Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) NOVAMBRA 2013

Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny

Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny

“Hasiantsika mpiandry fito hanohitra azy, eny, andriana valo izay avy eo amin’ny olona.”—MIKA 5:5.

1. Nahoana no azo antoka fa tsy hahomby ilay tetiky ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’i Syria?

NIVONDRONA hiady tamin’ny fanjakan’ny Joda ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’i Syria, tamin’ny taona 760 T.K. tany ho any. Te hanafika an’i Jerosalema izy ireo, hanongana an’i Ahaza Mpanjaka, ary hanendry mpanjaka hafa, izay angamba lehilahy tsy taranak’i Davida Mpanjaka. (Isaia 7:5, 6) Tsy hitranga mihitsy anefa izany! Efa nilaza mantsy i Jehovah fa hisy taranak’i Davida hanjaka mandrakizay, ary tsy maintsy tanteraka foana ny tenin’Andriamanitra.—Jos. 23:14; 2 Sam. 7:16.

2-4. Hazavao hoe ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 7:14, 16 tamin’ny a) andron’i Isaia? b) taonjato voalohany?

2 Toy ny hoe handresy ny tafik’i Syria sy Israely tamin’ny voalohany. Lehilahy mahery fo 120 000 avy amin’ny tafik’i Ahaza no maty, tamin’ny ady iray monja. Maty koa i Mahaseia, “zanaky ny mpanjaka.” (2 Tan. 28:6, 7) Hitan’i Jehovah anefa ny zava-nitranga. Tsaroany ny zavatra nampanantenainy an’i Davida, ka naniraka an’i Isaia mpaminany izy mba hampita hafatra mampahery.

3 Hoy i Isaia: “Ho bevohoka ny tovovavy ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. Fa raha mbola tsy hainy akory ny mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia efa hilaozana tanteraka ny tanin’ireo mpanjaka roa [Syria sy Israely] maharaiki-tahotra mafy anao ireo.” (Isaia 7:14, 16) Matetika no ampifandraisina amin’ny nahaterahan’ny Mesia ny tapany voalohany amin’io faminaniana io, ary tsy diso izany. (Mat. 1:23) Efa tsy nanafika ny Joda intsony anefa ny mpanjakan’i Syria sy ny mpanjakan’ny Israely tamin’ny taonjato voalohany. Tsy  maintsy ho efa tanteraka tamin’ny andron’i Isaia koa àry ilay faminaniana.

4 Bevohoka ny vadin’i Isaia, taoriana kelin’ny nilazany an’ilay faminaniana. Niteraka zazalahy izy ireo ary natao hoe Mahera-salala-hasi-baza ny anarany. Mety ho io zaza io ilay nantsoin’i Isaia hoe “Imanoela.” * Nety ho nomen’ny Israelita anarana iray mantsy ny zaza teraka, angamba mba hahatsiarovana zava-nitranga manokana. Nety ho hafa anefa ny anarana niantsoan’ny ray aman-dreniny sy ny havany azy. (2 Sam. 12:24, 25) Tsy misy koa ny porofo manamarina fa nantsoina hoe Imanoela i Jesosy.—Vakio ny Isaia 7:14; 8:3, 4.

5. Inona no fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Ahaza Mpanjaka?

5 Efa nieritreritra hamely ny faritra nisy ny Joda i Asyria, raha mbola nikasa hanafika azy io ny firenen’ny Israely sy Syria. Firenena tia ady i Asyria ary nihanahery izy tamin’izany. Milaza ny Isaia 8:3, 4 fa haka “ny fananan’i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria” i Asyria, izay vao hanafika ny fanjakan’ny Joda. Tsy natoky ny tenin’i Jehovah nambaran’i Isaia i Ahaza, fa naleony nanao fifanekena tamin’i Asyria. Nitera-doza izany satria lasa nampijalin’ny Asyrianina ny firenen’ny Joda. (2 Mpanj. 16:7-10) Tena tsy mpiandry tsara ho an’ny Joda i Ahaza! Mila mieritreritra isika hoe: ‘Matoky an’i Jehovah ve aho sa miantehitra amin’ny olombelona, rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe mila raisiko?’—Ohab. 3:5, 6.

MPIANDRY VAOVAO NAHAY NIANDRY NY ONDRY

6. Inona no tsy nampitovy an’i Hezekia sy Ahaza?

6 Maty i Ahaza tamin’ny 746 T.K. ary nandimby azy i Hezekia zanany, izay mbola tanora. Nahantra be ny mponin’ny Joda tamin’izany, ary tsy nanompo an’i Jehovah intsony. Inona no tanjon’ilay mpanjaka vaovao? Ny hampanan-karena indray ny firenen’ny Joda ve? Tsia. Lehilahy tia an’i Jehovah i Hezekia ary mpiandry tsara, ka nataony vaindohan-draharaha ny hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina sy hanampy an’ilay firenena hifandray tsara amin’i Jehovah indray. Tonga dia nanao zavatra izy raha vao fantany hoe inona no tian’i Jehovah hataony. Ohatra tsara ho antsika izy!—2 Tan. 29:1-19.

