Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MARTSA 2015

“Izany no Sitrakao”

“Izany no Sitrakao”

“Nataonao tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza.”LIOKA 10:21.

1. Nahoana i Jesosy no ‘faly be sady feno fanahy masina’? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

AZONAO an-tsaina ve i Jesosy Kristy tamin’izy ‘faly be sady feno fanahy masina’? Hita teny amin’ny masony sy ny endriny angamba izany. Fa inona no nahafaly azy? Naniraka ny mpianany 70 lahy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, ary tsy andriny ny hahalala hoe ahoana no nanaovan’izy ireo an’izany. Maro ny fahavalon’ny vaovao tsara sady nahery. Anisan’izany ireo Fariseo sy mpanora-dalàna marani-tsaina sy avara-pianarana. Nataon’izy ireo izay hiheveran’ny olona fa mpandrafitra fotsiny i Jesosy, ary ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny mpianany. (Asa. 4:13; Mar. 6:3) Faly be anefa ireo mpianatra rehefa niverina. Nahavita nitory izy ireo, na dia notoherin’ny olona sy ny demonia aza. Nahoana izy ireo no faly foana sy be herim-po?—Vakio ny Lioka 10:1, 17-21.

2. a) Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no toy ny zaza? b) Inona no nanampy ny mpanara-dia an’i Kristy hahatakatra fahamarinana lalina?

2 Hoy i Jesosy tamin’i Jehovah: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa. Eny, Ray ô, satria mifanaraka  amin’ny sitraponao izany.” (Mat. 11:25, 26) Tsy te hilaza i Jesosy hoe tena zaza ny mpianany. Fantany kosa fa toy ny zaza izy ireo raha oharina amin’ireo manam-pahaizana sy avara-pianarana teo amin’ny Israely, izay nihevi-tena ho hendry. Nampianariny mba ho toy ny zaza koa ny mpianany, ka hanetry tena sy ho mora ampianarina foana. (Mat. 18:1-4) Nahoana no nahasoa azy ireo ny nanetry tena? Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah ka nanampy azy ireo hahatakatra fahamarinana lalina. Tsy nahatakatra an’izany kosa ireo hendry sy mahira-tsaina izay nanivaiva azy ireo, satria niavonavona sy nohajambain’i Satana.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Tsy mahagaga raha faly be i Jesosy. Hitany fa nahariharin’i Jehovah tamin’izay rehetra manetry tena ny fahamarinana lalina, na inona na inona fahaizan’izy ireo na fianarana vitany. Faly izy fa nankasitrahan’ny Rainy ny fomba fampianatra tsotra sy mazava. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mbola ankasitrahany izany? Ho faly hoatran’i Jesosy koa isika rehefa handinika ny valin’izany ato.

ATAO AZON’NY REHETRA NY FAHAMARINANA LALINA

4. Nahoana no azo lazaina fa tena fanomezana Ny Tilikambo Fiambenana notsorina?

4 Lasa tsotra sy mazava kokoa ny fampianaran’ny fandaminan’i Jehovah tato ho ato. Maro ny zava-nitranga manaporofo izany, fa hijery telo isika. Voalohany, navoaka Ny Tilikambo Fiambenana notsorina. * Ny gazety fianarana no fitaovana lehibe indrindra hanomezana sakafo ara-panahy antsika. Tena fanomezana ho an’ireo tsy mahay mamaky teny tsara ny gazety notsorina, sady manampy an’ireo tsy maintsy mampiasa an’ilay fiteny nefa tsy mahay tsara an’ilay izy. Hitan’ny loham-pianakaviana fa lasa mandray anjara kokoa amin’ny fianarana ny zanany, noho io gazety io. Maro no nanoratra taratasy fisaorana. Saro-kenatra, ohatra, ny anabavy iray ka tsy sahy namaly tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Niova anefa izy noho ilay gazety notsorina. Hoy izy: “Mamaly mihoatra ny indray mandeha aho izao ary tsy matahotra intsony. Misaotra an’i Jehovah aho ary misaotra anareo koa.”

