Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2015

Tandremo Tsara Izay Lazainao

Tandremo Tsara Izay Lazainao

Enga anie ny tenin’ny vavako... ka hankasitrahanao Jehovah ô.SAL. 19:14.

HIRA: 82, 77

1, 2. Nahoana ny Baiboly no mampitaha ny tenintsika amin’ny afo?

NIREHITRA ny ala tany avaratratsinanan’i Wisconsin, any Etazonia, tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra 1871. Io no afo nahafaty olona be indrindra tany Etazonia. Nitatra mantsy ilay afo ka namono olona 1 200 mahery. Hazo roa arivo tapitrisa teo ho eo koa no kila. Toa pitik’afo avy tamin’ny lamasinina nandalo no nampirehitra an’ilay ala. Marina tokoa ny voalazan’ny Jakoba 3:5 hoe: “Jereo ange ny afo e! Kely fotsiny dia efa mampirehitra ala be.” Nahoana i Jakoba no nilaza an’izany?

2 Nanao fanoharana izy ary hita eo amin’ny andininy fahenina ny tiany holazaina. Hoy izy: “Afo ny lela.” Ny fahaizantsika miteny no tiana holazaina amin’ilay hoe lela. Mety hampidi-doza toy ny afo ny tenintsika. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe: “Samy vitan’ny lela na ny mahafaty na ny mahavelona.” (Ohab. 18:21) Tsy midika anefa izany hoe tsy hiteny intsony ianao satria matahotra sao hampisy olana. Tsy hampiasa afo intsony ve, ohatra, ianao satria mety hampidi-doza ilay izy? Mbola hampiasa afo ianao fa hitandrina tsara fotsiny. Azonao andrahoana sakafo ilay izy na amindroana na atao jiro. Raha mitandrina tsara an’izay lazaintsika koa isika, dia hanome voninahitra  an’Andriamanitra sy hitondra soa ho an’ny hafa.—Sal. 19:14.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Afaka milaza an’izay any an-tsaintsika sy ao am-pontsika isika, na amin’ny alalan’ny teny izany na amin’ny alalan’ny tanana. Fanomezana miavaka avy amin’i Jehovah izany fahaizana izany. Ahoana àry no hampiasantsika azy io mba hampahery ny hafa fa tsy hanakivy azy? (Vakio ny Jakoba 3:9, 10.) Handinika an’ireto zavatra telo lehibe ireto isika: Rahoviana isika no tokony hiteny? Inona no holazaina? Ary ahoana no hilazana azy?

RAHOVIANA NO TOKONY HITENY?

4. Rahoviana avy ny fotoana tokony hanginana?

4 Zavatra fanaontsika isan’andro ny miteny. Tsy voatery hiteny foana anefa isika. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe “misy fotoana anginana.” (Mpito. 3:7) Manaja ny hafa isika raha mangina rehefa miteny izy. (Joba 6:24) Malina sy mahay mandinika isika raha tsy mamoaka tsiambaratelo. (Ohab. 20:19) Tsara koa raha miezaka hangina sy ho tony isika rehefa misy mampahatezitra antsika.—Sal. 4:4.

5. Inona no hataontsika raha mankasitraka an’i Jehovah isika noho isika nataony mahay miteny?

5 Milaza koa anefa ny Baiboly fa misy “fotoana itenenana.” (Mpito. 3:7) Ao, ohatra, ny fotoana amborahana ny ao am-po, ilazana an’izay ilaintsika, ampaherezana ny hafa, ary iderana an’i Jehovah. (Sal. 51:15) Asehontsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika raha manao an’ireo. Nataony mahay miteny mantsy isika. Raha mahazo fanomezana avy amin’ny namanao tokoa ianao, dia tsy hampiriminao fotsiny ilay izy fa hampiasainao tsara. Te hankasitraka azy mantsy ianao. Rahoviana anefa ny fotoana tena tsara hitenenana?

