sy ny Kristianina matotra hafa. Tsy mora tamiko tamin’ny voalohany ny nanaiky ny zavatra nolazain’izy ireo. Nanampy ahy anefa ny Baiboly mba hiaiky fa “mino ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1 Korintianina 13:7) Tsy maintsy niaiky tamim-panetren-tena koa aho fa tsy lavorary.

Nanampy ahy ho mpiandraikitra ny faritra mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa ny ady ataoko amin’ny fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika. Efa ho 30 taona avy no naha mpitory manontolo andro anay mivady. Nanampy ahy handresy ny eritreritra tsy mampahery sy ny fahatsiarovana ireo zavatra naharikoriko niainako, ny fifaliana azoko avy tamin’ny fanampiana ny hafa.

Rehefa mitodika ny lasa aho ary mieritreritra ny fitahiana rehetra nomen’i Jehovah ahy, dia te hilaza ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: ‘Misaora an’i Jehovah, izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindram-po sy fiantrana anao.’—Salamo 103:1-4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Teny notsongaina, pejy 30]

Matetika aho no ory noho ny fahatsapana ho meloka sy tsy misy vidiny, nefa tena manampy ahy hiady amin’ireny fihetseham-po manimba ireny ny Tenin’Andriamanitra

[Sary, pejy 27]

Nanaraka ny ohatra ratsy sy tsara navelako i José Luis rahalahiko sy Miguel namako

[Sary, pejy 28, 29]

Fianakaviana Morcillo, tamin’ny 1973

[Sary, pejy 29]

Mariví, tany am-ponja

[Sary, pejy 30]

Izahay sy Soledad