Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2013

‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’

‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’

“Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka hoy izy: ‘Ity no vatako izay omena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’”1 KOR. 11:24.

1, 2. Inona no mety ho noeritreretin’ny apostoly sasany, talohan’ny dian’i Jesosy farany nankany Jerosalema?

‘TSY misy rahona ny lanitra ka tazana ny volantsinana. Nahita ny nipoiran’izy io voalohany ny mpiambina tao Jerosalema omaly alina. Raha vao fantatry ny Fitsarana Avo Jiosy izany, dia nambaran’izy ireo hoe manomboka ny volana vaovao, dia ny volana Nisana. Nisy afo famantarana natsangana na mpitondra hafatra nirahina hampahafantatra an’izany, ka niely hatratỳ ilay vaovao. Hiainga ho any Jerosalema i Jesosy izao, mba ho tonga any alohan’ny Paska.’

2 Izany angamba no noeritreretin’ireo apostoly niaraka tamin’i Jesosy tany Pere (any ampitan’i Jordana), tamin’ilay diany farany nankany Jerosalema. (Mat. 19:1; 20:17, 29; Mar. 10:1, 32, 46) Raha vao fantatra ny andro voalohan’ny volana Nisana, dia natao 13 andro taorian’izay ny Paska, izany hoe ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro.

3. Nahoana no mahaliana ny Kristianina ny datin’ny Paska?

3 Mifanitsy amin’ny datin’ny Paska ny datin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ary ny 14 Aprily 2014 aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io amin’ity taona ity. Andro lehibe ho an’ny tena Kristianina sy ny olona liana izy io. Hoy mantsy ny 1 Korintianina 11:23-25: “Tamin’iny alina hamadihana azy iny, dia nandray mofo i Jesosy Tompo. Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka hoy izy: ‘Ity no vatako izay omena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’ Toy izany koa no nataony ny amin’ny kaopy.”

4. a) Inona no fanontaniana azonao eritreretina mialoha momba ny Fahatsiarovana? b) Ahoana no ahalalana ny datin’ny Fahatsiarovana isan-taona? (Jereo ilay efajoro hoe  “Fahatsiarovana 2014.”)

4 Azo antoka fa maniry hanatrika ny Fahatsiarovana ianao. Izy io ihany no fankalazana nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy, isan-taona. Eritrereto mialoha àry ireto:  ‘Inona no fiomanana tokony hataoko? Inona ireo zavatra manokana hampiasaina amin’io fotoana io? Ahoana no ho fizotran’ilay fankalazana? Nahoana no tokony ho zava-dehibe amiko ny Fahatsiarovana, ary inona no dikan’ireo zavatra manokana ampiasaina amin’ilay izy?’

NY MOFO SY NY DIVAY

5. Inona no fanomanana nasain’i Jesosy natao, talohan’ny Paska farany niarahany tamin’ny apostoly?

5 Naniraka ny apostoliny hanomana efitra iray hihinanana ny Paska i Jesosy. Tsy nilaza izy hoe tokony hasiana ravaka mirenty be ilay efitra. Azo inoana fa efitra tsotra sy madio ary antonona tsara an’ireo olona nasaina no notadiaviny. (Vakio ny Marka 14:12-16.) Tsy maintsy ho nikarakara an’izay nilaina ny apostoly, anisan’izany ny mofo tsy misy lalivay sy ny divay mena. Nifantoka tamin’ireo mofo sy divay ireo ny resak’i Jesosy, taorian’ny nihinanany ny sakafon’ny Paska.

6. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny mofo, taorian’ny nihinanany ny Paska? b) Inona no karazana mofo ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana?

