Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2015

Hanohana Anao i Jehovah

Hanohana Anao i Jehovah

I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany.SAL. 41:3.

HIRA: 23, 138

1, 2. Inona no eritreretintsika indraindray, ary iza avy no efa nieritreritra toy izany fahiny?

METY ho efa narary be ianao ka nieritreritra hoe: ‘Mbola ho sitrana ve aho?’ Mety ho nisy mpianakavinao na namanao narary koa, ka nieritreritra ianao hoe ho sitrana ve izy. Ara-dalàna izany. Nisy mpanjaka roa niady saina toy izany koa tamin’ny andron’i Elia sy Elisa mpaminany. Nianjera, ohatra, i Ahazia Mpanjaka, zanak’i Ahaba sy Jezebela ka nanontany raha ho sitrana ihany izy. Narary be koa i Beni-hadada mpanjakan’i Syria ka niteny hoe: “Ho sitrana amin’izao aretina izao ve aho?”—2 Mpanj. 1:2; 8:7, 8.

2 Manantena ny ho sitrana isika rehefa marary. Antenaintsika ho sitrana koa ny olona akaiky antsika. Maro anefa no mieritreritra hoe hanampy azy ho sitrana ve Andriamanitra. Nanao fahagagana hamonjena olona na hanasitranana olona Andriamanitra indraindray, tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo. Nisy mpaminany nasainy nanangana ny maty mihitsy aza. (1 Mpanj. 17:17-24; 2 Mpanj. 4:17-20, 32-35) Mbola afaka manantena fahagagana toy izany ve isika ankehitriny?

3-5. Mahavita manao inona i Jehovah sy Jesosy, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

 3 Sady mahavita manasitrana i Jehovah no mahavita mampaharary, rehefa jerena ny Baiboly. Nataony narary, ohatra, ilay Farao tamin’ny andron’i Abrahama, sy Miriama anabavin’i Mosesy. (Gen. 12:17; Nom. 12:9, 10; 2 Sam. 24:15) Nampitandrina koa Andriamanitra fa ho tratran’ny “aretina sy loza” ny Israelita raha mivadika aminy. (Deot. 28:58-61) Vitan’i Jehovah koa anefa ny niaro olona tsy harary. (Eks. 23:25; Deot. 7:15) Nanasitrana olona koa izy. Naniry ho faty, ohatra, i Joba satria narary be. Nositranin’i Jehovah izy tatỳ aoriana.—Joba 2:7; 3:11-13; 42:10, 16.

4 Mahavita manasitrana tokoa Andriamanitra ary toy izany koa ny Zanany. Nanao fahagagana i Jesosy ka nanasitrana boka, jamba, malemy, ary olona voan’ny androbe. (Vakio ny Matio 4:23, 24; Jaona 9:1-7) Santionany fotsiny ireny fahagagana nataony ireny, fa mbola hanasitrana ny olona eran-tany izy ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy hisy hilaza intsony amin’izay hoe: “Marary aho.”—Isaia 33:24.

5 Mbola tokony hanantena ve anefa isika hoe hanao fahagagana hanasitranana antsika i Jehovah sy Jesosy ankehitriny? Ary inona no hatao raha marary be?

HANAMPY ANAO I JEHOVAH

6. Nahoana no tsy misy intsony ny fahagagana ankehitriny?

6 Resahin’ny Baiboly fa nomen’i Jehovah fanahy masina ny Kristianina voahosotra sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka nahavita fahagagana. (Asa. 3:2-7; 9:36-42) Nisy, ohatra, nahay nanasitrana, na niteny tamin’ny fiteny samihafa, na naminany. (1 Kor. 12:4-11) Nofoanana anefa izany rehetra izany tsy ela taorian’izay, ka tsy misy fahagagana intsony ankehitriny. (1 Kor. 13:8) Tsy tokony hanantena àry isika hoe hanao fahagagana i Jehovah, mba hanasitranana antsika na ny havantsika.