6. Nahoana isika no tokony hifidy tsara ny fotoana itenenantsika?

6 Tokony hifidy tsara ny fotoana itenenana isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 25:11: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” Efa tsara tarehy ny paoma volamena. Vao mainka ho tsara tarehy anefa ilay izy raha atao ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra. Toy izany koa fa vao mainka hahafinaritra sy hisy vokany tsara ny tenintsika, raha mahay mifidy ny fotoana ilazana azy isika. Ahoana no hanaovana izany?

7, 8. Inona no porofo fa nanahaka an’i Jesosy ny Vavolombelona tany Japon?

7 Mety ho tena ilain’ilay olona iresahantsika ny zavatra lazaintsika. Mety tsy hisy vokany tsara aminy anefa ny tenintsika raha tsy mahay mifidy ny fotoana tena tsara ilazana an’ilay izy isika. (Vakio ny Ohabolana 15:23.) Nisy horohoron-tany sy tsunami, ohatra, tany amin’ny faritra atsinanan’i Japon tamin’ny Martsa 2011, ary tanàna maro no rava. Olona 15 000 mahery no maty. Nijaly koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nefa niezaka foana izy ireo nampiasa Baiboly mba hampiononana an’izay nidonam-pahoriana. Maro tamin’ireo olona ireo anefa no Bodista ka zara raha mahalala na tsy mahalala mihitsy ny fampianaran’ny Baiboly. Vao haingana loatra ilay loza ka hitan’ny mpitory fa mbola tsy fotoana tsara hiresahana momba ny fitsanganana amin’ny maty tamin’izay. Naleon’izy ireo àry aloha nampionona ny olona sy nanazava avy tao amin’ny Baiboly hoe nahoana ny olona tsara fanahy no iharan-doza hoatr’izany.

8 Hain’i Jesosy hoe rahoviana izy no tokony hangina, nefa hainy koa ny fotoana tena tsara hitenenana. (Jaona 18:33-37; 19:8-11) Hoy izy tamin’ny mpianany, indray  mandeha: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” (Jaona 16:12) Roa taona sy tapany taorian’ilay tsunami tany Japon, dia nozaraina eran-tany ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38 hoe “Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?” Nanahaka an’i Jesosy ny Vavolombelona tany, ka nandray anjara tamin’io ezaka manokana io. Efa betsaka kokoa tamin’izay ny olona te hihaino momba ny fitsanganana amin’ny maty, ka azo nampaherezina. Maro no nanaiky handray an’ilay taratasy mivalona. Mila mahay mandinika àry isika hoe rahoviana ny fotoana tsara hitenenana, satria tena tsy mitovy ny kolontsaina sy ny fivavahan’ny olona.

9. Rahoviana koa isika no mila mahay mifidy ny fotoana tsara hitenenana?

9 Rahoviana koa isika no mila mahay mifidy ny fotoana tsara hitenenana? Mety hahasosotra antsika, ohatra, ny tenin’ny olona iray, na dia ny hahasoa antsika aza no tadiaviny. Tokony handinika tsara aloha isika hoe tena tsy nety ve ilay zavatra nolazainy ka mila mamaly ny teniny isika. Raha tsy maintsy mamaly isika, dia tsara raha tsy amin’ilay mbola tezitra iny no manatona azy. Mety hanao teny tsy voahevitra mantsy isika. (Vakio ny Ohabolana 15:28.) Mila mandinika tsara koa isika rehefa hiresaka ny fahamarinana amin’ny havana tsy Vavolombelona. Tiantsika hahalala an’i Jehovah izy ireny, nefa mila manam-paharetana isika sady mila mahay mandinika hoe rahoviana no hiresaka ary inona no holazaina. Mety hihaino antsika izy ireo amin’izay.

INONA NO HOLAZAINA?

10. a) Nahoana isika no mila mifidy ny teny holazaintsika? b) Milazà karazana teny mandratra.