6 Nanoratra toy izao ny apostoly Matio, izay nanatrika teo tamin’izay: “Nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano.’” (Mat. 26:26) “Mofo” tsy nisy lalivay ilay izy, izany hoe ilay nampiasaina tamin’ny Paska ihany. (Eks. 12:8; Deot. 16:3) Natao tamin’ny lafarinina varimbazaha sy rano ilay izy, ary tsy nasiana lalivay ka tsy nitombo. Tsy nampiana zavatra hafa mampahatsiro sakafo, toy ny sira, koa ilay izy. Mofo tsotra sy maina ary mikarepoka toy ny bisikoỳ ilay izy, sady mora notapatapahina. Mety hisy rahalahy na anabavy hasain’ny anti-panahy hanao an’io mofo io, alohan’ny Fahatsiarovana. Atao amin’ny lafarinina varimbazaha sy rano izy io, ary endasina amin’ny menaka kely. (Raha tsy misy lafarinina varimbazaha, dia azo atao ny mampiasa lafarinina vita amin’ny vary, na orza, na katsaka, na ny toy izany.)

7. Inona no karazana divay nampiasain’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ary inona no divay azo ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana?

7 Hoy koa i Matio: “Nandray kaopy [i Jesosy], ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra.’” (Mat. 26:27, 28)  Kaopy nisy divay mena no noraisin’i Jesosy. (Tsy ranom-boaloboka vao natao ilay izy, satria efa ela ny fotoana fiotazana voaloboka.) Tsy nampaninona an’i Jesosy ny nisotroana divay tamin’ny Paska, na dia tsy nisy divay aza tamin’ny sakafon’ny Paska voalohany tany Ejipta. Nampiasainy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo aza ilay divay. Mampiasa divay àry ny Kristianina rehefa Fahatsiarovana. Divay mena tsotra tsy nafangaro toaka na zavamanitra no ampiasaina. Tsy nila nampiana na inona na inona mantsy ny ran’i Jesosy satria efa sarobidy. Divay mena tsotra no tokony hampiasaina, ohatra hoe divay namboarina na divay mbola mihidy ao anaty tavoahangy.

NY DIKAN’NY MOFO SY DIVAY

8. Nahoana no mahaliana ny Kristianina ny dikan’ny mofo sy divay?

8 Tsy ny apostoly ihany no tokony hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo, fa ny Kristianina rehetra. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy tao Korinto: “Noraisiko tamin’ny Tompo ilay natolotro anareo koa: . . . Nandray mofo i Jesosy Tompo. Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka hoy izy: ‘Ity no vatako izay omena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’” (1 Kor. 11:23, 24) Mbola mankalaza an’io fotoan-dehibe io isan-taona àry ny Kristianina ankehitriny, ka mahaliana azy ny dikan’ny mofo sy divay.

9. Inona no hevi-diso eritreretin’ny olona sasany momba an’ilay mofo nampiasain’i Jesosy?

9 Misy mpivavaka milaza fa ara-bakiteny ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ity no vatako.” Mino izy ireo fa nisy fahagagana ka niova ho nofon’i Jesosy ilay mofo. Tsy izany anefa no nitranga. * Samy teo anatrehan’ireo apostoly tsy nivadika, na ny vatan’i Jesosy, na ilay mofo tsy misy lalivay mbola hohanin’izy ireo. Mazava àry fa nilaza teny an’ohatra i Jesosy teo, toy  ny efa nataony imbetsaka.—Jaona 2:19-21; 4:13, 14; 10:7; 15:1.

10. Mifanitsy amin’ny inona ilay mofo amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

10 Mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy ilay mofo teo anoloan’ny apostoly. Nieritreritra ny mpanompon’i Jehovah taloha hoe io vatana io dia ny fiangonan’ny voahosotra, izay antsoina koa hoe “vatan’i Kristy.” Nino izany izy ireo satria notapahin’i Jesosy ilay mofo, nefa tsy nisy tapaka ny taolany rehefa natao sorona izy. (Efes. 4:12; Rom. 12:4, 5; 1 Kor. 10:16, 17; 12:27) Nandinika tsara sy nikaroka tao amin’ny Baiboly anefa izy ireo, ka takany fa ilay mofo dia mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy izay nomanin’Andriamanitra ho azy. “Nijaly tao amin’ny nofo” i Jesosy ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy. Ilay mofo amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo àry dia mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy, izay ‘nitondrany ny fahotantsika.’—1 Pet. 2:21-24; 4:1; Jaona 19:33-36; Heb. 10:5-7.

