Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2015

Ahoana no Iresahan’i Jehovah Amintsika?

Ahoana no Iresahan’i Jehovah Amintsika?

“Mihainoa, azafady, fa hiteny aho.”—JOBA 42:4.

HIRA: 113, 114

1-3. a) Inona no porofo fa tena miavaka ny fomba fampitan’i Jehovah hevitra sy ny fiteniny? b) Inona no hodinihintsika ato?

NAMORONA anjely sy olombelona i Jehovah, satria tiany hisy zavamananaina hafa ho sambatra toa azy. (Sal. 36:9; 1 Tim. 1:11) I Jesosy no noforoniny voalohany, ary nantsoin’ny apostoly Jaona hoe “ny Teny” sy “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra” izy. (Jaona 1:1; Apok. 3:14) Noresahin’Andriamanitra tamin’io Zanany lahimatoa io izay tao an-tsainy sy tao am-pony. (Jaona 1:14, 17; Kol. 1:15) Mifampiresaka koa ny anjely, hoy ny apostoly Paoly, ary hafa mihitsy ny fitenin’izy ireo fa tsy toy ny antsika.—1 Kor. 13:1.

2 Fantatr’i Jehovah tsara ireo zavaboariny manan-tsaina an’arivony tapitrisa any an-danitra sy eto an-tany. Olona tsy hita isa no indray mivavaka aminy ao anatin’ny fotoana iray, nefa azony ny vavak’izy rehetra, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona. Mahavita manome toromarika sy miresaka amin’ny anjely koa izy amin’iny fotoana iny. Misaina lavitra noho ny olombelona izy matoa mahavita an’izany, ary tena miavaka ny fomba fampitany hevitra sy ny fiteniny. (Vakio ny Isaia 55:8, 9.) Ataon’i Jehovah tsotra àry ny fomba iresahany amin’ny olombelona, matoa azon’izy ireo ny tiany holazaina.

3 I Jehovah no manam-pahendrena indrindra, ka hojerentsika  hoe inona no nataony mba ho tena azon’ny olona foana ny tiany holazaina. Ho hitantsika koa fa novany arakaraka ny zava-misy ny fomba nilazany ny heviny.

NIRESAKA TAMIN’NY OLOMBELONA IZY

4. a) Inona no fiteny niresahan’i Jehovah tamin’i Mosesy sy Samoela ary Davida? b) Inona avy no hita ao amin’ny Baiboly?

4 Niresaka tamin’i Adama i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Edena, ary fitenin’olombelona no nampiasainy. Mety ho teny hebreo tranainy izany. Nampanoratra ny Teniny izy tatỳ aoriana, ka olona miteny hebreo no nampiasainy, anisan’izany i Mosesy sy Samoela ary Davida. Izy ireo ihany no nifidy an’izay teny nampiasainy sy ny fomba namoahany hevitra. Tsy izay nolazain’i Jehovah fotsiny no nosoratan’izy ireo, fa ny fifandraisany tamin’ny vahoakany koa. Notantarain’izy ireo, ohatra, hoe nisy mpanompony nanam-pinoana sy tia azy, ary nisy koa nanao fahadisoana sy nivadika taminy. Mbola tena mahasoa antsika izany rehetra izany.—Rom. 15:4.

5. Nahoana no tsy teny hebreo ihany no niresahan’Andriamanitra tamin’ny olombelona?

5 Tsy fiteny hebreo ihany no niresahan’Andriamanitra tamin’ny olombelona, tatỳ aoriana. Ny fiteny aramianina mantsy no nifampiresahan’ny vahoakan’Andriamanitra sasany, rehefa avy babo tany Babylona izy ireo. Mety ho izany no nahatonga an’i Jehovah hampanoratra amin’ny teny aramianina ny ampahany tamin’ny bokin’i Daniela sy Jeremia ary Ezra. *

6. Nahoana no nadika tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo?

6 Tatỳ aoriana, dia resin’i Aleksandra Lehibe ny ankamaroan’ny firenena tamin’ny androny. Lasa fiteny iraisam-pirenena àry ny fiteny grika tsotra na Koine. Maro ny Jiosy lasa niteny grika, ka nadika ho amin’io fiteny io ny Soratra Hebreo. Voalaza fa olona 72 no nanao izany, ary nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ilay fandikan-teny. Io no Baiboly voadika voalohany, ary anisan’ny Baiboly tena ilaina izy io. * Be dia be ny nandika azy io ho amin’ny fiteny hafa, nefa tsy nitovy ny fomba fanoratr’izy rehetra. Tao ny nandika ara-bakiteny, ary tao ny nandika arak’izay fahazoany azy. Nanaiky azy io ho Tenin’Andriamanitra anefa ny Jiosy niteny grika, ary avy eo ny Kristianina.

