Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2015

 TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Aho fa Notahin’i Jehovah

Sambatra Aho fa Notahin’i Jehovah

TERAKA tamin’ny 1927 aho, tao amin’ny tanàna kelin’i Wakaw, any Kanada. Efa-dahy sy telo vavy ny zanak’i Dada sy Neny. Mbola kely àry aho dia efa zatra niara-niaina tamin’olona maro.

Nisy olana ara-toe-karena lehibe tamin’ny 1930 tany ho any, ary niaritra an’izany izahay mianakavy. Nanana sakafo foana anefa izahay, na dia tsy nanan-karena aza. Nanana akoho maromaro sy ombivavy iray izahay, ka nisy atody, ronono, fromazy, dibera, ary zavatra hafa vita amin’ny ronono foana tao an-trano. Mpiompy izahay ka samy nanana ny raharahany.

Be dia be ny zavatra nahafinaritra ahy tamin’izany. Tadidiko, ohatra, hoe manitra paoma be tao an-tranonay. Nandeha nivarotra vokatra mantsy i Dada rehefa fararano, ka matetika no nitondra paoma vao notazana, rehefa nody. Faly erỳ izahay fa nihinana paoma tsara be isan’andro!

NIANATRA NY FAHAMARINANA IZAHAY

Vao teraka kelikely i Johnny zokinay lahimatoa dia maty. Namoy fo ny ray aman-dreniko, ka nanontany mompera iray hoe: “Dia aiza izao i Johnny?” Nanazava ilay mompera hoe mbola tsy vita batemy i Johnny, ka tsy lasa any an-danitra. Nilaza anefa izy hoe hivavaka mba hahatongavan’i Johnny any raha omena vola. Inona no ho tsapanao raha ianao no nilazany an’izany? Tena diso fanantenana i Dada sy Neny ka tsy niresaka taminy intsony. Mbola lasa saina anefa ry zareo hoe aiza i Johnny. Soa ihany fa nahare ny fahamarinana izy mivady tamin’izaho enin-taona.

Nahita an’ilay bokikelin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Aiza moa Ireo Maty? i Neny, indray andro. Tiany be ilay izy. Vao tonga i Dada, dia falifaly be i Neny niteny hoe: “Haiko amin’izay hoe aiza i Johnny. Matory izy izao fa mbola hifoha.” Ny harivan’iny ihany dia voavakin’i Dada ilay bokikely. Izay vao nionona izy mivady. Hitany tao mantsy fa milaza ny Baiboly hoe toy ny olona matory ny olona maty, ary mbola hatsangana.—Mpito. 9:5, 10; Asa. 24:15.

Niova ny fiainanay ka lasa falifaly sy tsy kivikivy intsony izahay. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Dada sy Neny, ary niara-nivory tamin’ilay fiangonana kely tao Wakaw. Avy any Ukraine ny ankamaroan’ny Vavolombelona tao. Tsy ela dia nitory izy mivady.

Nifindra tany Kolombia Britanika izahay, taoriana kelin’izay. Nandray tsara anay ny fiangonana tany. Mbola tadidiko izahay mianakavy niara-nanomana Ny Tilikambo Fiambenana hianarana ny alahady. Samy lasa tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izahay. Hitako hoe nitahy anay i Jehovah ka nihatsara ny fiainanay.

Sarotra taminay ankizy ny niresaka ny zavatra ninoanay. Soa ihany fa matetika no nasaina  nanomana ny fomba fitory mandritra ny volana izahay sy Eva zandriko, ary nasaina nanao fampisehoana an’ilay izy tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nanampy anay hahay hiresaka momba ny Baiboly izany, na dia saro-kenatra aza izahay. Faly be aho fa nampiofanina hahay hitory!

Nisy mpanompo manontolo andro natory foana koa tao aminay. Faly be, ohatra, izahay rehefa nitsidika ny fiangonanay i Jack Nathan. Mpiandraikitra ny faritra izy ary nivahiny tao aminay. * Nitantara zavatra nahaliana be dia be izy sady nidera anay tamin’ny fony. Nanampy anay tsy hivadika tamin’i Jehovah izany.

Tadidiko aho nieritreritra hoe: “Rehefa lehibe aho dia hanao hoatran’ny Ranadahy Nathan.” Tatỳ aoriana anefa aho vao tena tonga saina hoe ny modely nomeny no nandrisika ahy hanompo manontolo andro. Tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah aho, tamin’izaho 15 taona. Natao batisa izahay sy Eva, tamin’ny 1942.