5. Inona no mahatsara Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina?

5 Faharoa, navoaka tamin’ny fivoriana fanao isan-taona ny 5 Oktobra 2013 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina. * Lasa vitsy kokoa ny teny ao amin’ny andininy maro, nefa tsy miova ny hevitra na lasa mazava kokoa. Lasa 19, ohatra, ny teny ao amin’ny Joba 10:1 ao amin’io Baiboly io, nefa 27 taloha. Lasa 13 koa ny teny ao amin’ny Ohabolana 8:6 nefa 20 taloha. Lasa mazava kokoa ireo andininy ireo, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Hoy ny rahalahy voahosotra tsy mivadika, izay efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny am-polony taona: “Vao avy namaky ny bokin’i Joba tao amin’ilay Baiboly vaovao aho, ary hoatran’ny hoe izay vao tena azoko ilay boky.” Maro no nilaza toy izany.

6. Inona no tsapanao noho ilay fanazavana vaovao momba ny Matio 24:45-47?

6 Fahatelo, vao haingana dia nahitsy ny fahazoantsika ny andininy sasany. Tena faly,  ohatra, isika rehefa nohazavaina tsara kokoa ny momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013. (Mat. 24:45-47) Nohazavaina tao fa ny Filan-kevi-pitantanana no mpanompo mendri-pitokisana, ary izay rehetra omena sakafo ara-panahy no ‘mpanompo ao an-trano’, na voahosotra izy na “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Tena mahafinaritra ny mianatra sy mampianatra an’izany. Ahoana koa no ampisehoan’i Jehovah fa mankasitraka ny fampianarana tsotra sy mazava izy?

FOMBA TSOTRA KOKOA ANAZAVANA NY TANTARA AO AMIN’NY BAIBOLY

7, 8. Milazà zavatra resahin’ny Baiboly, ka mifanitsy amin’ny olona na zavatra hafa atỳ aoriana.

7 Voamarikao angamba fa niova ny fomba anazavana ny tantara maro ao amin’ny Baiboly, raha efa am-polony taona ianao no nanompo an’i Jehovah. Matetika ny bokintsika taloha no nilaza fa mifanitsy amin’ny zavatra lehibe kokoa amin’ny hoavy ny tantara sasany. Natao hoe tandindona ilay tantara ary ilay zava-mitranga ho avy no tena izy. Misy antony ara-baiboly nanazavana an’ilay izy toy izany ve? Eny. Niresaka momba ny “famantarana ny amin’i Jona mpaminany”, ohatra, i Jesosy. (Vakio ny Matio 12:39, 40.) Nanazava izy fa hifanitsy amin’ny fotoana hijanonany ao am-pasana ny fotoana nijanonan’i Jona tao an-kibon’ilay trondro. Tao no fasan’i Jona raha tsy nanafaka azy i Jehovah.

8 Misy tantara hafa milaza zavatra hitranga amin’ny hoavy koa ao amin’ny Baiboly. Niresaka maromaro tamin’izy ireny ny apostoly Paoly. Sary an’ohatra ilazana ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny firenen’Israely sy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany, ohatra, ny fifandraisan’i Abrahama tamin’i Hagara sy Saraha. (Gal. 4:22-26) “Aloky ny zavatra tsara ho avy” koa ny tranolay masina sy ny tempoly, ny Andro Fandrakofam-pahotana, ny mpisoronabe, ary ny zavatra hafa resahin’ny Lalàn’i Mosesy. (Heb. 9:23-25; 10:1) Mahafinaritra sy manatanjaka finoana ny mianatra azy ireny. Mifanitsy amin’ny olona na zavatra amin’ny hoavy daholo àry ve ny olona sy zavatra ary zava-mitranga resahin’ny Baiboly?