7. Inona no fiteny mety ho nampiasain’i Jesosy tamin’izy nampianatra?

7 Azo inoana fa niteny hebreo ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa tetỳ an-tany, ary nampianatra tamin’io fiteny io. (Jaona 19:20; 20:16; Asa. 26:14) Mety ho nampiasa teny aramianina koa izy satria fampiasan’ny Jiosy io fiteny io. Hain’i Jesosy koa ilay fiteny hebreo tranainy nampiasain’i Mosesy sy ny mpaminany. Novakina isan-kerinandro tao amin’ny synagoga mantsy ny horonam-boky nosoratan’izy ireo. (Lioka 4:17-19; 24:44, 45; Asa. 15:21) Niteny grika sy latinina koa ny Jiosy. Tsy lazain’ny Baiboly anefa raha niteny an’ireo fiteny ireo i Jesosy na tsia.

8, 9. Nahoana no nosoratana tamin’ny teny grika ny boky sasany ao amin’ny Baiboly? Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

8 Nahay teny hebreo ny mpianatr’i Jesosy voalohany. Nampiasa fiteny hafa anefa ny mpianany rehefa maty izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:1.) Ny teny grika no tena nifampiresahan’ny Kristianina, rehefa nanomboka niely ny Fivavahana Kristianina.  Nosoratana tamin’ny teny grika mihitsy aza ny zavatra nampianarin’i Jesosy sy nataony, izany hoe ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Be dia be no nanana azy ireo. Lasa niteny grika àry ny Kristianina maro. * Tamin’ny teny grika koa no nosoratana ny taratasin’i Paoly sy ny boky sasany ao amin’ny Baiboly.

9 Tsara homarihina fa rehefa nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, dia avy tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo ny ankamaroany. Tsy hoatran’ilay tao amin’ny Soratra Hebreo ny sasany tamin’ireny teny ireny fa somary niova kely. Mbola ao amin’ny Soratra Masina anefa izy ireny izao. Tsy lavorary ireo mpanoratra Baiboly, nefa eken’Andriamanitra ho anisan’ny Teniny ny zavatra nosoratan’izy ireo. Tsy mihevitra ny kolontsaina na fiteny sasany ho ambony kokoa àry izy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34.

10. Inona no ianarantsika rehefa jerena ny fomba niresahan’i Jehovah tamin’ny olombelona?

10 Hitantsika teo fa ovan’i Jehovah arakaraka ny zava-misy ny fomba iresahany amin’ny olombelona. Tsy manery antsika izy hoe tsy maintsy mahay fiteny iray isika vao hahalala ny momba azy sy ny fikasany. (Vakio ny Zakaria 8:23; Apokalypsy 7:9, 10.) I Jehovah no nampanoratra ny Baiboly, nefa navelany hifidy an’izay fomba tiany hamoahana hevitra ireo mpanoratra azy io.

NAROVAN’I JEHOVAH NY TENINY

11. Nahoana no azon’ny olombelona ny hevitr’i Jehovah, na dia samihafa aza ny fiteny eran-tany?

11 Azon’ny olombelona ny hevitr’i Jehovah, na dia samihafa aza ny fiteny eran-tany, ary na dia nisy niova kely aza ny Teniny rehefa nadika. Vitsy ihany, ohatra, ny tenin’i Jesosy najanona tamin’ilay fiteny nitenenany azy. (Mat. 27:46; Mar. 5:41; 7:34; 14:36) Nataon’i Jehovah kosa izay handikana ny fampianaran’i Jesosy ho amin’ny teny grika sy ho amin’ny fiteny hafa. Nataon’ny Jiosy sy ny Kristianina kopia imbetsaka koa ny Soratra Masina ka voatahiry foana. Nadika ho amin’ny fiteny maro hafa izy io, tatỳ aoriana. Manaporofo izany ny tenin’ny mpanoratra iray niaina tamin’ny taona 400 tany ho any. Nilaza izy tamin’izany fa efa voadika tamin’ny teny syrianina, ejipsianina, indianina, persianina, etiopianina, ary ny maro hafa ny fampianaran’i Jesosy.

