Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2013

“Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany

“Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany

“Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hankalazainareo ho fety ho an’i Jehovah.”EKS. 12:14.

1, 2. Inona ilay fankalazana tokony hahaliana ny Kristianina rehetra, ary nahoana?

MATETIKA ny olona no mankalaza ny fitsingerenan’ny andro miavaka. Inona, ohatra, no andro miavaka tena tsaroanao? Ny fampakaram-badinao angamba, raha manambady ianao. Ny hafa indray mety hahatsiaro andro manan-tantara, ohatra hoe ny nahazoan’ny fireneny fahaleovan-tena. Ary fantatrao ve ilay andro lehibe nankalazain’ny firenena iray nandritra ny 3 500 taona mahery?

2 Tsy inona izany fa ny Paska. Fahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta izy io. Tokony ho zava-dehibe aminao ny Paska. Tena misy ifandraisany amin’ny fiainanao mantsy izy io. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Natao ho an’ny Jiosy ange ny Paska e, nefa izaho Kristianina. Nahoana moa aho no tokony ho liana amin’izany?’ Mariho ny lazain’ny Baiboly: ‘Efa natao sorona i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.’ (1 Kor. 5:7) Tsy ho azontsika ny dikan’izany, raha tsy fantatsika tsara ny Paska jiosy sy ny ifandraisan’izy io amin’ny didy iray nomena ny Kristianina rehetra.

NAHOANA NO NANKALAZAINA NY PASKA?

3, 4. Inona no zava-nitranga talohan’ny nankalazana ny Paska voalohany?

3 Olona tsy Jiosy an-jatony tapitrisa eran-tany no mahalala ny zava-nitranga talohan’ny fankalazana ny Paska. Mety ho hitan’izy ireo tao amin’ny Eksodosy ao amin’ny Baiboly izany, na nisy nitantara taminy, na hitany tamin’ny filma.

4 Andevo tany Ejipta nandritra ny taona maro ny Israelita. Nirahin’i Jehovah tany amin’i Farao àry i Mosesy sy Arona rahalahiny mba hangataka ny hanafahana azy ireo. Tsy nanaiky anefa io mpanjaka nieboebo io, ka nandefasan’i Jehovah loza nifanesy ilay tany. Namono ny lahimatoan’ny Ejipsianina ny loza fahafolo farany, ka tamin’izay  i Farao vao nanafaka ny Israelita.—Eks. 1:11; 3:9, 10; 5:1, 2; 11:1, 5.

5. Inona no nasaina nataon’ny Israelita talohan’ny nanafahana azy ireo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Nisy toromarika nasaina narahin’ny Israelita talohan’ny nanafahana azy ireo. Tamin’ny lohataonan’ny taona 1513 T.K. izany no nitranga, tamin’ny volana Abiba, izay nantsoina hoe Nisana tatỳ aoriana. * Nilaza Andriamanitra fa tokony hanomboka hiomana ny Israelita ny 10 Nisana, satria misy zavatra hampanaovina azy ireo ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro. Manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny andro jiosy ary mifarana amin’ny filentehan’ny masoandro manaraka. Nasaina namono ondrilahy (na osilahy) ny tokantrano tsirairay ny 14 Nisana, ary nasaina naka tamin’ny ran’ilay biby ka nanosotra izany tamin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana. (Eks. 12:3-7, 22, 23) Hatsatsik’izy ireo ilay zanak’ondry ary hohaniny miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana. Handalo ao amin’ilay tany ny anjelin’Andriamanitra ka hamono ny lahimatoan’ny Ejipsianina. Ho voaro kosa ireo Israelita mankatò, ka hafahana.—Eks. 12:8-13, 29-32.

6. Ahoana no tokony hiheveran’ny Israelita ny Paska?

6 Afaka tokoa ny Israelita, ary tsy maintsy notsarovan’izy ireo foana izany fanafahana izany. Hoy Andriamanitra: “Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hankalazainareo ho fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara mandimby. Tokony hankalaza an’io andro io ianareo. Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.” Nisy fety fito andro, taorian’ilay fankalazana ny 14 Nisana. Ny 14 Nisana no tena Paska nefa nantsoina hoe Paska avokoa ireo valo andro nanaovana fety. (Eks. 12:14-17; Lioka 22:1; Jaona 18:28; 19:14) Anisan’ireo fety tsy maintsy nankalazain’ny Hebreo isan-taona ny Paska.—2 Tan. 8:13.

7. Inona no fankalazana vaovao natombok’i Jesosy, tamin’ny fotoana nankalazany ny Paska farany niaraka tamin’ny apostoliny?