7. Nahoana ny Salamo 41:3 no mampahery?

7 Hampahery sy hanome fahendrena ary hanohana antsika anefa i Jehovah raha marary isika. Efa nanao an’izany tamin’ny mpanompony fahiny izy. Hoy i Davida Mpanjaka: “Sambatra izay miahy ny mahantra, fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory. I Jehovah hiaro azy sy hitsimbina ny ainy.” (Sal. 41:1, 2) Midika ve izany hoe nisy fahagagana ka tsy maty mihitsy ny olona niahy ny mahantra tamin’ny andron’i Davida? Tsia. Maty ihany izy ireny tatỳ aoriana. Midika kosa io andininy io hoe hanampy an’izay tia miahy ny mahantra i Jehovah. Hoy ihany i Davida: “I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany. Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.” (Sal. 41:3) Afaka natoky àry ny olona niahy ny mahantra fa hitan’i Jehovah ny manjo azy ary tsy hadinony ny zavatra nataony. Mety hihasalama koa izy ary ho sitrana amin’ny farany. Nataon’i Jehovah mihasitrana ho azy mantsy ny vatan’olombelona.

8. Inona no nolazain’i Davida tamin’i Jehovah, araka ny Salamo 41:4?

8 Nitady hanongana an’i Davida tsy ho mpanjaka i Absaloma, indray mandeha. Narary anefa i Davida ka tsy afaka nanao na inona na inona. Angamba tamin’io fotoana io no nitranga ity zavatra tantarainy ity: “Hoy aho: ‘Iantrao aho Jehovah ô! Sitrano aho, fa nanota taminao.’” (Sal. 41:4) Mbola tsy hadinony ny fahotan’izy sy Batseba sy ny vokatr’ilay izy, na dia efa namela azy aza i Jehovah. (2 Sam. 12:7-14) Na izany aza, dia natoky izy fa hanohana azy  eo amin’ny fandriana aharariany i Jehovah. Niangavy an’i Jehovah hanao fahagagana ve anefa i Davida, amin’izay izy ho sitrana sy ho ela velona?

9. a) Inona no nataon’i Jehovah tamin’i Hezekia Mpanjaka? b) Inona no tian’i Davida hataon’i Jehovah taminy?

9 Nanao zavatra tsy nahazatra i Jehovah, tatỳ aoriana. Nositraniny i Hezekia Mpanjaka tamin’izy “narary efa ho faty”, ka mbola velona 15 taona avy eo. (2 Mpanj. 20:1-6) Rehefa narary anefa i Davida, dia tsy hoe niangavy an’i Jehovah hanasitrana azy. Hita avy amin’ny teny manodidina kosa hoe niangavy an’i Jehovah izy mba hanampy azy, toy ny nanampian’i Jehovah ny olona miahy ny mahantra. Tiany, ohatra, raha manohana azy “eo amin’ny fandriana aharariany” i Jehovah. Efa navelan’i Jehovah ny fahotan’i Davida. Afaka nivavaka taminy àry izy mba hampahery sy hanohana azy, ary mba hatanjaka indray ny vatany ka ho sitrana izy. (Sal. 103:3) Afaka manao toy izany koa isika.

10. Nanasitrana an’i Trofimo sy Epafrodito ve i Paoly? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

10 Tsy nanao fahagagana hanasitranana an’i Davida na hanalavana ny androm-piainany i Jehovah. Tsy nositraniny koa i Trofimo, mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly. Fantatsika fa nomen’i Jehovah hery hanasitranana i Paoly indraindray. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:8-10.) “Teo am-pandriana”, ohatra, “ny rain’i Poplio fa nanavy sady nivalan-dra.” “Nivavaka sy nametra-tanana taminy” i Paoly ka “nanasitrana azy.” (Asa. 28:8) Tsy nositraniny kosa i Trofimo, na dia niara-nanao dia misionera taminy aza. (Asa. 20:3-5, 22; 21:29) Narary i Trofimo ka tsy nahavita nanaraka azy intsony. Navelany tao Mileto àry izy mandra-pahasitrany. (2 Tim. 4:20) “Narary saika maty” koa i Epafrodito naman’i Paoly akaiky, nefa tsy resahin’ny Baiboly hoe nanasitrana azy i Paoly.—Fil. 2:25-27, 30.

NY TOROHEVITR’IZA NO HARAHINA?

