Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2013

“Aza Malaky Mikorontan-tsaina”

“Aza Malaky Mikorontan-tsaina”

“Ry rahalahy: Aza malaky mikorontan-tsaina.”2 TES. 2:1, 2.

1, 2. Nahoana no betsaka ny lainga sy fitaka ankehitriny, ary ahoana no isehoan’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

BETSAKA ny olona manao hosoka sy misoloky ary mamitaka, eto amin’ity tontolo ity, ary tsy mahagaga izany. Milaza ny Baiboly fa mpamitaka raindahiny i Satana Devoly, ilay mpitondra an’ity tontolo ity. (1 Tim. 2:14; 1 Jaona 5:19) Efa horavana ity tontolo ratsy ity, ka vao mainka tezitra i Satana satria “fohy ny fotoana ananany.” (Apok. 12:12) Ampoizintsika àry fa vao mainka hampiely lainga ny olona eo ambany fahefany. Ireo mampandroso ny fivavahana marina no tena ataony lasibatra.

2 Milaza lainga momba ny mpanompon’i Jehovah ny fampitam-baovao indraindray, na milaza zavatra mahatonga ny olona ho diso hevitra momba azy ireo. Ampiasaina mba hampielezana zavatra tsy marina ny lohatenin-gazety, ny horonan-tsary fanadihadiana amin’ny tele, ary ny tranonkala ao amin’ny Internet. Sahiran-tsaina àry ny olona sasany, ka tonga dia mino an’ireny lainga ireny.

3. Inona no hanampy antsika tsy ho voafitaka?

3 Ataon’ilay fahavalontsika mba hahakivy antsika ireny rehetra ireny. Soa ihany fa manana ny Tenin’Andriamanitra isika mba hiatrehana izany. ‘Mahasoa mba hanitsiana izay diso’ izy io. (2 Tim. 3:16) Hitantsika ao amin’ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly fa nisy Kristianina voafitaka tany Tesalonika, tamin’ny taonjato voalohany, ka nino zavatra tsy marina. Nananatra azy ireo izy mba tsy ‘halaky hikorontan-tsaina’ na ho mora voafitaka. (2 Tes. 2:1, 2) Inona no lesona raisintsika avy amin’ny torohevitr’i Paoly, ary ahoana no azontsika ampiharana izany?

FAMPITANDREMANA ARA-POTOANA

4. Ahoana no nampitandremana an’ireo Kristianina tany Tesalonika fa ho avy “ny andron’i Jehovah”, ary ahoana no ampitandremana antsika ankehitriny?

4 Nampitandrina i Paoly, ao amin’ny taratasiny voalohany  ho an’ny fiangonana tany Tesalonika, fa ho avy “ny andron’i Jehovah.” Tsy tiany raha ao amin’ny haizina ireo mpiara-manompo taminy, ka tsy vonona ho amin’io andro io. Nampirisihiny izy ireo mba “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana”, toy ny “zanaky ny mazava.” (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:1-6.) Miandry ny handravana an’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra isika, ankehitriny. Izany no ho fiandohan’ny andro lehiben’i Jehovah. Faly tokoa isika mahalala ny fomba ahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Mahazo fampahatsiahivana tsy tapaka sy ara-potoana koa isika eo anivon’ny fiangonana, ka afaka misaina tsara foana. Raha manaraka an’ireny fampitandremana ireny isika, dia vao mainka ho tapa-kevitra ny hanolotra ‘fanompoana masina ampiasantsika ny saintsika.’Rom. 12:1.

Nanoratra taratasy mirakitra fampitandremana ara-potoana ho an’ny Kristianina i Paoly (Fehintsoratra 4, 5)

5, 6. a) Inona no nampitandreman’i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesalonianina? b) Inona no hasain’Andriamanitra hataon’i Jesosy tsy ho ela, ary inona no tokony hoeritreretintsika?