12. Inona no nataon’ny olona mba hamongorana ny Baiboly?

12 Be dia be ny zavatra natao mba hamongorana ny Baiboly sy izay olona nandika na nampiely azy io. Nisy didy navoakan’i Dioclétien, Mpanjaka Romanina, ohatra, tamin’ny taona 303 hoe tokony hopotehina ny Baiboly rehetra. Tsy fongotra anefa izy io satria efa voadika tamin’ny fiteny maro.  Nanomboka nandika ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy i William Tyndale, tamin’ny taonjato faha-16. Hoy izy tamin’ny manam-pahaizana iray: “Raha tsimbinin’Andriamanitra ny aiko ka ataony ela velona aho, dia hataoko mahay Soratra Masina kokoa noho ianao ny ankizilahy mitarika angadinomby.” Tsy maintsy nitsoaka avy tany Angletera nankany Eoropa i Tyndale, mba ho afaka handika sy hanao pirinty an’ilay Baiboly. Nodoran’ny mpitondra fivavahana teny an-kalamanjana izay Baiboly hitan’izy ireo, nefa vao mainka izy io niely. Nisy namadika i Tyndale, ka nokendaina sy nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Avotra anefa ilay Baiboly nadikany. Io no tena nampiasain’ireo nandika ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Niely be io dikan-teny io tatỳ aoriana.—Vakio ny 2 Timoty 2:9.

13. Inona no voaporofo rehefa nodinihina ireo sora-tanana fahiny?

13 Mbola voatahiry hatramin’izao ny Baiboly sasany efa tranainy. Marina fa misy diso kely na misy tsy fitoviana kely ao amin’izy ireny. Efa an’arivony anefa ny sombina sora-tanana fahiny sy Baiboly sora-tanana ary fandikan-teny tranainy nampitahain’ny manam-pahaizana sy nodinihiny tsara. Hitan’izy ireo fa tsy niova firy ny Baiboly manontolo. Tsy niova ny hevi-dehibe, na dia misy andinin-teny vitsivitsy somary mampisalasala aza ao. Resy lahatra àry ny Mpianatra ny Baiboly fa mbola ilay Tenin’i Jehovah tany am-boalohany no ao amin’ny Baiboly.—Isaia 40:8. *

14. Inona no porofo fa miely be ny Baiboly?

14 Nisy olona niezaka mafy hamongotra ny Baiboly. Narovan’i Jehovah anefa izy io ka io no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra. Zara raha mino an’Andriamanitra na tsy mino azy ny olona. Mbola ny Baiboly anefa no boky be mpividy indrindra, ary misy amin’ny fiteny 2800 mahery izy io na ny ampahany aminy. Ny Baiboly no boky miely indrindra sy be mpanana indrindra. Marina fa tsy tena mazava na tsy marina tsara ny fandikan-teny sasany. Saika izy rehetra anefa no miresaka momba ny fiainana mandrakizay sy manampy ny olona hanana fanantenana.

ILAINA NY FANDIKAN-TENY VAOVAO

15. a) Inona no nataon’ny “mpanompo mendri-pitokisana” mba ho betsaka ny olona afaka mamaky ny bokintsika? b) Nahoana ny bokintsika no soratana amin’ny teny anglisy aloha vao adika amin’ny fiteny hafa?

15 Notendrena ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy, tamin’ny 1919. Ny teny anglisy no tena nampiasain’izy ireo rehefa niresaka tamin’ny ‘mpanompo ao an-trano.’ (Mat. 24:45) Miezaka mafy ny “mpanompo mendri-pitokisana” mba ho voadika amin’ny fiteny maro ny sakafo ara-panahy, ka efa misy  amin’ny fiteny 700 mahery izany. Mitovy amin’ny teny grika koine fahiny ny teny anglisy, satria fampiasa be eo amin’ny resaka varotra sy fampianarana. Soratana amin’ny teny anglisy àry ny bokintsika, izay vao adika amin’ny fiteny hafa.

