Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2014

Aza Mivadika na Misy “Fahoriana Maro” Aza

Aza Mivadika na Misy “Fahoriana Maro” Aza

“Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”—ASA. 14:22.

1. Nahoana no tsy gaga ny mpanompon’Andriamanitra raha iharam-pahoriana?

MAHAGAGA anao ve ny hoe tsy maintsy miatrika “fahoriana maro” isika vao hahazo fiainana mandrakizay? Azo inoana fa tsia. Fantatrao fa tsy maintsy misy fahoriana eto amin’ity tontolon’i Satana ity, na vao haingana ianao na efa ela no nanompo an’i Jehovah.—Apok. 12:12.

2. a) Inona no fahoriana mahazo ny Kristianina, ankoatra ny olana mpahazo ny olona rehetra tsy lavorary? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Iza no mahatonga ny fahoriantsika, ary ahoana no ahalalantsika an’izany?

2 Miatrika fahoriana hafa ny Kristianina, ankoatra ny olana “mpahazo ny olona” rehetra tsy lavorary. (1 Kor. 10:13) Izany dia ny fanenjehana mafy, noho izy ireo mankatò foana ny lalàn’Andriamanitra. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) I Satana no tena fototr’izany fanoherana izany. Toy ny “liona mierona” izy, hoy ny Baiboly, ary ‘mitady handrapaka’ ny mpanompon’Andriamanitra. (1 Pet. 5:8) Hampiasa izay fomba rehetra hitany izy mba hampivadika ny mpanara-dia an’i Jesosy. Diniho ny nanjo ny apostoly Paoly.

 FAHORIANA TANY LYSTRA

3-5. a) Inona no fahoriana nahazo an’i Paoly tany Lystra? b) Nahoana no nanatanjaka an’ireo mpianatra ilay tenin’i Paoly momba ny fahoriana ho avy?

3 Imbetsaka i Paoly no nenjehina noho ny finoany. (2 Kor. 11:23-27) Izany, ohatra, no nahazo azy tany Lystra. Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny izy sy Barnabasy namany, ka nomem-boninahitra toy ny andriamanitra. Tsy maintsy niangavian’izy roa lahy ny vahoaka mba tsy hivavaka taminy. Tsy ela taorian’izay anefa dia tonga ireo Jiosy mpanohitra, ka nanendrikendrika azy roa lahy sy nanapoizina ny sain’ny vahoaka. Nivadika tampoka ny rasa, ka nitora-bato an’i Paoly ny vahoaka. Tsy namelany izy raha tsy noheveriny fa maty.—Asa. 14:8-19.

4 Nankany Derbe i Paoly sy Barnabasy taorian’izay. “Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy ireo avy eo, ary nanatanjaka an’ireo mpianatra sy nampahery azy mba tsy hialany amin’ny finoana, ka nanao hoe: ‘Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’ ” (Asa. 14:21, 22) Mety ho hafahafa ihany izany, satria toa mahakivy fa tsy mampahery ny hoe handia “fahoriana maro.” Nahoana àry no hoe “nanatanjaka an’ireo mpianatra” i Paoly sy Barnabasy, rehefa nilaza fa vao mainka hiampy ny fahorian’ireo mpianatra?

5 Diniho tsara ange ny tenin’i Paoly e! Tsy niteny fotsiny izy hoe: “Tsy maintsy miaritra fahoriana maro isika.” Hoy kosa izy: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Nanatanjaka ny mpianatra àry i Paoly rehefa nanasongadina fa handray valisoa ireo tsy mivadika. Tsy nofinofy fotsiny io valisoa io. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”Mat. 10:22.

6. Inona no valisoa ho azon’ireo miaritra fahoriana?

6 Hovalian-tsoa isika raha miaritra. Ho lasa tsy mety maty ireo Kristianina voahosotra, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Ny “ondry hafa” indray hiaina mandrakizay eto amin’ny tany “hitoeran’ny fahamarinana.” (Jaona 10:16; 2 Pet. 3:13) Hiatrika fahoriana maro anefa isika eo am-piandrasana an’izany, araka ny nolazain’i Paoly. Misy karazany roa izany fahoriana izany.