7 Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny ary nankatò ny Lalàn’i Mosesy, ka nankalaza ny Paska isan-taona. (Mat. 26:17-19) Nisy fankalazana vaovao natombok’i Jesosy, tamin’ny Paska farany niarahany tamin’ny apostoly. Ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy io, ary tokony hankalazain’ny mpanara-dia azy isan-taona. Rahoviana anefa izy ireo no tokony hankalaza azy io?

RAHOVIANA NO ANKALAZAINA NY SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO?

8. Inona no fanontaniana mipoitra momba ny Paska sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

8 Nanomboka an’ilay fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy, raha vao avy nankalaza ny Paska. Ny andro nankalazana ny Paska ihany àry no nanaovana an’ilay fankalazana vaovao. Mety ho voamarikao anefa fa tsy mitovy amin’ny andro ankalazantsika ny nahafatesan’i Kristy ny datin’ny Paska jiosy amin’ny kalandrie sasany ankehitriny, fa mielanelana andro iray na maromaro. Inona no mahatonga izany? Nisy toromarika nomen’Andriamanitra ny fiangonan’Israely manontolo, rehefa nandidy azy ireo mba hamono an’ilay zanak’ondry izy. Nolazainy hoe taiza ho aiza tamin’ny 14 Nisana no tokony hamonoana an’ilay biby.—Vakio ny Eksodosy 12:5, 6.

9. Rahoviana no tokony hovonoina ilay zanak’ondrin’ny Paska, araka ny Eksodosy 12:6? (Jereo koa ilay  efajoro.)

9 Milaza ny Eksodosy 12:6 fa tokony hovonoina “eo anelanelan’ny takariva roa” ilay zanak’ondry. Ireo teny ireo koa no hita any amin’ny Baiboly hafa. Ny Baiboly jiosy Tanakh mandika azy io hoe “amin’ny somambisamby.” Ny Fandikan-teny Protestanta manao hoe “amin’ny hariva.” Misy koa mandika azy io hoe “manodidididina  ny filentehan’ny masoandro.” Midika izany fa aorian’ny filentehan’ny masoandro ilay zanak’ondry no tokony hovonoina, saingy amin’ilay fotoana mbola misy hazavana iny, izany hoe eo am-piandohan’ny 14 Nisana.

10. Oviana no namonoana ny zanak’ondrin’ny Paska, araka ny hevitry ny olona sasany? Inona anefa no fanontaniana aterak’izany?

10 Tao amin’ny tempoly no novonoina ireo zanak’ondrin’ny Paska, tatỳ aoriana, ary ela be izany vao vita. Nino àry ny Jiosy sasany fa ilay hoe “eo anelanelan’ny takariva roa” ao amin’ny Eksodosy 12:6, dia manondro ny tapany farany amin’ny 14 Nisana, izany hoe manomboka rehefa mihilana ny masoandro aorian’ny mitataovovonana ary mifarana rehefa milentika izy io. Raha izany anefa no izy, dia oviana no nohanina ny Paska? Nanazava toy izao i Jonathan Klawans, manam-pahaizana momba ny Fivavahana Jiosy fahiny: “Efa andro vaovao ny aorian’ny filentehan’ny masoandro. Noho izany, dia natao ny 14 Nisana ny sorona fa nanomboka ny 15 Nisana kosa ny Paska sy ny fihinanana ny sakafon’ny Paska. Tsy voalaza mivantana ao amin’ny Eksodosy anefa ireo andro mifanarakaraka ireo.” (Izahay no manao sora-mandry.) Nilaza koa izy fa na ny asa soratr’ireo mpitondra fivavahana jiosy aza, dia tsy manazava ny fomba nankalazana ny Paska talohan’ny nandravana ny tempoly tamin’ny taona 70.

11. a) Inona avy no nitranga tamin’i Jesosy ny andron’ny Paska taona 33? b) Nahoana no nantsoina hoe Sabata “lehibe” ny 15 Nisana taona 33? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Tsara àry ny mamantatra hoe oviana marina no nankalazaina ny Paska taona 33. Nilaza toy izao tamin’i Petera sy Jaona i Jesosy ny 13 Nisana, rehefa nanakaiky ny andro “hamonoana biby atao sorona amin’ny Paska”: “Mandehana manomana ny Paska hohanintsika.” (Lioka 22:7, 8) Nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy avy eo ny 14 Nisana taorian’ny filentehan’ny masoandro, izany hoe ny alakamisy hariva. Taorian’izay izy no nanomboka ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Lioka 22:14, 15) Nosamborina sy notsaraina izy ny alin’iny. Nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy rehefa nanakaiky ny mitataovovonan’ny 14 Nisana, ary maty izy ny tolakandro. (Jaona 19:14) “Natao sorona” tamin’ny andro namonoana ny zanak’ondrin’ny Paska àry i “Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.” (1 Kor. 5:7; 11:23; Mat. 26:2) Nalevina i Jesosy rehefa nadiva hifarana io andro io, izany hoe talohan’ny nanombohan’ny 15 Nisana. *Lev. 23:5-7; Lioka 23:54.