7. Nahoana ny Levita no nila ny fanohanan’ilay mpanjaka vaovao?

7 Nanana andraikitra lehibe ny Levita, satria hanampy ny vahoaka hanompo an’i Jehovah indray. Namory azy ireo àry i Hezekia ary nanome toky fa hanohana azy ireo. Faly be angamba ny Levita ka latsa-dranomaso mihitsy, rehefa nilazan’ny mpanjaka hoe: “Ianareo no nofidin’i Jehovah hijoro eo anatrehany mba hanompo azy.” (2 Tan. 29:11) Mazava àry ny andraikitry ny Levita, dia ny hanampy ny vahoaka hanompo an’Andriamanitra.

8. Inona koa no nataon’i Hezekia mba hanampiana ny vahoaka hanompo an’i Jehovah indray, ary inona no vokatr’izany?

8 Niantso ny mponin’ny Joda sy Israely rehetra i Hezekia mba hanao fety lehibe hankalazana ny Paska, ary avy eo hanao ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay mandritra ny herinandro. Faly be ny vahoaka ka notohizina nandritra ny herinandro indray ilay fety. Hoy ny Baiboly: “Nisy fifaliam-be tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy toy izany tany, hatramin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely.” (2 Tan. 30:25, 26) Tena nampahery ny vahoaka ilay fety! Hoy mantsy ny 2 Tantara 31:1: “Raha vao vitan’izy ireo izany rehetra izany, dia ... nopotehiny ny  tsangambato masina, sady nokapainy ny tsato-kazo masina, ary noravany ny toerana avo sy ny alitara.” Niverina tamin’i Jehovah tokoa ny firenen’ny Joda. Tena nilaina izany satria hiatrika olana izy ireo.

NATOKY AN’I JEHOVAH ILAY MPANJAKA

9. a) Nahoana no tsy nahomby ilay tetiky ny Israely? b) Inona no mampiseho fa nahomby ny fanafihan’i Sankeriba ny Joda tamin’ny voalohany?

9 Tanteraka ny tenin’i Isaia, satria resin’i Asyria ny fanjakan’ny Israely tany avaratra ary nentiny ho babo ny mponina tao. Tsy nahomby àry ilay tetiky ny Israely hoe hametraka olona tsy taranak’i Davida ho mpanjakan’ny Joda. Ary nanao ahoana ilay fikasan’i Asyria hanafika ny Joda? “Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hamely an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka naka an’ireny.” Naharesy tanàna 46 tao Joda i Sankeriba. Eritrereto hoe nipetraka tao Jerosalema ianao tamin’izany. Renao fa mihamanatona an’i Jerosalema ny tafik’i Asyria, ary efa resiny tsirairay ireo tanàna tao Joda. Ho nanao ahoana ny fihetseham-ponao?—2 Mpanj. 18:13.

10. Nahoana no azo inoana fa nampahery an’i Hezekia ny Mika 5:5, 6?

10 Fantatr’i Hezekia fa nisy loza mananontanona. Tsy raiki-tahotra anefa izy, ka hoe nitady fanampiana tamin’ny firenena mpanompo sampy, toy ny nataon’i Ahaza rainy. Natoky an’i Jehovah kosa izy. (2 Tan. 28:20, 21) Fantany angamba ny tenin’i Mika mpaminany, izay niara-belona taminy. Hoy i Mika momba an’i Asyria: “Hasiantsika mpiandry fito hanohitra azy, eny, andriana valo izay avy eo amin’ny olona. Hasian’izy ireo amin’ny sabatra ny tanin’i Asyria.” (Mika 5:5, 6) Azo antoka fa nampahery an’i Hezekia io hafatr’i Jehovah io, satria asehon’izy io fa hisy tafika hafakely hiady amin’ny Asyrianina ka handresy azy ireo.

11. Rahoviana no ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa ilay faminaniana momba ny mpiandry fito sy andriana valo?

11 Mbola ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa ilay faminaniana momba ny mpiandry fito sy andriana valo atỳ aoriana, izany hoe ela be aorian’ny ahaterahan’i Jesosy, ilay “mpitondra eo amin’ny Israely” izay “efa  hatramin’ny taloha ela be no niandohany.” (Vakio ny Mika 5:1, 2.) Hisy fahavalo mampahatahotra toy ny Asyrianina hanafika ny vahoakan’i Jehovah amin’ny hoavy. Hampiasa tafika iray hotarihin’ny Zanany anefa i Jehovah mba handresy azy io. Ho hitantsika ao aoriana kely hoe inona io tafika io, fa hodinihintsika aloha izay azontsika ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Hezekia ny fanafihan’ny Asyrianina.