10 Mahavita mandratra na manasitrana ny teny. (Vakio ny Ohabolana 12:18.) Tia milaza “teny mandratra” ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana, satria te hampalahelo sy hampahatezitra ny hafa. Maro no milaza teny manindrona toy ny “sabatra” na ‘zana-tsipìka.’ (Sal. 64:3) Izany mantsy no hitany ao amin’ny tele sy filma. Tsy tokony hanao an’izany ny Kristianina. Anisan’ny “teny mandratra” ny esoeson-teny. Natao hanakianana na hanambaniana olona izy io. Matetika no mody atao vazivazy ilay izy, nefa mety hahatonga ny olona tsy hifanaja na hifanao teny maharary. Manevateva olona izay manao teny maneso. Toetra tokony “hesorina” eo amin’ny Kristianina izany. Marina fa mety hahafinaritra ny vazivazy. Tsy mety anefa ny manao teny mandratra sy maneso ary manambany ny hafa, mba hampihomehezana olona fotsiny. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.”—Efes. 4:29, 31.

11. Nahoana isika no mila mandinika izay ao am-pontsika?

11 Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Mila mandinika izay ao am-pontsika àry isika mba hahay hifidy ny teny holazaina. Matetika mantsy no hita taratra amin’ny teny lazaintsika izay tena tsapantsika momba ny hafa. Raha tena tia olona sy tsara fanahy isika, dia hilaza zavatra tsara sy mampahery.

12. Inona no hanampy antsika hahay hifidy teny mety tsara?

12 Mila mieritreritra sy mifidy tsara ny teny holazaintsika koa isika. Hendry i Solomona Mpanjaka nefa “nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina”, mba hahita ‘teny mahafinaritra sy tenim-pahamarinana tsy misy diso.’ (Mpito. 12:9, 10) Sarotra aminao  ve ny mahita “teny mahafinaritra” holazaina? Miezaha àry mianatra teny betsaka kokoa. Mitadiava, ohatra, teny iray ao amin’ny Baiboly na boky sy gazetintsika, ary diniho ny fomba ampiasana azy ao. Fantaro ny dikan’ny teny tsy hainao. Tena ilaina koa ny mianatra milaza teny mampahery ny hafa. Hoy i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa, momba izay nataon’ny Rainy taminy: ‘I Jehovah no nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina, mba hahafantarako izay tokony holazaina amin’ny olona reraka.’ (Isaia 50:4) Hahita teny mety tsara isika raha mieritreritra tsara an’izay teny holazaina. (Jak. 1:19) Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Hahalaza tsara ny tiako holazaina ve ny teniko? Inona no ho vokatr’ilay izy eo amin’ny hafa?’

13. Nahoana no ilaina ny milaza teny mora azo?

13 Trompetra no notsofina teo amin’ny Israely fahiny, rehefa hamory na handrava vahoaka, na rehefa hilaza amin’ny miaramila hoe efa tokony hanafika izy ireo. Tsy mitovy ny feo natao tamin’ireo fotoana ireo. Ampitahain’ny Baiboly amin’ny feona trompetra ny teny avoakan’ny vava, ary hazavaina ao hoe tokony ho mora azo ilay izy. Mety hidiran-doza, ohatra, ny tafika raha tsy mazava tsara ny feo avoakan’ny trompetra. Raha tsy mazava tsara koa ny tenintsika, dia mety tsy ho azon’ny olona na mety ho diso ny fandraisany azy. Tsy tokony hivantambantam-piteny na tsy hanaja ny hafa anefa isika, na dia te hiezaka hanao teny tsotra sy mazava aza.—Vakio ny 1 Korintianina 14:8, 9.

14. Inona no porofo fa nampiasa teny mora azo i Jesosy?

14 I Jesosy no tena nahay nifidy tsara ny teny holazainy. Fohy nefa manan-danja, ohatra, ilay toriteniny ao amin’ny Matio toko faha-5 hatramin’ny toko faha-7. Tsy nampiasa teny sarotra na tsy mazava izy, ary tsy nasiaka ny teniny na nandratra olona. Nifidy teny tsotra sy mazava kosa izy mba hanohinana ny fon’ny olona. Tsy tiany hanahy, ohatra, izy ireo hoe ahoana no hahitana sakafo isan’andro, ka nilaza izy hoe na ny vorona aza omen’i Jehovah sakafo. Nampisaintsaina azy ireo izy avy eo hoe: “Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” (Mat. 6:26) Tsara fanahy izy, ary tsotra sy mazava ny teniny ka manohina ny fo. Hodinihintsika indray izao hoe ahoana no hilazantsika ny tenintsika.

AHOANA NO HILAZANA AZY?

15. Nahoana isika no tokony hilaza teny mahafinaritra rehefa miresaka?

15 Tsy ny tenintsika ihany no mila tandremana tsara fa ny fomba ilazana azy koa. Rehefa nandaha-teny tao amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesosy, dia “gaga noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany” ny olona. (Lioka 4:22) Manohina ny fo ny teny mahafinaritra, ary tsy mampihen-danja ny zavatra lazaintsika mihitsy fa vao mainka aza mandresy lahatra ny olona. (Ohab. 25:15) Afaka manahaka an’i Jesosy isika ka miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja ny hafa ary tsy handratra ny fony. Nisy vahoaka niezaka hihaona tamin’i Jesosy mba hihaino azy. Nangoraka i Jesosy rehefa nahita azy ireo ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.” (Mar. 6:34) Tsy nasiaka mihitsy koa izy na dia nisy nanevateva aza.—1 Pet. 2:23.

16, 17. a) Inona no hataontsika raha manahaka an’i Jesosy isika rehefa miresaka amin’ny mpianakavy sy ny namana akaiky? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no porofo fa misy vokany tsara ny teny mahafinaritra?

16 Tsy tsara fanahy isika indraindray na tsy mifidy teny holazaina, rehefa miresaka amin’ny olona mifankazatra amintsika. Angamba isika mivantambantana loatra,  rehefa miresaka amin’ny mpianakavintsika na ny namantsika akaiky eo anivon’ny fiangonana. Tsy nasiaka tamin’ny mpianany mihitsy i Jesosy, na dia nifandray be tamin’izy ireo aza. Niady hevitra matetika, ohatra, ny mpianany akaiky hoe iza no ambony kokoa tamin’izy ireo. Tsara fanahy anefa i Jesosy ary noraisiny ho ohatra ny ankizikely iray mba hanitsiana azy ireo. (Mar. 9:33-37) Afaka manahaka azy ny anti-panahy, ka hiezaka ‘halemy fanahy’ rehefa manome torohevitra.—Gal. 6:1.

17 Mety hisy olona hilaza teny mahasosotra antsika. Aleo anefa milaza teny mahafinaritra satria mety hisy vokany tsara izany. (Ohab. 15:1) Naditra, ohatra, ny zanaky ny anabavy iray mitaiza irery ny zanany. Nisy anabavy nalahelo azy ka nilaza hoe: “Mampalahelo fa hoatran’ny tsy misy vokany mihitsy ny fitaizanao ny zanakao.” Nieritreritra kely ilay reny ary niteny hoe: “Ie. Hoatran’ny tsy misy vokany tokoa aloha ilay izy hatreto, fa mbola miezaka e! Andraso aloha ao aorian’ny Hara-magedona, dia ho hita eo.” Tsy nasiaka ilay anabavy ka tsy nisy olana teo amin’izy roa vavy. Ren’ilay zanany naditra koa ilay teniny ka te hiova izy. Tonga saina izy hoe tsy kivy ny reniny fa mbola te hanampy azy. Tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy intsony àry izy. Natao batisa izy tatỳ aoriana ary nanompo tao amin’ny Betela. Tokony “ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana” no lazaintsika, na mpiray finoana no iresahantsika, na mpianakavy, na olon-kafa.—Kol. 4:6.

18. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy rehefa miresaka?

18 Tena miavaka isika olombelona satria nataon’i Jehovah afaka milaza an’izay any an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Enga anie isika hanahaka an’i Jesosy ka hahay hifidy ny fotoana itenenana sy ny teny holazaina, ary hiezaka hanao teny mahafinaritra. Hampahery ny hafa ny tenintsika amin’izay, sady hampifaly an’i Jehovah.