Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2014

‘Mihainoa, ka Fantaro ny Hevitry ny Teniko’

‘Mihainoa, ka Fantaro ny Hevitry ny Teniko’

“Mihainoa ahy ianareo rehetra, ka fantaro ny hevitry ny teniko.”—MAR. 7:14.

1, 2. Nahoana ny olona maro no tsy nahazo ny hevitry ny tenin’i Jesosy?

ERITRERETO hoe misy olona miresaka aminao. Renao ny feony ary mety ho fantatrao ny toe-peony. Hahasoa anao ve anefa izay lazainy raha tsy azonao ny dikany? (1 Kor. 14:9) Maro be koa no nandre ny tenin’i Jesosy ary fiteny hain’izy ireo no nitenenany. Tsy izy rehetra anefa no nahazo ny hevitr’izay nolazainy. Hoy àry i Jesosy: “Mihainoa ahy ianareo rehetra, ka fantaro ny hevitry ny teniko.”—Mar. 7:14.

2 Nahoana no tsy nahazo ny hevitry ny tenin’i Jesosy ny olona maro? Satria ratsy saina ny sasany na efa nisy hevitra masaka tao an-tsainy. Hoy i Jesosy momba azy ireny: “Kinga erỳ ianareo manilika ny didin’Andriamanitra mba hihazonanareo ny fomban-drazana.” (Mar. 7:9) Tsy tena niezaka hahazo ny hevitry ny tenin’i Jesosy izy ireo sady tsy te hanova ny fanaony sy ny heviny. Nety ho nandre ihany ny sofiny fa ny fony no tsy nihontsina mihitsy. (Vakio ny Matio 13:13-15.) Inona àry no azo atao mba hahatonga ny fontsika ho vonona handray foana ny fampianaran’i Jesosy, ka handray soa amin’izany isika?

 AHOANA NO ANDRAISAN-TSOA AVY AMIN’NY FAMPIANARAN’I JESOSY?

3. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no nahazo ny teniny?

3 Mila manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy nanetry tena isika. Hoy i Jesosy momba azy ireo: ‘Sambatra ianareo, satria mahita ny masonareo, ary mandre ny sofinareo.’ (Mat. 13:16) Nahoana izy ireo no nahazo ny tenin’i Jesosy nefa ny hafa tsy nahazo? Voalohany, satria vonona hanontany izy ireo sady niezaka hahatakatra izay tena tian’i Jesosy holazaina. (Mat. 13:36; Mar. 7:17) Faharoa, mbola vonona hianatra zava-baovao izy ireo na dia efa nisy fahalalana nekeny tamin’ny fony aza. (Vakio ny Matio 13:11, 12.) Fahatelo, vonona hampiasa ny zavatra nianarany izy ireo mba hahasoa azy sy hanampiana ny hafa.—Mat. 13:51, 52.

4. Inona ireo zavatra telo mila ataontsika mba hahazoantsika ny hevitry ny fanoharan’i Jesosy?

4 Mila manahaka ny mpianatr’i Jesosy tsy nivadika isika raha te hahazo ny fanoharan’i Jesosy. Misy zavatra telo mila ataontsika koa. Voalohany, tokony ho vonona hanokana fotoana hianarana sy hisaintsainana ny tenin’i Jesosy isika. Ilaina koa ny mikaroka sy mametraka fanontaniana mety tsara. Manampy antsika hahazo fahalalana izany. (Ohab. 2:4, 5) Faharoa, ilaina ny mijery hoe inona no ifandraisan’izany amin’izay efa fantatsika sy hoe nahoana ilay izy no mahasoa antsika. Ho lasa mahira-tsaina isika vokatr’izany. (Ohab. 2:2, 3) Fahatelo, tokony hampiasaintsika izay nianarantsika, izany hoe ampiharintsika. Hendry isika rehefa manao izany.—Ohab. 2:6, 7.

