Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2014

Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany

Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany

“Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” —1 KOR. 15:26.

1, 2. Nanao ahoana ny fiainan’i Adama sy Eva tamin’ny voalohany, ary inona avy no fanontaniana mipoitra?

TSY nanana fahavalo i Adama sy Eva tamin’ny vao noforonina. Lavorary izy ireo ary niaina tao amin’ny paradisa. Nifandray akaiky tamin’ny Mpamorona izy ireo satria toy ny zanany. (Gen. 2:7-9; Lioka 3:38) Natao hiaina mandrakizay izy ireo rehefa jerena ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy. (Vakio ny Genesisy 1:28.) Nety ho vita tao anatin’ny fotoana voafaritra ny hoe ‘mameno ny tany sy manjaka aminy.’ Tsy maintsy miaina mandrakizay anefa i Adama sy Eva, vao ho afaka hikarakara foana “ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” Ho afaka nankafy izany asa izany mandrakizay izy ireo raha tsy maty.

2 Nahoana anefa no tsy toy izany ny fiainana ankehitriny? Nahoana no maro ny zavatra mahatonga ny olona tsy ho sambatra, anisan’izany ny fahafatesana, izay fahavalo lehibe indrindra? Inona no hataon’Andriamanitra mba hanafoanana azy ireny? Ao  amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana ireo ka handinika an’izany isika izao.

NAMPITANDRINA ILAY ANDRIAMANITRA BE FITIAVANA

3, 4. a) Inona no didy nomen’Andriamanitra an’i Adama sy Eva? b) Nahoana izy ireo no tena nila nankatò an’io didy io?

3 Mety maty i Adama sy Eva, na dia afaka niaina mandrakizay aza. Nila nifoka rivotra, nisotro rano, natory, ary nisakafo izy ireo, mba ho velona foana. Tena nila nifandray tamin’ilay Mpanome aina koa izy ireo. (Deot. 8:3) Nila nanaiky ny tari-dalany izy ireo raha te hankafy ny fiainana foana. Mbola tsy namorona an’i Eva i Jehovah dia efa nampahafantatra an’izany an’i Adama. Hoy ny Baiboly: “I Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ”—Gen. 2:16, 17.

4 Ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” dia midika fa Andriamanitra no manana zo hamaritra ny tsara sy ny ratsy. Efa nahalala ny tsara sy ny ratsy i Adama, satria noforonina araka ny endrik’Andriamanitra sady nanana feon’ny fieritreretana. Nampahatsiahy azy mivady kosa ilay hazo fa mila ny tari-dalan’i Jehovah foana izy ireo. Raha mihinana amin’ny voan’ilay hazo izy ireo, dia toy ny milaza fa tsy mila ny fitsipik’Andriamanitra. Hitondra loza ho azy ireo sy ny taranany izany. Hita tamin’ilay didy sy ilay sazy nolazain’Andriamanitra, fa tena ratsy ny tsy manaraka ny fitsipiny.

AHOANA NO NAMPISY NY FAHAFATESANA?

5. Ahoana no nahatonga an’i Adama sy Eva tsy hankatò?

5 Rehefa avy noforonina i Eva, dia nampahafantarin’i Adama azy ilay didin’Andriamanitra. Fantatr’i Eva tsara io didy io, ary nila ho hainy tsianjery. (Gen. 3:1-3) Naveriny ilay izy rehefa niresaka taminy tamin’ny alalan’ny menarana i Satana Devoly. Te hahaleo tena sy hahazo fahefana io anjely io, ary navelany hitombo izany faniriany izany. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.) Nampangainy ho mpandainga àry i Jehovah. Nomeny toky i Eva fa tsy ho faty izy mivady raha mahaleo tena, fa hitovy amin’Andriamanitra. (Gen. 3:4, 5) Nino an’i Satana i Eva. Niseho azy ho mahaleo tena izy ka nihinanany ilay voankazo ary noreseny lahatra koa ny vadiny mba hihinana. (Gen. 3:6, 17) Nandainga ny Devoly. (Vakio ny 1 Timoty 2:14.) Mbola ‘nihaino ny feon’ny vadiny’ ihany anefa i Adama. Niseho ho namana i Satana Devoly, nefa fahavalo tsy mifaditrovana izy raha ny marina. Fantany fa ho loza ny vokany raha manaraka ny teniny i Eva.

6, 7. Ahoana no nitsaran’i Jehovah an’i Adama sy Eva?

6 Tia tena i Adama sy Eva ka nikomy tamin’i Jehovah, izay nanome azy ny fiainana sy ny zavatra hafa rehetra. Mazava ho azy fa fantatr’i Jehovah daholo izay nitranga. (1 Tan. 28:9; vakio ny Ohabolana 15:3.) Navelany hampiseho ny tena fiheverany azy anefa i Adama sy Eva ary Satana. Azo antoka fa nalahelo be i Jehovah Rain’izy ireo rehefa nahita ny nataony. (Ampitahao amin’ny Genesisy 6:6.) Tsy maintsy nanao ny asan’ny Mpitsara izy avy eo, ka nampihatra ny sazy efa nolazainy mialoha.