LESONA AVY AMIN’NY PASKA

12, 13. Nahoana no azo lazaina fa nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Paska koa ny ankizy israelita?

12 Nilaza i Mosesy, tamin’ilay Paska voalohany tany Ejipta, fa tokony hankalaza ny Paska isan-taona ny Israelita. Fitsipika ho azy ireo “mandritra ny fotoana tsy voafetra” izany. Tsy maintsy hanontany azy ireo ny antony ankalazana ny Paska ny zanany, isaky ny mitsingerina izy io. (Vakio ny Eksodosy 12:24-27; Deot. 6:20-23) “Fahatsiarovana” ho an’ny ankizy koa àry ny Paska, satria na izy ireo aza nandray lesona tamin’ilay izy.—Eks. 12:14.

13 Nampita lesona lehibe momba ny Paska tamin’ny taranany foana ny Israelita. Anisan’izany ny hoe afaka miaro ny mpanompony i Jehovah. Nanjary takatr’ireo ankizy fa Andriamanitra velona sy tena misy i Jehovah, ary miahy ny vahoakany sy mamonjy azy ireo. Noporofoin’i Jehovah izany rehefa niaro ny lahimatoan’ny Israelita izy, tamin’izy “namely ny Ejipsianina.”

14. Inona no lesona avy amin’ny Paska azon’ny ray aman-dreny kristianina ampianarina ny zanany?

14 Tsy voatery manazava ny dikan’ny Paska jiosy amin’ny zanany ny ray aman-dreny kristianina isan-taona. Ampianarinao ny zanakao ve anefa ny lesona avy amin’ny Paska, dia ny hoe miaro ny vahoakany Andriamanitra? Asehonao amin’izy ireo ve fa tena mino ianao hoe mbola miaro ny vahoakany i Jehovah ankehitriny? (Sal. 27:11; Isaia 12:2) Ary ahoana no anaovanao an’izany? Ataonao resadresaka mahafinaritra ve ilay izy fa tsy toy ny toriteny be? Vao mainka hatoky an’i Jehovah ny fianakavianao, raha mampita izany lesona izany amin’izy ireo ianao.

Inona no lesona hampitainao amin’ny zanakao, rehefa miresaka momba ny Paska ianareo? (Fehintsoratra 14)

15, 16. Inona no azo asongadina momba an’i Jehovah avy amin’ny fitantarana momba ny Paska sy ny fitantarana ao amin’ny Eksodosy?

15 Misy lesona hafa koa azo raisina avy amin’ny Paska. Nanafaka ny vahoakany i Jehovah, rehefa ‘namoaka azy ireo hiala tany Ejipta.’ Alao sary an-tsaina ange izany e! Notarihin’i Jehovah tamin’ny andry rahona sy andry afo izy ireo. Nosokafan’i Jehovah handehanan’izy ireo ny Ranomasina Mena, ka lasa toy ny rindrina avo be teo ankavanany sy ankaviany. Rehefa tafita soa aman-tsara izy ireo, dia hitany niantonta tamin’ny tafika ejipsianina sy nanafotra azy ireo ny ranomasina. Nihira toy izao àry izy ireo: “Hihira ho an’i Jehovah aho . . . Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy. I Jah no tanjako sy heriko, satria izy no mpamonjy ahy.”—Eks. 13:14, 21, 22; 15:1, 2; Sal. 136:11-15.

16 Raha manan-janaka ianao, ampianao ve izy ireo mba hatoky fa mahavita manafaka ny mpanompony i Jehovah? Hitany amin’ny resakao sy ny fanapahan-kevitra raisinao ve fa matoky an’izany ianao? Mety ho azonareo resahina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny fomba nanafahan’i Jehovah ny mpanompony, ao amin’ny Eksodosy toko 12-15, na ny Asan’ny Apostoly 7:30-36, na ny Daniela 3:16-18, 26-28. Tokony hatoky isika rehetra, na ny ankizy na ny lehibe, fa tsy taloha ihany i Jehovah no Mpanafaka. Mbola hanafaka antsika izy  amin’ny hoavy, toy ny nanafahany ny vahoakany tamin’ny andron’i Mosesy.—Vakio ny 1 Tesalonianina 1:9, 10.