5. Hazavao amin’ny ohatra ny tsy mampitovy ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahendrena.

5 Inona no tsy mampitovy ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahendrena? Eritrereto hoe eo afovoan’ny arabe ianao ary misy fiara manatona anao. Voalohany, hitanao hoe fiara ilay izy. Izay no atao hoe fahalalana. Faharoa, fantatrao hoe ho voadonan’ilay fiara ianao raha tsy mihetsika eo. Izay indray no atao hoe fahiratan-tsaina. Mihazakazaka miala eo àry ianao. Izay no atao hoe fahendrena. Tsy mahagaga raha manantitrantitra ny Baiboly hoe: “Arovy ny fahendrena.” Iankinan’ny aintsika izy io!—Ohab. 3:21, 22; 1 Tim. 4:16.

6. Inona no fanontaniana efatra hovaliantsika rehefa mandinika an’ireo fanoharana fito nolazain’i Jesosy isika? (Jereo ilay  efajoro eo amin’ny pejy 8.)

6 Handinika fanoharana fito nolazain’i Jesosy isika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hamaly an’ireto fanontaniana ireto isika rehefa manao izany: Inona no dikan’ilay fanoharana? (Manampy antsika hahazo fahalalana izany.) Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana? (Manampy antsika hahira-tsaina izany.) Ahoana no azo ampiasana an’ilay izy mba handraisantsika soa sy hanampiana ny hafa? (Hendry isika rehefa manao izany.) Ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’ilay izy?

NY VOAN-TSINAPY

7. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy?

7 Vakio ny Matio 13:31, 32. Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny voan-tsinapy? Ilay voan-tsinapy dia ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny vokatry ny fitoriana an’io hafatra io, izany hoe ny fiangonana kristianina. Ny voan-tsinapy no “bitika indrindra amin’ny voa rehetra.” Toy izany ny fiangonana kristianina tany am-boalohany satria kely izy io tamin’ny taona 33. Vetivety anefa dia nitombo ilay fiangonana ary nihoatra lavitra noho ny nantenaina ilay fitomboana. (Kol. 1:23) Nitondra soa ny fitomboan’ilay voan-tsinapy satria nilaza i Jesosy fa ‘naka toerana teo amin’ny sampany ny voro-manidina.’ Ireo vorona ireo dia ny olona tso-po mahazo sakafo  ara-panahy sy fampaherezana ary fiarovana eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Ampitahao amin’ny Ezekiela 17:23.

8. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy?

8 Nahoana i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io? Mitombo be ny voan-tsinapy ka te hilaza i Jesosy fa mandroso be ny asan’ilay Fanjakana, ary afaka miaro ny olona ilay Fanjakana sady maharesy ny vato misakana rehetra. Nisy fitomboana be tokoa teo anivon’ny ampahany hita maso amin’ny fandaminan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1914. (Isaia 60:22) Voaro ireo anisan’ny fandaminana satria ampiana mba hifandray akaiky amin’i Jehovah foana. (Ohab. 2:7; Isaia 32:1, 2) Voatohitra foana koa ny sakana rehetra, ka tsy mitsahatra mitombo ny fiangonana.—Isaia 54:17.

9. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’io fanoharana io?

9 Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy? Tsy dia misy Vavolombelona angamba ao amin’ny faritra misy antsika na tsy ahitam-bokatra firy ny fitoriana. Hahavita hiaritra anefa isika raha mitadidy fa maharesy ny vato misakana rehetra ilay Fanjakana. Vitsy kely, ohatra, ny Vavolombelona tany Inde rehefa tonga tany ny Rahalahy Edwin Skinner, tamin’ny 1926. Zara raha nandroso ny asa tamin’ny voalohany ary nisy nilaza hoe “mafy be” ilay izy. Nitory foana anefa io rahalahy io ary nisy nandray ihany ny hafatra momba ilay Fanjakana, na teo aza ny sakana lehibe. Maherin’ny 37 000 izao ny Vavolombelona any Inde ary nisy 108 000 mahery ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny 2013. Tena mandroso be koa ny asan’ilay Fanjakana any an-toeran-kafa. Vao nanomboka kelikely ny asantsika tany Zambia tamin’ny 1926. Misy mpitory 170 000 mahery anefa any izao ary 763 915 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2013. Midika izany fa mponina 1 isaky ny 18 no nanatrika Fahatsiarovana. Fitomboana miavaka tokoa izany!

