Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JANOARY 2014

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Mahory

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Mahory

“Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao.”—MPITO. 12:1.

1, 2. Inona no torohevitra nasain’Andriamanitra nosoratan’i Solomona ho an’ny tanora? b) Nahoana no mahaliana ny Kristianina 50 taona mahery koa io torohevitra io?

NAHAZO ny fanahin’Andriamanitra i Solomona Mpanjaka ka nanoratra hoe: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao, dieny mbola tsy tonga ny andro mahory.” Fa inona ilay “andro mahory”? Ny fahanterana. Nampiasa sarin-teny i Solomona rehefa nilaza ny manjo ny be antitra: Mangovitra ny tanana, mangozohozo ny lohalika, mihintsana ny nify, manjavozavo ny maso, lalodalovana ny sofina, fotsy ny volo, ary manjoko. Tsy tokony hiandry ho toy izany isika vao hanompo an’i Jehovah.—Vakio ny Mpitoriteny 12:1-5.

2 Mbola matanjaka tsara ny Kristianina maro na dia efa 50 taona mahery aza. Mety hisy volo fotsy ihany izy ireo, saingy mbola tsy tena osa toy izay voaresak’i Solomona. Azon’izy ireny ampiharina ve ilay torohevitra ho an’ny tanora hoe: “Tsarovy ilay Mpamorona  Be Voninahitra nanao anao”? Inona no dikan’izany?

3. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra?

3 Mety ho efa an-taonany maro no nanompoantsika an’i Jehovah. Tsara anefa ny miato tsindraindray ka misaintsaina an’ilay Mpamorona antsika sy mankasitraka azy. Tsy mampitolagaga ve ny zavamananaina noforoniny? Be pitsiny izy ireny ka tsy takatry ny saintsika. Maro karazana ny zavatra nomen’i Jehovah, ka tena afaka mankafy fiainana isika. Rehefa misaintsaina ny zavatra noforoniny isika, dia mahatsiaro indray fa be fitiavana izy sady hendry sy mahery. (Sal. 143:5) Tafiditra amin’ny hoe mahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra koa ny mieritreritra ny adidintsika aminy. Lasa mankasitraka azy isika rehefa misaintsaina toy izany, ka te hanompo azy araka izay fara herintsika, raha mbola velon’aina koa.—Mpito. 12:13.

TOMBONY ANANAN’IREO EFA ELA NIAINANA

4. Inona no fanontaniana tokony hosaintsainin’ireo Kristianina efa hatramin’ny ela, ary nahoana?

4 Azo inoana fa efa be traikefa ianao raha efa ela niainana. Saintsaino àry hoe: ‘Inona re no hataoko amin’izao izaho mbola matanjatanjaka izao e?’ Manana tombony maro tsy ananan’ny hafa ianao raha Kristianina efa hatramin’ny ela. Afaka mampita ny zavatra nampianarin’i Jehovah anao amin’ny tanora ianao. Afaka mitantara ny zavatra nahafaly anao tamin’ny fanompoana ianao, mba hampaherezana ny hafa. Nivavaka tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka mba hahita fomba hanaovana an’izany. Hoy izy: “Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô. . . . Andriamanitra ô, aza mahafoy ahy, mandra-pahantitro sy mandra-pahafotsin’ny voloko, mandra-pilazako amin’ny taranaka manaraka fa mahery ny sandrinao, ary mandra-pilazako amin’ny taranaka ho avy rehetra ny fahatanjahanao.”—Sal. 71:17, 18.

5. Ahoana no azon’ny Kristianina efa zokinjokiny ampitana ny zavatra hainy amin’ny hafa?

5 Ahoana no azonao izarana ny fahendrena azonao nandritra ny taona maro? Afaka manasa tanora vitsivitsy ao an-tranonao ve ianao, dia mba miara-mifampahery aminy? Azonao asaina miara-manompo aminao ve izy ireny, mba hahitany ny fifaliana tsapanao amin’ny fanompoana? Hoy i Eliho: “Izay ela niainana no aoka hiteny, ary izay be taona no aoka hampahafantatra ny fahendrena.” (Joba 32:7) Nasain’ny apostoly Paoly nampahery ny hafa tamin’ny teniny sy ny ataony ireo anabavy efa ela tao amin’ny fahamarinana. Hoy izy: ‘Aoka ny vehivavy zokiolona ho mpampianatra zavatra tsara.’—Tit. 2:3.

INONA NO AZONAO ANAMPIANA NY HAFA?

6. Nahoana no tena ilaina ny Kristianina efa ela niainana?

6 Betsaka ny azonao atao mba hanampiana ny hafa, raha efa ela ianao no Kristianina. Eritrereto ny zavatra fantatrao izao nefa mbola tsy fantatrao tamin’ny 30 na 40 taona lasa. Mahay mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao. Azo inoana fa mahay manohina ny fon’ny olona ianao rehefa miresaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mahay manampy an’ireo nanao fahadisoana ianao raha anti-panahy. (Gal. 6:1) Angamba koa ianao mahay miandraikitra ny asa eo anivon’ny fiangonana na ny fanorenana Efitrano Fanjakana, na mahay misahana an’ireo sampan-draharaha samihafa amin’ny fivoriambe. Mety ho hainao ny mampirisika ny dokotera mba hampiasa fomba fitsaboana tsy ampiasana ra. Sarobidy ny traikefa anananao, na dia vao haingana aza ianao no nianatra ny fahamarinana. Betsaka, ohatra, ny zavatra mahasoa fantatrao, raha nitaiza zanaka ianao. Tena afaka mitondra soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny zokiolona, rehefa mampianatra sy  manome tari-dalana ary mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy.——Vakio ny Joba 12:12.

7. Inona no fampiofanana mahasoa azon’ny Kristianina zokinjokiny omena ny tanora?

7 Ahoana no azonao ampiasana bebe kokoa ny traikefa anananao? Azonao atoro an’ireo tanora, ohatra, ny fomba anombohana sy itarihana fampianarana Baiboly. Raha anabavy ianao, dia afaka manoro hevitra ny reny tanora hoe ahoana no hahafahany hikarakara ny zanany kely sady hanana fahazarana ara-panahy tsara foana. Raha rahalahy indray ianao, azonao ampiana ve ireo rahalahy tanora mba hafana fo tsara rehefa manao lahateny, sy hahita vokatra kokoa rehefa mitory ny vaovao tsara? Azonao aseho azy ireo ve ny fomba ampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona rehefa mitsidika azy? Maro ny fomba azonao ampiofanana ny tanora, na dia tsy matanjaka toy ny taloha intsony aza ianao. Hoy ny Baiboly: “Ravaky ny tanora ny tanjany, ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny.”——Ohab. 20:29.

NAHOANA RAHA MANITATRA FARITANY?

8. Inona no nataon’i Paoly, tamin’izy efa zokinjokiny?

8 Nanao izay fara heriny hanompoana an’i Jehovah i Paoly, tamin’izy efa zokinjokiny. Efa nanao asa misionera an-taonany maro sady niaritra zava-tsarotra maro izy, rehefa nivoaka ny fonja tany Roma, tamin’ny taona 61. Afaka nijanona tao Roma izy tamin’izay, ary tao no nitory. (2 Kor. 11:23-27) Azo inoana fa faly ireo rahalahy tao amin’io tanàn-dehibe io raha nijanona tao mba hanampy azy ireo i Paoly. Hitan’i Paoly anefa hoe nila fanampiana bebe kokoa ny tany an-tany hafa. Nanohy ny dia misionera nataony àry izy, niaraka tamin’i Timoty sy Titosy, ka nankany Efesosy sy Kreta ary angamba tonga hatrany Makedonia. (1 Tim. 1:3; Tit. 1:5) Nikasa ho any Espaina koa izy, fa tsy fantatsika raha tonga tany.—Rom. 15:24, 28.

9. Nety ho firy taona i Petera tamin’izy nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Mety ho efa 50 taona mahery ny apostoly Petera rehefa nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa. Raha nitovy taona tamin’i Jesosy mantsy izy, na zokiny kely, dia mety ho efa 50 taona tany ho any izy, rehefa nivory niaraka tamin’ny apostoly tao Jerosalema tamin’ny taona 49. (Asa. 15:7) Nifindra tany Babylona i Petera, taoriana kelin’izay, ary azo inoana fa nankany izy mba hitory tamin’ny Jiosy maro be tany. (Gal. 2:9) Tany izy no nipetraka rehefa nahazo ny fanahy masina mba hanoratra ny taratasiny voalohany, tamin’ny taona 62. (1 Pet. 5:13) Tsy mora ny manorim-ponenana any an-tany hafa. Mahafaly anefa ny manompo an’i Jehovah bebe kokoa, ka tsy nahasakana an’i Petera ny taonany nandroso.

10, 11. Inona no nataon’ny mpivady iray efa zokinjokiny?

10 Kristianina maro 50 taona mahery no mahita fa afaka manandrana karazana fanompoana mbola tsy nataony izy, satria niova ny fiainany. Nanitatra faritany ny sasany taminy. Hoy, ohatra, i Robert: “Tsapanay mivady tamin’izahay 55 taona teo ho eo fa afaka manao karazana fanompoana mbola tsy nataonay izahay. Efa tsy niara-nipetraka taminay intsony ny zanakay lahitokana. Tsy nanana ray aman-dreny be taona hokarakaraina intsony koa izahay ary nandova kely. Nanao kajikajy aho hoe raha amidinay ny tranonay, dia ho afaka handoa ny trosanay izahay, sady mbola hanam-bola hivelomana mandra-pahatongan’ny vola fisotroan-drononoko. Renay hoe be dia be ny olona manaiky hianatra Baiboly atỳ Bolivia ary mora ny fiainana, ka nanapa-kevitra hifindra izahay. Tsy mora ny nizatra ny fiainana tatỳ. Hafa be noho ny fiainana nahazatra anay tany Etazonia ny atỳ. Nisy vokany tsara anefa ny ezaka nataonay.”

11 Hoy ihany i Robert: “Ny fanompoana sy ny asa eo anivon’ny fiangonana izao no tena mameno  ny fiainanay. Natao batisa ny olona sasany nampianarinay Baiboly. Nisy fianakaviana iray tso-piaina nampianarinay. Nipetraka lavitry ny Efitrano Fanjakana izy ireo, nefa tonga nivory isan-kerinandro, na dia tsy mora aza ilay dia. Tena faly izahay nahita ny fandrosoan’io fianakaviana io sy nahita ny zanany lahimatoa lasa mpisava lalana.”

FITORIANA AMIN’NY OLONA MITENY VAHINY

12, 13. Inona no karazana fanompoana nataon’ny rahalahy iray, rehefa nisotro ronono izy?

12 Tena afaka mandray soa avy amin’ny ohatra omen’ireo rahalahy sy anabavy zokinjokiny ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny vahiny. Mahafinaritra be koa ny mitory amin’ny olona miteny vahiny. Hoy, ohatra, i Brian, avy any Angletera: “Nisotro ronono aho tamin’izaho 65 taona. Hoatran’ny tsy nisy atao izahay mivady taorian’izay. Efa tsy niara-nipetraka taminay intsony ny zanakay, ary zara raha nahita olona liana hampianarina Baiboly izahay rehefa nanompo. Nihaona tamin’ny tovolahy sinoa iray aho, indray mandeha. Nanao fikarohana tao amin’ny oniversite eto amin’ny faritra misy anay izy. Tonga nivory izy rehefa nasaina, ary nanaiky hampianariko Baiboly. Nitondra Sinoa hafa izy herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nitondra iray hafa indray tapa-bolana taorian’izay. Lasa efatra izy ireo tamin’ny farany.

13 “Nisy fanindiminy koa tatỳ aoriana nangataka hianatra Baiboly, ka nieritreritra aho hoe: ‘Angaha moa aho raha 65 taona dia hisotro ronono amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa?’ Nanontaniako àry ny vadiko, izay zandriko roa taona, raha mazoto hianatra teny sinoa izy. Nianatra teny sinoa tamin’ny kasety izahay. Efa folo taona izay no lasa. Hoatran’ny hoe niverina ho tanora indray izahay rehefa nitory tamin’ny faritany miteny vahiny. Sinoa 112 no efa nampianarinay Baiboly, ary efa nivory ny ankamaroany. Mpisava lalana ao amin’ny fiangonanay izao ny iray amin’izy ireo.”

Mbola tsy antitra loatra angamba ianao, ka afaka manompo bebe kokoa (Fehintsoratra 12, 13)

ANKAFIZO IZAY AZONAO ATAO

14. Inona no tokony hahafaly an’ireo Kristianina efa zokinjokiny, ary nahoana no mampahery azy ireo ny ohatr’i Paoly?

14 Tsy ny Kristianina rehetra 50 taona mahery  no afaka manao karazana fanompoana mbola tsy nataony. Marary ny sasany, ary ny hafa manana ray aman-dreny be taona na zanaka tsy maintsy karakaraina. Ho faly anefa ianao raha mitadidy fa ankasitrahan’i Jehovah izay rehetra ataonao mba hanompoana azy. Aza kivy amin’izay tsy azonao atao àry, fa ankafizo izay azonao atao. Tadidio i Paoly. Nambenana tao amin’ny trano iray izy nandritra ny taona vitsivitsy, ka tsy afaka nanohy ny dia misionera nataony. Niresaka ny Soratra Masina tamin’izay nitsidika azy anefa izy, sady nanatanjaka ny finoan’izy ireo.—Asa. 28:16, 30, 31.

15. Nahoana no tena sarobidy ireo Kristianina be taona?

15 Ankasitrahan’i Jehovah koa izay azon’ny be taona atao mba hanompoana azy. Marina fa nilaza i Solomona hoe tsy mahafinaritra ny fiainana rehefa antitra sy osa isika. Sarobidy amin’i Jehovah anefa izay ataon’ny be taona mba hiderana azy. (Lioka 21:2-4) Tena tsy mivadika izy ireny, ary mankasitraka ny ohatra avelany ny fiangonana.

16. Tsy afaka nanao inona i Ana nandritra ny fahanterany? Inona anefa no azony natao mba hanompoana an’i Jehovah?

16 Mitantara momba an’i Ana ny Baiboly. Vehivavy maty vady izy ary 84 taona tamin’i Jesosy teraka. Nidera an’i Jehovah foana izy na dia efa antitra aza. Tsy afaka niaina ela intsony izy, ka azo inoana fa tsy lasa mpanara-dia an’i Jesosy, tsy afaka ny ho voahosotry ny fanahy masina, ary tsy afaka nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nifaly tamin’izay azony natao anefa izy. ‘Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly izy, nanao fanompoana masina andro aman’alina.’ (Lioka 2:36, 37) Niaraka tamin’ny vahoaka teo an-tokotanin’ny tempoly izy isa-maraina sy isan-kariva. Nivavaka mangina nandritra ny antsasak’adiny teo ho eo izy tamin’izany, rehefa nanolotra emboka manitra ho an’i Jehovah ny mpisorona. Rehefa nahita an’i Jesosy zazakely izy, dia nanomboka “niresaka momba ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.”—Lioka 2:38.

17. Ahoana no azontsika anampiana ny Kristianina zokiolona sy marary mba hanompo an’i Jehovah?

17 Tokony hijery fomba hanampiana ny Kristianina zokiolona sy marary isika. Mety ho mahalana ny sasany aminy vao afaka mamonjy fivoriana sy fivoriambe, na dia tiany aza izany. Manao fandaharana ny fiangonana sasany, mba hahafahan’ireny zokiolona ireny hihaino ny fivoriana amin’ny alalan’ny telefaonina. Tsy afaka manao izany kosa ny fiangonana hafa. Mbola afaka manohana ny fivavahana marina foana anefa ny zokiolona na dia tsy afaka mamonjy fivoriana aza. Afaka mivavaka, ohatra, izy ireo mba handeha tsara ny asan’ny fiangonana.—Vakio ny Salamo 92:13, 14.

18, 19. a) Nahoana no azo lazaina fa tena mampahery ny hafa ny Kristianina zokiolona, na dia tsy takany aza izany? b) Iza no afaka mampihatra an’ilay torohevitra hoe: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao”?

18 Mety tsy ho takatr’ireo be taona hoe tena mampahery ny hafa izy. Eritrereto i Ana, izay tsy nivadika fa nankany amin’ny tempoly foana nandritra ny taona maro. Azo inoana fa tsy noeritreretiny hoe mbola hampahery ny olona ny ohatra navelany, taonjato maro atỳ aoriana. Voarakitra ao amin’ny Soratra Masina ny fitiavan’i Ana an’i Jehovah. Tsy misy hafa amin’izany koa fa voarakitra ao am-pon’ny mpiara-manompo aminao ny fitiavanao an’i Jehovah. Tena marina ny lazain’ny Baiboly hoe: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”—Ohab. 16:31.

19 Voafetra ihany ny mety ho vitantsika rehetra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha mbola manana hery sy tanjaka anefa isika, dia aoka ‘hahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao antsika, dieny mbola tsy tonga ny andro mahory.’—Mpito. 12:1.