Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Oktobra 2015

“Mino ny Teny Rehetra Reny Ireo Mbola Tsy dia Nandia Fiainana”

“Mino ny Teny Rehetra Reny Ireo Mbola Tsy dia Nandia Fiainana”

“Adala izay olona mino an’izay vakiny ao anaty gazety, satria fotsiny hoe ao anaty gazety ilay izy.” —August von Schlözer, mpanoratra sady mpahay tantara alemà (1735-1809).

TSY nino ny zavatra sasany noresahin’ny gazety ny olona, 200 taona mahery lasa izay. Tsy azo inoana koa ny ankamaroan’ny zavatra ao amin’ny Internet, amin’izao taonjato faha-21 izao. Betsaka ny fanazavana ao satria mandroso ny teknolojia. Mety ho marina na ilaina na tsy mampaninona izy ireny, nefa koa mety ho diso na tsy ilaina na mampidi-doza. Tokony hahay hifantina àry isika. Ireo mbola tsy zatra mampiasa Internet no tena mety hino hoe marina ny fanazavana na vaovao iray, na dia hafahafa be aza ilay izy na tsy mampino. Inoany ilay izy satria fotsiny ao amin’ny Internet, na satria nalefan’ny namany tamin’ny e-mail. Rariny àry raha milaza ny Ohabolana 14:15 hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”

Inona no hanampy antsika ho “malina” ka hahay hamantatra hoe tsaho na fitaka na tsy tena marina ny zavatra iray resahin’ny Internet? Eritrereto aloha hoe: ‘Avy amin’ny tranonkala ara-dalàna sy azo itokisana ve ilay fanazavana, sa tsy fanta-piaviana na avy amin’ny tranonkala azon’ny rehetra anoratana ny heviny? Efa nisy tranonkala azo itokisana nilaza ve fa tsy marina ilay izy?’ * Miezaha “hisaina tsara” avy eo. (1 Pet. 5:8) Mety ho tsy marina ny fanazavana iray matoa tsy mampino. Ary raha fanaratsiana olona ilay izy? Eritrereto hoe iza no hahazo tombony raha miely ilay izy, ary inona no mety ho antony nanaparitahana azy.

AZA MAIKA HANAPARITAKA VAOVAO

Misy olona te halaza ka tonga dia manaparitaka vaovao amin’ny namany ao amin’ny Internet. Tsy nohamarininy akory ilay izy raha tena marina, ary tsy noeritreretiny ny mety ho vokatry ny ataony. (2 Sam. 13:28-33) Raha “malina” kosa isika, dia hieritreritra hoe inona no mety ho vokany raha manaparitaka an’ilay vaovao isika. Mety hanala baraka olona na fikambanana, ohatra, ilay izy.

 Mandany fotoana ny mamantatra hoe marina sa tsia ny vaovao iray. Tsy misahirana manao an’izany àry ny olona sasany fa mieritreritra hoe anjaran’ilay olona ilazany an’ilay vaovao ny manamarina an’ilay izy. Handany ny fotoanan’ilay olona anefa izany. Tadidio fa sarobidy ny fotoana. (Efes. 5:15, 16) Fafao àry izay vaovao tsy azo antoka hoe marina, fa aza aparitaka.

Eritrereto izao: ‘Tia manaparitaka an’izay vaovao fantatro ve aho? Efa nisy fotoana ve aho tsy maintsy niala tsiny tamin’ny olona nilazako vaovao, satria fantatra avy eo hoe diso ilay izy na lainga? Efa nisy nilaza tamiko ve hoe aza tia manaparitaka vaovao?’ Tadidio fa afaka mijery Internet koa izay olona ifandraisanao ao amin’ny Internet, ka tsy voatery mila anao izy vao mahita zavatra mahaliana. Tsy voatery ho tiany ny andefasana tantara na video na sary be dia be. Tsy tsara alefa e-mail koa ny lahateny ara-baiboly noraisim-peo na noraisina an-tsoratra. * Tadidio koa hoe tsy tena handray soa ny olona iray raha tsy manao fikarohana fa tonga dia andefasanao an’izay lahatsoratra na andinin-teny mila karohiny, na izay valin-teny holazainy any am-pivoriana.