7 Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Amin’ny andro ihinananao [ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy], dia ho faty tokoa ianao.” Nihevitra angamba i Adama fa iray andro ara-bakiteny io “andro” io. Nety ho nieritreritra izy rehefa avy nandika an’ ilay didy, fa hovonoin’i Jehovah alohan’ny hilentehan’ny masoandro. Niresaka tamin’izy mivady i Jehovah, “tokotokony ho tamin’ny fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka.” (Gen. 3:8) Toy ny hoe nitsara azy mivady izy tamin’izay, ka nihaino an’izay nolazainy mba hahalalana an’izay nitranga. (Gen. 3:9-13) Namoaka didim-pitsarana izy avy eo. (Gen. 3:14-19) Raha novonoiny avy hatrany i Adama sy Eva, dia tsy ho tanteraka ny fikasany momba azy ireo sy ny taranany. (Isaia 55:11) Marina fa nohamafisin’i Jehovah hoe ho faty izy ireo, ary nihatra avy hatrany ny vokatry ny fahotany. Navelan’i Jehovah hiteraka anefa izy ireo ary nataony izay hananan’ny taranany hoavy tsara kokoa. Toy ny hoe maty tamin’ilay andro nanotany i Adama sy Eva, teo imason’Andriamanitra. Tena maty tao anatin’ny iray andro izy ireo, satria toy ny iray “andro” ny arivo taona amin’Andriamanitra.—2 Pet. 3:8.

8, 9. Inona no vokatry ny fahotan’i Adama teo amin’ny taranany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Nisy vokany tamin’ny taranak’i Adama sy Eva ve ny nataony? Eny. Hoy ny Romanina 5:12: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ Ilay lehilahy tsy mivadika atao hoe Abela no maty voalohany. (Gen. 4:8) Nihantitra sy maty koa ny taranak’i Adama tatỳ aoriana. Nandova ota sy fahafatesana ve izy ireo? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tonga mpanota ny maro noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray.’ (Rom. 5:19) Lasa fahavalo tsy azo ivalozana ny ota sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama, ary tsy afa-miala amin’izany ny olona tsy lavorary. Tsy fantatsika hoe ahoana marina no nifindran’ny ota sy fahafatesana tamin’ny zanak’i Adama sy ny taranany rehetra, fa ilay izy aloha dia nifindra.

9 Mety tsara ny ampitahan’ny Baiboly ny ota sy ny fahafatesana amin’ny “rakotra izay mandrakotra ny vahoaka rehetra” sy amin’ny “lamba voatenona manarona ny firenena rehetra.” (Isaia 25:7) Tsy misy afa-miala amin’ny ota sy ny fahafatesana. Noho izany, dia ‘maty ao amin’i Adama ny rehetra.’ (1 Kor. 15:22) Nanontany àry i Paoly hoe: “Iza no hanafaka ahy amin’ity vatako ity, satria izy ity no mitarika ahy ho amin’izany fahafatesana izany?” (Rom. 7:24) Nisy afaka nanafaka azy ve? *

HOFOANANA NY OTA SY NY FAHAFATESANA

10. a) Milazà andinin-teny mampiseho fa hofoanan’i Jehovah ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. b) Inona no asehon’ireo andinin-teny ireo momba an’i Jehovah sy ny Zanany?

10 I Jehovah no nahavita nanafaka an’i Paoly. Hoy i Isaia raha vao avy niresaka momba an’ilay “rakotra”: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” (Isaia 25:8) Toy ny ray manala an’izay zavatra mampijaly ny zanany sy mamafa ny ranomasony i Jehovah. Tena mahafaly azy ny manafoana ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. Misy manampy azy hanao izany, satria hoy ny 1 Korintianina 15:22: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” Rehefa avy nanontany koa i Paoly hoe: “Iza no hanafaka ahy?”, dia hoy izy: “Hisaorana  anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Rom. 7:25) Mbola tsy lefy àry ilay fitiavana nandrisika an’i Jehovah hamorona ny olombelona, na dia nikomy aza i Adama sy Eva. Mbola tena tia ny olombelona koa i Jesosy, izay nanampy an’i Jehovah hamorona ny mpivady voalohany. (Ohab. 8:30, 31) Ahoana anefa no hanafahana ny olombelona?

11. Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana ny olombelona?

11 Lasa tsy lavorary ny olombelona ary maty, noho i Adama nanota sy noho i Jehovah nampihatra ny didim-pitsarany ara-drariny. (Rom. 5:12, 16) Hoy ny Baiboly: ‘Nomelohina noho ny heloka iray ny karazan’olona rehetra.’ (Rom. 5:18) Ahoana no nahafahan’i Jehovah nanala an’ilay fanamelohana sady nanaja ny fitsipika napetrany? Hoy i Jesosy: ‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’ (Mat. 20:28) Afaka nanome ny vidim-panavotana i Jesosy, satria olombelona lavorary izy teto an-tany. Nahoana io vidim-panavotana io no mifanaraka amin’ny rariny?—1 Tim. 2:5, 6.