11, 12. Nahoana i Lioka no nahavita nitsabo, ary inona no manaporofo an’izany?

11 Niaraka tamin’i Paoly koa i Lioka, ilay nanoratra ny Asan’ny Apostoly. Nantsoin’i Paoly hoe “dokotera malala” izy. (Kol. 4:14; Asa. 16:10-12; 20:5, 6) Azo inoana fa nomeny torohevitra momba ny fahasalamana i Paoly. Mety ho notsaboiny koa izy sy ny olon-kafa niara-nanao dia misionera taminy. Na i Paoly koa aza mantsy narary. (Gal. 4:13) Nilaza i Jesosy hoe: ‘Mila dokotera ny marary.’ (Lioka 5:31) Dokotera àry i Lioka matoa nahavita nitsabo.

12 Tsy resahin’ny Baiboly hoe oviana sy taiza i Lioka no nianatra ho dokotera. Voalaza fa nahafantatra azy ny Kristianina tany Kolosia, matoa i Paoly niresaka momba azy tao amin’ilay taratasiny ho azy ireo. Tsara homarihina fa nisy sekoly fianarana ho dokotera tany Laodikia, tanàna tany akaikin’i Kolosia. Na taiza na taiza anefa i Lioka no nianatra, dia tena dokotera izy fa tsy olona tia manoronoro hevitra momba ny fitsaboana fotsiny nefa tsy nianatra momba izany. Nampiasa teny fampiasan’ny dokotera mantsy izy rehefa nanoratra ny Filazantsarany sy ny Asan’ny Apostoly. Nasongadiny tsara koa ny fomba nanasitranan’i Jesosy ny olona.

13. Inona no tokony hotadidintsika alohan’ny hanomezana na hanekena torohevitra momba ny fahasalamana?

13 Tsy misy Kristianina mahay fahagagana mba hanasitranana intsony ankehitriny. Misy Kristianina tia manome torohevitra momba ny fahasalamana anefa. Marina fa tsy ratsy ny manome torohevitra tsotsotra  sy azo ampiharina. Nasain’i Paoly nisotro divay kely, ohatra, i Timoty tamin’izy narary vavony. Nety ho nisotro rano tsy madio tsara mantsy izy. * (Vakio ny 1 Timoty 5:23.) Misy anefa mandresy lahatra ny mpiara-manompo aminy mba hanandrana zavatra tsy mandaitra akory na mety hampidi-doza. Mety hasainy hanandrana karazana tambavy na fanafody, ohatra, ianao na koa hifady na hihinana karazana sakafo sasany. Milaza ilay olona indraindray hoe: ‘Efa nisy havanay voan’io aretina io koa dia nampiasa ... dia sitrana.’ Tena te hitady izay hahasoa anao angamba izy. Tadidio anefa fa mety hisy vokany ratsy na dia ny fanafody sy fitsaboana be mpampiasa aza.—Vakio ny Ohabolana 27:12.

MANDINIHA TSARA

14, 15. a) Manararaotra manao inona ny olona sasany rehefa misy olona marary? b) Nahoana ny Ohabolana 14:15 no mahasoa rehefa marary?

14 Te ho salama foana isika Kristianina satria te hankafy fiainana sy te hanompo tsara an’i Jehovah. Tsy lavorary anefa isika ka mety harary. Be dia be ny karazana fitsaboana, ary manan-jo hifidy an’izay fitsaboana tiany ny tsirairay. Mampalahelo fa tia vola ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka manararaotra an’izay olona marary. Misy milaza hoe mahita fitsaboana na fanafody mahasitrana. Mamoron-dainga mihitsy aza izy ireo sady milaza fa efa be dia be no sitrana tamin’ilay izy. Misy koa olona na fikambanana te hahazo vola be ka mampirisika ny olona hampiasa ny fanafodiny, nefa lafo be ilay izy. Misy olona tena te ho sitrana sy te ho ela velona ka voafitaka. Tadidio foana àry ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohab. 14:15.

