Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2013

Narovan’i Jehovah teo Ambany Aloky ny Tendrombohitra

Narovan’i Jehovah teo Ambany Aloky ny Tendrombohitra

NIVOAKA ny trano vao maraina be ny vehivavy iray, ka nahita fonosan’entana teo am-baravarana. Noraisiny ilay izy ary nitoditodika izy, fa tsy nisy olona teny an’arabe. Nisy nametraka teo tamin’ny alina ilay izy. Nosokafany kely ilay fonosana, ka niditra haingana izy ary nanidy trano. Boky ara-baiboly voarara mantsy no tao. Nofihininy ilay izy ary nivavaka mangina izy mba hisaotra an’i Jehovah noho ilay sakafo ara-panahy sarobidy.

Imbetsaka ny toy izany no nitranga tany Alemaina, teo anelanelan’ny 1930 sy 1940. Norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra maro tany Alemaina, rehefa nahazo fahefana ny Nazia tamin’ny 1933. Hoy i Richard Rudolph, * izay 100 taona mahery izao: “Natoky izahay fa tsy hahasakana ny fitoriana momba an’i Jehovah sy ny anarany ireny didin’olombelona ireny. Tena nila boky ara-baiboly izahay rehefa nianatra sy nanompo, nefa lasa sarotra ny nahazo azy ireny noho ilay fandrarana. Nieritreritra izahay hoe ahoana no hanohizana ny asa.” Afaka nanampy i Richard tsy ela taorian’izay, ary hafakely ny zavatra nataony. Teo ambany aloky ny tendrombohitra no nanaovany izany.—Mpits. 9:36.

NAMPIASA NY LALAN’NY MPANAO VARO-MAIZINA

Raha manaraka ny reniranon’i Elbe (Labe) mankany amin’ny loharanony ianao, dia ho tonga eo Karkonosze, tandavan-tendrombohitra eo amin’ny sisin-tanin’ny Repoblika Tseky sy Polonina. Rakotra lanezy telo metatra ny tampon’izy io, mandritra ny antsasaky ny taona, nefa 1 600 metatra eo ho eo monja ny haavony. Izany no iantsoan’ny olona azy io hoe nosin’ny Tendrontany Avaratra any afovoan’i Eoropa. Miova tampoka ny toetrandro any, ka raha tsy mailo ianao, dia mety ho tratran’ny zavona be eny an-tampony.

Efa nanasaraka faritany sy fanjakana maro io tandavan-tendrombohitra io nandritra ireo taonjato. Sarotra narahi-maso ilay toerana satria  nampidi-doza, ka maro tamin’ny mponina manodidina no namakivaky azy io rehefa nanondrana entana an-tsokosoko. Nampiasa ny lalan’ireny mpanao varo-maizina ireny ireo Vavolombelona be herim-po, teo anelanelan’ny 1933 sy 1936, tamin’ny mbola sisin-tanin’i Tsekoslovakia sy Alemaina ilay tandavan-tendrombohitra. Teny no nitateran’izy ireo an’ireo boky ara-baiboly sarobidy nalainy tany amin’ny tany mora nakana azy. Anisan’ireny Vavolombelona ireny i Richard.

Nanao paozin’ny mpitsangantsangana izy ireo rehefa nitatitra boky ho any Alemaina

DIA NAMPIDI-DOZA

Hoy i Richard: “Tsifitofito teo ho eo izahay no niaraka rehefa faran’ny herinandro, ary rahalahy tanora daholo. Toy ny hitsangantsangana ny paozinay. Nandeha 16 kilaometatra teo ho eo namakivaky an’ireo tendrombohitra izahay. Adiny telo teo ho eo izany, avy any Alemaina ka hatrany Špindlerův Mlýn”, toerana fitsangantsanganana any Tsekoslovakia. Be ny Alemà nipetraka tao, ary nisy Alemà mpamboly nanaiky hanampy an’ireo rahalahy. Nanana kalesy tarihin-tsoavaly fitondrana mpitsangantsangana izy. Io no nakany an’ireo baoritra feno boky tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo. Nentin’ny lamasinina avy any Prague mantsy ireo boky. Nafenin’ilay mpamboly tao amin’ny fitoera-mololo tao aminy ireo baoritra, mandra-pahatongan’ireo rahalahy hitondra azy ho any Alemaina.

Hoy i Richard: “Nitondra kitapo babena lehibe izahay. Nofenoinay boky ilay izy rehefa tonga tao amin’ilay mpamboly izahay, ka tokotokony ho 50 kilao avy no nentinay.” Tsy te ho tratra izy ireo, ka rehefa mody masoandro no niainga ary niverina talohan’ny fiposahan’ny masoandro. Hoy i Ernst Wiesner, mpiandraikitra ny faritra tany Alemaina tamin’izany: “Nandeha tany aloha ny rahalahy roa, ka raha vao nifanena tamin’olona, dia nandrehitra jiro. Zato metatra tatỳ aoriana kosa ireo rahalahy nitondra ny entana. Niafina tany anaty kirihitra izy ireo rehefa nahita an’ilay jiro, ary tsy niala tao raha tsy niverina izy roa lahy ka nilaza teny famantarana. Novana isan-kerinandro io teny io.” Tsy ny polisy alemà nanao fanamiana manga ihany anefa no natahorana.

Hoy ihany i Richard: “Tara aho vao nirava niasa, indray hariva, ka elaela taorian’ireo rahalahy vao  tafainga ho any Tsekoslovakia. Maizina tamin’izay ary nisy zavona sady avy orana, ka nangovitry ny hatsiaka aho. Very tany anaty alan-kesika aho, ka tsy nahita lalana nandritra ny ora maro. Maro ny mpandeha efa tratran’izany ka maty. Tsy hitako ireo rahalahy raha tsy efa niverina izy ireo tamin’ny mangiran-dratsy.”

Nivezivezy isan-kerinandro tany an-tendrombohitra ireny rahalahy be herim-po ireny, nandritra ny telo taona teo ho eo. Nandeha skia na nampiasa kalesy fitondra amin’ny lanezy izy ireo rehefa ririnina, mba hitondrana ireo boky sarobidy. Niampita an’ilay sisin-tany tamin’ny antoandro izy ireo indraindray. Nahatratra 20 izy ireo, ary nanaraka lala-masaka falehan’ny mpitsangantsangana. Nisy anabavy nandeha koa, mba hahatonga ny olona hino fa mpitsangantsangana fotsiny izy ireo. Nandeha teny aloha ireo anabavy ary nanipy ny satrony raha vao nisy nampiahiahy.

Nampidi-doza ny namakivaky an’ireo tendrombohitra rakotra lanezy

Nozaraina avy hatrany ireo boky, rehefa tafaverina ireny rahalahy ireny. Ahoana no natao? Nofonosina ireo boky ka natao toy ny savony ny paoziny, ary nentina teny amin’ny garan’i Hirschberg. Nalefa eran’i Alemaina izy ireny, ary ireo rahalahy sy anabavy avy eo no nitatitra azy an-tsokosoko tany amin’ny mpiara-manompo, toy ilay voatantara terỳ am-piandohana. Nifampiankina ny asan’izy ireo, ka nety ho ratsy be ny vokany raha vao nisy olona na zavatra tratra. Nitranga tokoa ny tsy nampoizina indray mandeha!

Nisy toerana fametrahana boky tratra teny akaikin’i Berlin, tamin’ny 1936. Fonosan’entana telo no hita tao, avy tamin’ny olona iray tsy nitonona anarana tany Hirschberg. Nodinihin’ny polisy ny sora-tanana hitany, ka fantany ny iray tamin’ireo tompon’andraikitra, ary nosamboriny. Nisy olona roa nahiahina koa tsy ela taorian’izay, ka nosamborina. Anisan’izany i Richard Rudolph. Nanaiky ho tompon’andraikitra tamin’ny zava-drehetra ireo rahalahy ireo, ka mbola afaka nanohy an’ilay asa ny hafa, na dia lasa nampidi-doza kokoa aza izany.

LESONA HO ANTSIKA

Betsaka ny boky ara-baiboly voarain’ny Vavolombelona alemà, noho ny ezaka nataon’ireo iraka nivezivezy teo amin’ireo tendrombohitra Karkonosze. Nisy lalan-kafa nampiasaina koa tao amin’ny sisin-tanin’i Tsekoslovakia hatramin’ny 1939. Tamin’io no resin’ny Alemà i Tsekoslovakia. Vonona hisetra loza ny Vavolombelona tany Alemaina sy ireo tany nifanila taminy, toa an’i Frantsa sy Holandy ary Soisa, mba hamatsiana sakafo ara-panahy ho an’ireo mpiara-manompo taminy nenjehina.

Afaka mahazo boky sy gazety araka izay ilaintsika sy amin’ny endriny isan-karazany ny ankamaroantsika ankehitriny. Maka izany any amin’ny Efitrano Fanjakana isika na ao amin’ny tranonkala jw.org. Nahoana raha eritreretina hoe inona avy no natao mba hahazoanao azy ireny? Azo antoka fa nisy mpiara-manompo maro nahafoy tena sy niasa mafy vao vita izy ireny, na dia tsy namakivaky tendrombohitra feno lanezy tamin’ny misasakalina aza izy ireo.

^ feh. 3 Anisan’ny Fiangonana Hirschberg tany Silezia izy taloha. Jelenia Góra no anaran’ny tanànan’i Hirschberg izao, ary any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Polonina izy io.