Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miomàna Dieny Izao mba Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao

Miomàna Dieny Izao mba Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao

‘Anaro koa izy ireny mba hanao soa. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.’—1 TIM. 6:18, 19.

HIRA: 125, 40

1, 2. a) Inona no fitahiana tena tsy andrinao rehefa ao amin’ny Paradisa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tena hahafaly antsika any amin’ny tontolo vaovao?

TENA tsy andrintsika ny “fiainana mandrakizay.” Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “tena fiainana” izy io. (Vakio ny 1 Timoty 6:12, 19.) Manantena ny hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny ankamaroantsika, ary manantena ny ho afa-po sy ho sambatra mandrakizay. Eritrereto hoe hifoha ianao isa-maraina, dia hahatsapa hoe salama tsara sy milamin-tsaina ary sambatra. (Isaia 35:5, 6) Mba hanao ahoana re izany e? Hahafinaritra be koa ny hiaraka amin’ny tapaka sy namana, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15) Vao mainka koa isika amin’izay ho afaka hianatra zavatra be dia be, toy ny siansa, na mozika, na momba ny fanamboarana trano.

2 Marina fa tsy andrintsika izany zava-tsoa rehetra izany. Ny manompo an’i Jehovah anefa amin’izay no tena hahafaly antsika indrindra. Ho afa-po erỳ isika rehefa mieritreritra hoe efa nohamasinina ny anarany ary voaporofo fa izy irery no manan-jo hitondra. (Mat. 6:9, 10) Ho faly be koa isika satria ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. Tsy ho sarotra amintsika intsony koa ny hifandray kokoa amin’i Jehovah satria ho lavorary tsikelikely isika, ary ho tena lavorary amin’ny farany!—Sal. 73:28; Jak. 4:8.

3. Inona no tokony hataontsika dieny izao?

3 Azo antoka ireo fitahiana ireo satria nanome toky i Jesosy hoe “hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Mat. 19:25, 26) Tsy maintsy ‘mifikitra mafy’ amin’ny fiainana mandrakizay anefa isika raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao sy aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Inona no tokony hataontsika dieny izao? Asehoy amin’ny fiainanao fa miandry ny faran’ity tontolo ratsy ity ianao. Misy fiomanana mila ataonao koa raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ianao. Mbola eto amin’ity tontolo ratsy ity anefa isika ka ahoana no hanaovantsika an’izany?

INONA NO TOKONY HATAO DIENY IZAO?

4. Inona no tokony hataontsika mba ho vonona hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika? Manomeza ohatra.

4 Inona no tokony hataontsika mba ho vonona hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika? Andeha hatao hoe hifindra any an-tany hafa ianao. Inona avy no fiomanana azonao atao? Mety hianatra ny fitenin’ny olona any aloha ianao. Tsara koa ny mianatra ny fomba amam-panao any. Mety hanandrana ny sakafo fihinana any koa ianao. Ataonao toy ny hoe efa mponina any mihitsy ianao. Tsy maintsy ho izay mantsy ny fiainanao rehefa any. Toy izany koa no tokony hataontsika raha te ho vonona hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika. Mila mizatra amin’ny fiainana any isika dieny izao. Ahoana no hanaovantsika an’izany?

5, 6. Nahoana isika no ho vonona kokoa hiaina ao amin’ny tontolo vaovao raha dieny izao dia mankatò ny toromariky ny fandaminana?

5 Hanaiky ny zon’i Jehovah hitondra daholo ny olona any amin’ny tontolo vaovao. Hahafinaritra ny fiainana satria tsy hisy intsony ny olona tsy te hofehezina, toy ny fahita eto amin’ny tontolon’i Satana. Misy manizingizina hoe tsy mila an’Andriamanitra izy ary tsy maintsy izay tiany no hatao. Fahoriana sy fijaliana ary loza anefa no vokatr’izany. (Jer. 10:23) Mpitondra be fitiavana kosa i Jehovah, ary soa ihany fa hanaiky ny fitondrany daholo ny olona amin’ny hoavy. Tena tsy andrintsika izany!

6 Hanova ny tany ho Paradisa sy hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty ary hanao ny sitrapon’i Jehovah isika, any amin’ny tontolo vaovao. Hahafinaritra erỳ amin’izay ny hanaraka ny toromarika omen’ny fandaminan’i Jehovah. Ahoana anefa raha hasaina hanao asa tsy tiantsika isika any? Hankatò ve isika ka hanao tsara an’ilay asa ary hankafy an’izany mihitsy aza? Hamaly hoe eny ny ankamaroantsika. Mianara àry hankatò ny toromariky ny fandaminana, dieny izao. Miomana hanaiky ny fitondran’i Jehovah mandrakizay isika raha manao an’izany.

7, 8. a) Nahoana isika no tokony hanaiky hanao an’izay ampanaovina antsika? b) Inona no fiovana iainan’ny Kristianina sasany? d) Inona no azontsika antoka any amin’ny tontolo vaovao?