Moa ve aho tokony hampita vaovao na fanazavana tsy mampino amin’ny olona hafa?

Ary ahoana raha mahita fanazavana manaratsy ny fandaminan’i Jehovah ianao, ao amin’ny Internet? Ialao avy hatrany ilay izy! Misy mihevitra hoe mila resahina amin’ny hafa ilay izy mba hahalalana ny heviny. Vao mainka anefa izany hanaparitaka an’ilay fanaratsiana. Mangataha fahendrena amin’i Jehovah ary miresaha amin’ny rahalahy matotra, raha manahiran-tsaina anao ny fanazavana hitanao. (Jak. 1:5, 6; Joda 22, 23) Nampiomana ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe hanenjika azy ireo ny fahavalony sady ‘hamoron-dainga, ka hilaza fa manao izao zava-dratsy rehetra izao’ izy ireo. Na i Jesosy aza nisy nanaratsy. (Mat. 5:11; 11:19; Jaona 10:19-21) Mila “fahaiza-misaina” sy “fahaiza-manavaka” isika, mba hamantarana ny “olona miresaka zava-dratsy” sy ireo “tsy mba mahitsy eo amin’izay rehetra ataony.”—Ohab. 2:10-16.

 HAJAO NY ZON’NY HAFA

Mila mitandrina koa isika rehefa miresaka momba ny mpiara-manompo na zava-nitranga mifandray amin’ny fanompoana. Tsy tsara indraindray ny manely vaovao momba ny hafa, na dia marina aza ilay izy. Tsy miahy ny hafa isika raha manao izany. (Mat. 7:12) Tsy tia namana, ohatra, isika sady tsy mampahery ny namantsika raha mifosa, na dia mety ho marina aza ny tenintsika. (2 Tes. 3:11; 1 Tim. 5:13) Tsiambaratelo koa ny vaovao sasany. Miandry fotoana mety àry ny olona sasany vao te hiresaka an’ilay izy. Mety ho efa misy fomba tiany hilazana an’ilay izy koa, ka tokony hohajaintsika izany. Mety hisy vokany tena ratsy raha maika hanaparitaka an’ilay vaovao isika.

Azo aparitaka haingana izao ny vaovao. Mety ho marina na ilaina na tsy mampaninona ilay izy, nefa koa mety ho diso na tsy ilaina na mampidi-doza. Tadidio fa mety hiely haingana be eran-tany ny vaovao iray alefanao amin’ny olona iray, na tianao izany na tsia. Mitandrema àry mba tsy ho maika hanaparitaka fanazavana iray. Marina fa tsy tokony hiahiahy olona isika raha manam-pitiavana, nefa tsy tokony ho mora ambakaina na hino befahatany koa rehefa ilazana vaovao tsy mampino. Raha manam-pitiavana koa isika, dia tsy hino an’izay manaratsy ny fandaminan’i Jehovah na manaratsy ny rahalahintsika. Olona fehezin’ilay “rain’ny lainga” na i Satana Devoly mantsy ireny mpanaratsy ireny. (Jaona 8:44; 1 Kor. 13:7) Ho “malina” isika raha misaina tsara sy mahay manavaka, sady hahalala hoe inona no tokony hatao rehefa mahazo fanazavana be dia be isan’andro. Hoy ny Baiboly: “Hampiseho hadalana ny tanora fanahy, fa ny malina kosa hiravaka fahalalana toy ny fehiloha.”—Ohab. 14:18.

^ feh. 4 Misy fanazavana efa voalaza hoe tsy marina, nefa mbola amboamboarin’ny olona mba ho toy ny tena marina, ary avoakany indray atỳ aoriana.

^ feh. 8 Jereo ny “Valin’ny Fanontanianareo” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 2010.