FANAFIHANA MIVANTANA

7. Inona no anisan’ny fanafihana mivantana?

7 Nilaza mialoha i Jesosy hoe: “Hanolotra anareo amin’ny fitsarana eo an-toerana ny olona. Ary hokapohina any amin’ny synagoga ianareo ka hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka.” (Mar. 13:9) Hitantsika amin’ireo teny ireo fa hihatra aman’aina ny fahorian’ny Kristianina sasany, ary mety ho ny mpitondra fivavahana na ny manam-pahefana no hahatonga izany. (Asa. 5:27, 28) Eritrereto indray i Paoly. Natahotra ve izy rehefa nieritreritra hoe henjehina? Tsy izany mihitsy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:22, 23.

8, 9. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tapa-kevitra ny hiaritra izy? Ahoana koa no ampisehoan’ny Vavolombelona ankehitriny fa tapa-kevitra ny tsy hivadika izy?

8 Sahy niatrika ny fanafihana mivantana nalefan’i Satana i Paoly. Hoy izy: ‘Tsy heveriko ho zava-dehibe ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ (Asa. 20:24) Hita amin’izany fa tsy natahotra hiatrika fanenjehana i Paoly. Tapa-kevitra ny hiaritra kosa izy na inon-kidona na inon-kihatra. “Ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara” no tena nimasoany, na inona na inona fahoriana nianjady taminy.

 9 Tapa-kevitra ny tsy hivadika koa ny rahalahy sy anabavy maro ankehitriny. Efa ho 20 taona, ohatra, no nigadra ny Vavolombelona sasany any amin’ny tany iray, satria tsy nety nanao miaramila. Tsy nandalo fitsarana mihitsy izy ireo satria tsy nisy lalàna momba ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana tao amin’ilay tany. Tsy nisy navela hitsidika azy ireo, na dia ny vady aman-janany aza. Nokapohina sy nampijalina tamin’ny fomba isan-karazany ny sasany taminy.

10. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra an’izay fahoriana mety hitranga tampoka?

10 Tampoka ny fahoriana manjo ny rahalahy sy anabavy sasany. Aza matahotra raha izany no mahazo anao. Tadidio i Josefa. Namidy ho andevo izy nefa “nanafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra” i Jehovah. (Asa. 7:9, 10) Afaka manafaka anao koa i Jehovah. Aza hadinoina mihitsy fa ‘hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’ (2 Pet. 2:9) Afaka manafaka anao amin’ity tontolo ratsy ity izy, ka hanome anao fiainana mandrakizay rehefa hitondra ny Fanjakany. Tena tokony hatoky azy àry ianao ka ho sahy hiatrika fanenjehana.—1 Pet. 5:8, 9.

FANAFIHANA AN-KOLAKA

11. Inona no tsy mampitovy ny fanafihana an-kolaka sy ny fanafihana mivantana?

11 Anisan’ny fahoriana mety hanjo antsika koa ny fanafihana an-kolaka. Inona no tsy mampitovy azy io amin’ny fanafihana mivantana, na ny fanenjehana mihatra aman’aina? Toy ny rivo-doza mamely ny tanàna iray sy mandrava ny tranonao ao anatin’ny indray mipy maso ny fanafihana mivantana. Ny fanafihana an-kolaka kosa dia toy ny ataon’ny andiana vitsikazo mitsofoka tsimoramora ao amin’ny trano iray, ka mikiky tsikelikely ny hazo ao mandra-pirodany. Mety tsy ho tsikaritry ny tompony izany raha tsy efa tara loatra.

12. a) Inona no fanafihana an-kolaka iray ampiasain’i Satana, ary nahoana ilay izy no tena mandaitra? b) Inona no vokatry ny fahakiviana teo amin’i Paoly?

