Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Desambra 2015

Nohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

EFA nohavaozina imbetsaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, fa ilay fandikan-teny anglisy nivoaka tamin’ny 2013 no nisy fanavaozana betsaka indrindra. Lasa vitsy kokoa, ohatra, ny isan’ny teny ao. Nisy teny manan-danja novana koa ao, ary natao miendrika tononkalo ny toko sasany. Nasiana fanamarihana ambany pejy koa ao amin’ilay Baiboly. Tsy ho voatanisa ato daholo ny fanovana natao, fa andao isika hijery ny fanovana sasany tena miavaka.

Inona no teny manan-danja novana? Hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha fa novana ny teny nandikana ny hoe “Sheôl” sy “Haides” ary “fanahy.” Tsy ireo ihany anefa ny teny novana.

Novana hoe “fahasahisahian-dratsy”, ohatra, ny hoe “fitondran-tena baranahiny”, izay avy amin’ilay teny grika hoe aselgeia. Misy heviny hoe manao tsinontsinona mantsy ilay hoe aselgeia. Tsy tena azon’ny olona sasany koa ilay teny hoe “mahari-po”, ka novana hoe “manam-paharetana” satria izay no marina kokoa. Novana hoe “fitiavana tsy miovaova” koa ny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana.” Matetika mantsy izy io ao amin’ny Baiboly no ampifandraisina amin’ny hoe ‘tsy fivadihana.’—Sal. 36:5; 89:1.

Mitovy foana ny nandikana ny teny sasany, teo aloha. Nadika arakaraka ny teny manodidina kosa izany ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Nadika hoe “fotoana tsy voafetra”, ohatra, ilay teny hebreo hoe ʽôhlam, teo aloha. Azo adika hoe “mandrakizay” koa anefa izy io. Tsy mitovy àry ny nandikana azy io ao amin’ny Salamo 90:2 sy ny Mika 5:2, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina.

Miverimberina ao amin’ny Soratra Masina ny teny hebreo sy grika nadika hoe “voa”, ary midika ara-bakiteny hoe voa afafy, nefa koa azo adika hoe “taranaka.” Natao foana hoe “voa” ny hoe “taranaka” tao amin’ny Fandikan-tenin’ny  Tontolo Vaovao anglisy teo aloha, anisan’izany ilay ao amin’ny Genesisy 3:15. Tsy dia fampiasa amin’ny teny anglisy intsony anefa izao ny hoe “voa” rehefa hilaza hoe “taranaka.” Novana hoe “taranaka” àry ilay hoe “voa” ao amin’ny Genesisy 3:15 sy izay andininy mifandray aminy. (Gen. 22:17, 18; Apok. 12:17) Arakaraka ny teny manodidina kosa no nandikana azy any amin’ny andininy hafa.—Gen. 1:11; Sal. 22:30; Isaia 57:3.

Nahoana no misy teny maro tsy nadika ara-bakiteny intsony? Milaza ny Fanazavana Fanampiny A1 ao amin’ilay Baiboly nohavaozina, fa ny mpandika teny mahay dia “mandika izay hevitra tokony hivoaka, raha tsy mazava na diso ilay izy rehefa atao ara-bakiteny.” Nadika ara-bakiteny ny fomba fiteny hebreo na grika, raha mbola mazava ny heviny rehefa adika. Azon’ny olona any amin’ny tany maro, ohatra, ilay hoe “mandinika ... ny fo”, ao amin’ny Apokalypsy 2:23. Mety tsy hazava kosa ilay hoe “mandinika ny voa”, eo amin’io andininy io, ka novana hoe “eritreritra lalina indrindra” ilay hoe “voa.” Izay rahateo no dikan’ilay teny grika nakana azy. Toy izany koa ilay hoe “tavin’ny voam-barimbazaha”, ao amin’ny Deoteronomia 32:14. Novana hoe “varimbazaha faran’izay tsara” ilay izy satria izay no mazava kokoa. Tsy azon’ny ankamaroan’ny olona koa ilay hoe “tsy voafora molotra”, ao amin’ny Eksodosy 6:12, ka novana hoe “votsa vava.” Notsorina koa ny fomba nandikana ny teny hebreo hafa, mba hazava sy ho mora azo kokoa ny dikany amin’ny teny anglisy.

Nahoana no novana hoe “Israelita” ny hoe “zanakalahin’ny Israely”, ary novana hoe “ankizy kamboty ray” ny hoe “ankizilahy kamboty ray”? Samy hafa ny teny ilazana hoe lahy ny olona iray na hoe vavy ny olona iray, amin’ny teny hebreo. Azo ilazana vavy koa anefa ny teny sasany ilazana lahy. Hita amin’ny teny manodidina ny andininy sasany, ohatra, fa sady milaza lahy no milaza vavy ny hoe “ny zanakalahin’ny Israely.” Novana hoe “ny Israelita” àry ny ankamaroan’ny teny hoe “ny zanakalahin’ny Israely.”—Eks. 1:7; 35:29; 2 Mpanj. 8:12.

