Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JANOARY 2015

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

‘Ny firedaredan’ny fitiavana dia toy ny firedaredan’ny afo, eny, ny lelafo avy amin’i Jah.’—TONON. 8:6.

1, 2. Iza avy no mandray soa avy amin’ny Tononkiran’i Solomona ary nahoana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

‘MAHAFINARITRA erỳ ny mijery azy roa mifanopy maso sy mifampitantana! Iza no sahy hilaza fa tsy tena mifankatia izy ireo?’ Izany no tao an-tsain’ilay anti-panahy nanoratra ny fanambadian’ilay mpivady vao. Rehefa nandroso teo amin’ilay toerana fandihizana izy roa, dia lasa saina ilay anti-panahy hoe: ‘Haharitra ve ny tokantranon’izy ireo? Hihamafy sa hihalefy ny fifankatiavany rehefa mandeha ny fotoana?’ Mahafinaritra tokoa ny fifankatiavana raha tsy azo hozongozonina sy maharitra. Maro anefa ny tokantrano rava ka mety hieritreritra isika hoe tena mety haharitra ve ny fitiavana.

2 Tsy fahita ny tena fitiavana na dia tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka aza. Hoy mantsy izy: “Lehilahy iray tamin’ny arivo no hitako fa marina, ary tamin’ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako ho marina na iray aza. Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan’Andriamanitra ny olombelona, saingy nitady tetika maro izy ireo.” (Mpito. 7:26-29) Nisy vehivavy tsy israelita nanompo an’i Bala tamin’ny andron’i Solomona.  Voataonan’izy ireny ny Israelita ka lasa ratsy be ny fitondran-tenany. Sarotra àry ny nahita lehilahy na vehivavy iray tsara fitondran-tena. * Hita amin’ilay tononkalo nosoratan’i Solomona 20 taona teo ho eo talohan’izay anefa fa afaka ny haharitra ny fifankatiavan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Noresahiny mazava koa hoe hoatran’ny ahoana ny tena fitiavana ary ahoana no fomba anehoana azy io. Miana-javatra maro momba ny tena fitiavana isika, na mpitovo na manambady, rehefa mandinika ny Tononkiran’i Solomona.

MISY TOKOA NY TENA FITIAVANA

3. Nahoana no afaka ny tena hifankatia ny lehilahy sy ny vehivavy?

3 Vakio ny Tononkiran’i Solomona 8:6. Antsoina hoe “ny lelafo avy amin’i Jah” ny fitiavana. Mifono heviny lalina izany. “Lelafo avy amin’i Jah” ny tena fitiavana satria avy amin’i Jehovah. Nataony araka ny endriny ny olombelona ka afaka mitia. (Gen. 1:26, 27) Nilaza poezia tena kanto i Adama, ilay lehilahy voalohany, rehefa natolotr’Andriamanitra azy i Eva, ilay vehivavy voalohany. Azo antoka fa nahatsiaro ho akaiky an’i Adama i Eva satria ‘nalaina avy taminy.’ (Gen. 2:21-23) Nataon’i Jehovah afaka maneho fitiavana ny olombelona, ka afaka ny haharitra sy ho mafy orina ny fifankatiavan’ny lehilahy sy vehivavy.

4, 5. Fintino ilay tantara ao amin’ny Tononkiran’i Solomona.

4 Tsy hoe mateza sy tsy miovaova fotsiny ny fitiavana mampiray ny lehilahy sy ny vehivavy. Misy lafiny hafa koa mampiavaka azy io. Tena kanto ny fomba ilazana izany ao amin’ny Tononkiran’i Solomona, izay nosoratana toy ny tantara an-kira. Miresaka ny fifankatiavan’ny tovovavy iray avy any Sonema na Solema sy ny mpiandry ondry malalany izy io. Nentina tao an-tobin’i Solomona Mpanjaka ilay tovovavy satria babon’ny hatsaran-tarehiny i Solomona. Nitoby teo akaikin’ny tanimboaloboka nandrasan’ilay tovovavy mantsy izy. Hita hatramin’ny voalohany anefa fa ilay mpiandry ondry no tian’ilay tovovavy. Nilaza izy fa naniry mafy hiaraka amin’ilay malalany, rehefa niezaka nambabo azy i Solomona. (Tonon. 1:4-14) Nitady azy tao an-toby ilay mpiandry ondry ka nifanao teny mamy izy roa kely rehefa nihaona.—Tonon. 1:15-17.