12 Te hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah i Satana. Mety hanafika mivantana amin’ny alalan’ny fanenjehana izy, na hanafika an-kolaka ka hikiky tsikelikely ny finoantsika. Anisan’ny fanafihana an-kolaka mandaitra indrindra ny fahakiviana. Niaiky i Paoly fa kivy izy indraindray. (Vakio ny Romanina 7:21-24.) Nahoana izy no niantso ny tenany hoe “olo-mahantra”, nefa izy faran’izay natanjaka ara-panahy ary angamba anisan’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany? Nilaza izany izy noho izy tsy lavorary. Tena te hanao ny tsara izy, nefa tsapany hoe misy hery manohitra azy ao anatiny ao. Izany koa ve no tsapanao indraindray? Tsy hitanao ve hoe mampahery ny mahalala fa na ny apostoly Paoly aza nanana fihetseham-po toy izany?

13, 14. a) Inona no antony mety hahakivy ny mpanompon’i Jehovah sasany? b) Iza no te handrava ny finoantsika, ary nahoana?

13 Rahalahy sy anabavy maro no kivy na manahy indraindray, ary misy aza mahatsiaro ho tsy misy ilana azy. Nilaza, ohatra, ny anabavy mpisava lalana iray be zotom-po hoe: “Mitamberina ao an-tsaiko foana ny fahadisoana sasany nataoko, ka vao mainka manamelo-tena aho isaky ny mahatsiaro an’izany. Mieritreritra mihitsy aza aho hoe tsy misy olona afaka ny ho tia ahy, noho ny fahadisoana rehetra vitako. Na i Jehovah koa aza tsy ho tia ahy.”

14 Nahoana no kivy ny sasany amin’ny mpanompon’i Jehovah be zotom-po, toa an’io anabavy io? Maro no mety ho antony. Mora mieritreritra zavatra ratsy momba ny tenany sy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany ny olona sasany. (Ohab. 15:15) Misy indray manana aretina misy vokany eo amin’ny fihetseham-po.  Na inona na inona anefa antony, dia tadidio hoe iza no te hanararaotra ny fahakivianao. Iza tokoa moa no faly raha kivy be ianao ka tsy manompo an’i Jehovah intsony? Iza no efa voaheloka ka tsy manana fanantenana, ary maniry anao hahatsiaro ho meloka koa? I Satana. (Apok. 20:10) Manafika mivantana na an-kolaka izy, mba hahatonga anao hanahy sy tsy hazoto hanompo ary hiala amin’i Jehovah. Tadidio tsara àry fa toy ny any an’ady ny vahoakan’Andriamanitra izao, satria miady mba tsy hivadika amin’i Jehovah.

15. Ahoana no ampisehoantsika fa tapa-kevitra ny handresy ny fahakiviana isika?

15 Aza milavo lefona mihitsy àry. Tadidio foana ny valisoanao. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina tao Korinto i Paoly: “Tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny tenanay anaty. Fa na mihelina sy maivana aza ny fahoriana, dia mitondra voninahitra bebe kokoa sy mandrakizay ho anay.”—2 Kor. 4:16, 17.

DIENY IZAO DIA MIOMÀNA HIATRIKA FAHORIANA

Mila manao fanazaran-tena mba hiarovana ny finoany ny Kristianina, na kely izy na lehibe (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana no zava-dehibe ny miomana dieny izao mba hiatrika fahoriana?

16 Manana ‘teti-dratsy’ maromaro i Satana araka ny hitantsika teo. (Efes. 6:11) Ilaintsika rehetra àry ny manaraka ny voalazan’ny 1 Petera 5:9 hoe: ‘Tohero izy ka manàna finoana matanjaka.’ Raha te hahavita an’izany isika, dia mila manomana ny saintsika sy ny fontsika, ka manazatra ny tenantsika dieny izao mba hanao ny tsara. Diniho ny miaramila. Ela be alohan’ny hisian’ny ady matetika, dia efa manao fanazaran-tena mafy be sy mifampitohitohy izy ireo. Toy izany koa no tokony hataontsika miaramilan’i Jehovah. Mbola tsy haintsika izay hitranga amin’ny hoavy, amin’ilay ady ara-panahy ataontsika. Hendry àry isika raha manao fanazaran-tena be, dieny  mbola azo lazaina hoe milamindamina ny fiainana. Nampirisika ny Kristianina tao Korinto i Paoly hoe: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.”—2 Kor. 13:5.

