Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2013

Fanampiana ho An’ireo Maty Vady

Fanampiana ho An’ireo Maty Vady

MILAZA mazava tsara ny Baiboly fa tokony ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany” ny lehilahy, ary ny vehivavy kosa tokony “hanaja fatratra ny vadiny.” Tokony hankatò an’izany ny mpivady satria “nofo iray.” (Efes. 5:33; Gen. 2:23, 24) Lasa mifandray am-po kokoa sy mihamifankatia ny mpivady sambatra am-panambadiana rehefa mandeha ny fotoana, toy ny fakan’ny hazo roa mifanakaiky izay lasa mifamatotra.

Ahoana anefa raha maty ny iray amin’izy roa? Tapaka ilay fatorana mampiray azy ireo. Matetika no malahelo sy manirery ilay maty vady, ary indraindray aza tezitra na manamelo-tena. Nahalala olona maro maty vady i Daniella nandritra ireo 58 taona nanambadiany. * Hoy anefa izy rehefa maty ny vadiny: “Tsy takatro mihitsy ny manjo an’ireo maty vady, raha tsy efa nihatra tamiko ilay izy.”

TOA TSY HISINDA ILAY ALAHELO

Misy manam-pahaizana milaza fa ny fahorian-tsaina vokatry ny famoizana vady no mafy indrindra. Manaiky an’izany ny olona maro maty vady, anisan’izany i Lisy, izay namoy ny vadiny taorian’ny 25 taona nanambadiana. Efa taona maro no lasa, nefa hoy izy rehefa milaza ny fihetseham-pony noho ny nahafatesan’ny vadiny: “Hoatran’ny hoe kilemaina aho.”

Mbola malahelo ny vehivavy sasany, na dia efa taona maro aorian’ny ahafatesan’ny vadiny aza. Nieritreritra i Suzanne taloha fa tafahoatra izany. Maty anefa ny vadiny taorian’ny 38 taona niarahan’izy ireo. Efa 20 taona mahery no lasa, nefa  hoy izy: “Mahatsiaro azy aho isan’andro.” Matetika i Suzanne no mitomany satria tena manina azy.

Asehon’ny Baiboly fa tena mangidy ny hoe maty vady, ary maharitra ela ny fahoriana aterak’izany. Rehefa nodimandry i Saraha vadiny, dia “niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony an’i Saraha sy hitomany azy.” (Gen. 23:1, 2) Ory mafy izy na dia nino aza fa hatsangana ny maty. (Heb. 11:17-19) Mbola tsaroan’i Jakoba sy mbola tiany foana koa i Rahely vady malalany, na dia efa maty aza. Hita izany rehefa niresaka momba azy tamin’ny zanany lahy izy.—Gen. 44:27; 48:7.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Maharitra an-taonany maro matetika ny fahorian’ireo maty vady. Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy matanja-tsaina izy ireny, matoa mitomany sy malahelo. Mila tadidintsika kosa fa ara-dalàna izany, satria lasa banga be ny fiainany. Mety hila fangorahana sy fampaherezana avy amintsika mandritra ny fotoana maharitra izy ireo.

AZA MANAHY BE MOMBA NY AMPITSO

Tsy hoe miverina ho mpitovo fotsiny ny olona maty vady. Rehefa ela nanambadiana ny lehilahy iray, dia matetika no hainy ny fomba ampiononana sy ampaherezana ny vadiny rehefa malahelo izy io na sorena. Tsy mana-namana hampahery sy ho tia azy àry ilay vehivavy, rehefa tsy eo intsony ny vadiny. Toy izany koa ny lehilahy rehefa maty ny vadiny. Lasa hain’ilay vehivavy mantsy hoe ahoana no atao mba hahatonga ny vadiny tsy hanana ahiahy sy ho falifaly. Tsy misy mahasolo ny safosafony sy ny teny maminy. Izy irery koa no tena mihevitra izay mahaliana ny vadiny sy izay ilainy. Mety hihevitra ilay lehilahy hoe tsy misy dikany intsony ny fiainany rehefa maty ny vadiny. Lasa manahy na matahotra ny hoavy àry ny olona rehefa maty vady. Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy azy ireo hilamin-tsaina?

