Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Mey 2014

Ahoana no Tokony ‘Hamaliantsika ny Olona Tsirairay’?

Ahoana no Tokony ‘Hamaliantsika ny Olona Tsirairay’?

Aoka ho teny mahafinaritra foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.’KOL. 4:6.

1, 2. a) Milazà fitantarana mampiseho hoe ilaina ny mametraka fanontaniana voahevitra tsara. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra hiresaka foto-kevitra sarotra?

NIRESAKA Baiboly tamin’ny vadiny ny anabavy iray, taona maro lasa izay. Tsy Vavolombelona ilay vadiny ary nilaza fa mino ny Andriamanitra telo izay iray. Hitan’ilay anabavy hoe tsy tena azon’ny vadiny io fampianarana io, ka nanontany tamin-katsaram-panahy izy hoe: “Mino ve ianao fa samy Andriamanitra daholo na Andriamanitra na i Jesosy na ny fanahy masina, nefa tsy Andriamanitra telo izy ireo fa iray ihany?” Namaly ilay lehilahy hoe: “Tsy izany ka!” Niresadresaka ny marina momba an’Andriamanitra izy roa avy eo, ary nafana erỳ ny resany.

2 Hita amin’io fitantarana io fa tena ilaina ny mametraka fanontaniana voahevitra tsara. Hita amin’izy io koa fa tsy tokony hampatahotra antsika ny miresaka foto-kevitra sarotra, toy ny Andriamanitra telo izay iray, ny afobe, na ny fisian’ny Mpamorona. Matetika isika no afaka mandresy lahatra ny olona sy manohina ny fony, rehefa miantehitra amin’i Jehovah sy mampihatra  ny fampiofanana omeny. (Kol. 4:6) Andeha hodinihintsika hoe inona no ataon’ny mpitory mahay, rehefa miresaka foto-kevitra toy ireo amin’ny olona. Ireto misy fomba telo: 1) Mametraka fanontaniana hahalalana ny hevitry ny olona, 2) mampisaintsaina amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ary 3) mampiasa fanoharana mba hampahazava ny hevitra tiana hampitaina.

MAMETRAHA FANONTANIANA HAHALALANA NY HEVITRY NY OLONA

3, 4. Nahoana no ilaina ny manontany mba hahalalana izay inoan’ny olona? Manomeza ohatra.

3 Manampy antsika hamantatra an’izay inoan’ny olona ny fametrahana fanontaniana. Nahoana izany no tena ilaina? Hoy ny Ohabolana 18:13: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Ilaina àry aloha ny mamantatra izay tena inoan’ny olona iray, aorian’izay vao miresaka aminy ny voalazan’ny Baiboly. Raha tsy izany, dia mety ho lany fotoana fotsiny isika hanaporofo hoe diso ny hevitra iray, nefa ilay olona aza tsy mino an’ilay izy akory.1 Kor. 9:26.

4 Aoka hatao hoe miresaka momba ny afobe isika. Tsy ny rehetra no mihevitra hoe toeram-pijaliana ao amin’ny afo izy io. Misy mino fa ny hoe lasa any amin’ny afobe dia midika hoe tafasaraka amin’Andriamanitra. Azo atao àry ny milaza hoe: “Tsy mitovy ny hevitry ny olona momba ny afobe. Araka ny hevitrao, inona ny afobe?” Ho haintsika kokoa ny hanazava izay lazain’ny Baiboly, rehefa avy mihaino ny heviny isika.

5. Nahoana isika no mila mametraka fanontaniana, raha te hahalala ny antony inoan’ny olona hevitra iray?

5 Ho fantatsika koa hoe nahoana ny olona no mino fampianarana iray, raha mametraka fanontaniana voahevitra tsara isika. Ahoana, ohatra, raha misy milaza amintsika hoe tsy mino an’Andriamanitra izy? Mety hieritreritra isika hoe noho izy mino ny evolisiona (na fiovana miandalana) no mahatonga izany. (Sal. 10:4) Lasa tsy mino an’Andriamanitra anefa ny olona sasany noho ny fijaliana mafy iaretany na hitany. Lasa sarotra aminy ny mino hoe misy Mpamorona be fitiavana. Rehefa misy olona milaza àry hoe tsy mino ny fisian’Andriamanitra izy, dia afaka manontany azy isika hoe: “Efa hatramin’izay ve ianao no tsy nino an’Andriamanitra?” Raha mamaly izy hoe tsia, dia afaka manontany isika hoe inona no nahatonga azy tsy hino an’Andriamanitra. Mety hanampy antsika hahita ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ny valin-teniny.—Vakio ny Ohabolana 20:5.

6. Inona no tokony hataontsika rehefa avy manontany an’ilay olona isika?

6 Mila mihaino tsara ny valin-tenin’ilay olona isika rehefa avy manontany azy, ary mampiseho fa manaja ny heviny. Mety hilaza, ohatra, izy fa nisy loza nahatonga azy tsy hino hoe misy Mpamorona be fitiavana. Alohan’ny hanomezana porofo hoe tena misy Andriamanitra, dia tsara ny miombom-pihetseham-po aminy ary mampiseho fa tsy diso izy raha mieritreritra hoe nahoana isika no mijaly. (Hab. 1:2, 3) Mety ho te hamantatra bebe kokoa ilay olona, raha manam-paharetana sy be fitiavana isika. *

MAHAIZA MAMPISAINTSAINA AMIN’NY ALALAN’NY SORATRA MASINA

Inona no tena manampy antsika hahita vokatra rehefa manompo? (Fehintsoratra 7)

7. Inona no tena mahatonga ny fitoriantsika hisy vokany?

7 Andeha isika izao handinika hoe ahoana no hampisaintsainana ny olona amin’ny alalan’ny Baiboly. Ny Baiboly no fitaovana tena ampiasaintsika rehefa manompo. Manampy antsika izy io mba “ho tena mahay sy ho ampy  fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Tim. 3:16, 17) Tsy ny habetsahan’ny andinin-teny vakina no mahatonga ny fitoriana hisy vokany. Mandaitra kosa ny fitoriana rehefa mahay manazava andinin-teny isika ary mahay mandresy lahatra, izany hoe mampiasa an’ilay andinin-teny mba hampisaintsainana ny olona. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:2, 3.) Andeha isika hijery ohatra.

8, 9. a) Ahoana no azo ampisaintsainana ny olona mino hoe iray ihany i Jesosy sy Andriamanitra? b) Inona ny fomba fampisaintsainana hafa hitanao hoe mandaitra?

8 Ohatra 1: Milaza ny olona itoriantsika fa mino izy hoe iray ihany i Jesosy sy Andriamanitra. Inona no andinin-teny azo ampiasaina mba hampisaintsainana azy? Azo asaina mamaky ny Jaona 6:38 izy. Hoy i Jesosy ao: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” Azo anontaniana izy avy eo hoe: “Raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, dia iza izany ilay naniraka azy avy any an-danitra? Tsy tokony ho lehibe noho izy ve ilay naniraka azy? Ambony noho ny olona irahina foana mantsy ny mpaniraka.”

9 Azontsika vakina aminy koa izay lazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipianina 2:9. Voalaza ao fa rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia ‘nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa ary nomeny tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.’ Mba hampisaintsainana an’ilay olona amin’ny alalan’io andinin-teny io, dia azo atao ny milaza hoe: “Andeha hatao hoe nitovy tamin’Andriamanitra i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Dia nasandratr’Andriamanitra ho ambony kokoa izy rehefa natsangana. Tsy ho lasa ambony noho Andriamanitra ve izany izy? Aiza anefa no hisy olona ambony noho Andriamanitra?” Mety hampieritreritra an’ilay olona izany, raha tso-po sy manaja ny Tenin’Andriamanitra izy.—Asa. 17:11.

10. a) Inona no azontsika atao mba hampisaintsainana ny olona mino ny afobe? b) Inona no fomba hitanao hoe mandaitra rehefa mampisaintsaina olona mino ny afobe?

10 Ohatra 2: Mitory amin’ny olona mpivavaka be ianao, ary mino izy fa hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Mino an’izany angamba izy satria tiany ho voasazy ny ratsy fanahy. Inona no azo atao mba hampisaintsainana azy? Afaka manome toky azy aloha isika hoe tena hosazina ny ratsy fanahy. (2 Tes. 1:9) Azo asaina mamaky ny Genesisy 2:16, 17 izy avy eo. Asehon’izy io fa fahafatesana no sazin’izay manota. Afaka manazava isika fa noho ny fahotan’i Adama dia lasa mpanota ny olona rehetra. (Rom. 5:12) Tsy nilaza anefa Andriamanitra hoe hosazina any  amin’ny afobe i Adama. Afaka milaza isika avy eo hoe: “Aoka hatao hoe fampijaliana mandrakizay no ho sazin’i Adama sy Eva. Tsy ara-drariny ve raha nolazaina tamin’izy ireo mialoha izany?” Azo vakina avy eo ny Genesisy 3:19. Voaresaka ao ny sazin’i Adama noho ny fahotany. Tsy miresaka afobe ilay andininy, fa hoe hiverina ho vovoka i Adama. Afaka manontany isika aorian’izay hoe: “Nanao ny rariny ve Andriamanitra raha niteny hoe hiverina ho vovoka i Adama, nefa halefa any amin’ny afobe izy?” Azo inoana fa hieritreritra bebe kokoa ilay olona, raha tso-po.

11. a) Ahoana no azo ampisaintsainana ny olona mino hoe ho any an-danitra daholo ny tsara fanahy? b) Inona no fomba hitanao hoe mandaitra rehefa mampisaintsaina ny olona momba an’io foto-kevitra io?

11 Ohatra 3: Mino ilay olona hoe mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy. Mety hisy vokany eo amin’ny fomba andraisany an’izay voalazan’ny Baiboly izany. Aoka hatao hoe mamaky aminy ny Apokalypsy 21:4 isika. (Vakio.) Mety hihevitra izy fa fiainana any an-danitra no voaresaka eo. Ahoana no azo ampisaintsainana azy? Tsy voatery hamaky andininy hafa isika fa afaka mifantoka amin’io andininy io ihany. Voalaza eo hoe “tsy hisy fahafatesana intsony.” Azo anontaniana ilay olona hoe: “Ekenao ve fa matoa lazaina hoe tsy hisy intsony ny zavatra iray, dia tsy maintsy ho efa nisy ilay izy teo aloha?” Azo inoana fa hanaiky izy. Afaka manazava isika avy eo fa mbola tsy nisy fahafatesana mihitsy tany an-danitra, fa eto an-tany ihany no misy an’izany. Mazava àry fa zavatra tsara hitranga eto an-tany amin’ny hoavy no resahin’ny Apokalypsy 21:4.Sal. 37:29.

MAMPIASÀ FANOHARANA MBA HAMPAHAZAVA HEVITRA

12. Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana?

12 Nampiasa fanoharana koa i Jesosy rehefa nitory. (Vakio ny Matio 13:34, 35.) Izany no nahitany raha tena tso-po sy te hanompo an’i Jehovah ireo nihaino azy. (Mat. 13:10-15) Nahafinaritra sy mora tadidy koa ny fampianarany noho ireny fanoharana ireny. Ahoana no azontsika ampiasana fanoharana eny amin’ny fanompoana?