7 Tsy ampy anefa ny manaraka ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah. Mila mifaly amin’izay omena antsika koa isika dieny izao, sady tokony ho vonona hanao an’izay ampanaovina antsika. Ahoana, ohatra, raha tendren’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fandaminana hanao asa iray ianao? Raha vonona hanao an’izay ampanaovina anao ianao dieny izao sady miezaka ho falifaly rehefa manao an’izany, dia azo inoana fa ho toy izany koa rehefa any amin’ny tontolo vaovao. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Tsy nifidy ny anjara lovany ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, fa natao antsapaka izany. (Nom. 26:52-56; Jos. 14:1, 2) Tsy haintsika koa hoe aiza isika no hasaina hipetraka ao amin’ny tontolo vaovao. Raha vonona hankatò anefa isika dieny izao, dia ho faly sy ho tena sambatra rehefa any, na aiza na aiza no hipetraka.

8 Hahafinaritra be ny fiainana rehefa hitondra ilay Fanjakana. Miezaha mafy àry mba hanaiky ny toromariky ny fandaminana sy hanao an’izay ampanaoviny. Mety hiova ny fiainantsika rehefa mandeha ny fotoana. Notendrena hanompo manontolo andro eny amin’ny saha, ohatra, ny rahalahy sy anabavy sasany tao amin’ny Betelan’i Etazonia. Mbola mahazo fitahiana be dia be anefa izy ireo. Misy koa mpiandraikitra mpitety faritany tendrena ho mpisava lalana manokana, noho izy efa mandroso taona na noho ny antony hafa. Miezaha hifaly amin’izay ampanaovina anao, mivavaha mba hampian’i Jehovah, ary ataovy izay fara herinao amin’ny fanompoana azy. Ho faly sy hahazo fitahiana maro ianao amin’izay, na dia amin’izao andro farany tsy mora setraina izao aza. (Vakio ny Ohabolana 10:22.) Ary amin’ny hoavy? Angamba ianao efa maka sary an-tsaina hoe aiza no hipetraka any amin’ny tontolo vaovao. Ahoana anefa raha hasaina mankany an-toeran-kafa ianao any? Azo antoka fa tena ho faly sy ho afa-po ianao, na aiza na aiza hanompoanao ary na inona na inona hampanaovina anao.—Neh. 8:10.

9, 10. a) Nahoana isika no mety hila hanam-paharetana rehefa any amin’ny tontolo vaovao? b) Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika izao?

9 Mety hila hanam-paharetana isika any amin’ny tontolo vaovao. Mety hahare, ohatra, isika hoe nisy olona nitsangana tamin’ny maty, ary faly be ny havany sy ny namany. Ny havantsika na ny namantsika anefa mbola tsy natsangana ka tsy maintsy miandry isika. Hiara-hifaly amin’ny hafa ve isika amin’izay ary hanam-paharetana? (Rom. 12:15) Hanam-paharetana isika any raha dieny izao dia efa mianatra miandry ny hahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah.—Mpito. 7:8.

10 Efa miomana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao koa isika raha manam-paharetana rehefa hazavaina tsikelikely amintsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Miezaka mianatra an’ilay izy ve isika, ary manam-paharetana raha tsy azontsika tsara ilay izy? Hahay hiandry kokoa isika any amin’ny tontolo vaovao, raha manao an’izany. Mbola hampahafantatra an’izay tiany hataontsika mantsy i Jehovah rehefa any.—Ohab. 4:18; Jaona 16:12.

11. Mila manao inona isika dieny izao, ary nahoana izany no hahasoa antsika rehefa any amin’ny tontolo vaovao?

11 Tena mila mahay mamela heloka koa isika raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Mety ho elaela vao ho afaka amin’ny toetra ratsiny ny olona marina sy tsy marina, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Asa. 24:15) Hahay hifankatia sy hifamela heloka ve isika amin’izay? Ho mora amintsika izany raha izao isika dia efa miezaka mamela heloka sy tsy miadiady amin’olona.—Vakio ny Kolosianina 3:12-14.

12. Nahoana isika no mila miezaka miaina toy ny any amin’ny tontolo vaovao, dieny izao?

12 Tsy voatery ho azontsika eo no ho eo daholo izay rehetra irintsika, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Mila mankasitraka an’izay hataon’i Jehovah sy mifaly amin’izany isika rehefa any, satria be fitiavana izy ary mahasoa antsika ny fitondrany. Tsy maintsy hiezaka koa isika any mba hanana an’ireo toetra asain’i Jehovah ananantsika dieny izao. Hanana an’ireo toetra ireo mandrakizay isika, raha izao dia efa miezaka miaina toy ny any amin’ny tontolo vaovao. Vao mainka isika hino fa tena hisy ilay “tany onenana ho avy.” (Heb. 2:5; 11:1) Asehontsika amin’izany koa fa tena tsy andrintsika ny hanaovan’ny olon-drehetra ny sitrapon’i Jehovah, ary tena miomana hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao isika.