9. Ahoana no nanazavana ny tantaran’i Nabota?

9 Matetika isika no nieritreritra toy izany taloha. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Nabota. Nataon’i Jezebela mpanjakavavy ratsy fanahy izay nitsarana azy tsy ara-drariny sy namonoana azy. Tiany ho azon’i Ahaba vadiny mantsy ny tanimboalobok’i Nabota. (1 Mpanj. 21:1-16) Nolazaina fa sary an’ohatra io tantara io tamin’ny 1932, ka mifanitsy amin’i Satana sy ny fandaminany i Ahaba sy Jezebela, mifanitsy amin’i Jesosy i Nabota, ary mifanitsy amin’ny namonoana an’i Jesosy ny namonoana azy. Nohazavaina tao amin’ny boky “Hohamasinina Anie ny Anaranao” (anglisy) nivoaka tamin’ny 1961 anefa fa mifanitsy amin’ny voahosotra i Nabota, ary mifanitsy amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina i Jezebela. Nolazaina àry fa mifanitsy amin’ny fanenjehana ny voahosotra mandritra ny andro farany ny fampijalian’i Jezebela an’i Nabota. Nanatanjaka ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah io fanazavana io, nandritra ny taona maro. Nahoana àry izany no novana?

10. a) Ahoana no ampisehoan’ny mpanompo mendri-pitokisana fa mihamalina kokoa izy? b) Mifantoka kokoa amin’ny inona izao ny bokintsika?

10 Nataon’i Jehovah nihamalina kokoa foana ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, rehefa nandeha ny fotoana.  Lasa mitandrina kokoa àry io mpanompo io, ka tsy lazainy hoe mifanitsy amin’ny zavatra hitranga amin’ny hoavy ny tantara ao amin’ny Baiboly, raha tsy misy porofo mazava manamarina izany ao. Sarotra amin’ny maro koa ny mahazo ny sasany amin’ny fanazavana taloha momba ny tandindona. Mety ho sarotra ny mahazo sy mitadidy ary mampihatra ny tsipiriany amin’izy ireny, toy ny hoe iza no mifanitsy amin’iza ary nahoana. Ny tena mampanahy aza dia hoe mety ho variana be isika mikaroka hoe mifanitsy amin’ny inona ilay tantara, ka tsy ho hitantsika na tsy hazava amintsika ny lesona raketiny. Mifantoka kokoa amin’ny lesona tsotra azo ampiharina àry izao ny bokintsika, rehefa manazava tantara ao amin’ny Baiboly. Asongadina ny finoana, fiaretana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ary ny toetra hafa tena ilaina. *

Tena modely ho antsika i Nabota (Fehintsoratra 11)

11. a) Ahoana izao no anazavana ny tantaran’i Nabota, ary nahoana izy no modely ho antsika? b) Nahoana ny bokintsika no lasa tsy dia miresaka tandindona intsony? (Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity.)

11 Lasa tsotra sy mazava kokoa àry ny fanazavana ny tantaran’i Nabota. Maty io lehilahy marina io satria tsy nivadika, fa tsy hoe satria mifanitsy amin’i Jesosy na ny voahosotra. Nankatò ny Lalàn’i Jehovah izy na dia nampijaly mafy azy aza ny mpanampatra fahefana. (Nom. 36:7; 1 Mpanj. 21:3) Modely ho antsika izy satria mety henjehina koa isika noho isika tsy mivadika. (Vakio ny 2 Timoty 3:12.) Manatanjaka finoana ny lesona toy izany, ary afaka mahazo sy mitadidy izany ny Kristianina rehetra.

12. a) Inona no tsy tokony hoheverintsika momba an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana no mazava amintsika na dia ny zava-dalina aza? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

12 Tokony hihevitra ve izany isika hoe tsy misy dikany hafa ny tantara ao amin’ny Baiboly fa natao handraisana lesona fotsiny? Tsia. Rehefa manazava tantara ara-baiboly anefa izao ny bokintsika, dia tsy mifantoka be amin’ny hoe mifanitsy amin’ ny inona ilay izy. Matetika kokoa no resahina hoe mampahatsiahy inona ilay tantara na manazava momba ny inona. Afaka milaza, ohatra, isika fa mampahatsiahy ny tsy fivadihan’i Kristy sy ny voahosotra ny tsy fivadihan’i Nabota tamin’izy nenjehina sy novonoina. Mampahatsiahy ny tsy fivadihan’ny olona maro anisan’ny “ondry hafa” koa izany. Mampiavaka ny fampianaran’Andriamanitra izany fomba fampianatra tsotra sy mazava izany. *