17-19. a) Inona avy no tokony hosaintsainintsika rehefa mandini-tena isika? b) Inona no fiomanana azon’ny tanora atao raha te hiaro ny finoany izy any am-pianarana?

17 Mila mandini-tena lalina isika, raha te hampihatra ny torohevitr’i Paoly. Saintsaino hoe: ‘Mivavaka tsy tapaka ve aho? Andriamanitra ve no ankatoaviko fa tsy olona, rehefa misy mitaona ahy hanao ratsy? Mivory tsy tapaka ve aho? Sahy miresaka momba ny zavatra inoako ve aho? Tena miezaka ve aho mba hamela ny fahadisoan’ny mpiara-manompo, toy ny ataon’izy ireo amiko? Manaiky an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana sy ireo mitarika ny fandaminana ve aho?’

18 Mariho fa misy fanontaniana roa eo mampirisika antsika hiaro ny zavatra inoantsika sy tsy hanaiky rehefa misy mitaona antsika hanao ratsy. Mila manao an’izany ny tanora maro any am-pianarana. Nianatra ny tsy ho menatra izy ireo fa ho sahy hiaro ny finoany. Misy soso-kevitra maro afaka manampy ao amin’ny gazetintsika. Milaza, ohatra, ny Mifohaza! Jolay 2009 fa raha misy mpiara-mianatra manontany hoe: “Maninona ianao no tsy mino ny evolisiona?”, dia azo valiana fotsiny izy hoe: “Nahoana moa aho no tokony hino ny evolisiona? Ny mpahay siansa aza tsy mitovy hevitra momba an’ilay izy akory, nefa ry zareo no lazaina fa tena mahay!” Ry ray aman-dreny, aza hadinoina àry ny manao fanazaran-tena miaraka amin’ny zanakareo, mba ho vonona hiatrika toe-javatra toy izany izy any am-pianarana.

19 Marina fa tsy mora indraindray ny miaro ny zavatra inoantsika sy ny manao an’izay asain’i Jehovah atao. Tsy maintsy manery tena mba handeha hivory angamba isika, rehefa avy miasa mandritra ny iray andro tontolo. Mila miady mafy mba handao ny fandriana mafana koa angamba isika, rehefa mila mifoha maraina mba handeha hanompo. Tadidio anefa fa ho vonona hiatrika fahoriana mafy kokoa ianao amin’ny hoavy, raha efa manana fahazarana ara-panahy tsara ianao dieny izao.

20, 21. a) Nahoana no manampy antsika handresy fahakiviana ny misaintsaina ny vidim-panavotana? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Ary ahoana raha sendra fanafihana an-kolaka toy ny fahakiviana isika? Saintsaino ny vidim-panavotana, fa izay no fomba tsara indrindra handresena an’izany. Nisaintsaina ny vidim-panavotana ny apostoly Paoly. Kivy izy indraindray ka nilaza fa “olo-mahantra” izy. Fantany koa anefa fa maty ho an’ny mpanota i Kristy fa tsy ho an’ny olona lavorary. Anisan’ireny mpanota ireny i Paoly. Hoy izy: ‘Miaina mifanaraka amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra aho. Tia ahy izy ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ (Gal. 2:20) Nanaiky ny vidim-panavotana àry i Paoly, ary nino hoe natao ho azy izy io.

21 Tena hanampy anao koa ny mieritreritra hoe fanomezana nataon’i Jehovah ho anao ny vidim-panavotana. Tsy midika anefa izany hoe hisinda tampoka eo ny fahakivianao. Mety hisy amintsika hiaritra an’io fanafihana an-kolaka io hatrany amin’ny tontolo vaovao. Tadidio anefa fa izay miaritra hatramin’ny farany ihany no hahazo ny loka. Efa tena kely sisa dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hanjaka ny fiadanana ary ho lasa lavorary ny olona rehetra tsy mivadika. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hiditra ao amin’io Fanjakana io, na dia tsy maintsy handia fahoriana maro aza vao ho tonga any.