MIFANTOHA AMIN’NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH DIENY IZAO

Ataovy tsara ny fanompoana

13. Inona no tena hataontsika any amin’ny tontolo vaovao?

13 Inona koa no hanampy antsika ho vonona hiaina ao amin’ny tontolo vaovao? Ho tondraka ny sakafo rehefa any ary hahazo an’izay ilaintsika isika. Tsy ireo anefa no tena hahasambatra antsika fa isika lasa mifandray tsara amin’i Jehovah. (Mat. 5:3) Ny hanompo azy no tena hataontsika any, ary tena hahafaly antsika izany. (Sal. 37:4) Miomana hiaina mandrakizay àry isika raha dieny izao dia manao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah.—Vakio ny Matio 6:19-21.

14. Inona no tanjona azon’ny tanora tratrarina mba ho vonona hiaina any amin’ny tontolo vaovao izy?

14 Vao mainka isika ho faly manompo an’i Jehovah raha manana tanjona mifandray amin’ny fanompoana azy. Tanora ve ianao ary mieritreritra hoe inona no fanompoana manontolo andro azonao atao? Diniho izay lahatsoratra miresaka an’izany. Mifidiana tanjona iray avy eo ary iezaho tratrarina izany. * Miresaha koa amin’ireo efa mpanompo manontolo andro hatramin’ny ela. Ho ampy traikefa tsara ianao any amin’ny tontolo vaovao ka ho vonona kokoa hanompo an’Andriamanitra, raha dieny izao dia efa manompo manontolo andro.

Mandraisa anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana

15. Inona no tanjona azontsika rehetra tratrarina?

15 Inona kosa no tanjona azontsika rehetra tratrarina? Azo atao tanjona, ohatra, ireto: Miezaka manatsara ny lafiny sasany amin’ny fanompoana, mandalina ny toro lalan’ny Baiboly sy mianatra hoe ahoana no hampiharana azy, miezaka hahay hamaky teny sy hiresaka, ary manatsara ny valin-teny any am-pivoriana. Azo antoka fa mbola mahita hevitra hafa ianao. Tadidio fa vao mainka ianao hafana fo amin’ny fanompoana raha manana tanjona, ka ho vonona kokoa hiaina any amin’ny tontolo vaovao.

EFA MAHAZO FITAHIANA ISIKA IZAO

Ankasitraho ny fampianaran’i Jehovah

16. Inona no porofo fa ny manompo an’i Jehovah no tsara indrindra?

16 Verivery fotsiny ve ny fotoanantsika satria isika variana miomana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao, fa tsy miezaka hanatsara ny fiainantsika? Tsia. Ny manompo an’i Jehovah no tena mahafa-po indrindra. Tsy hoe manao izany isika satria terena na satria fotsiny hoe te ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Efa noforonina mba hanompo an’i Jehovah kosa isika, ary izany no tena mahafaly antsika. Sambatra lavitra noho ny olona tsy mifandray amin’i Jehovah ny olona manaraka ny tari-dalany sy mahatsapa hoe tiany. (Vakio ny Salamo 63:1-3.) Izao isika dia efa mahazo fitahiana raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, fa tsy voatery hiandry any amin’ny tontolo vaovao. Ny sasany amintsika aza efa am-polony taona no notahiny, ary isika mihitsy no mahita fa ny manompo azy no mahasambatra indrindra.—Sal. 1:1-3; Isaia 58:13, 14.

Mitadiava tari-dalana

17. Mbola ho afaka hanao izay mahafinaritra antsika ve isika any amin’ny Paradisa? Hazavao.

17 Mbola ho afaka hanao izay tiantsika sy mahafinaritra antsika isika any amin’ny tontolo vaovao. Noforonin’i Jehovah hanana faniriana hahavita zavatra sy hanao zavatra mahafinaritra isika. Tsy ho nataony tao anatintsika ireo faniriana ireo raha tsy tiany hotanterahintsika. (Mpito. 2:24) Hataon’i Jehovah foana izay ‘hahafa-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’ (Sal. 145:16) Ilaina ny miala voly, nefa vao mainka isika ho faly raha miezaka mifandray amin’i Jehovah aloha vao manao an’izany. Ho toy izany koa rehefa any amin’ny Paradisa. Aza variana manao izay mahafinaritra anao àry fa katsaho aloha ilay Fanjakana ary tadidio ireo fitahiana efa omen’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny. (Mat. 6:33) Hendry ianao raha manao izany.

18. Inona no hataontsika raha miomana hiaina ao amin’ny Paradisa isika?

18 Ho sambatra be tsy misy hoatr’izany isika ao amin’ny Paradisa. Asehoy fa tena te hiaina mandrakizay ianao, ka miezaha ho tsara toetra dieny izao. Ataovy mahafinaritra anao koa ny mitory momba ilay Fanjakana ary mazotoa manao an’izany. Enga anie ka tena hahafaly antsika ny manompo an’i Jehovah. Matoky isika fa hanatanteraka ny fampanantenany izy. Dieny izao àry dia miomàna mba hiaina ao amin’ny tontolo vaovao!