Eo koa ny Genesisy 3:16. Najanona hoe “zanaka” ilay teny hebreo midika hoe “zanakalahy”, ao amin’ilay Baiboly anglisy nohavaozina. Novana kosa ilay izy ao amin’ny Eksodosy 22:24, ka natao hoe: “Ho kamboty ray ny zanakareo [“zanakalahinareo”, amin’ny teny hebreo].” Novana hoe “ankizy kamboty ray” na “kamboty” koa ny hoe “ankizilahy kamboty ray.” (Deot. 10:18; Joba 6:27) Mitovy amin’ireo koa ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.

Lasa maro kokoa ny toko natao miendrika tononkalo, satria izay no nanoratana azy tany am-boalohany

Nahoana no lasa maro kokoa ny toko natao miendrika tononkalo? Rehefa nosoratana ny Baiboly tany am-boalohany, dia maro ny ampahany natao miendrika tononkalo. Matetika no miady rima ny tononkalo ankehitriny. Tsy toy izany kosa no tena fanaon’ny Hebreo rehefa nanoratra tononkalo, fa ny hevitra no ampifanitsiny sy ampifanoheriny. Tsy atao miady rima ilay izy, fa ny hevitra no atao mifandray sy mirindra.

 Natao miendrika tononkalo ny Joba sy ny Salamo tao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao teo aloha, mba hahitana hoe natao hohiraina na hotononina toy ny tsianjery ilay izy. Misongadina koa amin’izay ny hevitra tiana hohamafisina sady mora tadidy ilay izy. Natao miendrika tononkalo koa àry ny bokin’ny Ohabolana sy ny Tononkiran’i Solomona ary ny toko maro ao amin’ny boky nosoratan’ireo mpaminany, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Natao izany mba hahitana hoe tononkalo ilay izy tany am-boalohany, ary misy hevitra mifanitsy na mifanohitra ao anatiny. Diniho, ohatra, ny Isaia 24:2. Misy hevitra mifanohitra isaky ny andalana ao, ary mifandray amin’ny eo aloha ny hevitra eo amin’ny andalana manaraka. Tiana hasongadina hoe tsy misy afa-miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Natao miendrika tononkalo ny andininy toy ireny, amin’izay hitan’ny mpamaky hoe tsy mamerina an’izay voalazany teo aloha fotsiny ilay mpanoratra, fa te hanamafy hevitra.

Rehefa jerena ny asa soratra hebreo, dia tsy mora indraindray ny manavaka hoe lahatsoratra tsotra ilay izy sa tononkalo. Tsy mitovy àry ny Baiboly maro. Misy andinin-teny natao miendrika tononkalo, ohatra, ao amin’ny Baiboly sasany, nefa natao lahatsoratra ao amin’ny Baiboly hafa. Ilay mpandika teny no mandinika sy manapaka hoe iza no andininy hatao miendrika tononkalo. Natao lahatsoratra ilay izy, ao amin’ny fandikan-teny sasany, nefa hita ihany hoe miendrika tononkalo. Nasiana sarin-teny sy tsilalaon-teny ary hevitra mifanitsy be dia be mantsy ilay izy, mba hisongadina ny hevi-dehibe.

Nasiana fizarana vaovao hoe Topy Maso, eo am-piandohan’ny boky tsirairay. Tena manampy ny mpamaky izy io, indrindra rehefa mamaky ny Tononkiran’i Solomona. Lazaina ao mantsy hoe iza avy no miteny.

Inona koa no fanovana natao rehefa avy nodinihina ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany? Ilay Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta no nampiasaina taloha, rehefa nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nampiasa an’ilay Baiboly grika nataon’i Westcott sy Hort koa isika, satria maro no manaiky hoe marina izy io. Mbola mandinika ny Baiboly sora-tanana fahiny anefa hatramin’izao ny manam-pahaizana, ka lasa mazava kokoa aminy ny andinin-teny sasany. Nahita kopia hafa tamin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty koa ny mpikaroka, ary nihabetsaka ny Baiboly sora-tanana grika nodinihina. Lasa be dia be koa ny Baiboly sora-tanana hebreo sy grika fahiny azo jerena amin’ny ordinatera, ka lasa mora kokoa ny mampitaha hoe iza no tena marina. Nanararaotra an’izany rehetra izany ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, ka namerina nandinika andinin-teny maromaro. Hitan’izy ireo àry fa nila novana ny sasany.

Misy an’ireto teny ireto, ohatra, ao amin’ny 2 Samoela 13:21, amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: “Tsy te hampalahelo an’i Amnona zanany anefa izy satria tiany i Amnona fa lahimatoany.” Tsy nisy an’ireo tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao teo aloha, satria tsy ao amin’ilay Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta ireo. Ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty anefa ireo teny ireo, ka nampidirina ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Tsy izay ihany fa misy andininy dimy nampiana hoe Jehovah ao amin’ny bokin’i Samoela Voalohany, satria izay no hita tao amin’ilay horonam-boky. Novana koa ny filahatry ny hevitra ao amin’ny Matio 21:29-31, rehefa avy nodinihina ny Baiboly sora-tanana grika fahiny. Nisy andinin-teny novana àry satria tsy dikan-teny grika iray intsony no nampiasaina, fa izay sora-tanana fahiny voaporofo hoe marina.

Santionany monja ireo, fa mbola maro be ny zavatra niova ao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Mora vakina sy mazava kokoa izao ilay izy. Maro no miaiky hoe te hiresaka amintsika tokoa Andriamanitra, ka nanome antsika an’io fanomezana io.

Refy

Kalandrie Hebreo