Afaka manampy anao hiaritra ny alahelonao isan’andro Andriamanitra

Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.” (Mat. 6:34) Marina fa izay ilaintsika eo amin’ny fiainana no noresahiny teo. Nanampy olona maro maty vady mba hizaka ny fahoriany koa anefa ireo teny ireo. Hoy i Charles, volana vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny: “Mbola malahelo be an’i Monique aho, ary hoatran’ny vao mainka mihamafy ilay izy indraindray. Fantatro anefa fa ara-dalàna izany, ary hihamaivana ny fahoriako rehefa mandeha ny fotoana.”

Tsy maintsy nanam-paharetana i Charles. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nanampy ahy i Jehovah, ka niezaka niatrika ny andro tsirairay aho, fa tsy nanahy be momba ny ampitso.” Tsy tototry ny alahelo àry i Charles. Marina fa tsy tonga dia nisinda ny alahelony, nefa koa tsy nampijaly be azy intsony. Raha maty vady àry ianao, dia miezaha hizaka ny alahelonao isaky ny andro tsirairay. Mety tsy hampoizinao ny zava-tsoa na ny fampaherezana ho azonao ny ampitso.

Tsy fikasan’i Jehovah ny fahafatesana, fa anisan’ny “asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8; Rom. 6:23) Matahotra fahafatesana ny olona, ka hararaotin’i Satana izany mba hifehezana azy ireo toy ny andevo sy hahatonga azy ireo tsy hanana fanantenana.  (Heb. 2:14, 15) Faly izy rehefa mamoy fo isika ka tsy manantena ny ho sambatra intsony, na ankehitriny na ao amin’ny tontolo vaovao. Ny fahotan’i Adama sy ny teti-dratsin’i Satana àry no fototry ny fahorian’ireo maty vady. (Rom. 5:12) Hofoanan’i Jehovah anefa ny fijaliana vokatry ny asan’i Satana, sy ny fahafatesana izay fitaovam-piadiana ampahoriany ny olona. Ho afaka amin’ilay tahotra aelin’i Satana àry ny olona, anisan’izany ireo maty vady toa anao.

Azo inoana fa maro ny zavatra hiova eo amin’ny fifandraisan’ny olona, rehefa hitsangana ny maty. Ho lasa lavorary tsikelikely miaraka amin’ny zanany sy ny zafikeliny ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe ary ny razamben’izy ireo. Tsy hisy intsony ny voka-dratsin’ny fandrosoan’ny taona. Mety ho tsy maintsy hanova ny fomba fiheverantsika an’ireo razambentsika isika, amin’izay fotoana izay. Azo inoana fa hanatsara ny fiainan’ny olombelona izany.

Maro ny fanontaniana mety hanitikitika ny saintsika, momba an’ireo hatsangana amin’ny maty. Ahoana, ohatra, raha efa maty vady imbetsaka ny olona iray? Nametraka fanontaniana momba ny vehivavy iray impito maty vady ny Sadoseo, indray mandeha. (Lioka 20:27-33) Rehefa hatsangana ny maty, ho lasa mpifaninona izy sy ireo vadiny taloha? Ary ahoana ny amin’ny olon-kafa toa azy? Tsy fantatsika ny valiny ary tsy ilaina ny manombantombana na ny miasa saina  amin’izany. Mila matoky an’i Jehovah fotsiny isika. Azo antoka fa ho tsara izay hataony amin’ny hoavy, na inona izany na inona. Tsy hampatahotra antsika izany ary tsy ho andrintsika mihitsy.