5 Nandefa ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesalonianina i Paoly, taoriana kelin’ny nandefasany an’ilay taratasy voalohany. Nampitandrina izy tao fa hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ireo “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara” i Jesosy Tompo, amin’ilay fahoriana ho avy. (2 Tes. 1:6-8) ‘Nientanentana’ momba ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah ny olona sasany teo anivon’ilay fiangonana, ka nanjary nino fa efa tena akaiky ilay andro, ary toy ny hoe efa tonga mihitsy. (Vakio ny 2 Tesalonianina 2:1, 2.) Tsy tena nahatakatra ny fomba ahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah izy ireo. Na i Paoly aza niaiky hoe: “Ampahany ihany ny fahalalantsika, ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika, fa rehefa feno izany, dia hofoanana ilay ampahany.” (1 Kor. 13:9, 10) Afaka nanana finoana matanjaka foana anefa izy ireo, noho ireo fampitandremana nasain’Andriamanitra nosoratan’i Paoly sy ny apostoly Petera ary ireo Kristianina voahosotra hafa.

6 Nanitsy ny hevi-dison’ireo Kristianina ireo i Paoly, ka nanazava fa tsy maintsy hipoitra aloha ny fivadiham-pinoana lehibe sy “ilay lehilahy mpandika lalàna”, izay vao ho tonga ny andron’i Jehovah. * ‘Hanafoana’ izay rehetra  voafitaka i Jesosy Tompo aorian’izay, amin’ny fotoana voatondrony. Nilaza i Paoly fa noho ny “tsy naneken’izy ireo ny fitiavana ny fahamarinana” no anton’izany. (2 Tes. 2:3, 8-10) Eritrereto àry hoe: ‘Tena tia ny fahamarinana ve aho? Moa ve aho maharaka ny fanazavana farany omena amin’ny alalan’ity gazety ity sy ny boky ara-baiboly hafa natao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany?’

FIDIO TSARA IZAY IFANERASERANAO

7, 8. a) Inona avy no nety ho nampidi-doza ny Kristianina voalohany? b) Inona no tena mety hampidi-doza ny Kristianina ankehitriny?

7 Marina fa tsy ny mpivadi-pinoana sy ny fampianarany ihany no nety ho nampidi-doza ny Kristianina. Nilaza tamin’i Timoty, ohatra, i Paoly fa ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’ Nasongadiny fa “nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1 Tim. 6:10) Nety ho nampidi-doza foana koa “ny asan’ny nofo.”—Gal. 5:19-21.

8 Misy antony anefa matoa i Paoly nampitandrina ny Tesalonianina fa tena mampidi-doza ireny lehilahy mpivadi-pinoana ireny, izay nantsoiny koa hoe “apostoly sandoka.” Nisy Tesalonianina ‘nanolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.’ (2 Kor. 11:4, 13; Asa. 20:30) Nidera ny fiangonana tany Efesosy i Jesosy tatỳ aoriana, satria ‘tsy nahatanty nahita olon-dratsy teo anivony’ izy ireo. ‘Nozahan’izy ireo toetra’ ireo nihambo ho apostoly, ka hitany fa mpandainga. (Apok. 2:2) Mariho fa nampirisika an’ireo Tesalonianina i Paoly hoe: “Mandidy anareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay, ry rahalahy, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina.” Nomarihiny fa anisan’izany ireo Kristianina “tsy mety miasa.” (2 Tes. 3:6, 10) Raha ny olona toy izany aza noheverina fa tsy laitra fehezina, mainka moa fa ireo lasa nivadi-pinoana! Tena nampidi-doza ny nifanerasera akaiky tamin’ireny olona ireny ka tsy tokony ho natao, ary mbola toy izany ihany ankehitriny.—Ohab. 13:20.

9. Nahoana isika no tokony hitandrina raha misy olona lasa manombantombana na manakiana?

9 Efa akaiky ny fahoriana lehibe sy ny faran’ity tontolo ity, ka vao mainka ilaintsika ireny fampitandremana tamin’ny taonjato voalohany ireny. Tsy tiantsika mantsy ny ‘hanadino ny zava-kendren’ny’ hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah, ka tsy hahazo an’ilay fiainana mandrakizay nampanantenaina, na any an-danitra izany na eto an-tany. (2 Kor. 6:1) Tena tokony hitandrina isika raha misy mpanatrika fivoriana mitady hitaona antsika hanakiana, na hiresaka hevitra miorina amin’ny tombantombana nataony.—2 Tes. 3:13-15.

