Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2015

 TANTARAM-PIAINANA

Nahazo Fitahiana na ‘Tamin’ny Mora na Tamin’ny Sarotra’

Nahazo Fitahiana na ‘Tamin’ny Mora na Tamin’ny Sarotra’

TERAKA tany Namkumba, tsy lavitra ny tanànan’i Lilongwe, eto Malawi aho, tamin’ny Martsa 1930. Efa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ny fianakaviako sy ny namanay. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho tamin’ny 1942, ary natao batisa tao amin’ny renirano kanto iray eto Malawi. Niezaka nanaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’i Timoty aho nandritra ny 70 taona taorian’izay. Hoy izy: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra.”—2 Tim. 4:2.

Nitsidika voalohany an’i Malawi i Nathan Knorr sy Milton Henschel teo am-piandohan’ny taona 1948, ary nandrisika ahy hanompo an’i Jehovah manontolo andro izany. Nampahery anay ny tenin’ireo rahalahy ireo, izay solontenan’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any Etazonia. Nisy 6 000 teo ho eo izahay no nihaino tsara an’ilay lahateny mampahery hoe “Governora Maharitry ny Firenena Rehetra”, izay nataon’ny Rahalahy Knorr. Nitsangana teo amin’ny toerana feno fotaka izahay tamin’io.

Nihaona tamin’ny anabavy mahafinaritra atao hoe Lidasi aho. Vavolombelon’i Jehovah koa ny fianakaviany, ary ny hanompo manontolo andro no tanjony. Nivady izahay tamin’ny 1950 ary efa roa ny zanakay tamin’ny 1953. Niampy ny andraikitray satria lasa nitaiza. Nanapa-kevitra ihany anefa izahay fa hirotsaka ho mpisava lalana maharitra aho. Nasaina ho mpisava lalana manokana aho roa taona tatỳ aoriana.

Nahazo tombontsoa ho mpiandraikitra ny faritra aho ka nitsidika fiangonana, tsy ela taorian’izay. Tena nanampy i Lidasi, ka nahavita izany aho sady afaka namelona ny ankohonako sy nanampy azy ireo hanompo an’i Jehovah. * Tena fanirianay anefa ny hiara-manompo manontolo andro. Nalaminay tsara ny fiainanay ary nanampy anay ny zanakay, ka nanomboka nanompo manontolo andro koa i Lidasi tamin’ny 1960.

Nanatanjaka anay mba hiatrika ny fanenjehana ho avy ny fivoriambe

Tianay ny nanompo an’ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny fiangonana samihafa nandritra ireny fotoana nilamina ireny. Nitsidika tany atsimo tany amin’ireo tendrombohitra tsara tarehin’i Mulanje izahay. Notsidihinay hatrany amin’ny faritra mahafinaritra eny amoron’ny Farihin’i Malawi, izay hila hameno ny ilany atsinanan’i Malawi. Nitombo foana ny isan’ny mpitory sy ny fiangonana tany amin’ireo faritra notsidihinay.

 Nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Mpitory Be Herim-po” izahay tamin’ny 1962. Nanampy anay rehetra ho vonona hiatrika ny fotoan-tsarotra niandry anay ny fivoriambe toy izany. Nitsidika an’i Malawi indray ny Rahalahy Henschel ny taona nanaraka. Nisy fivoriambe manokana natao tany ivelan’ny tanànan’i Blantyre, ka 10 000 teo ho eo no nanatrika. Nanatanjaka anay mba hiatrika ny fitsapana ho avy iny fivoriambe nampahery iny.

NISY FOTOAN-TSAROTRA

Voarara ny asa ary nalain’ny fanjakana ny tranon’ny sampana

Niaritra fanenjehana mivaivay ny Vavolombelona tamin’ny 1964, satria tsy nanao politika. Efitrano Fanjakana 100 mahery sy trano 1 000 mahery an’ny Vavolombelona no nisy nandrava. Izahay kosa mbola afaka nanohy ny asan’ny faritra hatramin’ny 1967. Noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelona nanomboka tamin’izay. Nalain’izy ireo ny tranon’ny sampana tao Blantyre, nasaina niala tao Malawi ny misionera, ary nogadraina ny Vavolombelona maro, anisan’izany izahay mivady. Nanohy ny asan’ny faritra izahay rehefa nafahana, saingy nitandrintandrina.