12. Inona ilay vidim-panavotana mifandanja, izay mifanaraka amin’ny rariny?

12 Afaka niaina mandrakizay hoatran’i Adama tamin’ny mbola tsy nanota i Jesosy satria lavorary. Nanao sorona ny ainy anefa izy, satria tena tia ny Rainy sy ny taranak’i Adama. Nokasain’i Jehovah hofenoina olona lavorary taranak’i Adama mantsy ny tany. Nafoin’i Jesosy tokoa ny ainy lavorary, izay mifandanja amin’ilay aina nafoin’i Adama. Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy avy eo, ary nataony lasa fanahy. (1 Pet. 3:18) Neken’i Jehovah ny sorona nataon’i Jesosy, lehilahy lavorary, satria mifanaraka amin’ny rariny. Nahavita nanavotra ny taranak’i Adama ilay izy, ka ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo. Toy ny hoe nisolo ny toeran’i Adama i Jesosy. Hoy i Paoly: “Izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina i Adama voalohany.’ Ary i Adama farany kosa tonga fanahy mahavelona.”—1 Kor. 15:45.

Handray soa avy amin’ny vidim-panavotan’i Jesosy i Abela, ilay olona voalohany maty (Fehintsoratra 13)

13. Ahoana no anampian’ilay “Adama farany” an’ireo olona efa maty?

13 Tsy ho ela dia hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona ilay “Adama farany.” Anisan’ireo hahazo fiainana ny ankamaroan’ny taranak’i Adama efa maty. Hatsangana amin’ny maty eto an-tany izy ireo.—Jaona 5:28, 29.

14. Inona no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny olombelona ho lavorary indray?

14 Ary ahoana no hahatonga ny olombelona ho lavorary indray? Nanorina Fanjakana iray i Jehovah, ka ho mpitondra ao amin’izy io ilay “Adama farany” sy ireo olona voafidy avy eto an-tany. (Vakio ny Apokalypsy 5:9, 10.) Efa nahatsapa an’izany hoe tsy lavorary izany ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Hanampy ny olona eto an-tany ho lasa lavorary izy ireo sy Jesosy, mandritra ny arivo taona. (Apok. 20:6) Tsy vitan’ny olombelona samirery mantsy izany.

15, 16. a) Inona ilay “fahafatesana, izay fahavalo farany”, ary rahoviana izy io no hofoanana? b) Inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy, araka ny 1 Korintianina 15:28?

15 Ho efa afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona mankatò, amin’ny faran’ny arivo taona. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy. Samy araka ny filaharany avy anefa: I Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany. Ary amin’ny farany, dia hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy, rehefa avy nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary  ny hery rehetra. Fa hanjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Kor. 15:22-26) Ela ny ela ka ho foana ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. Hesorina tanteraka ilay “rakotra” manarona ny olombelona rehetra.—Isaia 25:7, 8.

16 Hoy koa i Paoly: “Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1 Kor. 15:28) Ho vita ny asa nampanaovina ny fitondram-panjakan’i Jesosy. Ho faly i Jesosy amin’izay hamerina ny fahefana amin’i Jehovah sy hanolotra aminy ny fianakavian’olombelona efa lavorary.

17. Inona no hiafaran’i Satana?

17 Ary ahoana ny amin’i Satana, ilay rangory fototry ny afo nahatonga ny fahorian’ny olombelona? Milaza ny Apokalypsy 20:7-15 fa havela hanandrana hamitaka ny olona lavorary rehetra i Satana, mandritra ny fitsapana farany. Horinganina mandrakizay izy sy izay rehetra manaraka azy aorian’izay. Izany no “fahafatesana faharoa.” (Apok. 21:8) Tsy hofoanana ny “fahafatesana faharoa”, satria tsy hovelomina intsony izay lasa any. Tsy manan-kery eo amin’ny olona tia ny Mpamorona sy manompo azy anefa ny “fahafatesana faharoa.”

18. Ahoana no hahatanterahan’ilay asa nampanaovin’Andriamanitra an’i Adama?

18 Heken’i Jehovah ho mendrika ny hiaina mandrakizay ny olona lavorary, ary tsy hanana fahavalo intsony. Ho vita ihany ilay asa nampanaovina an’i Adama, na dia tsy eo aza izy. Hameno ny tany ny taranany amin’izay, ary ho faly hikarakara sy hankafy an’ireo zavamananaina samihafa. Enga anie isika hankasitraka foana an’ilay Andriamanitra be fitiavana, izay hanafoana an’ilay fahavalo farany, dia ny fahafatesana.

^ feh. 9 Milaza ny boky Fandalinana ny Soratra Masina (frantsay) fa rehefa miezaka manazava ny anton’ny fahanterana sy ny fahafatesana ny mpahay siansa, dia ‘odiany tsy fantatra fa ny Mpamorona no namoaka didy nanameloka ny mpivady voalohany ho faty, sy nampihatra an’ilay didy tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’ny olona.’—Boky Faha-2, pejy 1147-1148.