NISY FITSAPANA

Tia tanindrazana be ny olona tamin’ny Ady Lehibe II. Anisan’izany ny mpampianatra iray atao hoe Scott. Tsy navelan’io vehivavy io hianatra intsony ny zandriko vavy roa sy ny zandriko lahy iray. Tsy nety nanangan-tsaina mantsy izy ireo. Nasainy nandroaka ahy koa avy eo ny mpampianatra ahy. Namaly anefa ilay mpampianatra hoe: ‘Manana zo tsy hanao fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana ny olona eto Kanada.’ Mbola nanery azy ihany i Scott, nefa hentitra izy namaly hoe: “Anjarako ny manapa-kevitra momba an’izany.”

Dia hoy i Scott: “An an an! Tsy anjaranao izany ka! Hiresaka any amin’ny lehibentsika aho raha tsy roahinao i Melita.” Nanazava tamin’ny ray aman-dreniko àry ilay mpampianatra ahy fa matahotra ho very asa izy ka tsy maintsy mandroaka ahy, na dia niaiky aza izy fa tsy mety izany. Nahazo lesona hianarana tany an-trano anefa izahay. Soa ihany fa nifindra trano tany amin’ny 32 kilaometatra niala avy teo aminay izahay taoriana kelin’izay, ka afaka nianatra indray.

Voarara ny bokintsika nandritra an’ilay ady ka Baiboly no nentinay nitory. Lasa hainay àry ny nitory nefa tsy nampiasa boky sy gazety fa Baiboly fotsiny. Nanampy anay hihamatotra ara-panahy izany. Hitanay koa hoe nanohana anay i Jehovah.

NANOMPO MANONTOLO ANDRO

Nahay nanao volo aho, ary efa nahazo loka maromaro mihitsy aza

Vao vita ny fianaranay, dia nirotsaka ho mpisava lalana izahay sy Eva. Niasa tao amin’ny fivarotana iray aho mba hahazoako vola. Nianatra nanao volo nandritra ny enim-bolana aho avy eo. Efa tia nanao volo mantsy aho. Niasa indroa isan-kerinandro tao amin’ny trano fanaovam-bolo aho taorian’izay, sady nampianatra nanao volo indroa isam-bolana. Nahavelona ahy izany ka vitako tsara ny asan’ny mpisava lalana.

Te hanatrika fivoriambe tany New York, eto Etazonia, sy tany Nuremberg, any Alemaina, aho, tamin’ny 1955. “Fanjakana Mandresy” no foto-kevitr’ilay fivoriambe. Nihaona tamin’ny Ranadahy Nathan Knorr avy any amin’ny  foibentsika anefa aho, talohan’ny nankanesako tany New York. Nanatrika fivoriambe tany Vancouver, any Kanada, mantsy izy mivady. Nasaina nanao ny volon’ny vadiny aho tamin’izay. Tian’ny Ranadahy Knorr ilay izy, ka te hahita ahy izy. Rehefa niresaka teo izahay, dia nilaza aho hoe ho any New York, ary avy eo ho any Alemaina. Nasainy niasa nandritra ny sivy andro teto amin’ny Betelan’i Brooklyn àry aho.

Nanova ny fiainako ny zava-nitranga teto. Nihaona tamin’ny ranadahy tanora iray atao hoe Theodore (Ted) Jaracz aho. Gaga be aho fa taoriana kelin’ny nihaonanay, dia nanontaniany aho hoe: “Ianao ve mpisava lalana?” Namaly aho hoe: “An an an!” Naheno ny resakay ny namako iray atao hoe LaVonne, ka nitsatsaingoka hoe: “Mpisava lalana izy ka!” Gaga i Ted ka nanontany azy hoe: “Fa iza no tena tokony hahalala an’izany? Ianao sa izy?” Nanazava aho hoe efa mpisava lalana aho fa nijanona kely, ary hanao mpisava lalana indray raha vao tafody.

TOVOLAHY TENA TIA AN’I JEHOVAH

Teraka tamin’ny 1925 tany Kentucky, eto Etazonia, i Ted, ary natao batisa tamin’izy 15 taona. Izy irery no Vavolombelona tao amin’ny fianakaviany, nefa lasa mpisava lalana izy, roa taona taorian’ny batisany. Nanompo manontolo andro efa ho 67 taona izy, nanomboka teo.

Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada i Ted tamin’ny Jolay 1946, tamin’izy 20 taona. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany tany Cleveland, any Ohio, izy avy eo. Lasa mpikarakara ny sampan’i Aostralia izy, efa-taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 1951.

Nanatrika an’ilay fivoriambe tany Nuremberg, any Alemaina, koa i Ted ka nihaona matetika izahay ary tsy ela dia nifankatia. Faly aho fa ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo no tanjony. Tena nazoto niasa izy ary tsy nivazivazy rehefa niasa, nefa tsara fanahy sy sariaka koa. Ny olona foana aloha no nokarakarainy izay vao ny tenany. Niverina tany Aostralia i Ted taorian’ilay fivoriambe fa izaho nody tany Vancouver. Nifanoratra foana anefa izahay.

Dimy taona teo ho eo no nanompoan’i Ted tany Aostralia. Nody kely teto Etazonia izy avy eo, ary nankany Vancouver mba hanao mpisava lalana. Faly be aho fa tian’ny fianakaviako izy. Saro-piaro be tamiko i Michael zokiko lahy, ary matetika no nasehony mihitsy izany rehefa nisy ranadahy mba te hiresaka tamiko. Vetivety anefa dia tiany be i Ted. Hoy izy tamiko: “Melita a! Nahazo ianao nahazo an’iny. Karakarao tsara izy dia tandremo sao votsotra.”

Faly izahay fa niara-nanompo manontolo andro an-taonany maro, rehefa avy natao mariazy tamin’ny 1956

Lasa tiako be koa i Ted. Natao mariazy izahay tamin’ny 10 Desambra 1956. Niara-nanao mpisava lalana tany Vancouver izahay, ary avy eo tany Kalifornia. Voatendry hitety faritra tany Missouri sy Arkansas izahay taorian’izay. Nitsidika fiangonana maro eran’i Etazonia izahay nandritra ny 18 taona teo ho eo, ka nifindrafindra foana isan-kerinandro. Tsy mora ilay izy nefa vitanay satria nahita zavatra nahafinaritra be izahay rehefa nanompo. Tianay be koa ny niaraka tamin’ny mpiara-manompo.

Tsy nataon’i Ted ambanin-javatra mihitsy ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ary izany no tena tsy nahafoizako azy. Tena tia nanompo an’i Jehovah izy. Tia niara-namaky sy niara-nianatra Baiboly izahay. Nandohalika teo akaikin’ny fandriananay izahay isaky ny hatory, ary nivavaka  ho anay i Ted. Samy nivavaka mangina izahay avy eo. Fantatro foana rehefa nisy zavatra nampiady saina azy. Niarina avy teo am-pandriana izy, ka nandohalika indray, ary nivavaka mangina sady ela be. Nahafinaritra ahy koa fa noresahiny tamin’i Jehovah daholo, na olana faran’izay madinika aza.

Nilaza tamiko i Ted, taona vitsivitsy taorian’ny mariazinay, fa lasa voahosotry ny fanahy mba hanompo any an-danitra izy ary hihinana sy hisotro amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana. Hoy izy: “Efa nivavaka ela be momba an’ilay izy aho mba ho azoko antoka tsara hoe izay no sitrapon’i Jehovah.” Tsy dia nahagaga ahy ilay izy. Faly aho satria afaka nanohana ny rahalahin’i Kristy.—Mat. 25:35-40.

ANDRAIKITRA VAOVAO

Tsy nampoizinay tamin’ny 1974 fa voatendry ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Ted. Nasaina hiasa tato amin’ny Betelan’i Brooklyn izahay, taoriana kelin’izay. Nanadio trano na nanao volo no asako fa i Ted kosa nanao ny andraikiny teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana.

Anisan’ny asan’i Ted ny nitsidika sampana, ary tena tiany ny nitsidika an’ireo firenena nofehezin’ny Firaisana Sovietika, tany Eoropa Atsinanana. Voarara mantsy ny fitoriana tany. Hoy i Ted, tamin’izahay nanao vakansy tany Soeda: “Melita a! Voarara ny asa fitoriana any Polonina, dia te hampahery ny rahalahy any aho.” Naka vizà àry izahay ary nankany. Nihaona tamin’ny ranadahy vitsivitsy niandraikitra ny asa fitoriana izahay tany. Nandeha an-tongotra lavitra be i Ted sy ireo ranadahy ireo mba tsy hisy haheno ny resaka hifanaovany. Naharitra efatra andro be izao ny fivorian’izy ireo! Faly anefa aho satria hitako hoe tena afa-po i Ted rehefa avy tany.