“HAZÒNY NY FAMPIANARANA  NAMPITAINA TAMINAREO”

10. Inona ireo fampianarana tsy tokony hialan’ny Kristianina tany Tesalonika?

10 Nampirisika an’ireo rahalahy tany Tesalonika i Paoly mba ho “mafy orina” ary tsy hiala amin’izay efa nianarany. (Vakio ny 2 Tesalonianina 2:15.) Inona ilay “fampianarana” nampitaina tamin’izy ireo? Azo antoka fa tsy ny fampianarana aelin’ny fivavahan-diso, izay lazainy fa sarobidy toy ny fampianaran’ny Soratra Masina. Izany kosa dia ny zavatra nampianarin’i Jesosy an’i Paoly sy ny hafa. Eo koa ireo fampianarana nasain’Andriamanitra nampitain’i Paoly, ka hita ao amin’ny Soratra Masina. Nidera an’ireo rahalahy tao amin’ny fiangonan’i Korinto i Paoly, noho izy ireo ‘nahatsiaro azy tamin’ny zava-drehetra sady nihazona  mafy ny fampianarana nampitainy tamin’izy ireo.’ (1 Kor. 11:2) Azo itokisana ireny fampianarana ireny, satria azo antoka ny niaviany.

11. Inona avy no mety hitranga amin’ny olona iray rehefa voafitaka izy?

11 Inona ny zavatra roa mety hitranga amin’ny Kristianina, ka hahatonga azy tsy hanam-pinoana sy tsy ho mafy orina intsony? Nilaza i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, fa mety ho “voatarika hiala” ilay Kristianina na izy mihitsy no “hiala.” (Vakio ny Hebreo 2:1; 3:12.) Mety tsy ho hitahita akory amin’ny voalohany hoe voatarika hiala eo amoron’ny renirano ny sambo iray. Mihalasa lavitra tsikelikely ilay izy. Indraindray anefa dia mety ho ny tompon’ilay sambo mihitsy no hanosika azy hiala amin’ny morony. Toy izany koa fa mety ho voatarika hiala na hanao fanahy iniana hiala ny olona iray voafitaka, ka tsy tena hatoky ny fahamarinana intsony.

12. Inona avy no mety hampahalemy ny finoantsika?

12 Izany angamba no nitranga tamin’ny Kristianina sasany tany Tesalonika. Ary ahoana ankehitriny? Maro ny zavatra mandany fotoana. Ora maro no lany amin’ny fampiasana tranonkala fifaneraserana, ny famakiana sy famaliana hafatra an-telefaonina sy amin’ny Internet, ny fialam-boly isan-karazany, ary ny fiezahana haharaka an’ireo vaovao farany momba ny fanatanjahan-tena. Ny iray amin’ireo dia efa mety hahatonga ny Kristianina ho varimbariana, ka hampihena ny zotom-pony. Inona no ho vokany? Mety tsy hivavaka amin’ny fo intsony ilay Kristianina, na hanao tsirambina ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fivoriana ary ny fitoriana ny vaovao tsara. ‘Halaky hikorontan-tsaina’ izy raha izany no mitranga. Inona no azo atao mba tsy hitrangan’izany?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HIKORONTAN-TSAINA?

13. Inona no toe-tsain’ny olona maro ankehitriny, ary inona no azontsika atao mba tsy hampihena ny finoantsika?

13 Efa “andro farany” izao, ary tena ilaina ny mitadidy an’izany. Tadidio koa fa mety hisy vokany ratsy eo amintsika ny mifanerasera amin’ny olona tsy manaiky an’izany. Hoy i Petera momba ny andro farany: “Hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’” (2 Pet. 3:3, 4) Ho afaka hitadidy foana isika fa “andro farany” izao, raha mamaky Baiboly isan’andro sy mianatra tsy tapaka azy io. Efa ela no nipoitra ilay fivadiham-pinoana nambara mialoha, ary mbola misy hatramin’izao. Mbola eo koa “ilay lehilahy mpandika lalàna” sady mbola manohitra ny mpanompon’i Jehovah. Tena tokony ho mailo àry isika ka hitadidy fa efa akaiky ny andron’i Jehovah.—Zef. 1:7.