13. Inona no fanoharana azontsika ampiasaina mba hanazavana fa ambony noho i Jesosy Andriamanitra?

13 Fanoharana tsotra no tena tsara ampiasaina. Aoka hatao hoe te hanazava isika fa ambony noho i Jesosy Andriamanitra. Afaka milaza isika fa na Andriamanitra na i Jesosy dia samy nilaza fa toy ny fifandraisan’ny Ray sy Zanaka ny fifandraisan’izy ireo. Nilaza Andriamanitra fa Zanany i Jesosy, ary i Jesosy nilaza fa Rainy Andriamanitra. (Lioka 3:21, 22; Jaona 14:28) Azo anontaniana ilay olona avy eo hoe: “Raha te hanaporofo ianao fa mitovy fahefana ny olona roa, dia ohatra momba ny ray sy zanaka ve no horaisinao?” Azo inoana fa handa izy, ka mety hilaza fa ny mpiray tam-po na ny kambana no toy izany. Afaka milaza isika avy eo hoe: “Koa raha isika aza mahita hoe izay no ohatra mety indrindra, dia tsy ho tonga tao an-tsain’i Jesosy ve izany, nefa izy no Mpampianatra Lehibe? Nilaza anefa izy fa Rainy Andriamanitra. Nasehony tamin’izany fa ela niainana kokoa noho izy Andriamanitra sady manana fahefana kokoa.”

14. Inona no fanoharana azo ampiasaina mba hampisehoana fa tsy mampiasa an’i Satana Andriamanitra mba hanasazy ny olona ao amin’ny afobe?

14 Aoka indray hatao hoe misy olona mino fa mampiasa an’i Satana Andriamanitra mba hanasazy ny olona ao amin’ny afobe. Inona no fanoharana azo ampiasaina mba hanampiana azy hahatakatra fa tsy mitombina izany? Raha manan-janaka izy, dia afaka miteny isika hoe: “Andeha hatao hoe lasa maditra be ny zanakao. Ahoana no hataonao?” Mety hilaza ilay olona fa hananatra ny zanany  izy, ary angamba tsy indray mandeha fotsiny fa imbetsaka mihitsy. (Ohab. 22:15) Afaka manontany isika avy eo hoe: “Inona no hataonao raha tsy miraharaha ny teninao mihitsy ilay zanakao?” Azo inoana fa hamaly izy hoe tsy maintsy hanasazy an’ilay zanany. Afaka manontany indray isika hoe: “Ahoana raha fantatrao hoe olona ratsy toetra no nitarika ny zanakao haditra? Tsy ho tezitra amin’io olona io ve ianao?” Raha manaiky izy, dia afaka miteny ianao hoe: “Dia mbola io olona io ihany ve no asainao manasazy ny zanakao?” Mazava ho azy fa tsia. Koa satria i Satana no mitaona ny olona hanao ratsy, dia tsy izy mihitsy no hampiasain’Andriamanitra hanasazy ny mpanao ratsy.

MAHAIZA MANDANJALANJA

15, 16. a) Nahoana isika no tsy tokony hanantena hoe handray daholo ny olona itoriantsika? b) Tsy maintsy ho tena mahay ve isika vao hahita vokatra amin’ny fanompoana? Hazavao. (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Fitaovana Manampy Antsika Hamaly ny Olona.”)

15 Fantatsika fa tsy ny olona rehetra itoriantsika no handray ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Mat. 10:11-14) Tsy voatery handray ny olona, na dia tena mety aza ny fanontaniana apetratsika sy ny fomba ampisaintsainantsika azy ary ny fanoharana lazaintsika. Vitsy ny olona nanaiky ny fampianaran’i Jesosy, nefa izy no Mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany.—Jaona 6:66; 7:45-48.

16 Ahoana indray raha mihevitra isika hoe tsy tena mahay? Afaka ny hahita vokatra foana isika. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:13.) Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa hanaiky ny vaovao tsara daholo ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Aoka àry isika hahay handanjalanja. Tokony hiezaka hanatsara ny fahaizantsika mampianatra isika, nefa tsy tokony ho kivy rehefa misy tsy mandray. Aoka isika hampihatra tsara ny fampiofanana omen’i Jehovah sady hatoky fa hahasoa antsika sy izay mihaino antsika izany. (1 Tim. 4:16) Afaka manampy antsika i Jehovah mba hahalalantsika izay tokony ‘havaly ny olona tsirairay.’ Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa hahita vokatra koa isika raha manaraka ny Matio 7:12.

^ feh. 6 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hanampy Anao Hino fa Misy ny Mpamorona?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2009.