NY LALIVAY

10. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny lalivay?

10 Vakio ny Matio 13:33. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny lalivay? Miresaka  momba ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny vokatr’izy io eo amin’ny olona koa io fanoharana io. Ilay “koba manontolo” dia ny firenena rehetra. Ny fiovana vokatr’ilay lalivay kosa dia ny fielezan’ny hafatra momba ilay Fanjakana, vokatry ny asa fitoriana. Mora hita ny fitomboan’ilay voan-tsinapy, fa tsy hita kosa amin’ny voalohany ny fielezan’ilay lalivay ao anaty lafarinina. Atỳ aoriana izany vao hita, rehefa mihangeza ilay koba.

11. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny lalivay?

11 Nahoana i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io? Nasehony fa afaka miely hatraiza hatraiza ny hafatra momba ilay Fanjakana ary manova olona. Tonga hatrany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany” io hafatra io. (Asa. 1:8) Tena misy vokany ny fitoriana nefa mety ho tsy tonga dia hita izany amin’ny voalohany. Tsy hoe mihamaro fotsiny ny olona manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana fa miova koa ny toetran’izy ireo.—Rom. 12:2; Efes. 4:22, 23.

12, 13. Milazà ohatra mampiseho fa mandroso ny asa fitoriana, mifanaraka amin’ilay fanoharana momba ny lalivay.

12 Matetika no taona maro aorian’ny itoriana voalohany amin’ny olona vao hita ny vokatr’ilay izy. Izany no hitan’i Franz sy Margit, izay manompo ao amin’ny biraon’ny sampana iray. Nitory tany ambanivohitra izy mivady tamin’ny 1982, tamin’izy ireo nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Brezila. Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro izy ireo tao amin’ilay tanàna, ka anisan’izany ny vehivavy iray sy ny zanany efatra. Vao 12 taona ilay lahimatoa tamin’izay. Saro-kenatra be izy ka matetika no niafina rehefa hanomboka ny fianarana. Tsy afaka nampianatra azy mianakavy intsony ilay mpivady satria niova ny fanendrena azy ireo. Nitsidika tany anefa izy mivady, 25 taona tatỳ aoriana. Faly erỳ izy ireo satria lasa nisy fiangonana manana Efitrano Fanjakana vaovao tao ary nisy mpitory 69, ka ny 13 tamin’ireo no mpisava lalana maharitra. Ary ilay ankizilahy saro-kenatra? Anti-panahy mpandrindra izy izao. Niely toa an’ilay lalivay tao amin’ny fanoharan’i Jesosy tokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana ary nanova fiainan’olona maro.

13 Hita koa hoe tena manova olona ny hafatra momba ilay Fanjakana, any amin’ireo tany anakantsakanana ny asa fitoriana. Tsy mora fantarina hoe miely hatraiza ilay hafatra any amin’ireny tany ireny. Mahagaga anefa matetika ny vokatra azo. Tonga tany Cuba, ohatra, ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny 1910 ary nitsidika tany ny Rahalahy Russell tamin’ny 1913. Tsy dia nisy vokatra anefa tamin’ny voalohany. Ary amin’izao fotoana izao? Misy mpitory ny vaovao tsara 96 000 mahery any, ary 229 726 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2013, izany hoe mponina 1 isaky ny 48. Ary ahoana ireo tany tsy misy fandrarana? Mihevitra ny mpitory any amin’ireny tany ireny fa tsy ho vita mihitsy ny hitory any amin’ny faritra sasany any. Mety ho efa tonga any amin’ireny faritra ireny anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana. *Mpito. 8:7; 11:5.

14, 15. a) Ahoana no andraisantsika tsirairay soa avy amin’ilay fanoharana momba ny lalivay? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’io fanoharana io?