Niverina tany Polonina izahay tamin’ny Novambra 1977. Tamin’izay vao nisy fitsidihana ofisialy nataon’ny Filan-kevi-pitantanana tany. Niaraka tamin’ny Ranadahy F. Franz sy Daniel Sydlik i Ted. Mbola voarara ny asa fitoriana, nefa nitety tanàn-dehibe maro izy ireo mba hihaona tamin’ny mpiandraikitra sy ny mpisava lalana ary ny Vavolombelona efa ela.

I Ted sy ny rahalahy maromaro teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana tany Moscou, rehefa avy nekena ho ara-dalàna ny fivavahantsika

Niverina tany Polonina niaraka tamin’i Milton Henschel i Ted, tamin’ny 1978, ary nihaona tamin’ny manam-pahefana. Efa tsy sarotiny be tamintsika intsony ry zareo. Nahazo nanao fivoriambe iray andro isika, tamin’ny 1982. Nisy fivoriambe lehibe kokoa tamin’ny 1983, ary trano nohofana no nanaovana ny ankamaroany. Nahazo nanao fivoriambe efatra tany amin’ny kianja lehibe maromaro koa isika, tamin’ny 1985, na dia mbola voarara aza ny fitoriana. Neken’ny fitondrana poloney ho fivavahana ara-dalàna  ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Mey 1989, raha mbola teo am-panomanana fivoriambe lehibe kokoa. Faly be tsy nisy hoatr’izany i Ted!

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Polonina

NARARY I TED

Saika hanatrika ny fitokanana ny sampan’i Afrika Atsimo izahay, tamin’ny 2007. Niakatra anefa ny tosidran’i Ted tany Angletera, ka nasain’ny dokotera nijanona kely aloha izahay. Niverina tany Etazonia izahay rehefa sitrana i Ted. Tapaka lalan-dra anefa izy herinandro vitsivitsy taorian’izay, ka tsy afa-nihetsika ny ilany havanana.

Elaela i Ted vao sitrana, ary tsy afa-niasa tamin’ny voalohany. Soa ihany fa mbola afaka niresaka tsara izy. Mbola niezaka nanao ny zavatra fanaony izy, ary niara-nivory tamin’ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy aza isan-kerinandro, fa tamin’ny alalan’ny telefaonina.

Faly be mihitsy i Ted fa voatsabo tsara izy tato amin’ny Betela. Lasa afaka nihetsika tsikelikely izy ka nahavita nanao ny andraikiny sasany. Niezaka nitsikitsiky foana koa izy.

Tapaka lalan-dra indray izy, telo taona tatỳ aoriana, ary maty tamin’ny alarobia 9 Jona 2010. Soa ihany fa tsy nijaly izy. Marina fa efa fantatro hoe ho faty izy indray andro any, ary hakarina any an-danitra. Mbola mafy be tamiko anefa ilay izy, ary malahelo be azy foana aho. Na izany aza, dia misaotra an’i Jehovah foana aho satria afaka nanampy an’i Ted. Niara-nanompo manontolo andro nandritra ny 53 taona mahery izahay. Misaotra an’ilay Raiko any an-danitra aho satria nanampy ahy ho akaiky azy i Ted. Azoko antoka fa tiany be ny asany any an-danitra any.

OLANA HAFA

Tiako be ny nanao volo sy nampiofana an’ireo mpanao volo tato amin’ny Betela

Zatra nanao zavatra maro niaraka tamin’ny vadiko aho. Sambatra am-panambadiana koa aho. Tsy mora àry izao ny fiainako. Tia niresaka tamin’izay vahiny tonga tato amin’ny Betela sy tany am-pivoriana izahay mivady. Tsy eo intsony anefa izao ny vady malalako sady tsy matanjaka be intsony aho, ka tsy dia afaka mifanerasera firy amin’ny olona. Mahafinaritra ahy foana anefa ny miaraka amin’ireo ranadahy sy rahavavy eto amin’ny Betela sy any amin’ny fiangonana. Mafy ny asa eto amin’ny Betela nefa mahafaly. Mbola tia mitory foana koa aho hatramin’izao. Marina fa efa osa aho sady tsy mahajoro ela intsony, nefa mbola tiako be ny mitory eny an-dalana sy mampianatra Baiboly.

Soa ihany aho fa nanompo an’i Jehovah sy nanana vady tena tsara! Tena ratsy mantsy ny fiainana eto amin’ity tontolo ity. Sambatra tokoa aho fa notahin’i Jehovah!—Ohab. 10:22.

^ feh. 13 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1990, pejy 10-14, ny tantaram-piainan’i Jack Nathan.