ILAY ANDRO TOKONY HOTSAROVANA

17, 18. Inona no tokony ho tonga ao an-tsaintsika, rehefa mieritreritra ny nampiasana ny ra tamin’ny Paska voalohany isika?

17 Tsy mankalaza ny Paska ny tena Kristianina. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy mantsy izy io, nefa tsy mitandrina an’io Lalàna io isika. (Rom. 10:4; Kol. 2:13-16) Ny nahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra kosa no ankalazaintsika. Mbola misy heviny ho antsika anefa ny zavatra sasany natao tamin’ny fankalazana ny Paska voalohany tany Ejipta.

18 Niaro ny ain’ny lahimatoa teo amin’ny Israely ny ran’ny zanak’ondry nahosotra teo amin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana. Tsy manolotra sorona biby ho an’Andriamanitra isika ankehitriny, na amin’ny Paska na amin’ny fotoana hafa. Misy sorona tsara kokoa anefa ary afaka miaro ny aintsika mandrakizay izy io. Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny ra nafafy”, izany hoe ny ran’i Jesosy, no miaro ny ain’ny “fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra”, izany hoe ny Kristianina voahosotra. (Heb. 12:23, 24) Ny ran’i Jesosy koa no miaro ny ain’ireo olona manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Tokony hotadidintsika rehetra foana ity fanomezan-toky ity: ‘Izy no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika, araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’—Efes. 1:7.

19. Nahoana isika no lasa matoky kokoa ny faminaniana rehefa mandinika ny fomba nahafatesan’i Jesosy?

19 Nandidy ny Israelita i Jehovah hoe tsy tokony hisy hotapahina ny taolan’ilay zanak’ondry nohanina tamin’ny Paska. (Eks. 12:46; Nom. 9:11, 12) Ahoana ny amin’ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra”, izay nanome ny vidim-panavotana? (Jaona 1:29) Nofantsihana teo anelanelan’ny jiolahy roa izy. Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny taolan’izy telo lahy. Vetivety dia ho faty izy ireo amin’izay, ka tsy ho tavela eo amin’ny hazo fijaliana ny fatiny ny 15 Nisana, izay Sabata lehibe. Notapahin’ny miaramila àry ny ranjon’ireo jiolahy roa. “Rehefa tonga teo amin’i Jesosy anefa ireo, dia nahita fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony.” (Jaona 19:31-34) Toy ny natao tamin’ilay zanak’ondrin’ny Paska izany. “Aloky” ny zava-nitranga tamin’ny 14 Nisana taona 33 àry ilay zanak’ondry. (Heb. 10:1) Tanteraka tamin’io koa ny Salamo 34:20, ary mahatonga antsika hatoky kokoa an’ireo faminaniana izany.

20. Milazà zavatra iray tsy mampitovy ny Paska sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

20 Misy zavatra maromaro anefa tsy mampitovy ny Paska sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Hita amin’izy ireny fa tsy mifanitsy amin’izay nasain’i Kristy natao ho fahatsiarovana ny nahafatesany ny zavatra nataon’ny Jiosy tamin’ny Paska. Ny nofon’ilay zanak’ondry ihany, ohatra, no nohanin’ny Israelita tany Ejipta, fa tsy nihinana ny rany izy ireo. I Jesosy kosa nilaza fa tokony hihinana amin’ny mofo sy ny divay, izay mifanitsy amin’ny nofony sy ny rany, ireo hiara-manjaka aminy “ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Hodinihintsika misimisy kokoa izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Mar. 14:22-25.

21. Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala momba ny Paska?

21 Tena fotoan-dehibe teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny ny Paska, ary andraisantsika lesona maro. Tokony hahalala momba azy io àry ny Kristianina ary handray am-po an’ireo lesona sarobidy ampitainy, na dia tsy natao ho azy ireo aza ny Paska fa natao ho “fahatsiarovana” ho an’ny Jiosy. Anisan’ny Soratra Masina ireny lesona ireny, ary ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo.’—2 Tim. 3:16.

^ feh. 5 Efa tafaverina avy babo tany Babylona ny Israelita vao nantsoina hoe Nisana ny volana Abiba. Io no volana voalohany ao amin’ny kalandrie jiosy. Nisana foana no iantsoantsika azy io, ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ny 15 Nisana. Sabata mahazatra (asabotsy) izy io tamin’io taona io, ary nifanitsy tamin’ny andro voalohany amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay Sabata foana. Nifanindry ireo Sabata roa ireo ka lasa Sabata “lehibe” ilay andro.—Vakio ny Jaona 19:31, 42.