11, 12. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny divay? b) Mifanitsy amin’ny inona ny divay amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

11 Manampy antsika izany mba hahatakatra an’izay nolazain’i Jesosy momba ny divay. Hoy ny 1 Korintianina 11:25: “Toy izany koa no nataony ny amin’ny kaopy rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy. Ary hoy izy: ‘Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako.’” Midika ve izany fa ilay kaopy teny an-tanan’i Jesosy no fifanekena vaovao? Tsia. Ny divay tao anatin’ilay kaopy no tiany horesahina. Mifanitsy amin’ny inona io divay io? Nilaza i Jesosy fa mifanitsy amin’ilay ra halatsany izy io.

12 Hoy mantsy i Jesosy rehefa nandray an’ilay kaopy nisy divay: “Ity no rako, dia ‘ny ran’ny fifanekena’ izay halatsaka ho an’ny maro.” (Mar. 14:23, 24) Io ran’i Jesosy io no “halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Mat. 26:28) Mifanitsy tsara amin’ny ran’i Jesosy àry ilay divay mena. Amin’ny alalan’io ra io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana, dia “ny famelana ny helotsika.”—Vakio ny Efesianina 1:7.

Mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy, na ny ran’ny fifanekena, ny divay nosotroin’ny apostoly (Fehintsoratra 11, 12)

NY FIZOTRAN’ILAY FANKALAZANA

13. Hoatran’ny ahoana ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy?

13 Sambany ve ianao no hanatrika ny Fahatsiarovana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Inona no hitranga any? Azo inoana fa hatao amin’ny toerana tsara sy madio ilay fankalazana, ka hahazo aina tsara ny rehetra ary ho afaka hankafy ny fandaharana. Mety hisy voninkazo vitsivitsy ao amin’ilay efitra. Tsy ho feno girlandy mareva-doko anefa ilay trano, toy ny hoe hisy lanonam-be. Hisy anti-panahy mahay iray hanazava an’izay lazain’ny Baiboly momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Hatao amin’ny fomba mendrika ilay lahateny, ary hanampy ny rehetra hankasitraka an’izay nataon’i Kristy. Nanome ny ainy ho vidim-panavotana izy mba hahazoantsika ny fiainana. (Vakio ny Romanina 5:8-10.) Hohazavain’ilay mpandahateny ny fanantenana roa resahin’ny Baiboly.

14. Inona ireo fanantenana roa resahina amin’ny lahatenin’ny Fahatsiarovana?

14 Manana fanantenana hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ny olona vitsivitsy. Anisan’izany ny apostoly tsy nivadika. (Lioka 12:32; 22:19, 20; Apok. 14:1) Eo koa ny fanantenan’ny ankamaroan’ny Kristianina tsy mivadika ankehitriny, dia ny hiaina mandrakizay eto an-tany lasa Paradisa. Ho tanteraka amin’izay ilay vavaka nataon’ny Kristianina hatry ny ela, satria hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny any an-danitra. (Mat. 6:10) Hita ao amin’ny Baiboly fa tena hahafinaritra ny fiainan’izy ireo.—Isaia 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-23.

15, 16. Inona no atao amin’ilay mofo mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

 15 Hilaza ilay mpandahateny rehefa hifarana ilay lahateny, fa tonga ny fotoana hanaovana an’izay nasain’i Jesosy nataon’ny apostoliny. Efa hitantsika teo fa hisy mofo tsy misy lalivay sy divay mena hampiasaina. Mety hatao eo ambonin’ny latabatra eo akaikin’ilay mpandahateny izany. Hovakiny ao amin’ny Baiboly izay nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’izy nanomboka an’io fankalazana io. Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny Matio: “Nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’” (Mat. 26:26) Notapahin’i Jesosy ilay mofo mba ho azo nozarazaraina tamin’ireo apostoly teo ankaviany sy ankavanany. Hahita mofo tsy misy lalivay ao anaty vilia ianao rehefa manatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 14 Aprily, ary mety ho efa notapatapahina ilay izy.