FANANTENANA MAMPIONONA ANTSIKA

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa hatsangana ireo havan-tiantsika efa maty. Maro ny fitantarana momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Manome toky antsika izy ireny fa ‘hivoaka izay rehetra any am-pasana rehefa handre ny feon’i Jesosy.’ (Jaona 5:28, 29) Tena ho faly ireo velona amin’izay fotoana izay, satria hihaona amin’ireo olona nafahana tamin’ny fangejan’ny fahafatesana. Na ireo hatsangana amin’ny maty koa aza dia ho faly, ary tsy ho azontsika sary an-tsaina ny hafalian’izy ireo.

Hisy fifaliam-be mbola tsy nisy toy izany eto an-tany amin’izay. Olona an’arivony tapitrisa no hatsangana amin’ny maty, ka ho anisan’ny fiaraha-monina indray. (Mar. 5:39-42; Apok. 20:13) Tena hampahery an’izay rehetra namoy havan-tiana ny misaintsaina an’izany fahagagana ho avy izany.

Asehon’ny Baiboly fa tsy misy antony tokony hampalahelo antsika intsony rehefa hatsangana ny maty. Milaza ny Isaia 25:8 fa ‘hofoanan’i Jehovah tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.’ Ho foana miaraka amin’izany ny fahoriana ateraky ny fahafatesana, satria milaza koa ilay faminaniana hoe: ‘Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ Raha malahelo ianao izao satria namoy ny vady malalanao, dia azo antoka fa tena ho faly ianao rehefa hitsangana ny maty.

Tsy misy tena mahatakatra an’izay rehetra hataon’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao isika. Hoy i Jehovah: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.” (Isaia 55:9) Hita hoe matoky an’i Jehovah toa an’i Abrahama isika, rehefa mino ny fampanantenan’i Jesosy momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tena ilain’ny Kristianina tsirairay izao ny manao izay takin’ Andriamanitra. Ho “mendrika hahazo izany fiainana izany” miaraka amin’ireo hatsangana amin’ny maty izy amin’izay.—Lioka 20:35.

MANÀNA FANANTENANA

Aza mitebiteby àry fa manàna fanantenana. Manjombona no fahitan’ny olona ny hoavy. Mampanantena zavatra tsara anefa i Jehovah. Tsy fantatsika mazava tsara hoe ahoana no hanomezan’i Jehovah fahafaham-po an’izay rehetra ilaintsika sy irintsika. Afaka matoky anefa isika fa hanao izany izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fanantenana zavatra efa hita anefa dia tsy fanantenana, fa ahoana no mbola anantenan’ny olona an’izay efa hitany? Fa raha manantena izay tsy hitantsika isika, dia miandry azy io hatrany ka miaritra.” (Rom. 8:24, 25) Hahavita hiaritra ianao raha tena mino ny fampanantenan’Andriamanitra. Hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ianao raha miaritra, ka ‘homen’i Jehovah anao izay irin’ny fonao.’ ‘Hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy amin’izay.—Sal. 37:4; 145:16; Lioka 21:19.

Matokia fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hoavy sambatra

Kivy ny apostoly rehefa akaiky ho faty i Jesosy. Nampahery azy ireo toy izao àry i Jesosy: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.” Hoy koa izy: “Tsy hamela anareo ho kamboty aho, fa hankatỳ aminareo.” (Jaona 14:1-4, 18, 27) Nanome fanantenana an’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy ireo teny ireo, ary nanampy azy ireo hiaritra. Tsy tokony ho very fanantenana koa àry ireo maniry mafy hahita ny havan-tiany nodimandry. Afaka matoky izy ireo fa tsy hamela azy ho kamboty i Jehovah sy ny Zanany. Mbola hihaona amin’ireo havan-tiany indray izy ireo!

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

Fanampim-panazavana

Manatòna An’i Jehovah

Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

Ahoana no handresena ilay fiheverana hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra ianao sady tsy tiany?