5 Nentin’i Solomona nankany Jerosalema ilay tovovavy ary nanaraka azy ilay mpiandry ondry. (Tonon. 4:1-5, 8, 9) Niala maina i Solomona na dia niezaka mafy nambabo an’ilay tovovavy aza. (Tonon. 6:4-7; 7:1-10) Navelany hody izy tamin’ny farany. Nirin’ilay tovovavy hihazakazaka tany aminy “hoatran’ny gazela” ilay malalany, ary mifarana eo ilay hira.—Tonon. 8:14.

6. Nahoana no sarotra ny mamantatra an’izay miteny ao amin’ilay tantara?

6 Kanto ilay “tononkira tsara indrindra” nataon’i Solomona ary mifono heviny lalina. (Tonon. 1:1) Sarotra anefa ny mamantatra hoe iza no mifampiresaka, na iza ilay miteny irery, na iza ilay manonofy ao amin’izy io. Hoy ny diksionera iray: “Tsy ny tetika resahin’ilay tantara, na ilay tantara, na ny fizotrany, na ny mpilalao ao anatiny no tena mahaliana.” Tiana hisongadina kosa ny hakanton’ilay poezia sy ny tonony, ka izay angamba no tsy nampahafantarana ny anaran’ny mpandray anjara. Azo fantarina anefa hoe iza no miteny  rehefa jerena ny zavatra lazainy na lazaina aminy.

“TSARA NOHO NY DIVAY NY FANEHOAM-PITIAVANAO”

7, 8. Inona no mampiavaka ny teny ‘fanehoam-pitiavana’ ao amin’ny Tononkiran’i Solomona? Manomeza ohatra.

7 Feno teny ‘fanehoam-pitiavana’ nifanaovan’ilay tovovavy sy ilay mpiandry ondry ao amin’ny Tononkiran’i Solomona. Mety ho hafahafa amintsika ireny teny ireny satria mifanaraka amin’ny kolontsaina tany Israely, 3 000 taona lasa teo ho eo izay. Tena misy heviny anefa izy ireny sady tsy vaovao amintsika ny fihetseham-po ampitainy. Noharin’ilay mpiandry ondry tamin’ny “masom-boromailala”, ohatra, ny mason’ilay tovovavy satria malefaka ny fijeriny. (Tonon. 1:15) Ilay tovovavy indray nampitaha ny mason’ilay malalany tamin’ny voromailala. (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 5:12.) Nahafatifaty azy toy ny voromailala mandro ao anaty ronono ilay boribory mainty voahodidina fotsy amin’ny masony.

8 Tsy miresaka momba ny bika aman’endrika daholo ny teny mamy ao amin’ilay hira. Diniho izay nolazain’ilay mpiandry ondry momba ny tenin’ilay tovovavy. (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 4:7, 11.) Nolazainy fa ‘tantely avy ao anaty tohotra no mitete avy amin’ny molony.’ Nahoana? Satria mamy sy tsara kokoa noho ny tantely efa tratran’ny rivotra ny tantely avy amin’ny tohotra. Midika koa ilay hoe ‘tantely sy ronono no eo ambany lelany’ fa toy ny tantely sy ronono ny tenin’ilay tovovavy satria mahafinaritra. Mazava àry fa tsy ny hatsaran’ilay tovovavy ihany no tao an-tsain’ilay mpiandry ondry rehefa nilaza izy hoe ‘tena tsara tarehy ianao, ary tsy misy tsininy.’

9. a) Inona ilay fitiavana tokony hisy eo amin’ny mpivady? b) Nahoana no ilain’ny mpivady ny milaza teny maneho fitiavana?

9 Tsy fifanekena fotsiny ny fanambadiana, fa eo koa ny fitiavana mampiray ny mpivady, izay tena tokony hampiavaka ny tokantrano kristianina. Hoatran’ny ahoana izany fitiavana izany? Ilay fitiavana tsy mitady valiny tokony haseho amin’ny olona rehetra ve? (1 Jaona 4:8) Sa ilay fitiavana voajanahary eo amin’ny mpianakavy? Sa ilay firaiketam-po eo amin’ny tena mpinamana? (Jaona 11:3) Sa ilay fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy? (Ohab. 5:15-20) Tafiditra amin’ilay tena fitiavana ilain’ny mpivady daholo ireo. Rehefa lazaina sy aseho ny fitiavana vao tena tsapa. Tokony hifaneho fitiavana foana àry ny mpivady, na eo aza ireo zavatra tsy maintsy atao isan’andro. Manampy azy ireo ho sambatra sy tsy hanana ahiahy izany. Matetika no amboarina ny fanambadiana any amin’ny firenena sasany, ka zara raha mifankahalala ny mpivady alohan’ny fampakaram-bady. Tokony ho takatr’ireny mpivady ireny fa ilainy ny milaza ny fitiavany amin’ny vadiny. Hifankatia kokoa izy ireo amin’izay ary ho sambatra ny tokantranony.

10. Inona no vokany rehefa mitadidy ny fifanehoany fitiavana ny mpivady?

10 Misy antony hafa koa mahatsara ny mifaneho fitiavana. Nilaza ilay mpanjaka fa hanome “firavaka volamena boribory misy haingony volafotsy” an’ilay tovovavy. Nototofany teny fiderana izy, ka nolazainy fa “tsara tarehy sahala amin’ny volana fenomanana” sy “madio tahaka ny masoandro mamirapiratra.” (Tonon. 1:9-11; 6:10) Tsy nivadika tamin’ilay mpiandry ondry malalany anefa ilay tovovavy. Inona no nampahery azy rehefa tsy nifankahita izy  roa? (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 1:2, 3.) Ny fahatsiarovany ny ‘fanehoam-pitiavan’ilay’ mpiandry ondry. Noheveriny ho “tsara noho ny divay” izay mampifaly ny fo izany. Namelombelona azy toy ny “menaka araraka” amin’ny loha koa ny fahatsiarovany ny anaran’ilay malalany. (Sal. 23:5; 104:15) Afaka mampaharitra ny fifankatiavan’ny mpivady ny fahatsiarovan’izy ireo ny fifanehoany fitiavana. Tena ilain’ny mpivady àry ny mifaneho fitiavana matetika.

AZA TAIRINA NY FITIAVANA FA “AVELAO IZY HITSIRY HO AZY”

11. Inona no azon’ny Kristianina te hanambady ianarana avy amin’ny tenin’ilay Solemita?

11 Afaka miana-javatra avy amin’ny Tononkiran’i Solomona koa ny Kristianina mpitovo, indrindra fa ireo mitady vady. Tsy raiki-pitia tamin’i Solomona mihitsy ilay tovovavy. Nampianiana ny zanakavavin’i Jerosalema izy ka nilaza hoe: “Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.” (Tonon. 2:7; 3:5) Nahoana? Satria tsy mety raha raiki-pitia amin’izay olona sendra antsika fotsiny isika. Hendry ny Kristianina te hanambady raha manam-paharetana ka tsy manambady raha tsy olona tena azony tiavina.

12. Nahoana ilay Solemita no tia an’ilay mpiandry ondry?

12 Nahoana ilay Solemita no tia an’ilay mpiandry ondry? Marina fa tsara bika toy ny “gazela” izy, mafy toy ny “vaingam-bolamena lavalava” ny tanany, ary tsara tarehy sy matanjaka toy ny “andry marbra” ny ranjony. Tsy matanjaka sy tsara bika fotsiny anefa izy. Nilaza ilay tovovavy fa ‘sahala amin’ny paoma maniry eo anivon’ny hazo any an’ala ny malalany, eo anivon’ny zazalahy.’ Tsy maintsy ho tia an’i Jehovah ilay mpiandry ondry matoa tia azy toy izany io tovovavy tsy nivadika tamin’i Jehovah io.—Tonon. 2:3, 9; 5:14, 15.

13. Nahoana ilay mpiandry ondry no tia an’ilay Solemita?

13 Tsara tarehy be koa ilay Solemita matoa nahasarika an’ilay mpanjaka, izay nanana ‘vady 60 sy vadikely 80 ary ankizivavy tsy hita isa’ tamin izay. Nihevitra anefa izy fa toy ny “safrona maniry eny amin’ny lemaka amoron-tsiraka”, na voninkazo tsotsotra. Tena nanetry tena izy. Tsy mahagaga raha nihevitra azy ho toy  ny “lisy eny amin’ny tsilo” ilay mpiandry ondry, izany hoe tena miavaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah ilay tovovavy.—Tonon. 2:1, 2; 6:8.

14. Inona no ianaran’ny Kristianina te hanambady avy amin’ny Tononkiran’i Solomona?

14 Mampirisika mafy ny Kristianina ny Baiboly mba hanambady ao “amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Mitandrina ny Kristianina mpitovo mba tsy ho raiki-pitia amin’ny olona tsy Vavolombelona fa hitady vady mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Olona manana finoana sy mifikitra amin’Andriamanitra mantsy no tokony halaina ho vady, raha te ho sambatra sy hiray saina foana ny mpivady eo am-piatrehana ny fiainana. Ireo toetra ireo mihitsy no nampifankatia an’ilay mpiandry ondry sy ilay Solemita.

Mitandrina ny Kristianina mba tsy ho raiki-pitia amin’ny olona tsy Vavolombelona (Fehintsoratra 14)

“TOY NY ZARIDAINA MIFEFY” ILAY AMPAKARIKO

15. Nahoana ilay Solemita no modely ho an’ny Kristianina mpitovo?

15 Vakio ny Tononkiran’i Solomona 4:12. Nahoana ilay mpiandry ondry no nilaza fa “toy ny zaridaina mifefy” ny malalany? Tsy ny rehetra no afaka miditra ao amin’ny zaridaina mifefy. Tsy maintsy mandalo eo amin’ny vavahady mihidy ny olona vao ho tafiditra ao. Toa an’io zaridaina mifefy io ilay tovovavy satria natokany ho an’ilay ho vadiny ny fitiavany. Tsy nanaiky hitia an’ilay mpanjaka izy, ka hita fa toy ny “manda” fa tsy toy ny “varavarana” midanadana. (Tonon. 8:8-10) Manahaka azy ny Kristianina mpitovo ka atokany ho an’izay ho vadiny ny fitiavany.

16. Inona no azon’ireo mampiaraka ianarana ao amin’ny Tononkiran’i Solomona?

16 Nanasa an’ilay Solemita hiara-mitsangantsangana aminy ilay mpiandry ondry. Tsy navelan’ny anadahiny anefa ilay Solemita fa nirahiny hiambina tanimboaloboka. Nahoana? Tsy natoky azy ve ny anadahiny? Nieritreritra ve izy ireo hoe te hanao zavatra ratsy ny anabaviny? Tsia. Te hiaro azy mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy kosa izy ireo. (Tonon. 1:6; 2:10-15) Misy lesona ho an’ny Kristianina mpitovo amin’izany: Ilaina ny mitandrina mba hadio fitondran-tena foana mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Aza mankany amin’ny toerana mitokantokana. Tsy voarara ny fifanehoam-pitiavana raha madio sy tsy tafahoatra. Halaviro anefa ny toe-javatra mitarika ho amin’ny fakam-panahy.

17, 18. Inona no soa noraisinao avy amin’ny Tononkiran’i Solomona?

17 Mifankatia be matetika ny mpivady kristianina raha vao mivady. Nataon’i Jehovah haharitra ny fanambadiana, ka mila miezaka ny mpivady mba samy hampitombo ny fitiavany, ka hahatonga azy io hiredareda foana.—Mar. 10:6-9.

18 Azo antoka fa olona tena ho azonao tiavina no tianao ho vadinao ary hataonao izay hahamafy orina sy hampiredareda ny fifankatiavanareo, toy ilay resahin’ny Tononkiran’i Solomona. Enga anie ianao ka hahatsapa ny tena fitiavana, dia “ny lelafo avy amin’i Jah”, na vao mitady vady ianao na efa manambady.—Tonon. 8:6.

^ feh. 2 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2007, pejy 31.