FOMBA TSOTRA KOKOA ANAZAVANA NY FANOHARAN’I JESOSY

13. Inona no mampiseho fa lasa mazava sy tsotra kokoa ny fanazavana ny fanoharana sasany nolazain’i Jesosy?

13 I Jesosy Kristy no Mpampianatra nahay indrindra teto an-tany. Tena tia nampiasa fanoharana izy rehefa nampianatra. (Mat. 13:34) Mampisaintsaina sy manohina ny fo ny fanoharana satria misy sarin-teny mazava tsara. Mihatsotra sy mihamazava koa ny fomba anazavana ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny bokintsika. Tena faly, ohatra, isika rehefa lasa mazava kokoa ny fanoharany momba ny lalivay sy ny voan-tsinapy ary ny harato tarihina, araka ny hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2008. Fantatsika tsara izao fa ny Fanjakan’Andriamanitra no resahin’ireo fanoharana ireo. Asehon’izy ireo fa maro ny olona voataonan’io Fanjakana io mba hiala amin’ity tontolo ratsy ity ka ho lasa mpanara-dia an’i Kristy.

14. a) Ahoana no nanazavantsika ny fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy? b) Ahoana no fahazoantsika an’io fanoharan’i Jesosy io izao?

14 Ary ahoana ireo fanoharan’i Jesosy be tsipiriany kokoa? Faminaniana ny sasany na manana heviny an’ohatra, fa ny hafa kosa andraisana lesona. Dia ahoana no anavahana azy? Nihanazava tsikelikely ny valin’izany. Diniho, ohatra, ny nanazavana an’ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy. (Lioka 10:30-37) Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1924 fa mifanitsy amin’i Jesosy ilay Samaritanina. Ilay lalana midina avy any Jerosalema mankany Jeriko kosa midika hoe nikororosy ny fiainan’ny olombelona nanomboka tamin’ny fikomiana tany Edena. Ireo mpandroba dia ireo orinasa lehibe sy mpandraharaha mpanararaotra. Ary ilay mpisorona sy Levita dia ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Miresaka an’io fanoharana io kosa izao ny bokintsika mba hampahatsiahivana ny Kristianina rehetra fa tsy mety ny manavakavaka rehefa manampy olona, indrindra rehefa manampy azy ireo hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Tsy faly ve isika hoe ataon’i Jehovah mazava amintsika ny fampianarany?

15. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

15 Handinika ny fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny folo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. (Mat. 25:1-13) Ahoana no tian’i Jesosy handraisan’ny mpanara-dia azy ankehitriny an’io fanoharana io? Faminaniana be tsipiriany ve ka misy mifanitsy aminy daholo ny olona sy ny zavatra ary ny zava-mitranga resahina ao? Sa tiany handray lesona avy amin’izy io ny mpanara-dia azy mba hanampiana azy ireo amin’ny andro farany?

^ feh. 4 Nivoaka voalohany tamin’ny teny anglisy Ny Tilikambo Fiambenana notsorina tamin’ny Jolay 2011. Navoaka tamin’ny fiteny hafa koa izy io taorian’izay.

^ feh. 5 Hivoaka amin’ny fiteny hafa koa io fandikan-tenin’ny Baiboly nohavaozina io amin’ny hoavy.

^ feh. 10 Miresaka momba ny olona 14 ao amin’ny Baiboly, ohatra, ilay boky hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo. Ny lesona azo ampiharina no tena resahina ao, fa tsy izay mifanitsy amin’ilay tantara.

^ feh. 12 Marina fa misy zavatra “saro-takarina” ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny zavatra sasany nosoratan’i Paoly. Nahazo fanahy masina daholo anefa ny mpanoratra Baiboly. Io hery io ihany no manampy ny tena Kristianina ankehitriny mba hahazo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Azontsika hatramin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” àry, na dia voafetra aza ny mety ho takatry ny saintsika.—2 Pet. 3:16, 17; 1 Kor. 2:10.