Nanatona ny tranonay ny olona zato teo ho eo anisan’ny antoko mafana fo atao hoe Fikambanan’ny Tanoran’i Malawi, tamin’ny Oktobra 1972. Nisy iray taminy anefa nihazakazaka mialoha mba hilaza tamiko hoe mila miafina aho satria nikasa hamono ahy ry zareo. Nasaiko niafina tao anatin’ireo akondro naniry teo akaikinay ny vady aman-janako. Nihazakazaka aho avy eo ary nianika tamin’ny manga lehibe iray. Tazako avy teo ny nanapotehana ny tranonay sy ny fanananay rehetra.

Tsy nety nanao politika ireo rahalahinay ka nodorana ny tranony

Nihamafy ny fanenjehana ka an’arivony izahay no niala teto Malawi. Nipetraka tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany amin’ny faritra andrefan’i Mozambika izahay mianakavy hatramin’ny Jona 1974. Nasaina ho mpisava lalana manokana tany Dómue, any Mozambika, tsy lavitra ny sisin-tanin’i Malawi, izahay. Nanao izany izahay hatramin’ny 1975. Nomen’i Portogaly fahaleovan-tena i Mozambika tamin’io. Noterena hody teto Malawi izahay sy ny Vavolombelona hafa, ary mbola nitohy ny fanenjehana teto.

Notendrena hitsidika fiangonana tao Lilongwe renivohitra aho rehefa tafody izahay. Nitombo ny isan’ireo fiangonana tao amin’ireo faritra notsidihinay, na teo aza ny fanenjehana sy ny olana hafa.

NANOHANA ANAY I JEHOVAH

Tonga tao amin’ny tanàna iray izahay indray andro, ary nisy fivoriana ara-politika tao. Fantatry ny olona sasany mpanohana antoko politika fa Vavolombelona izahay, ka nasainy nipetraka niaraka tamin’ny antoko atao hoe Tanora Mpitari-dalan’i Malawi. Niangavy mafy an’i Jehovah izahay mba hanampy sy hitari-dalana anay, tamin’io zava-nitranga nampidi-doza io. Nokapohina izahay rehefa nifarana ilay fivoriana. Nisy vehivavy zokiolona nihazakazaka ary nikiakiaka hoe: “Mba avelao re ry zareo e. Zanak’anadahiko io lehilahy io. Avelao izy hanohy ny diany.” Hoy  ny mpitarika an’ilay fivoriana: “Avelao ry zareo handeha.” Tsy tena fantatray izay tao an-tsain’ilay vehivavy satria tsy havanay izy. Natoky izahay fa nihaino ny vavakay i Jehovah.

Karatry ny antoko politika

Nihaona tamin’ny Tanora Mpitari-dalan’i Malawi indray izahay tamin’ny 1981. Nalain’izy ireo ny bisikiletanay, ny entanay, ny baoritra nisy boky, ary ny antontan-taratasin’ny faritra notsidihinay. Nandositra tany an-tranon’ny anti-panahy iray izahay, ary nivavaka indray. Ny fanazavana tao amin’ireo antontan-taratasy no tena nampanahy anay. Nijery an’ireo antontan-taratasy ireo Tanora Mpitari-dalana ka nahita taratasy maro ho ahy, avy any amin’ny faritra maro eran’i Malawi. Noheveriny fa manam-pahefana aho ka natahotra izy ireo. Tonga dia naveriny tany amin’ny anti-panahy àry ny entanay ary tsy nisy banga.

Nandeha sambo niampita renirano izahay indray mandeha. Lehiben’ny antoko politika teo an-tanàna ny tompon’ilay sambo, ka nosavany ny mpandeha raha nanana karatry ny antoko. Rehefa nanatona anay izy, dia hitany fa mpangalatra notadiavin’ny manam-pahefana ny mpandeha iray. Nikorontana be ny tao an-tsambo, ka vita hatreo ilay fisavana. Tsapanay indray hoe nanampy anay i Jehovah.