NANAO ZAVATRA TAMIM-PAHENDRENA I HEZEKIA

12. Inona no nataon’i Hezekia sy ny namany mba hiarovana ny vahoakan’Andriamanitra?

12 Vonona ny hanampy antsika foana i Jehovah rehefa misy olana tsy voavahantsika. Tiany hanao izay azontsika atao koa anefa isika mba hamahana an’ilay izy. Izany no nataon’i Hezekia. Naka hevitra tamin’ny “andrianany” sy ireo “lehilahy maheriny” izy, ary nanapa-kevitra izy ireo fa “hotampenana ireo loharano tany ivelan’ny tanàna. ... Nisikina herim-po koa i Hezekia ka naoriny daholo izay manda rava, ary nasiany tilikambo teny amboniny. Nasiany manda hafa koa teny ivelany. ... Nanao lefom-pohy be dia be sy ampinga koa izy.” (2 Tan. 32:3-5) Nampiasa olona be herim-po i Jehovah mba hiandry ny vahoakany sy hiaro azy ireo. Anisan’izany i Hezekia sy ny andrianany ary ireo mpaminany tsy mivadika.

13. Inona no zava-dehibe indrindra nataon’i Hezekia mba hanomanana ny vahoaka amin’ilay fanafihana? Inona no vokatr’izany?

13 Nisy zavatra hafa koa nataon’i Hezekia, ary mbola zava-dehibe noho ny fanampenana ny loharano sy ny fanamafisana ny manda izany. Mpiandry tsara izy, ka novoriny ny vahoaka ary nampahereziny. Hoy izy: “Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria ... fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hanampy antsika sy hiady ho antsika.” Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’ny vahoaka ny fampahatsiahivana hoe hiady ho azy ireo i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.” Mariho fa “ny tenin’i Hezekia” no nampahery azy ireo. Mpiandry tsara tokoa i Hezekia sy ny andrianany ary ny lehilahy maheriny, mbamin’i Mika sy Isaia mpaminany, araka ny faminaniana nolazain’i Jehovah.—2 Tan. 32:7, 8; vakio ny Mika 5:5, 6.

Nampahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia (Fehintsoratra 12, 13)

14. Inona no nataon’i Rabsake, ary inona no nataon’ny vahoaka?

14 Nitoby tao Lakisy, any atsimoandrefan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Asyria sy ny tafiny. Nandefa iraka telo izy mba handidy ny vahoakan’i Jerosalema hitolo-batana. Nampiasa tetika maromaro ilay mpitondra teniny, izay nantsoina hoe Rabsake. Niteny hebreo izy ary nampirisika ny olona hivadika amin’i Hezekia fa hanaiky hofehezin’ny Asyrianina. Nandainga izy avy eo hoe hitondra azy ireo any amin’ny tany tena tsara, ka hiadana izy ireo any. (Vakio ny 2 Mpanjaka 18:31, 32.) Nanizingizina koa i Rabsake fa tsy hahavita hiaro ny mpivavaka aminy i Jehovah, toy ny andriamanitr’ireo firenena ihany. Hendry ny vahoaka satria tsy namaly ny fanaratsian’i Rabsake. Toy izany koa matetika no ataon’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny.—Vakio ny 2 Mpanjaka 18:35, 36.

15. Inona no nasaina nataon’ny mponin’i Jerosalema, ary ahoana no namonjen’i Jehovah an’ilay tanàna?

15 Rariny raha nanahy i Hezekia tamin’izay. Tsy nitady fanampiana tamin’ny firenen-kafa anefa izy, fa nampiantso an’i Isaia mpaminany. Hoy i Isaia taminy: “Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity [i Sankeriba], na handefa  zana-tsipìka ato.” (2 Mpanj. 19:32) Tokony ho be herim-po sy tsy hilavo lefona fotsiny ny vahoaka, satria i Jehovah no hiady ho an’ny Joda. Niady ho azy ireo tokoa izy! “Ny alin’iny dia nivoaka ilay anjelin’i Jehovah, ka nandripaka dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyrianina.” (2 Mpanj. 19:35) Ny fanampian’i Jehovah àry no nahavonjy ny firenen’ny Joda, fa tsy ny ezaka nataon’i Hezekia hiarovana an’ilay tanàna.

LESONA HO ANTSIKA

16. Iza ankehitriny no mifanitsy amin’ny a) mponin’i Jerosalema? b) Asyrianina? ary d) mpiandry fito sy andriana valo?

16 Tsy ho ela dia hisy fahavalo mahery hanafika ny vahoakan’i Jehovah, ka hitady hamongotra azy ireo, tsy misy hafa amin’ny Asyrianina izay nanafika ny mponin’i Jerosalema fahiny. Ankoatra an’io fanafihana io, dia voaresaka ao amin’ny Baiboly ny fanafihan’i ‘Goga avy any Magoga’, sy ny fanafihan’ny “mpanjakan’ny avaratra”, ary ny fanafihan’ireo “mpanjakan’ny tany.” (Ezek. 38:2, 10-13; Dan. 11:40, 44, 45; Apok. 17:14; 19:19) Samy hafa ve ireo fanafihana rehetra ireo? Tsy voatery. Mety ho fanafihana iray ihany ireo, fa ny anarany fotsiny no samy hafa. