Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2014

Tokony Hiova Hevitra ve Ianao?

Tokony Hiova Hevitra ve Ianao?

NISY tanora kristianina maromaro nandeha nijery filma tany amin’ny fijerena sinema. Ren’izy ireo fa tena nankafy an’ilay izy ny ankizy maro tany am-pianarany. Nahita peta-drindrina misy sarina fitaovam-piadiana mahery vaika sy vehivavy zara raha mitafy anefa izy ireo rehefa tonga tany. Inona no hataon’izy ireo? Mbola hijery ihany ve?

Hita amin’io zava-nitranga io fa mila manapa-kevitra isika matetika ary mety hampifanakaiky na hampanalavitra antsika amin’i Jehovah ilay fanapahan-kevitra. Misy zavatra tianao hatao indraindray nefa miova hevitra ianao rehefa avy mandinika tsara. Mety ve izany? Sa midika hoe tsy mahay manapa-kevitra ianao?

Rahoviana ianao no tsy tokony hiova hevitra?

Tia an’i Jehovah isika ka nanokan-tena ho azy sy natao batisa. Tsy te hivadika aminy mihitsy isika. Manao izay azony atao anefa i Satana Devoly fahavalontsika mba hahatonga antsika hivadika. (Apok. 12:17) Nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah sy hankatò ny didiny isika. Tena hampalahelo àry raha miova hevitra isika ka tsy manaja an’ilay voady nataontsika tamintsika nanokan-tena. Mety hamoizantsika ny aintsika izany.

Nanangana sarivongana volamena goavam-be i Nebokadnezara mpanjaka babylonianina, 2 600 taona mahery teo ho eo izay. Nasainy niankohoka sy nivavaka tamin’izy io ny rehetra, ary hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay izay tsy manao izany. Natahotra an’i Jehovah i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ka tsy nety niankohoka tamin’ilay sary. Natsipy tao anatin’ilay lafaoro àry izy ireo. Marina fa nanao fahagagana i Jehovah mba hamonjena azy ireo, nefa efa tapa-kevitra ny tsy  hivadika izy ireo na dia ho faty aza.—Dan. 3:1-27.

Naharitra tamin’ny vavaka koa i Daniela mpaminany, na dia norahonana hatsipy tao an-davaky ny liona aza. Tsy niala tamin’ny fahazarany izy, fa nivavaka tamin’i Jehovah intelo isan’andro. Tsy niova hevitra izy fa tapa-kevitra foana ny hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Novonjena “tamin’ny tanan’ny liona” àry izy.—Dan. 6:1-27.

Mitana ny voady nataony tamin’izy nanokan-tena ho an’i Jehovah koa ny mpanompony ankehitriny. Nisy fombafomba fanomezam-boninahitra ny sainam-pirenena, ohatra, tany amin’ny sekoly iray tatsy Afrika. Tsy nety nanao an’izany ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah maromaro, ka norahonana hoe horoahina. Nitsidika an’ilay tanàna ny minisitry ny fampianarana tsy ela taorian’izay, ary niresaka tamin’ny sasany taminy. Tsy natahotra izy ireo nanazava ny anton’ilay izy, sady nahalala fomba. Tsy nipoitra intsony ilay olana tatỳ aoriana. Afaka mianatra soa aman-tsara izao ireo rahalahy sy anabavy tanora ireo, sady tsy terena handika ny fitsipik’i Jehovah.

Diniho koa ny nanjo an’i Joseph. Voan’ny kansera ny vadiny ary maty tampoka. Fantatry ny fianakavian’i Joseph ny fomba fandevenana tian’i Joseph hatao ary nohajain’izy ireo izany. Tsy Vavolombelona anefa ny fianakavian’ny vadiny ka te hanao fombafomba, anisan’izany ny zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra. Hoy i Joseph: “Tsy nanaiky aho ka ny ankizy no nodrokidrokiny. Tsy nanaiky koa anefa izy rehetra. Saika hiandry faty tao an-trano koa ry zareo satria izany no fanao. Nilaza anefa aho fa raha misisika ny hanao izany izy ireo, dia tsy ao an-tranoko. Fantany fa tsy mifanaraka amin’ny finoanay mivady ny fiandrasam-paty. Lasa niandry faty tany an-toeran-kafa àry izy ireo rehefa avy niresaka ela izahay.

“Nitalaho tamin’i Jehovah aho tamin’iny fotoam-pahoriana iny mba hanampy anay mianakavy tsy handika ny fitsipiny. Nihaino ahy izy ka nanampy anay tsy hivadika mihitsy, na dia nanery anay hivadika aza ny havanay.” Tsy nieritreritra ny hiova hevitra mihitsy i Joseph sy ny zanany, fa nankatò an’i Jehovah foana.

Rahoviana ianao no afaka miova hevitra?

Nisy vehivavy tsy israelita nanatona an’i Jesosy Kristy tany amin’ny faritr’i Sidona, taoriana kelin’ny Paska taona 32. Niangavy an’i Jesosy imbetsaka izy mba hamoaka ny demonia tao amin’ny zanany vavy. Tsy namaly azy i Jesosy tamin’ny voalohany. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy nirahina afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho.” Nisisika anefa ilay vehivavy, ka hoy i Jesosy: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” Tena nanam-pinoana ilay vehivavy ka namaly hoe: “Marina izany, Tompo ô, kanefa ny alikakely koa mba mihinana ihany amin’ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.” Niova hevitra àry i Jesosy ka namoaka an’ilay demonia tao amin’ny zanany.—Mat. 15:21-28.

Nanahaka an’i Jehovah i Jesosy ka vonona ny hiova hevitra rehefa azo natao izany. Saika handringana ny Israelita, ohatra, i Jehovah rehefa nanao zanak’omby volamena izy ireo. Nanaiky hiova hevitra anefa izy rehefa niangavy azy i Mosesy.—Eks. 32:7-14.

Nanahaka an’i Jehovah sy Jesosy ny apostoly Paoly. Nisy fotoana izy nieritreritra hoe tsy tokony hoentina hanao dia misionera i Jaona Marka, satria nandao azy sy Barnabasy izy tamin’ilay dia misionera voalohany. Toa hitan’i Paoly anefa fa niezaka be i Marka, tatỳ aoriana, ka tena ho afaka hanampy azy. Hoy àry izy tamin’i Timoty: “Ento miaraka aminao i Marka fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.”—2 Tim. 4:11.

Ary isika? Mety hilaintsika ny miova hevitra, mba hanahafana an’ilay Raintsika any  an-danitra, izay mamindra fo sy manam-paharetana ary be fitiavana. Mety hila hanova ny fiheverantsika ny hafa, ohatra, isika. Tsy mitovy amin’i Jehovah sy Jesosy isika, satria tsy lavorary. Tsy mba afaka miova hevitra àry ve isika rehefa fantatsika ny mahazo ny hafa ary hitantsika hoe vonona hiova izy?

Mety ho tsara koa ny miova hevitra amin’ny zavatra hafa. Misy, ohatra, efa nianatra Baiboly sy nivory elaela, nefa tsy tapa-kevitra ny hatao batisa. Ny rahalahy sy anabavy sasany indray misalasala hanao ny asan’ny mpisava lalana, nefa afaka manompo bebe kokoa. Misy rahalahy sasany koa tsy te hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. (1 Tim. 3:1) Hoatran’izany ve ianao? Be fitiavana i Jehovah ka tiany hankafy an’ireny tombontsoa ireny isika. Nahoana àry raha mba miova hevitra ka miezaka hanatratra an’ireny tanjona ireny? Ho faly ianao raha manao izany, satria manome ho an’i Jehovah sy ho an’ny hafa.

Mety handray fitahiana isika raha miova hevitra

Hoy i Ella momba ny fanompoany ao amin’ny biraon’ny sampana iray atsy Afrika: “Tsy nieritreritra ny hijanona ela tato amin’ny Betela aho tamin’izaho vao tonga tato. Te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo aho nefa niraiki-po be tamin’ny fianakaviako. Nalahelo be an-dry zareo aho tamin’ny voalohany. Nampahery ahy anefa ny mpiray efitra tamiko, ka tapa-kevitra ny hijanona aho. Tsapako rehefa nanompo teto folo taona aho, fa te hijanona eto aho mba ho afaka hanompo an’ireo ranadahy sy rahavavy ela araka izay azo atao.”

Rahoviana ianao no tsy maintsy miova hevitra?

Tsaroanao ve izay nitranga rehefa nialona ny rahalahiny i Kaina ka tezitra be?  Nilaza taminy Andriamanitra fa hisandratra izy raha mba miova ka manao ny tsara. Nilaza Andriamanitra fa misy ota “mamitsaka eo am-baravarana” ary tokony hifehy azy io i Kaina. Afaka nanova ny toetrany sy ny fisainany izy, nefa naleony tsy niraharaha an’ilay torohevitra. Nampalahelo fa namono ny rahalahiny i Kaina, ka izy no mpamono olona voalohany.—Gen. 4:2-8.

Inona no ho nitranga raha niova hevitra i Kaina?

Diniho koa ny tantaran’i Ozia Mpanjaka. Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy tamin’ny voalohany ary nitady azy foana. Nampalahelo anefa fa lasa nirehareha izy ka simba ny lazany. Niana-kendry izy ka niditra tao amin’ny tempoly mba hanolotra emboka manitra, nefa izy tsy mpisorona. Nampitandrina azy mba tsy hanao izany ny mpisorona, nefa tsy niova hevitra izy. “Tezitra mafy” izy ary tsy nihaino fampitandremana. Nataon’i Jehovah boka àry i Ozia.—2 Tan. 26:3-5, 16-20.

Tsy maintsy miova hevitra tokoa isika indraindray. Izany no nataon’i Joachim. Natao batisa izy tamin’ny 1955 nefa voaroaka tamin’ny 1978. Nibebaka izy 20 taona mahery tatỳ aoriana ary voaray ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray. Nisy anti-panahy nanontany azy vao haingana hoe nahoana izy no niandry ela be vao nangataka ny ho voaray indray. Hoy i Joachim: “Sady tezitra aho no niavonavona. Tena manenina aho hoe niandry ela be. Marina fa voaroaka aho nefa fantatro fa mampianatra ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nila nanova ny toe-tsainy sy nibebaka izy.

Mety hila hanova ny fisainantsika sy izay ataontsika koa isika indraindray. Enga anie isika ka ho vonona hanao izany mba hampifaliana an’i Jehovah.—Sal. 34:8.