15 Raha “malina” isika, dia vao mainka hitandrina rehefa olona tsy nianatra momba ny fitsaboana no manoro hevitra antsika. Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Lazainy fa efa nisy olona sitrana tamin’ilay izy, nefa tena misy vavolombelona afaka manaporofo an’izany ve? Tena mety hahasitrana ahy ve ilay izy na dia nahasitrana olon-kafa aza? Sao dia tokony hanadihady bebe kokoa aho na hanontany olona tena nianatra momba an’ity aretiko ity?’—Deot. 17:6.

16. Inona no tokony hodinihintsika raha ‘misaina tsara’ isika rehefa mifidy fitsaboana?

16 Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hisaina tsara, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.’ (Tit. 2:12) Tena tokony hisaina tsara isika, rehefa hitantsika hoe hoatran’ny hafahafa ny fitsaboana iray. Diniho, ohatra, hoe: Tena afaka manome fanazavana mahafa-po momba an’ilay izy ve ilay olona na ilay mpitsabo? Mifanaraka amin’ny zavatra fantatra fa marina ve ilay izy, ary maro ve ny dokotera manaiky hoe mandaitra ilay izy? (Ohab. 22:29) Sa manao izay hamaboana ny fonao fotsiny ilay olona? Mety hiteny koa ilay olona hoe tany amin’ny toerana mitokana na lavitra be no nahitana an’ilay fitsaboana ka tsy fantatry ny dokotera. Tsy midika anefa izany hoe marina ny teniny na hoe azo antoka tokoa ilay fitsaboana. Misy koa tsy mety milaza an’ilay zavatra ampiasainy hitsaboana. Ny hafa indray miteny hoe hery miafina no ampiasainy. Amin’izay indrindra isika no tena mila mitandrina. Halan’Andriamanitra mantsy ny olona “mampiasa herin’ny maizina.”—Isaia 1:13; Deot. 18:10-12.

 “MIRARY SOA HO ANAREO IZAHAY!”

17. Inona no faniriantsika?

17 Nandefa taratasy tena manan-danja ho an’ny fiangonana ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany. Voaresaka ao ny zavatra tsy tokony hataon’ny Kristianina, ary izao no voalaza eny amin’ny farany: “Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo. Mirary soa ho anareo izahay!” (Asa. 15:29) Teny fanaovam-beloma io fehezanteny farany io, ary azo adika koa hoe: “Enga anie ianareo hatanjaka.” Te ho salama sy hatanjaka tokoa isika mba ho afaka hanompo an’ilay Andriamanitsika.

Te ho salama sy hatanjaka isika mba ho afaka hanompo an’ilay Andriamanitsika (Fehintsoratra 17)

18, 19. Inona no antenaintsika hitranga ao amin’ny tontolo vaovao?

18 Mety mbola harary isika raha mbola tsy lavorary sy miaina eto amin’ity tontolo ity. Tsy tokony hanantena fahagagana aloha isika izao. Milaza anefa ny Apokalypsy 22:1, 2 fa mbola ho sitrana tanteraka isika amin’ny hoavy. Voalaza ao fa nahita “reniranon’ny ranon’aina” sy “hazon’aina” ny apostoly Jaona. Natao “ho fanasitranana ny firenena” ny ravin’ireo hazo ireo. Tsy ravinkazo ara-bakiteny no tiana horesahina eo, ka hoe azo ampiasaina ankehitriny na amin’ny hoavy. Fandaharana hataon’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy kosa izy io, mba hahafahan’ny mpanompony hiaina mandrakizay. Matokia fa tena hisy izany.—Isaia 35:5, 6.

19 Hoavy tena tsara no miandry antsika. Tadidio anefa mandra-pahatongan’izany, fa sarobidy amin’i Jehovah foana isika tsirairay na dia marary aza. Matoky toa an’i Davida isika fa hanohana antsika i Jehovah rehefa marary isika. Afaka miteny toa azy isika hoe: “Manohana ahy ianao satria tsy mivadika aminao aho, ary hataonao eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.”—Sal. 41:12.

^ feh. 13 Hoy ilay boky hoe Ny Niandohan’ny Divay sy ny Tantarany (anglisy): “Hita tamin’ny andrana natao fa maty avy hatrany ny mikraobana tefoedra sy mikraoba hafa rehefa nasiana divay.”