NOSAMBORINA ARY NOGADRAINA

Nankany Lilongwe aho tamin’ny Febroary 1984 mba hanatitra tatitra halefa any amin’ny biraon’ny sampan’i Zambia. Nosakanan’ny polisy iray aho teny an-dalana ary nosavany ny kitapoko. Nahita boky ara-baiboly izy ka nentiny tany amin’ny paositry ny polisy aho ary nokapohiny. Nofatorany tamin’ny tady aho avy eo, ary nataony tao amin’ny efitra nisy olona tratra nitondra entana nangalarina.

Nentin’ny lehiben’ny polisy tao amin’ny efitra hafa aho ny ampitso. Nanoratra taratasy izy hoe: ‘Izaho Trophim Nsomba dia manaiky fa tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony satria te hafahana.’ Nasainy nasiako sonia ilay izy. Tsy nety anefa aho ary niteny hoe: “Tsy mampaninona ahy ny hofatorana ary vonona ho faty koa aho. Vavolombelon’i Jehovah foana aho.” Tezitra be izy ka nodoniny mafy be ny latabatra. Taitra ny polisy iray tao ambadika ka nihazakazaka nijery izay nitranga. Hoy ilay lehibe: “Tsy mety manao sonia ity lehilahy ity hoe tsy ho Vavolombelona intsony. Aleo izany izy asaina manao sonia hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia halefa any Lilongwe mba hofatorana.” Niasa saina ny vadiko tamin’izany hoe inona no nanjo ahy. Efatra andro tatỳ aoriana vao nisy rahalahy afaka nilaza taminy an’izay nisy ahy.

Tsara fanahy tamiko ny tao amin’ny paositry ny polisy tao Lilongwe. Hoy ilay lehibe: “Ity misy vary iray vilia ho anao. Ianao tsinona nofatorana noho ny Tenin’Andriamanitra, fa ny hafa nangalatra.” Nalefany higadra dimy volana tany amin’ny Fonjan’i Kachere aho avy eo.

 Faly ny mpiandraikitra ny fonja rehefa tonga aho. Tiany ho “pasitera” tao amin’ilay fonja aho. Nesoriny ilay pasitera teo aloha, ary nilazany hoe: “Tsy tiako hampianatra ny Tenin’Andriamanitra ato intsony ianao, satria nangalatra tany am-piangonana no nampigadra anao.” Nasaina nampianatra Baiboly an’ireo gadra aho isan-kerinandro, nandritra ny fivoriana natao ho azy ireo.

Loza anefa tatỳ aoriana, fa nofotopotoran’ireo tompon’andraikitry ny fonja aho, mba hahalalany ny isan’ny Vavolombelona teto Malawi. Tsy afa-po izy ireo ka nokapohiny aho ary torana vao navelany. Nanontaniany ahy koa indray mandeha hoe aiza ny foibentsika. Namaly aho hoe: “Tsotra ny fanontanianareo ka hovaliako.” Faly be izy ireo ka nalefany ny fandraisam-peo. Nohazavaiko fa voaresaka ao amin’ny Baiboly ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga izy ireo ka nanontany hoe: “Aiza ho aiza ao?”

Hoy aho: “Ao amin’ny Isaia 43:12.” Nojeren’izy ireo ilay izy sady novakiny tsara ilay hoe: “ ‘Ianareo no vavolombeloko’, hoy i Jehovah, ‘ary izaho no Andriamanitra.’ ” Novakin’izy ireo intelo ilay izy, dia nanontany izy ireo hoe: ‘Ahoana koa no hoe ato amin’ny Baiboly ny foibenareo fa tsy any Amerika?’ Namaly aho hoe: ‘Na ny Vavolombelona any aza mihevitra fa miresaka ny foibeny io andininy io.’ Tsy nety nilaza izay tian’izy ireo ho fantatra aho, ka nafindra tany amin’ny Fonjan’i Dzaleka, tao avaratra kelin’i Lilongwe.

NAHAZO FITAHIANA TAO ANATIN’NY SAROTRA

Tonga tany amin’ny Fonjan’i Dzaleka aho tamin’ny Jolay 1984. Efa nisy Vavolombelona 81 tao. Gadra 300 no nifanizina tao ka tsy nisy hihetsehana rehefa natory tamin’ny tany. Afaka nitsitokotoko mba handinika andinin-teny iray isan’andro izahay Vavolombelona, tatỳ aoriana. Niovaova ny mpifidy ny andininy hodinihina. Tena nampahery izany.

