Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2014

Ampio ny Hafa Hanome ny Tsara Indrindra

Ampio ny Hafa Hanome ny Tsara Indrindra

“Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—SAL. 32:8.

1, 2. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny mpanompony eto an-tany?

VARIANA ny ray aman-dreny matetika rehefa mijery an-janany milalao, ka mahita ny talentany. Mety ho efa tsapanao izany. Misy ankizy, ohatra, havanana amin’ny spaoro, ary misy mahay manao sary na asa tanana. Na inona na inona anefa manavanana ny zanany, dia faly foana ny ray aman-dreny mahita hoe mety hahavita zavatra tsara ilay ankizy amin’ny hoavy.

2 Tena tia mandinika ny zanany eto an-tany koa i Jehovah. Antsoiny hoe “zava-tsarobidin’ny firenena rehetra” izy ireo. (Hag. 2:7) Sarobidy aminy izy ireo satria manam-pinoana sy tena tia azy. Mety ho voamarikao fa samy manana ny talentany ireo Vavolombelona ankehitriny. Ny rahalahy sasany havanana amin’ny fanaovana lahateny, fa ny hafa kosa tena mahay mandamin-javatra. Maro koa ny anabavy kinga be mianatra teny vahiny sy mampiasa izany eny amin’ny saha. Ny hafa kosa tena mahay mampahery na mikarakara marary. (Rom. 16:1, 12) Tsy faly ve isika manana an’ireny Kistianina rehetra ireny eo anivon’ny fiangonana?

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Misy anefa mahatsapa hoe tsy tena ilaina izy eo anivon’ny  fiangonana. Anisan’izany ny rahalahy tanora na vao vita batisa. Ahoana no anampiana azy ireny hanao izay tsara indrindra vitany? Nahoana isika no mila manahaka an’i Jehovah, ka hijery an’izay tsara ao amin’ny hafa?

MAHITA AN’IZAY TSARA AO AMIN’NY MPANOMPONY I JEHOVAH

4, 5. Inona no hitan’i Jehovah tamin’i Gideona, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

4 Hita ao amin’ny Baiboly fa tsy izay zavatra tsara efa ao amin’ny mpanompony fotsiny no hitan’i Jehovah, fa izay zavatra tsara mety mbola ho vitany koa. Eritrereto i Gideona. Izy no voafidy hanafaka ny Israelita tamin’ny Midianita nampahory azy ireo. Gaga be izy rehefa nisy anjely niteny taminy hoe: “Momba anao i Jehovah, ry ilay matanjaka sady mahery fo.” Tsy nieritreritra mihitsy i Gideona hoe “matanjaka” izy. Nampisalasala azy izany ary nihevi-tena ho tsinontsinona izy. Hita tamin’ny tohin’ny resak’izy sy ilay anjely anefa fa hafa mihitsy ny fahitan’i Jehovah azy. Hitan’i Jehovah ny zavatra tsara mety ho vitany.—Vakio ny Mpitsara 6:11-16.

5 Natoky i Jehovah hoe hahavita hanafaka ny Israely i Gideona, satria efa hitany ny toetra tsarany. Nahita azy nively vary tamin’ny heriny manontolo, ohatra, ilay anjelin’i Jehovah. Tsy izay ihany anefa. Fanaon’ny tantsaha tamin’izany ny mively vary eny an-kalamanjana. Amin’izay tsofin’ny rivotra ny akofa. Nahagaga anefa fa niafina tao anaty lavaka famiazam-boaloboka i Gideona rehefa nively vary. Efa kely mantsy ny variny ka tsy tiany ho hitan’ny Midianita sao halainy. Nahira-tsaina tokoa i Gideona! Tsy tantsaha malina fotsiny àry no fahitan’i Jehovah azy, fa lehilahy hendry koa. Nahita ny zavatra tsara mety ho vitan’i Gideona izy, ka nampiasa azy.

6, 7. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Amosa, nefa ahoana no nety ho fahitan’ny Israelita sasany azy? b) Inona no manaporofo fa nety ny nifidianan’i Jehovah an’i Amosa?

6 Nahita ny zavatra tsara mety ho vitan’i Amosa mpaminany koa i Jehovah, na dia toa tsotsotra sy tsy dia miavaka aza no fahitan’ny olona maro azy. Nilaza i Amosa fa mpiandry ondry izy sady mpanindrona aviavidia. Karazan’aviavy noheverina ho sakafon’ny mahantra izy io. Angamba nisy Israelita nihevitra hoe tsy nahay nifidy i Jehovah, rehefa hitan’izy ireo fa i Amosa no nirahiny hanameloka ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely mpanompo sampy.—Vakio ny Amosa 7:14, 15.

7 Hita anefa hoe nahalala zavatra i Amosa, na dia avy any amin’ny tanàna mitokana aza. Fantany, ohatra, ireo fomba amam-panao sy ireo mpitondra tamin’izany. Toa fantany tsara koa ny zava-nisy teo amin’ny Israely. Mety ho nahalala ny mombamomba an’ireo firenena nanodidina koa izy, satria nifandray tamin’ny mpivaro-mandeha. (Amosa 1:6, 9, 11, 13; 2:8; 6:4-6) Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa mpanoratra mahay i Amosa. Nampiasa teny tsotra sy manan-danja izy, sady nahay nampiasa tsilalaon-teny sy fampitahana. Tsy natahotra izy namaly an’i Amazia mpisorona nivadi-pinoana, ka voaporofo fa tsy diso i Jehovah nifidy azy. Hain’i Jehovah koa ny nampiasa ny fahaizan’i Amosa, izay mety ho mbola tsy niharihary talohan’izay.—Amosa 7:12, 13, 16, 17.

8. a) Inona no toky nomen’i Jehovah an’i Davida? b) Nahoana ny Salamo 32:8 no mampahery an’izay tsy matoky tena na mihevi-tena ho tsy mahay?

8 Hitan’i Jehovah àry izay tsara mety ho vitantsika tsirairay. Nanome toky an’i Davida izy fa hitari-dalana azy foana, ary ‘hitsinjo azy ny masony.’ (Vakio ny Salamo 32:8.) Mampahery izany satria midika fa hanampy antsika  i Jehovah rehefa tsy matoky tena isika. Hahavita mihoatra noho izay eritreretintsika isika amin’izay, sady hahatratra tanjona tsy tao an-tsaintsika akory. Tsy misy hafa amin’ny ray na reny mampiana-mandeha ny zanany i Jehovah. Vonona hitari-dalana antsika izy mba hahafahantsika handroso tsara eo amin’ny fanompoana azy. Afaka mampiasa ny mpiara-manompo koa i Jehovah mba hanampiana antsika hanao izay tsara indrindra vitantsika. Amin’ny fomba ahoana?

FANTARO IZAY TSARA AO AMIN’NY HAFA

9. Ahoana no azo ampiharana an’ilay torohevitr’i Paoly mba “hihevitra” izay hahasoa ny hafa?

9 Nampirisika ny Kristianina rehetra i Paoly mba “hihevitra” izay hahasoa ny mpiara-manompo. (Vakio ny Filipianina 2:3, 4.) Tafiditra amin’izany ny hoe manamarika ny zavatra tsara hain’izy ireo sy miresaka aminy momba an’ilay izy. Inona no tsapanao rehefa misy mahamarika ny fandrosoana ataonao? Matetika izany no mandrisika antsika handroso kokoa, ka hanao izay tsara indrindra vitantsika. Toy izany koa fa handrisika ny mpiara-manompo handroso ara-panahy isika, rehefa midera azy noho ny zavatra tsara ataony.

10. Iza no tena mila ny fiahiantsika?

10 Iza no tena mila fiahiana? Mila fiahiana manokana daholo isika rehetra indraindray. Ny rahalahy tanora na vao vita batisa anefa no tena mila ampiana, mba hahatsapa hoe anisan’ny fiangonana izy ka afaka mandray anjara amin’izay atao ao. Ho takatr’izy ireo amin’izay fa ilaina eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah izy. Raha tsy mankasitraka an’izay ataony kosa isika, dia mety tsy haniry hiezaka hahazo andraikitra bebe kokoa izy. Izany anefa no ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra hataony.—1 Tim. 3:1.

11. a) Ahoana no nanampian’ny anti-panahy iray ny tovolahy iray saro-kenatra? b) Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Julien?

11 Nandray soa i Ludovic satria nisy nankasitraka ny ezaka tsara nataony, tamin’izy mbola tanora. Anti-panahy izy izao. Hoy izy: “Mandroso haingana kokoa ny rahalahy iray rehefa tena miahy azy aho.” Tsikaritr’i Ludovic fa saro-kenatra ny tovolahy iray atao hoe Julien. Tsy natoky tena i Julien, ka hafahafa ny fihetsiny rehefa nanandrana nanao zavatra teo anivon’ny fiangonana izy. Hoy i Ludovic: “Hitako anefa fa tena tsara fanahy sy te hanampy ny hafa izy. Nifantoka tamin’ny toetra tsarany àry aho ary niezaka nampahery azy, fa tsy nanakiana.” Nahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana i Julien tatỳ aoriana, ary mpisava lalana maharitra izy izao.

AMPIO IZY IREO HANOME NY TSARA INDRINDRA

12. Inona no ilaina mba hanampiana ny hafa hanao izay tsara indrindra vitany? Manomeza ohatra.

12 Mila mahay mandinika isika raha te hanampy ny hafa hanao izay tsara indrindra vitany. Hita amin’ny tantaran’i Julien fa afaka mahita ny toetra tsaran’ny hafa sy ny zavatra hainy isika, raha tsy mifantoka amin’ny fahalemeny. Toy izany no nataon’i Jesosy tamin’ny apostoly Petera. Toa tsy azo nianteherana i Petera tamin’ny fotoana sasany. Nantsoin’i Jesosy hoe Petera, izay midika hoe vato, anefa izy mba hilazana fa ho azo ianteherana tsara izy any aoriana.—Jaona 1:42.

13, 14. a) Inona no mampiseho fa nahay nandinika i Barnabasy rehefa nanampy an’i Jaona Marka? b) Inona no soa noraisin’ny rahalahy tanora iray rehefa nahazo fanampiana toa an’i Marka izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

13 Nahay nandinika koa i Barnabasy, rehefa nanampy an’i Jaona Marka. (Asa. 12:25) ‘Nanampy’ an’i Paoly sy Barnabasy io tovolahy  io tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Nikarakara izay nilain’izy ireo angamba izy. Nandao azy ireo tao anatin’ny sarotra anefa i Marka tao Pamfylia. Izy roa lahy irery no nanohy ny dia nianavaratra, nefa nalaza ho be jiolahy ilay faritra. (Asa. 13:5, 13) Toa tsy nifantoka be tamin’ilay fahadisoana nataon’i Marka i Barnabasy, fa nampiofana azy bebe kokoa tatỳ aoriana. (Asa. 15:37-39) Lasa nihamatotra àry i Marka. Nanampy an’i Paoly tany Roma izy rehefa nigadra i Paoly, ary anisan’ireo nandefa firarian-tsoa ho an’ny fiangonana tao Kolosia. Nilaza zavatra tsara momba azy koa i Paoly. (Kol. 4:10) Azo antoka fa faly be i Barnabasy, rehefa nangataka ny fanampian’i Marka i Paoly.—2 Tim. 4:11.

14 Diniho ny tantaran’i Alexandre, anti-panahy vaovao. Tadidiny fa nisy rahalahy nanampy azy. Hoy izy: “Tena mafy tamiko ny nivavaka teo imason’olona tamin’izaho mbola tanora kokoa. Natoron’ny anti-panahy iray ahy ny fomba hiomanana sy izay azo atao mba ho tony kokoa. Tsy hoe tsy navelany hivavaka intsony aho, fa vao mainka aza nasainy hivavaka matetika rehefa fivoriana alohan’ny fanompoana. Lasa natoky tena kokoa aho tatỳ aoriana.”

15. Inona no nataon’i Paoly mba hampisehoana fa nankasitraka ny mpiara-manompo taminy izy?

15 Ahoana no ataontsika rehefa mahamarika ny toetra tsaran’ny Kristianina iray? Midera azy ve isika? Rahalahy sy anabavy 20 mahery no noderain’i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-16. Nolazainy ny toetra nitiavany azy ireo. (Rom. 16:3-7, 13) Nasongadiny, ohatra, ny fiaretan’i Androniko sy Jonia, rehefa nilaza izy fa lasa mpianatr’i Kristy talohany izy ireo. Hita tamin’ny teniny momba ny renin’i Rofosy koa fa nikarakara azy tamim-pitiavana izy io.

Nanampy an’i Rico mba ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah foana i Frédéric (ankavia) (Fehintsoratra 16)

16. Inona no mety ho vokany eo amin’ny tanora rehefa deraina izy?

16 Misy vokany tsara ny teny fiderana vokatry ny fo. Diniho ny tantaran’i Rico, ankizilahy any Frantsa. Kivy izy satria tsy nitovy finoana taminy ny dadany sady tsy namela azy hatao batisa. Nieritreritra i Rico fa tsy tena ho afaka hanompo an’i Jehovah raha tsy efa ampy taona. Nalahelo koa izy satria nisy naneso tany am-pianarana. Nasaina nampianatra Baiboly azy ny anti-panahy iray atao hoe Frédéric. Hoy izy io: “Nidera an’i Rico aho, satria sahy niresaka momba ny finoany izy matoa nisy nanohitra.” Lasa tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana i Rico vokatr’izany, ary lasa nifandray akaiky kokoa tamin’ny dadany. Natao batisa izy rehefa 12 taona.

Nanampy an’i Ryan mba hahafeno fepetra ho misionera i Jérôme (ankavanana) (Fehintsoratra 17)

17. a) Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo rahalahy handroso? b) Ahoana no nanampian’ny misionera iray ny rahalahy tanora, ary inona no vokany?

17 Vao mainka mazoto manome an’i Jehovah an’izay tsara indrindra ny hafa, isaky ny midera azy isika rehefa manao tsara ny anjarany izy na misy ezaka tsara ataony. Nilaza  i Sylvie, * izay manompo ao amin’ny Betelan’i Frantsa hatramin’ny taona maro, fa afaka midera an’ireo rahalahy ny anabavy. Tsikariny fa matetika ny anabavy no mahamarika zavatra tsy hitan’ny rahalahy. Mifameno àry ny teny fiderana lazain’ny anabavy sy ny rahalahy za-draharaha. Hoy ihany i Sylvie: “Raisiko ho adidy ny milaza teny fiderana.” (Ohab. 3:27) Nanampy rahalahy tanora maro hahafeno fepetra ho misionera koa i Jérôme, misionera any Guyane. Hoy izy: “Hitako hoe lasa matoky tena ny rahalahy tanora, rehefa midera azy aho amin’ny zavatra iray nataony teny amin’ny fanompoana, na rehefa tsara ny valin-teniny any am-pivoriana. Lasa mampitombo ny fahaizany izy ireo, vokatr’izany.”

18. Nahoana no tsara ny manasa rahalahy tanora mba hiara-miasa aminao?

18 Mandrisika ny hafa handroso ara-panahy koa isika, raha miara-miasa amin’izy ireny. Ahoana, ohatra, raha mahalala rahalahy tanora mahay mampiasa ordinatera ny anti-panahy iray? Azony angatahina hanao pirinty lahatsoratra mampahery ao amin’ny jw.org izy io, mba homena zokiolona tsy manana ordinatera. Nahoana koa raha asaina hanampy anao ny rahalahy tanora iray, rehefa hanadio na hikojakoja ny Efitrano Fanjakana ianao? Ho afaka handinika ny tanora sy hidera azy ianao raha manao zavatra toy ireo, ary hahita ny vokatr’izany eo aminy.—Ohab. 15:23.

OMANO NY HOAVY

19, 20. Nahoana isika no tokony hanampy ny hafa mba handroso?

19 Nandidy an’i Mosesy mba ‘hampahery sy hanatanjaka’ an’i Josoa i Jehovah, rehefa nanendry azy hitarika ny Israelita. (Vakio ny Deoteronomia 3:28.) Mihamaro foana ny olona lasa anisan’ny fiangonana. Ny Kristianina matotra rehetra fa tsy ny anti-panahy ihany, no tokony hanampy an’ireo rahalahy tanora na vao vita batisa, mba hanao izay tsara indrindra vitany. Ho betsaka kokoa amin’izay no hanompo manontolo andro, ary hihamaro ny rahalahy “hahay hampianatra ny hafa.”—2 Tim. 2:2.

20 Aoka àry isika hanomana ny hoavy, na efa anisan’ny fiangonana matanjaka tsara isika, na anisan’ny antoko-mpitory mbola miezaka ho lasa fiangonana. Hahavita izany isika raha manahaka an’i Jehovah, izay mifantoka foana amin’izay tsara ao amin’ny mpanompony.

^ feh. 17 Novana ny anarana.