Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JANOARY 2014

Nahafoy Tena Izy Ireo: Afrika Andrefana

Nahafoy Tena Izy Ireo: Afrika Andrefana

NANIRY mafy hanana fiainana tsara kokoa i Pascal, izay lehibe tao amin’ny tanàna mahantra any Côte d’Ivoire. Tia manao ady totohondry izy, ka nieritreritra hoe: ‘Aiza re aho no mety ho lasa mpanao fanatanjahan-tena malaza sy mpanankarena e?’ Tany Eoropa no noeritreretiny, tamin’izy 25 taona teo ho eo. Tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mankany anefa izy, ka nanapa-kevitra hiditra tany an-tsokosoko.

Niainga àry izy tamin’ny 1998, tamin’izy 27 taona. Niampita sisin-tany izy, niditra tao Ghana, nandalo an’i Togo sy Bénin, ary tonga tao Birni Nkonni, any Niger. Nampidi-doza be ny dia niandry azy avy eo. Nila nianavaratra namakivaky ny Efitr’i Sahara izy, ka tsy maintsy nijapy kamiao. Handray sambo ho any Eoropa izy avy eo, rehefa tonga eo amin’ny Ranomasina Mediterane. Nisy zava-nitranga anefa tany Niger ka tsy tanteraka ny fikasany.

Voalohany, lany ny volany. Faharoa, nihaona tamin’ny mpisava lalana atao hoe Noé izy ary nianatra Baiboly. Nanohina ny fony ny zavatra nianarany, ka niova ny fahitany ny fiainana. Tsy te hanan-karena intsony izy, fa te hanompo an’Andriamanitra. Natao batisa izy tamin’ny Desambra 1999. Te hampiseho ny fankasitrahany an’i Jehovah izy ka nirotsaka ho mpisava lalana tamin’ny 2001, tao amin’ilay tanàna nahitany ny fahamarinana any Niger. Inona no tsapany? Hoy izy: “Tena mahafinaritra ny fiainako!”

SAMBATRA KOKOA NIFINDRA TATSY AFRIKA

Anne-Rakel

Maro ny Kristianina toa an’i Pascal. Ny hanatratra tanjona ara-panahy no imasoany, ka tsapany fa sambatra kokoa izy. Nisy, ohatra, niala tany Eoropa ka nifindra tany amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa atsy Afrika. Misy 65 eo ho eo izy ireo no manitatra faritany atsy Afrika Andrefana. Eo anelanelan’ny 17 sy 70 taona izy ireo, ary manompo any Bénin, Burkina Faso, Niger, ary Togo. * Nahoana izy ireo no nifindra lavitra be, ary manao ahoana ny fiainany any?

Hoy i Anne-Rakel avy any Danemark: “Misionera tany Sénégal i Dada sy Neny. Tantarain-dry zareo foana ny fiainany tany sady nafana fo erỳ izy ireo nitantara an’izany, ka mba te ho misionera koa aho.” Nifindra tany Togo i Anne-Rakel, 15 taona teo ho eo izay, tamin’izy 20 taona mahery kely. Ao amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana izy izao. Nandrisika ny hafa koa ny nataony. Hoy izy: “Nifindra tatỳ Togo koa ny zandriko vavy sy ny anadahiko.”

Albert-Fayette sy Aurele

 Hoy i Aurele, rahalahy 70 taona avy any Frantsa: “Nisotro ronono aho dimy taona lasa izay, ary tsy maintsy nisafidy, na hipetrapetraka tany Frantsa hiandry ny Paradisa, na hanompo bebe kokoa.” Ilay faharoa no nataony. Nifindra tany Bénin izy sy i Albert-Fayette vadiny, telo taona lasa izay. Hoy i Aurele: “Nanolo-tena hanompo an’i Jehovah teto izahay ary izany no zavatra tsara indrindra nataonay.” Nitsiky izy avy eo ary niteny hoe: “Sady hoatran’ny paradisa no fahitako ny faritaninay sasany eny amoron-dranomasina.”

Avy any Frantsa koa i Clodomir sy Lysiane vadiny ary nifindra tany Bénin, 16 taona lasa izay. Nalahelo be an’ireo fianakaviany sy namany tany Frantsa izy ireo tamin’ny voalohany, ary natahotra sao tsy ho zatra an’ilay fiainana vaovao. Tsy nisy tokony hatahorana anefa. Faly be aza izy ireo. Hoy i Clodomir: “Olona iray eo ho eo isan-taona no nampianay hanaiky ny fahamarinana, tao anatin’izay 16 taona izay.”

Lysiane sy Clodomir ary ny olona sasany nampiany hahalala ny fahamarinana

Tamin’ny 2010 kosa no nifindra tany Bénin i Sébastien sy Johanna, mpivady avy any Frantsa. Nilaza i Sébastien fa be ny asa eo anivon’ny fiangonana, ka miana-javatra betsaka ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo any. Ary ahoana no fandraisan’ny olona? Hoy i Johanna: “Mangetaheta ny fahamarinana ny olona. Sakanan’izy ireo izahay rehefa eny an’arabe, na dia tsy mitory aza, ary ametrahany fanontaniana ara-baiboly sy angatahany boky.” Inona kosa no vokany teo amin’ny fanambadian’izy ireo? Hoy i Sébastien: “Nihanifankatia izahay. Faly aho miara-manompo amin’ny vadiko tontolo andro.”

Johanna sy Sébastien

Vitsy ny mponina any amin’ny faritra avaratr’i Bénin sady mifanalavitra.

Mpisava lalana any i Eric sy Katy vadiny. Namaky lahatsoratra momba ny fanitarana faritany sady niresadresaka tamin’ny mpanompo manontolo andro izy ireo, folo taona lasa izay, tamin’ny mbola tany Frantsa. Lasa te hanitatra koa àry izy ireo, ka nankany Bénin tamin’ny 2005. Hitan’izy ireo fa nandroso be ny asa tany. Hoy i Eric: “Efa 30 izao ny mpitory ao amin’ilay antoko-mpitory misy anay eto Tanguiéta, nefa 9 monja izany roa taona lasa izay. Eo anelanelan’ny 50 sy 80 ny mpivory rehefa alahady. Tena mahafaly ny mahita an’izany!”

Katy sy Eric

FANTARO IREO ZAVA-TSAROTRA ARY RESEO

Benjamin

Inona no olana atrehin’ny mpanitatra faritany? Anadahin’i Anne-Rakel i Benjamin ary 33 taona. Nihaona  tamin’ny misionera iray nanompo tany Togo izy tany Danemark, tamin’ny taona 2000. Hoy i Benjamin: “Rehefa nilazako ilay misionera fa te ho mpisava lalana aho, dia hoy izy: ‘Koa maninona raha manao mpisava lalana any Togo?’” Nieritreritra an’izany i Benjamin. Hoy izy: “Mbola tsy ampy 20 taona aho tamin’izany. Efa nanompo tany Togo anefa ny anabaviko roa, ka mora kokoa tamiko ny nifindra tany.” Nisy zava-tsarotra anefa. Hoy izy: “Tsy nahay teny frantsay mihitsy aho. Mafy tamiko ny enim-bolana voalohany, satria tsy tena afaka nifampiresaka tamin’ny olona aho.” Nihanahay anefa izy tatỳ aoriana. Manompo ao amin’ny Betelan’i Bénin izy izao, ary mpandefa entana sady manampy ao amin’ny sampan-draharahan’ny ordinatera.

Marie-Agnès sy Michel

Tao amin’ny fiangonana miteny vahiny tany Frantsa i Eric sy Katy, izay efa voaresaka teo, talohan’ny nifindrany tany Bénin. Hafa mihitsy anefa ny fiainana tany Bénin. Hoy i Katy: “Sarotra ny nahita trano mety tsara. Nipetraka tamin’ny trano tsy nisy jiro sy rano izahay nandritra ny volana maromaro.” Hoy koa i Eric: “Mitatatata hatramin’ny alina be ny mozika eo amin’ny manodidina. Mila mandefitra ianao ary mivonona hizatra zavatra hoatr’ireny.” Samy manaiky anefa izy mivady fa “tena mahafaly ny manompo amin’ny faritany mbola tsy niasana firy, ary be lavitra noho ny olana ny zavatra mahafinaritra.”

Efa ho 60 taona i Michel sy Marie-Agnès, mpivady avy any Frantsa. Nifindra tany Bénin izy ireo dimy taona lasa izay. Natahotra izy ireo tamin’ny voalohany. Hoy i Michel: “Nisy nilaza fa toy ny olona mitaingina broety izahay ary atosika eo ambony tady kely eny amin’ny toerana avo be. Mampahatahotra be izany, raha tsy fantatrao hoe i Jehovah no manosika an’ilay broety. Nifindra àry izahay satria tia an’i Jehovah, ary nanampy anay izy.”

INONA NO FIOMANANA AZO ATAO?

Manantitrantitra ny mpanitatra faritany efa za-draharaha, fa tena ilaina ny miomana mialoha, mianatra mizatra fiainam-baovao, tsy miala amin’ny teti-bola efa natao, ary miantehitra amin’i Jehovah.—Lioka 14:28-30.

Hoy i Sébastien, voaresaka teo aloha: “Nanangom-bola nandritra ny roa taona izahay sy Johanna talohan’ny nifindranay. Nahenanay ny vola nampiasainay tamin’ny fialam-boly, ary tsy nividividy zavatra tsy nilaina izahay.” Mody any Eoropa koa izy ireo isan-taona ka miasa mandritra ny volana vitsivitsy. Izany no ahazoany vola ivelomana sy anaovana ny asan’ny mpisava lalana any Bénin.

Marie-Thérèse

 Misy anabavy mpitovo vahiny 20 eo ho eo manitatra atsy Afrika Andrefana. Anisan’izy ireo i Marie-Thérèse, izay mpitondra bisy any Frantsa. Nangataka tsy hiasa herintaona izy tamin’ny 2006, mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana tany Niger.

Tsy ela taorian’ny nahatongavany tany dia nieritreritra izy hoe: ‘Izao mihitsy ny fiainana niriko!’ Hoy izy: “Nilazako ny mpampiasa ahy rehefa nody tany Frantsa aho fa tiako hovana ny fotoana iasako. Nanaiky izy ka ny Mey hatramin’ny Aogositra aho no mitondra bisy eto Frantsa, ary mpisava lalana any Niger aho ny Septambra ka hatramin’ny Aprily.”

Saphira

Afaka matoky ireo ‘mikatsaka aloha an’ilay Fanjakana’ fa homen’i Jehovah azy izay rehetra tena ilainy. (Mat. 6:33) Mpisava lalana any Bénin i Saphira, anabavy frantsay 30 taona latsaka kely. Nody mba hiasa tany Frantsa izy tamin’ny 2011, satria te hanompo herintaona fanampiny tatsy Afrika. Efa dimy taona izy tamin’izay no nanompo tany. Hoy izy: “Zoma tamin’izay, ary vita tamin’io andro io ilay asako. Mbola nila nikarama folo andro anefa aho vao ampy hivelomako herintaona ny volako. Izaho koa amin’io efa hiala tao Frantsa afaka tapa-bolana. Nivavaka àry aho ary nohazavaiko tamin’i Jehovah izay nitranga. Tsy ela taorian’izay dia nisy niantso ahy an-telefaonina, ka nanontany ahy raha afaka nisolo olona nandritra ny tapa-bolana aho.” Nankany amin’ilay toeram-piasana i Saphira ny alatsinainy taorian’izay, mba hampiofanin’ilay olona hosoloany. Hoy izy: “Gaga aho fa hay rahavavy ilay hosoloako. Nila folo andro tsy iasana izy hanatrehana ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, nefa tsy nanaiky ny mpampiasa azy raha tsy nahita mpisolo izy. Nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah izy, hoatran’ny nataoko.”

TENA MAHAFA-PO ILAY IZY

Nisy rahalahy sy anabavy avy any an-tany hafa koa nanompo tatsy Afrika Andrefana nandritra ny taona maro ka nanorim-ponenana tany. Ny hafa kosa nijanona taona vitsivitsy ary nody avy eo. Mbola mandray soa avy amin’ny nifindrany tany anefa izy ireny hatramin’izao. Nianarany fa ny fanompoana an’i Jehovah no tena mahafa-po.

^ feh. 6 Ny sampan’i Bénin no misahana ny asa ao amin’ireo tany efatra miteny frantsay ireo.

Fanampim-panazavana

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Inona ny sekoly natao hampiofanana ny olona manokana fotoana be dia be mba hitoriana?