Nosarahin’ny mpiandraikitra ny fonja tamin’ny gadra hafa izahay tatỳ aoriana. Nisy mpiambina nilaza taminay mangingina hoe: “Tsy mankahala anareo ny fanjakana. Antony roa no anagadranay anareo: Matahotra ny fanjakana sao hovonoin’ny Tanora Mpitari-dalana ianareo. Manahy koa izy ireo sao hatahotra ny miaramila ka handositra, satria ianareo milaza fa hisy ady amin’ny hoavy.”

Rahalahy avy notsaraina

Notsaraina izahay rehetra tamin’ny Oktobra 1984, ka voaheloka higadra roa taona avy. Nampiarahina tamin’ny gadra tsy Vavolombelona indray izahay. Nilaza tamin’ny rehetra anefa ny mpiandraikitra ny fonja hoe: “Tsy mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah, ka aza mangataka sigara amin’izy ireo ianareo mpiambina. Aza asaina mitady saribao mirehitra handrehetana sigara koa izy ireo. Olon’Andriamanitra ireo. Tokony homena sakafo indroa isan’andro izy ireo, satria ny zavatra inoany ao amin’ny Baiboly  no mampigadra azy fa tsy nisy heloka vitany.”

Nitondra soa hafa ho anay ny laza tsaranay. Tsy nahazo nivoaka ny trano ny gadra rehefa maizina na nanorana. Izahay anefa navelan’ny tompon’andraikitra hivoaka ny trano foana, satria fantany fa tsy hitsoaka. Niasa tany an-tsaha izahay, indray mandeha, ary narary ny mpiambina anay ka nentinay niverina tao am-ponja mba hotsaboina. Fantatry ny tompon’andraikitra fa azo itokisana izahay. Nahazo fitahiana àry izahay rehefa tsara fitondran-tena foana, satria nahita an’ireo mpanenjika anay nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah.—1 Pet. 2:12. *

NILAMINA INDRAY NY TANY

Nafahana tao amin’ny Fonjan’i Dzaleka aho tamin’ny 11 Mey 1985. Faly be aho tafaraka tamin’ny fianakaviako indray. Misaotra an’i Jehovah izahay fa nanampy anay tsy hivadika izy. Mitovy fihetseham-po amin’i Paoly izahay, rehefa mieritreritra an’ireny fotoana tena sarotra ireny. Hoy izy: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana nanjo anay. ... Tsy azonay antoka intsony mihitsy na ny ainay aza. Eny, tsapanay tao anatinay tao fa nahazo fanamelohana ho faty izahay. Izany dia mba hitokisanay amin’Andriamanitra izay manangana ny maty, fa tsy amin’ny tenanay. Nanafaka anay tamin’ny loza saika nahafaty anay mantsy izy.”—2 Kor. 1:8-10.

Ny Rahalahy Nsomba sy Lidasi vadiny eo anoloan’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny 2004

Nisy fotoana izahay hoatran’ny tsy ho tafavoaka velona. Nivavaka foana anefa izahay mba homen’i Jehovah herim-po sy fahendrena. Nanampy anay hanetry tena hatrany izany ka afaka nanome voninahitra ny anarany lehibe foana izahay.

Nitahy ny fanompoanay i Jehovah, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Faly erỳ izahay mahita hoe vita tamin’ny taona 2000 ny biraon’ny sampana ao Lilongwe. Faly koa izahay noho ireo Efitrano Fanjakana vaovao 1 000 mahery eran’i Malawi. Tondraka tokoa ireny fitahian’i Jehovah ireny, ka toy ny hoe manonofy izahay sy Lidasi mahita azy ireny. *

^ feh. 7 Tsy asaina manao ny asan’ny faritra intsony izao ny rahalahy manana zanaka tsy ampy taona mbola ao an-trano.

^ feh. 30 Raha te hahalala ny tsipiriany momba ny fanenjehana tany Malawi ianao, dia jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, pejy 171-223.

^ feh. 34 Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany ny Rahalahy Nsomba, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity.