Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) AOGOSITRA 2015

 TANTARAM-PIAINANA

“Aoka Hiravoravo ny Nosy Maro”

“Aoka Hiravoravo ny Nosy Maro”

Tsy hohadinoiko mihitsy ny 22 Mey 2000. Nisy rahalahy maromaro avy any an-tany hafa niaraka tamiko tamin’io, ary efa tsindrian-daona izahay niandry tao amin’ny efitra fivorian’ny Filan-kevi-pitantanana. Kely sisa dia ho tonga ny Komitin’ny Fanoratana, ary hasaina hanao famelabelarana tsirairay izahay. Nasaina namantatra ny olana atrehin’ny mpandika teny izahay nandritra ny herinandro vitsivitsy talohan’izay, ary nasaina nanolotra vahaolana nandritra an’ilay famelabelarana. Nahoana no tena nilaina io fivoriana io? Aleo aloha hotantaraiko ny mombamomba ahy, ary hovaliako izany avy eo.

Natao batisa tany Queensland aho, ary efa mpisava lalana tany Tasmania. Misionera tany Tuvalu sy Samoa ary Fidji aho tatỳ aoriana

TERAKA tany Queensland, any Aostralia, aho, tamin’ny 1955. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Estelle mamako taoriana kelin’izay, ary natao batisa izy herintaona tatỳ aoriana. Vita batisa koa i Ron dadako, 13 taona tatỳ aoriana. Tany ambanivohitr’i Queensland kosa aho no natao batisa tamin’ny 1968.

Mbola kely aho dia efa tia namaky boky sy tia nianatra teny vahiny. Angamba i Dada sy Neny sorena mihitsy isaky ny nanao dia lavitra izahay. Tsy mba nitazatazana ny manodidina mantsy aho fa nilaozako namaky boky. Nanampy ahy tamin’ny fianarana anefa izany. Nahazo loka maromaro aho tamin’izaho nianatra tany amin’ny lise, tany Glenorchy, any amin’ny nosin’i Tasmania.

Tsy maintsy nanapa-kevitra anefa aho avy eo raha hanaiky vatsim-pianarana hidirana eny amin’ny oniversite na tsia. Marina fa tia nianatra sy tia namaky boky aho. Soa ihany anefa fa nampian’i Neny ho tia an’i Jehovah aho, ka lasa tiako kokoa noho ny zavatra hafa rehetra i Jehovah. (1 Kor. 3:18, 19) Navelan’i Dada sy Neny hiala tamin’ny fianarana àry aho, rehefa nahazo diplaoma teny amin’ny lise, ary lasa mpisava lalana tamin’ny Janoary 1971, tamin’izaho 15 taona.

 Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Tasmania aho ny valo taona nanaraka. Nanambady an’i Jenny Alcock, tovovavy tsara tarehy avy any Tasmania, aho. Mpisava lalana manokana tany ambanivohitr’i Smithton sy Queenstown izahay, nandritra ny efa-taona.

TANY AMIN’NY NOSIN’I PASIFIKA

Namonjy fivoriambe iraisam-pirenena tany Port Moresby, any Papouasie-Nouvelle-Guinée, izahay tamin’ny 1978. Sambany izahay no nankany an-tany hafa. Nisy misionera nanao lahateny tamin’ny teny hiri motu tamin’izay. Tsy nisy azoko ny teniny, nefa nisy vokany tsara tamiko ny lahateniny. Lasa te ho misionera aho, dia te hianatra teny vahiny, ary te hanao lahateny amin’ny teny vahiny. Ela ny ela ka sady ho afaka hianatra teny vahiny aho no ho afaka hanompo an’i Jehovah.

Gaga be izahay rehefa tafody tany Aostralia fa nasaina ho misionera tany amin’ny nosin’i Funafuti, any Tuvalu (Nosy Ellice taloha). Tamin’ny Janoary 1979 izahay no tonga tany. Telo monja ny mpitory vita batisa eran’i Tuvalu tamin’izay.

Izahay sy Jenny tany Tuvalu

Sarotra ny nianatra teny tuvalu. Ny “Testamenta Vaovao” ihany no boky nisy tamin’io fiteny io. Tsy nisy koa na diksionera na zavatra hafa azo nianarana an’ilay fiteny, ka nataonay izay hahaizana teny 10 hatramin’ny 20 isan’andro. Tsy ela dia hitanay fa hay tsy tena azonay akory ny ankamaroan’ny teny nianaranay. Te hilaza tamin’ny olona, ohatra, izahay hoe ratsy ny manao sikidy. Lasa niteny anefa izahay hoe tsy mety ny mampiasa mizana sy tehina! Efa nanana mpianatra Baiboly be dia be izahay, ka nahita hoe tena nila nianatra tsara an’ilay fiteny. Tsy nikely soroka àry izahay. Hoy ny olona iray nampianarinay Baiboly, rehefa nihaona taminay tatỳ aoriana: “Faly be izahay fa mahay ny teninay ianareo izao. Tsy azonay mihitsy mantsy taloha ny tianareo holazaina!”

Soa ihany fa nisy zavatra nanamora an’ilay ezaka nataonay. Tsy nahita trano nohofana mihitsy izahay, ka tsy maintsy niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana iray Vavolombelona tao an-tampon-tanàna. Tsy maintsy niteny tuvalu foana àry izahay, na taiza na taiza. Lasa ny teny tuvalu no tena fampiasanay rehefa nandeha ny fotoana, satria efa ela izahay no tsy niteny anglisy.

Tsy ela dia lasa maro ny olona te hianatra Baiboly. Mbola tsy nisy boky tamin’ny teny tuvalu anefa tamin’izany, ka lasa saina izahay hoe ahoana no hampianaranay azy ireo. Ahoana no hianarany samirery? Ahoana no hanomanany fivoriana?  Inona no fihirana sy lahatsoratra hampiasainy any? Ary inona no hanampy azy handroso hatramin’ny batisa? Tena nila boky sy gazety tamin’ny fiteniny ireo olona manetry tena ireo! (1 Kor. 14:9) Tsy ampy 15 000 akory ny olona niteny tuvalu, ka nieritreritra izahay hoe: ‘Mba hisy boky sy gazety amin’ny teny tuvalu ihany ve indray andro any?’ Namaly an’ireo fanontaniana ireo anefa i Jehovah. Nisy zavatra roa nasehony anay: 1) Tiany hambara “any amin’ireo nosy lavitra” ny Teniny, ary 2) tiany hialoka ao amin’ny anarany ireo olona “manetry tena sy tsy mieboebo.”—Jer. 31:10; Zef. 3:12.

NANDIKA BOKY SY GAZETY

Voatendry ho mpandika teny izahay, tamin’ny 1980, nefa tena tsy nahay an’izany mihitsy. (1 Kor. 1:28, 29) Nividy milina fanaovana pirinty efa tranainy tany amin’ny fanjakana izahay, ary iny no nanaovanay pirinty an’izay zavatra nilaina tamin’ny fivoriana. Nahavita nandika ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay mihitsy aza izahay, ary io milina io no nanaovanay pirinty azy. Tadidiko hoe nahery be ny fofon’ny ranomainty nampiasaina. Nahamay be koa ny andro ka nanahirana be ny nanao pirinty. Tsy vitan’izay fa natao tanana ny asa rehetra satria tsy nisy elektrisite tao aminay!

Tsy mora ny nandika teny ho amin’ny teny tuvalu satria zara raha nisy boky nanampy anay. Nisy zavatra tsy nampoizina anefa indraindray. Diso adiresy, ohatra, aho, indray maraina, ka tonga tao amin’ny zokiolona iray tsy tia Vavolombelon’i Jehovah. Mpampianatra ilay rangahy taloha. Tonga dia nampahatsiahiviny ahy hoe tsy tokony hankany aminy izahay. Hoy izy avy eo: “Mba misy zavatra tiako holazaina ity: Tia mampiasa matoantenin’ny iharana loatra ianareo ao amin’ny bokinareo, nefa tsy dia fampiasa izany amin’ny teny tuvalu.” Nohamariniko ny teniny, ary hitako fa marina ka nahitsinay ny fandikan-teninay. Gaga aho satria tsy tia antsika ilay olona nefa namaky ny bokintsika sady nampiasain’i Jehovah hanampy antsika!

Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 30 amin’ny teny tuvalu

 Ny fanasana Fahatsiarovana tamin’ny teny tuvalu no zavatra vita pirinty voalohany nozarainay teny am-pitoriana. Ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 30 no nanarakaraka azy. Niara-nivoaka tamin’ny anglisy izy io. Faly be izahay fa afaka nizara zavatra tamin’ny teny tuvalu! Nisy bokikely koa tatỳ aoriana, ary nisy boky mihitsy aza. Nanomboka nanao pirinty ny gazety Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny tuvalu ny sampan’i Aostralia, tamin’ny 1983. Nivoaka isan-telo volana ilay izy ary 24 pejy, ka fehintsoratra fito teo ho eo isan-kerinandro no nianaranay. Tian’ny olona ve ny bokintsika? Tia mamaky teny ny mponina any, ka nalaza be ny bokintsika. Nampandrenesina tao amin’ny radiom-panjakana izay boky na gazety tonga, ary natao matoam-baovao mihitsy aza indraindray! *

Ahoana no nandikana boky sy gazety? Nosoratana tanana aloha ilay lahatsoratra. Naverimberina nosoratana tamin’ny milina ilay izy avy eo, ka rehefa vita tsara vao nalefa tany amin’ny sampan’i Aostralia. Nampidirina tamin’ny ordinatera ilay lahatsoratra rehefa tonga tany. Anabavy roa samy tsy mahay teny tuvalu no nanao izany ary lahatsoratra mitovy no nampidirin’izy ireo. Nampitahaina izany avy eo ary nahitsy izay tsy nety. Tsy dia nisy diso àry ilay lahatsoratra nony farany. Natambatra tamin’ny sary ilay izy, ary nalefa fiaramanidina nankany aminay indray mba hohamarinina. Naverina tany Aostralia ilay izy taorian’izay mba hatao pirinty.

Efa niova be izao ny fomba fiasa. Tonga dia amin’ny ordinatera no adika sy ahitsy ilay lahatsoratra. Eo an-toerana koa matetika no atambatra ny soratra sy ny sary, izay vao alefa any amin’ny sampana mpanao pirinty ilay boky na gazety. Internet no andefasana azy ka tsy ilaina intsony ny mikoropaka mamonjy paositra.

FANENDRENA HAFA

Nahazo fanendrena samihafa nanerana an’i Pasifika izahay sy Jenny, tatỳ aoriana. Voatendry hiasa tany amin’ny sampan’i Samoa izahay, tamin’ny 1985. Nanampy an’ireo nandika ny bokintsika ho amin’ny teny samoanina sy tongan ary tokelau izahay tany, sady mbola nandika teny ho amin’ny teny tuvalu ihany. * Notendrena hiasa tany amin’ny sampan’i Fidji izahay, tamin’ny 1996, ka nanampy an’ireo mpandika teny ho amin’ny teny fidjianina, kiribati, nauru, rotumien, ary tuvalu.

Mampiasa boky amin’ny teny tuvalu mba hampianarana Baiboly

Variana foana aho hatramin’izao satria mazoto be ireo mpandika ny boky sy gazetintsika, na dia mafy sy mandreraka aza ny asany. Manahaka an’i Jehovah izy ireo satria tian’izy ireo hahare ny vaovao tsara ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apok. 14:6) Niara-nivory tamin’ny anti-panahy rehetra tany Tonga, ohatra, aho, tamin’ny vao hadika voalohany ho amin’ny teny tongan ny Tilikambo Fiambenana. Nanontaniako izy ireo hoe iza no azo ampiofanina ho mpandika teny. Mpanamboatra fiara ny anti-panahy iray ary tsara karama. Tonga anefa izy dia nanolo-tena hiala tamin’ny asany ny  ampitson’iny ary handika teny. Tena nanohina ny foko izany satria namelom-bady aman-janaka izy sady mbola tsy hainy hoe ahoana indray no hamelomana azy ireo. Nikarakara azy mianakavy i Jehovah, ka afaka nandika teny an-taonany maro izy.

Mitovy hevitra amin’ny Filan-kevi-pitantanana ireny mpandika teny mahafoy tena ireny. Tian’ny Filan-kevi-pitantanana hahazo sakafo ara-panahy daholo ny olona, na be mpampiasa na vitsy mpampiasa ny fiteniny. Nisy nanontany, ohatra, hoe sao dia tsy ilaina akory ny mamoaka boky sy gazety amin’ny teny tuvalu. Faly be aho fa hoy ny Filan-kevi-pitantanana: ‘Tsy misy antony tokony hanajanonana an’ilay izy mihitsy. Marina fa vitsy ny olona miteny tuvalu. Mila mandre ny vaovao tsara amin’ny fiteniny anefa izy ireo.’

Nanao batisa teny an-dranomasina

Voatendry hiasa tao amin’ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny eto Patterson, atỳ Etazonia, izahay sy Jenny, tamin’ny 2003. Tanteraka ny nofinofinay! Maromaro izahay no niara-niasa, ary nanampy ny sampana eran-tany mba handika ny bokintsika ho amin’ny fiteny maro kokoa. Nitety tany izahay nandritra ny roa taona teo ho eo, ary nanampy tamin’ny fampiofanana mpandika teny.

FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE

Aleo hohazavaiko amin’izay ny anton’ilay famelabelarana noresahiko teny am-piandohana. Hitan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny taona 2000, fa mila ampiofanina ny mpandika teny eran-tany. Zara raha niofana mantsy ny ankamaroany talohan’izay. Nilaza ny Filan-kevi-pitantanana, taorian’ilay famelabelarana nataonay teo anatrehan’ny Komitin’ny Fanoratana fa hampiofanina ny mpandika teny rehetra. Inona avy no hatao amin’izany? Hampiana hahazo kokoa ny teny anglisy sy hahay hiara-miasa izy ireo ary hampianarina teknika fandikan-teny.

Inona no vokatr’izany? Nihatsara ny fandikan-teny. Lasa adika amin’ny fiteny be dia be koa ny boky sy gazetintsika. Tsy nisy afa-tsy tamin’ny fiteny 82 ny Tilikambo Fiambenana, tamin’izahay lasa misionera tamin’ny 1979. Volana maromaro taorian’ny gazety anglisy mazàna vao nivoaka ny tamin’ny fiteny hafa. Efa misy amin’ny fiteny 240 mahery anefa izao Ny Tilikambo Fiambenana, ary miara-mivoaka amin’ny gazety anglisy ny ankamaroany. Efa misy amin’ny fiteny 700 mahery ny zavatra vokarintsika. Nofinofy izany taloha!

Nisy fanapahan-kevitra hafa noraisin’ny Filan-kevi-pitantanana koa, tamin’ny 2004. Tapa-kevitra izy ireo fa hatao haingana kokoa ny fandikana Baiboly. Lasa nimasoana io asa io, volana vitsivitsy taorian’izay, ka maro kokoa no afaka nahazo ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteniny. Natao pirinty tamin’ny fiteny 128 io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy, tamin’ny 2014, ary anisan’izany ny fiteny maromaro any Pasifika Atsimo.

Namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tuvalu

 Nasaina hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Tuvalu aho, tamin’ny 2011. Anisan’ny fotoana niavaka indrindra tamiko iny! Nisy hain-tany mafy eran’ilay nosy nandritra ny volana maro, ka efa saika hofoanana ilay fivoriambe. Avy be tampoka anefa ny orana ny hariva nahatongavanay tany, ka natao ihany ilay fivoriambe! Izaho no voatendry hanao ny lahateny namoahana Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tuvalu. Io no fiteny vitsy mpampiasa indrindra namoahana an’io Baiboly io. Faly be tsy nisy hoatr’izany aho! Nivatravatra indray ny orana raha vao vita ilay fivoriambe. Nahazo rano be dia be àry ny rehetra, na rano ara-panahy izany na ara-bakiteny!

Nanadinadina an’i Ron sy Estelle ray aman-dreniko, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Townsville, any Aostralia, tamin’ny 2014

Indrisy fa tsy nahita an’io fotoan-dehibe tsy hay hadinoina io i Jenny, ilay vady malalako nandritra ny 35 taona mahery. Niady tamin’ny kanseran’ny nono nandritra ny folo taona mantsy izy, ary maty tamin’ny 2009. Mino aho fa ho faly be izy rehefa hatsangana amin’ny maty ka handre hoe efa nivoaka tamin’ny teny tuvalu ny Baiboly Soratra Grika Kristianina.

Notahin’i Jehovah indray aho tatỳ aoriana ka nahazo vady tsara tarehy. Loraini Sikivou no anarany ary efa niara-niasa tao amin’ny Betelan’i Fidji izy sy Jenny. Mpandika teny fidjianina i Loraini. Lasa nana-namana indray aho. Samy tia manompo an’i Jehovah izahay sady samy tia mianatra teny vahiny!

Niara-nitory tamin’i Loraini, tany Fidji

Tsapako teo amin’ny fiainako fa tena tia olona ilay Raintsika any an-danitra. Ataony izay hisian’ny boky sy gazety amin’ny fiteny rehetra, na be mpampiasa ilay fiteny na tsia. (Sal. 49:1-3) Tena mampahery ahy izany! Faly erỳ ny olona rehefa mahazo boky amin’ny fiteniny sy manao hira fiderana an’i Jehovah amin’ny fiteniny. Tia antsika tokoa i Jehovah! (Asa. 2:8, 11) Tadidiko foana ny tenin’ny rahalahy zokiolona iray any Tuvalu, atao hoe Saulo Teasi. Sambany izy no nihira ny hiran’ilay Fanjakana tamin’ny fiteniny, ka hoy izy: “Mba ilazao ny Filan-kevi-pitantanana hoe tsara kokoa noho ny amin’ny teny anglisy, hono, ilay hira rehefa amin’ny teny tuvalu.”

Voatendry ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny Septambra 2005. Tena tsy nampoiziko ilay izy! Tsy afaka mandika teny intsony aho, nefa misaotra an’i Jehovah fa mbola avelany manohana an’ireo mpandika teny eran-tany. Faly aho fa karakarain’i Jehovah ny vahoakany rehetra, na dia ireo any amin’ny nosy mitokana any afovoan’ny Oseana Pasifika aza! Tena marina ilay salamo hoe: “Lasa mpanjaka i Jehovah! Aoka hifaly ny tany. Aoka hiravoravo ny nosy maro.”—Sal. 97:1.

^ feh. 18 Misy fitantarana momba izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2000, p. 32 sy 1 Novambra 1988, p. 22, ary ny Mifohaza! 8 Aprily 2001, p. 9.

^ feh. 22 Jereo ny Diary 2009, p. 120-121, 123-124, raha te hahalala bebe kokoa momba izany.