14 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ilay fanoharana momba ny lalivay? Rehefa misaintsaina ny dikan’ny fanoharan’i Jesosy isika, dia miaiky fa tsy tokony hanahy be loatra  hoe ahoana no hahatongavan’ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ireo olona an-tapitrisany mbola tsy nandre azy io. Mahafehy ny zava-drehetra i Jehovah. Inona kosa no anjarantsika? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.” (Mpito. 11:6) Tsy tokony hohadinointsika mihitsy koa ny mivavaka mba hahombiazan’ny asa fitoriana, indrindra fa any amin’ireo tany anakantsakanana ny asantsika.—Efes. 6:18-20.

15 Aza kivy koa raha tsy misy vokany ny fitoriantsika amin’ny voalohany. Aza hamaivanina mihitsy “ny andron’ny zava-madinika.” (Zak. 4:10) Mety ho be lavitra sy tsara lavitra noho izay noeritreretintsika mantsy ny vokatra azo atỳ aoriana.—Sal. 40:5; Zak. 4:7.

MPIVARO-MANDEHA SY HARENA NAFENINA

16. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny mpivaro-mandeha sy ilay momba ny harena nafenina?

16 Vakio ny Matio 13:44-46. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny mpivaro-mandeha sy ilay momba ny harena nafenina? Tonga hatrany amin’ny Oseana Indianina ny mpivarotra sasany tamin’ny andron’i Jesosy mba hahazoana ny perla tsara indrindra. Mifanitsy amin’ireo olona tso-po mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra ilay mpivarotra ao amin’io fanoharana io. Manao izay rehetra azony atao izy ireny mba hahitany “perla iray sarobidy”, izany hoe ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Fantatr’ilay mpivarotra fa sarobidy be ilay perla, ka nivarotra “avy hatrany” ny fananany rehetra izy mba hividianany azy io. Niresaka momba ny olona iray niasa tany an-tsaha koa i Jesosy. Nahita harena “nafenina” tao amin’ilay saha izy io. Tsy toa an’ilay mpivarotra izy satria tsy nitady zava-tsarobidy. Misy itovizana amin’ilay mpivarotra anefa izy, satria nivarotra “izay nananany” mba hahazoana an’ilay harena.

17. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny mpivaro-mandeha sy ilay momba ny harena nafenina?

17 Nahoana i Jesosy no nilaza ireo fanoharana roa ireo? Tiany haseho hoe samihafa ny fomba ahitan’ny olona ny fahamarinana. Mikaroka azy io ny olona sasany ary miezaka be mba hahita azy io. Ny hafa kosa tsy mitady azy io fa tonga dia mahita fotsiny, angamba satria misy mitory aminy. Samy nahatsapa anefa ireo olona tao amin’ilay fanoharana fa sarobidy ilay zavatra hitany, ka nanao sorona be izy ireo mba hahazoana an’ilay izy.

18. a) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ireo fanoharana roa ireo? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’ireo fanoharana ireo?

18 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ireo fanoharana roa ireo? (Mat. 6:19-21) Eritrereto hoe: ‘Mitovy amin’ny toe-tsain’ireo olona ireo ve ny toe-tsaiko? Sarobidy amiko koa ve ny fahamarinana? Vonona hanao sorona ve aho mba hihazonana azy io? Sa misy zavatra hafa mahavariana ahy, toy ny fanahiana isan’andro?’ (Mat. 6:22-24, 33; Lioka 5:27, 28; Fil. 3:8) Raha tena faly isika hoe nahita ny fahamarinana, dia vao mainka ho tapa-kevitra ny hanao azy io ho loha laharana foana.

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Enga anie isika ka hampiseho fa nihaino an’ireo fanoharana momba ilay Fanjakana sy tena mahafantatra ny heviny. Tsy ampy ny mahazo ny hevitr’izy ireny. Mila mampihatra ny lesona avy amin’izy ireny koa isika. Handinika fanoharana telo hafa isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ary hijery izay lesona azo ianarana avy amin’izy ireo.

^ feh. 13 Toy izany koa no nitranga tany amin’ny firenena sasany toa an’i Arzantina (Diary 2001, pejy 186); Alemaina Atsinanana (Diary 1999, pejy 83); Papouasie-Nouvelle-Guinée (Diary 2005, pejy 63); ary Nosy Robinson Crusoé (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2000, pejy 9).