Tsy halaky hikorontan-tsaina isika raha mazoto manompo sy miomana tsara amin’izany (Fehintsoratra 14, 15)

14. Nahoana isika no voaro rehefa be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

14 Voaporofo fa tena manampy antsika ho mailo hatrany sy tsy hikorontan-tsaina ny fitoriana tsy tapaka ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Naniry hiaro ny mpanara-dia azy àry i Kristy Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana, matoa nandidy azy ireo mba hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, sy hanampy azy ireny hankatò izay nampianariny. (Mat. 28:19, 20) Tokony hazoto hitory isika raha mankatò azy. Azo antoka fa nafana fo ireo mpiara-manompo amintsika tany Tesalonika rehefa nitory sy nampianatra, fa tsy toy ny namita adidy fotsiny. Tadidio ny tenin’i Paoly  tamin’izy ireo hoe: “Aza mamono ny afon’ny fanahy. Ary aza atao tsinontsinona ny teny faminaniana.” (1 Tes. 5:19, 20) Mahafaly tokoa ny faminaniana ianarantsika sy ampianarintsika ny hafa.

15. Inona avy no azontsika dinihina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

15 Azo antoka fa tiantsika ny hanampy ny mpianakavintsika mba hitombo fahaizana amin’ny fanompoana. Maro no mahita fa afaka manao izany rehefa manokana fotoana hiresahana momba ny fanompoana, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Azonareo dinihina, ohatra, hoe: Ahoana no hanampiana ny olona liana? Inona no horesahina rehefa miverina mitsidika? Inona no azo resahina mba hahatonga an’ilay olona ho liana foana? Inona no fotoana tsara indrindra itsidihana azy? Maro koa no manokana fotoana hanomanana fivoriana, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hahafantarana mialoha izay hodinihina any am-pivoriana. Azonao hatsaraina ve ny fanomananao mba hahafahanao hanome valin-teny? Hanatanjaka ny finoanao ny fanomezana valin-teny, ka hiaro anao tsy hikorontan-tsaina. (Sal. 35:18) Tsy ho voataona hanombantombana isika ary tsy hisalasala, raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.

16. Inona no mandrisika ny Kristianina voahosotra hisaina tsara foana?

16 Nampian’i Jehovah ny vahoakany nandritra ny taona maro, ka lasa azon’izy ireo tsara kokoa ireo faminanian’ny Baiboly. Nanjary takatsika àry fa misy valisoa tena tsara miandry antsika. Manantena ny hiaraka amin’i Kristy any an-danitra ny voahosotra. Tena mandrisika azy ireo hisaina tsara foana izany! Mihatra amin’izy ireo tokoa ity tenin’i Paoly ho an’ny Tesalonianina ity: “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo . . . izahay, ry rahalahy tian’i Jehovah, satria Andriamanitra nifidy anareo . . . tamin’ny nanamasinany anareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina sy noho ny finoanareo ny fahamarinana.”—2 Tes. 2:13.

17. Inona no fampaherezana azonao avy ao amin’ny 2 Tesalonianina 3:1-5?

17 Mila miezaka koa ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany mba tsy halaky hikorontan-tsaina. Ilain’izy ireo ny mandray am-po ny fampaherezana nomen’i Paoly ho an’ny Kristianina voahosotra tao Tesalonika. (Vakio ny 2 Tesalonianina 3:1-5.) Tokony hankasitraka lalina an’ireo teny feno fitiavana ireo isika tsirairay. Tena ilaintsika tokoa ny fampitandremana ao amin’ireo taratasy ho an’ny Tesalonianina, satria miaro antsika amin’ny tombantombana sy ny hevitra tsy mitombina. Efa tena akaiky ny farany izao, ka tena ankasitrahantsika ireny fampitandremana ireny.

^ feh. 6 Nilaza i Paoly fa hisy “olona manolana hevi-teny” hipoitra eo anivon’ny fiangonana kristianina, ka ‘hitaona ny mpianatra hanaraka azy.’ (Asa. 20:29, 30) Asehon’ny tantara fa lasa nisy ny mpitondra fivavahana sy ny mpivavaka tsotra, rehefa nandeha ny fotoana. Niharihary “ilay lehilahy mpandika lalàna”, tamin’ny taonjato fahatelo. Tsy iza izany fa ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1990, pejy 10-14.