Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2014

Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah An’ireo Malemy

Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah An’ireo Malemy

“Ilaina ny rantsambatana izay toa malemy kokoa.”—1 KOR. 12:22.

1, 2. Nahoana i Paoly no nahatakatra tsara ny mahazo an’ireo malemy?

MAHATSIARO ho kely aina isika rehetra indraindray. Voan’ny gripa angamba isika na tsy metimety, ka tsy manana hery hamitana ny zavatra fanaontsika andavanandro. Eritrereto anefa hoe tsy mandritra ny herinandro na tapa-bolana fotsiny ianao no reraka, fa amam-bolana maro. Tsy ho tianao ve raha mangoraka anao ny hafa?

2 Niatrika olana teo anivon’ny fiangonana sy avy eny ivelany ny apostoly Paoly. Nampihena ny heriny mihitsy izany indraindray. Matetika izy no nieritreritra hoe tsy ho zakany intsony ilay izy. (2 Kor. 1:8; 7:5) Efa nahatsiaro ho malemy àry i Paoly noho ny zavatra niainany sy ny olana maro natrehiny, ka afaka nilaza izy hoe: “Iza no malemy ka tsy malemy aho?” (2 Kor. 11:29) Nilaza i Paoly fa toy ireo rantsambatana amin’ny vatana ny olona samihafa eo anivon’ny fiangonana, ka “ilaina” na dia “ny rantsambatana izay toa malemy kokoa” aza. (1 Kor. 12:22) Inona no tiany holazaina? Nahoana isika no tokony hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah an’ireo heverina ho malemy kokoa? Inona no soa horaisintsika amin’izany?

 NY FIHEVERAN’I JEHOVAH AN’IREO OSA

3. Nahoana isika no mety ho lasa tsy te hiraharaha an’ireo mpiara-manompo mila fanampiana?

3 Tia mifaninana ny olona ankehitriny, ka izay matanjaka sy tanora matetika no hindrahindraina. Maro no manao izay rehetra azony atao mba hahazoana izay tadiaviny, ka matetika izy ireo no manao tsinontsinona ny fihetseham-pon’ireo kely hery kokoa. Marina fa tsy manala tsiny an’izany toe-tsaina izany isika. Mety tsy ho tandrintandrintsika anefa fa efa manan-kery eo amintsika izany, ka lasa tsy te hiraharaha an’ireo mpiara-manompo mila fanampiana foana isika. Inona no hanampy antsika hitovy fomba fijery amin’Andriamanitra?

4, 5. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo malemy, rehefa jerena ilay fanoharana ao amin’ny 1 Korintianina 12:21-23? b) Inona no soa raisintsika rehefa manampy ny malemy isika?

4 Mahalala ny fomba fijerin’i Jehovah ny malemy isika, rehefa mandinika ny fanoharan’i Paoly ao amin’ny Korintianina Voalohany. Mampahatsiahy antsika i Paoly ao amin’ny toko faha-12 fa manana ny asany daholo ny rantsambatana, na dia ny malemy indrindra sy ratsy endrika indrindra aza. (Vakio ny 1 Korintianina 12:12, 18, 21-23.) Tsy manaiky an’izany ny olona sasany mino ny evolisiona (na fiovana miandalana). Hitan’ny mpahay siansa anefa fa tena ilaina ny asan’ny rantsambatana noheverina ho tsy misy ilana azy. * Nisy nihevitra, ohatra, taloha hoe tsy misy ilana azy ny ankikelin-tongotra. Voamarina anefa izao fa manampy antsika hijoro tsara sy tsy hianjera izy io.

5 Asongadin’ilay fanoharan’i Paoly fa ilaina daholo ny olona eo anivon’ny fiangonana. I Satana no manao izay hahatonga antsika hihevi-tena ho tsy misy ilana azy. (Joba 4:18, 19) I Jehovah kosa mihevitra fa “ilaina” ny mpanompony rehetra, anisan’izany ireo heverina ho malemy. Tokony hampahery antsika izany satria midika hoe ilaina isika tsirairay, eo anivon’ny fiangonantsika sy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Efa nitantana zokiolona iray nila fanampiana angamba ianao. Mety ho nila nandeha niadana kokoa ianao tamin’izay. Azo antoka anefa fa nahasoa an’ilay zokiolona izany ary nahafaly anao koa. Mahafaly tokoa ny manampy ny hafa, sady mahatonga antsika hanana faharetana sy fitiavana bebe kokoa ary hihamatotra. (Efes. 4:15, 16) Tian’i Jehovah hihevitra isika hoe sarobidy ny rahalahy sy anabavy rehetra, na dia ireo heverina ho malemy aza. Tsy hitaky be loatra amin’izy ireo isika amin’izay, ary ho be fitiavana kokoa ny fiangonana.

6. Nahoana i Paoly no nampiasa ny teny hoe “malemy” sy “matanjaka”?

6 Marina fa nampiasa ny teny hoe “malemy” sy “osa” i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina. Tsy nihevitra ny hafa ho toy izany anefa izy, fa fiheveran’ny tsy mpino an’ireo Kristianina izany. Izy mihitsy koa no nahatsiaro ho osa indraindray. (1 Kor. 1:26, 27; 2:3) Nilaza koa izy hoe “matanjaka” ny Kristianina sasany, nefa tsy te hilaza izy hoe ambony noho ny hafa izy ireny. (Rom. 15:1) Te hiteny fotsiny izy fa tokony hanam-paharetana amin’ireo mbola tsy miorina tsara amin’ny fahamarinana ireo matotra kokoa.

MILA MANITSY NY FOMBA FIJERINTSIKA VE ISIKA?

7. Inona no mety hisakana antsika tsy hanampy an’ireo manana olana?

7 Manampy ny malemy i Jehovah, ary faly izy rehefa manahaka azy isika. (Sal. 41:1; Efes. 5:1) Mety hisalasala hanampy an’ireo mpiara-manompo amintsika anefa isika indraindray. Nahoana? Mihevitra angamba isika fa andraikiny  ny mandamina ny olana mahazo azy. Na mety tsy ho hitantsika izay holazaina, ka menatra isika ary mihatakataka amin’ireo manana olana. Hoy i Cynthia, * anabavy nilaozan’ny vadiny: “Tena malahelo ianao rehefa mihatakataka aminao ny mpiray finoana, na tsy manao izay mba antenainao hataon’ny namana akaiky. Mila olona hanohana anao ianao, rehefa misedra olana.” Nalahelo koa i Davida Mpanjaka rehefa nihatakatahan’ny namany.—Sal. 31:12.

8. Inona no hanampy antsika hangoraka kokoa?

8 Inona no hanampy antsika hangoraka kokoa an’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika? Tadidio fa maro amin’izy ireny no mijaly satria marary na ketraka mafy na miara-mipetraka amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona. Mety mbola hiatrika olana mitovy amin’izay atrehin’izy ireny koa isika. Nampahatsiahivina ireo Israelita, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, fa tsy tokony ‘hanamafy ny fony’ amin’ireo rahalahiny ory. Efa mba nahantra sy nijaly mantsy izy ireo tany Ejipta. Tian’i Jehovah hanampy ny mahantra izy ireo.—Deot. 15:7, 11; Lev. 25:35-38.

9. Inona no tokony hoeritreretintsika voalohany rehefa misy manana olana? Manomeza ohatra.

9 Tsy tokony hitsaratsara na hiahiahy an’ireo Kristianina miatrika olana isika, fa tokony hampahery azy ireo kosa. (Joba 33:6, 7; Mat. 7:1) Eritrereto hoe niharan-doza ny mpitaingina môtô iray ary nentina tany amin’ny hopitaly. Mbola hanadihady ve ireo mpitsabo hoe izy no nahatonga an’ilay loza sa tsia? Tsia. Hitsabo azy avy hatrany kosa izy ireo. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa misy mpiara-manompo malemy noho ny olana mahazo azy. Izay hanampiana azy no tokony hoeritreretintsika voalohany.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:14.

10. Inona no mampiseho fa tena ‘manan-karena amin’ny finoana’ ny olona sasany, na dia toa malemy aza?

10 Marina fa hoatran’ny hoe malemy ny mpiara-manompo sasany. Ho hafa mihitsy anefa ny fahitantsika azy, raha misaintsaina ny zavatra iainany isika. Efa an-taonany maro, ohatra, ny anabavy sasany no niaritra ny fanoheran’ny vadiny. Mety ho tsotsotra sy kely aina ny fahitana azy, nefa manana finoana matanjaka sy be herim-po izy. Ary ahoana no tsapanao rehefa mahita reny tokan-tena tonga mivory foana miaraka amin’ny zanany? Tsy mampiaiky anao ve ny finoany sy ny fikirizany? Eo koa ireo tanora maro izay tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy, na dia taomin’ny hafa hanao ratsy aza any an-tsekoly. Lasa manetry tena isika rehefa mieritreritra an’izany. Miaiky isika fa na dia toa malemy aza izy ireny, dia ‘manan-karena amin’ny finoana’, toa an’ireo Kristianina hafa tsy dia manana olana.—Jak. 2:5.

TAHAFO NY FOMBA FIJERIN’I JEHOVAH

11, 12. a) Inona no hanampy antsika hanitsy ny fomba fijerintsika an’ireo malemy? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Arona?

11 Inona no hanampy antsika hanitsy ny fiheverantsika an’ireo malemy, ka hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah azy ireny? Mila misaintsaina ny fomba nitondran’i Jehovah ny mpanompony sasany isika. (Vakio ny Salamo 130:3.) Alao sary an-tsaina hoe niaraka tamin’i Mosesy ianao rehefa nanao an’ilay zanak’omby volamena i Arona. Mety ho nanao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa nandre ny fialan-tsiny tsy mitombina nolazain’i Arona? (Eks. 32:21-24) Notaomin’i Miriama anabaviny koa i Arona, ka nanakiana an’i Mosesy noho izy nanambady vehivavy hafa firenena. Ahoana no mety ho nitsaranao an’i Arona? (Nom. 12:1, 2) Ary mety ho nanao ahoana ny fihetsikao rehefa tsy nanome voninahitra an’i Jehovah i Arona sy Mosesy, tamin’i Jehovah namoaka rano  tamin’ny fomba mahagaga tao Meriba?—Nom. 20:10-13.

12 Afaka nanasazy an’i Arona avy hatrany i Jehovah tamin’ireo toe-javatra ireo. Hitany anefa fa tsy olon-dratsy i Arona. Nanao fahadisoana izy satria angamba mafy ny nanjo azy na tsy nahatohitra izy rehefa notaomin’ny hafa hanao ratsy. Rehefa nampahafantarina azy anefa ny fahadisoany, dia niaiky izy ary nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. (Eks. 32:26; Nom. 12:11; 20:23-27) Naleon’i Jehovah nifantoka tamin’ny finoan’i Arona sy ny fibebahany. Ny fahatahorana an’i Jehovah no nahatsiarovana an’i Arona sy ny taranany, na dia efa taonjato maro tatỳ aoriana aza.—Sal. 115:10-12; 135:19, 20.

13. Inona no hanampy antsika hanitsy ny fisainantsika? Manomeza ohatra.

13 Ilaintsika aloha ny mandinika ny fomba fijerintsika an’ireo heverina ho malemy. Aorian’izay isika vao ho afaka hanitsy ny fomba fijerintsika mba hitovy amin’ny an’i Jehovah. (1 Sam. 16:7) Ahoana, ohatra, no ataontsika raha misy tanora tsy mahay mifidy fialam-boly na manaonao foana? Aleo mieritreritra ny fomba anampiana azy hihamatotra, fa tsy manakiana be azy. Hanjary hanam-paharetana sy ho be fitiavana kokoa isika, raha manao zavatra mba hanampiana ny olona toy izany.

14, 15. a) Inona no nataon’i Jehovah rehefa hitany hoe tsy nanana herim-po i Elia? b) Inona no lesona raisintsika avy amin’ny tantaran’i Elia?

14 Mila mandinika an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny mpanompony kivy koa isika, raha te hanitsy ny fiheverantsika ny hafa. Ilaintsika ny mampitaha ny fomba fijerintsika amin’ny fomba fijeriny. Ahoana, ohatra, no nataony tamin’i Elia? Sahy nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala 450 i Elia, nefa nandositra izy rehefa fantany hoe nanao tetika hamonoana  azy i Jezebela Mpanjakavavy. Nandeha an-tongotra 150 kilaometatra teo ho eo nankany Beri-sheba izy, ary nankany an-tany efitra. Reraky ny dia izy sady avy nodanihin’ny masoandro, ka nipetraka teo ambany hazo ary “nangataka ny ho faty.”—1 Mpanj. 18:19; 19:1-4.

Takatr’i Jehovah fa voafetra ihany ny herin’i Elia, ka naniraka anjely izy hampahery azy (Fehintsoratra 14, 15)

15 Inona no nataon’i Jehovah rehefa hitany hoe namoy fo ilay mpaminaniny? Tsy nekeny ho mpanompony intsony ve izy satria ketraka sy tsy nanana herim-po? Tsy izany mihitsy. Takany fa voafetra ihany ny herin’i Elia, ka naniraka anjely izy hanampy azy. Indroa ilay anjely no nanome azy sakafo. Hatanjaka tsara izy amin’izay ka ho afaka hanohy ny diany. (Vakio ny 1 Mpanjaka 19:5-8.) Nihaino an’ilay mpaminaniny aloha i Jehovah ary nanao zavatra mba hanampiana azy, izay vao nanome toromarika azy.

16, 17. Ahoana no anahafantsika ny fiahian’i Jehovah an’i Elia?

16 Ahoana no azontsika anahafana an’ilay Andriamanitsika be fiahiana? Tsy tokony ho maika hanome torohevitra isika. (Ohab. 18:13) Mety hahatsiaro ho “tsy dia mendri-kaja”, ohatra, ny olona sasany noho ny zavatra iainany. (1 Kor. 12:23) Ilaintsika aloha ny mihaino azy sy mampiseho fa mangoraka azy. Ho afaka hanao zavatra mifanaraka amin’izay tena ilainy isika avy eo.

17 Tadidinao angamba i Cynthia, ilay anabavy nilaozan’ny vadiny voaresaka tany aloha. Nanirery izy sy ny zanany roa vavy. Inona no nataon’ny mpiara-manompo? Hoy i Cynthia: ‘Nantsoinay tamin’ny telefaonina ny mpiara-manompo ary nolazainay taminy izay nitranga. Tsy ampy adiny iray taorian’izay dia efa tao an-tranonay ry zareo, ary nitomany. Tsy namela anay ho irery mihitsy izy ireo nandritra ny roa na telo andro taorian’izay. Nentin’izy ireo nipetraka tany aminy izahay, satria tsy nisakafo tsara sady mbola voadona be.’ Mampahatsiahy antsika an’izay nolazain’i Jakoba izany. Hoy izy: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo isan’andro, nefa misy aminareo milaza aminy hoe: ‘Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!’, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany? Toy izany koa ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao, dia maty.” (Jak. 2:15-17) Nahazo hery indray i Cynthia sy ny zanany noho ny fanampian’ireo mpiara-manompo. Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy àry izy ireo, enim-bolana monja taorian’izay.—2 Kor. 12:10.

MANDRAY SOA NY REHETRA

18, 19. a) Ahoana no azontsika anampiana an’ireo malemy? b) Iza avy no mandray soa rehefa manampy an’ireo malemy isika?

18 Elaela vao matanjaka tsara ny olona avy marary be. Toy izany koa fa mety ho elaela vao matanjaka ara-panahy indray ny Kristianina nanao fahadisoana na niatrika olana tena mafy. Marina fa mila mianatra samirery sy mivavaka ary mivory ilay mpiara-manompo, mba hananany finoana matanjaka. Mila manam-paharetana aminy anefa isika mandra-pahatongany ho salama ara-panahy indray. Mila mampiseho fitiavana aminy foana koa isika. Hiezaka isika hanampy an’ireo malemy, mba hahatsapany hoe sarobidy izy ary tiantsika.—2 Kor. 8:8.

19 Aza hadinoina fa ho sambatra isika raha manampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika, satria mahasambatra ny manome. Manampy antsika izany mba hahay hangoraka sy hanam-paharetana kokoa. Tsy izay ihany anefa fa ny fiangonana manontolo mihitsy no lasa mifankatia kokoa. Ambonin’izany, dia manahaka an’i Jehovah isika satria mihevitra ny olona tsirairay ho sarobidy izy. Maro tokoa ny antony tokony hanarahantsika an’ilay fampirisihana hoe: ‘Ampio ireo mila ampiana.’—Asa. 20:35.

^ feh. 4 Nilaza i Charles Darwin ao amin’ilay bokiny hoe Ny Razamben’ny Olombelona (anglisy), fa misy taova maromaro “tsy ilaina” ao amin’ny vatana. Manizingizina ny olona iray manohana ny heviny fa misy taova maromaro “tsy miasa intsony” ao amin’ny vatan’olombelona, anisan’izany ny kambontsinay sy ny fihary iray ao amin’ny tratra.

^ feh. 7 Novana ny anarana.