16, 17. a) Inona no hitan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe ilaina? b) Inona no natao vokatr’izany? d) Inona no fanirian’ny Rahalahy Knorr?

16 Avy ao amin’ny Baiboly ny hevitra ao amin’ny boky sy gazetintsika. Ilay Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques navoaka tamin’ny 1611 no Baiboly anglisy niely indrindra, teo antenatenan’ny taonjato faha-20. Tranainy be anefa ny ankamaroan’ny teny ao. Zara raha hita ao koa ny anaran’Andriamanitra, nefa miverina inarivony izy io ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny. Diso koa ny dikan’ny teny sasany ao amin’io Baiboly io, ary misy andininy hita ao nefa tsy hita ao amin’ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra. Misy diso koa ao amin’ny Baiboly anglisy hafa.

17 Nilaina àry ny Baiboly marina tsara sy mora azon’ny olona ankehitriny, ka natsangana ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao. Nozaraina ho boky enina ilay Baiboly nadikan’ilay komity, ary navoaka tsikelikely nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1960. Navoaka tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 2 Aogositra 1950 ny boky voalohany. Hoy ny Rahalahy Knorr rehefa namoaka azy io: “Hita fa vao mainka ilaina ny fandikan-teny maoderina sy mifanaraka amin’ny fanazavana farany momba ny fahamarinana. Tokony hamoaka tsara ny hevitra ao amin’ny Soratra Masina tany am-boalohany koa anefa ilay izy, ka hanampy antsika hahatakatra kokoa ny fahamarinana. Tokony hazava tsara amin’ny olona ankehitriny ilay izy, tsy misy hafa amin’ny boky nosoratan’ny mpianatr’i Kristy. Nazava tsara tamin’ny olona tsotra sy nahantra ary tsy nahita fianarana tamin’izany mantsy izy ireny.” Nino izy fa hanampy olona an-tapitrisany hahalala an’i Jehovah io fandikan-teny io.

18. Inona no natao mba hanafainganana ny fandikana Baiboly?

18 Tanteraka ny fanirian’ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1963. Navoaka tamin’ny fiteny alemà, espaniola, frantsay, holandey, italianina, ary portogey Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nanangana sampan-draharaha iray tao amin’ny foibe ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1989, mba hanamorana ny fandikana Baiboly. Niezahana nadika tamin’izay fiteny efa namoahana Ny Tilikambo Fiambenana koa ny Baiboly, nanomboka tamin’ny 2005. Misy amin’ny fiteny 130 mahery àry izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na ny ampahany aminy.

19. Inona ilay zavatra niavaka tamin’ny 2013, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Niova ny teny anglisy rehefa nandeha ny fotoana, ka nila nohavaozina hifanaraka amin’izany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy. Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy) nohavaozina àry ny rahalahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 5 Oktobra 2013. Nanao fivoriana manokana ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania tamin’izay. Olona 1 413 676 tany amin’ny tany 31 no nanatrika an’io fivoriana io na nanaraka an’ilay izy tamin’ny Internet. Faly be ny rehetra ka maro no nitomany rehefa nizarana an’ilay Baiboly. Nampiasaina tamin’io fivoriana io ilay Baiboly anglisy ka hitan’ny mpanatrika fa faran’izay tsara ilay fandikan-teny. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny tsipirian’io Baiboly io, sy ny fandikana azy io ho amin’ny fiteny hafa.

^ feh. 5 Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny Ezra 4:8–6:18; 7:12-26 sy ny Jeremia 10:11 ary ny Daniela 2:4b–7:28, tamin’ny voalohany.

^ feh. 6 Voalaza fa natomboka nadika tany Ejipta izy io tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ary angamba vita tamin’ny taona 150 T.K. Mbola tena ilaina io fandikan-teny io, satria manampy ny manam-pahaizana hahalala ny tena dikan’ny teny na andinin-teny hebreo sasany.

^ feh. 8 Misy milaza hoe tamin’ny teny hebreo no nanoratan’i Matio ny Filazantsarany, ary nadika ho amin’ny teny grika izany, ka angamba izy ihany no nandika azy.

^ feh. 13 Jereo ilay hoe “Ahoana no Nahatafitan’ilay Boky Hatramin’izao Andro Izao?”, ao amin’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy 7-9.