16 Hisy vavaka fohy ary hampandalovina ny vilia misy ny mofo. Hatao ampy tsara ny isany mba ho vita ara-potoana ny fampandalovana ny mofo amin’ny rehetra. Hatao milamina tsara araka izay mety ao amin’ilay toerana izany, ary tsy hisy fombafomba be. Vitsy no hihinana amin’ilay mofo ary mety tsy hisy mihitsy aza, toy izay nitranga tany amin’ny ankamaroan’ny fiangonana, tamin’ny 2013.

17. Ahoana no hanarahana an’ilay toromarik’i Jesosy momba ny divay, mandritra ny Fahatsiarovana?

17 Hiresaka momba ny divay indray ny mpandahateny avy eo, araka ny voalazan’i Matio hoe: “Nandray kaopy [i Jesosy], ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.’” (Mat. 26:27, 28) Araka an’io modely io, dia hisy vavaka iray hafa ary hampandalovina amin’ny rehetra ny kaopy na vera misy divay mena.

18. Nahoana no zava-dehibe ny manatrika ny Fahatsiarovana, na dia vitsy na tsy misy mihitsy aza ny mihinana amin’ny mofo sy divay?

18 Tsy hihinana amin’ny mofo sy divay ny ankamaroan’ny mpanatrika, rehefa hampandalovina ireo. Nilaza mantsy i Jesosy fa ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra ihany no hihinana amin’izany. (Vakio ny Lioka 22:28-30; 2 Tim. 4:18) Hanatrika amim-panajana kosa izy ireo. Tena mila manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo, satria asehony amin’izany fa tena sarobidy aminy ny soron’i Jesosy. Afaka misaintsaina ny soa entin’ny sorom-panavotana izy ireo mandritra ny Fahatsiarovana. Manantena izy ireo fa ho anisan’ny “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” ‘Nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo.—Apok. 7:9, 14-17.

19. Inona no azonao atao mba hiomanana ho amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy handraisan-tsoa amin’izany?

19 Miomana hanatrika an’io fivoriana manokana io ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Manasa olona maro araka izay azo atao mba hanatrika azy io isika, herinandro maromaro mialoha. Hisy famakiana Baiboly hataontsika koa mandritra ny andro maromaro alohan’ny Fahatsiarovana. Hovakina amin’izany ny zavatra nataon’i Jesosy sy izay nitranga, andro vitsivitsy talohan’ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny taona 33. Mandamina mialoha ny fotoanantsika isika mba ho afaka hanatrika azy io. Tsara raha tonga alohan’ny hira sy vavaka fanokafana isika, mba ho afaka handray an’ireo vaovao sy hanaraka tsara ny fandaharana manontolo. Handray soa isika rehetra, na efa anisan’ny fiangonana na vaovao, raha manaraka ao amin’ny Baibolintsika rehefa misy andinin-teny vakina. Inona anefa no zava-dehibe indrindra? Rehefa manatrika ny Fahatsiarovana isika, dia mampiseho fa tena mankasitraka ny soron’i Jesosy sady mankatò ny didiny hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—1 Kor. 11:24.

^ feh. 9 Hoy i Heinrich Meyer, manam-pahaizana alemà: ‘Hitan’ny apostoly fa tsy nisy nanombinana ny vatan’i Jesosy. Mbola velona izy tamin’izay, ary mbola tsy nalatsaka ny rany. Tsy ho nieritreritra mihitsy àry ny apostoly hoe tena nihinana ny vatan’ny Tompo sy nisotro ny rany izy ireo. Teny tsotra no nampiasain’i Jesosy tamin’izay, ka tsy tiany ny hieritreretana hevitra hafa tsy tao an-tsain’ny apostoliny.’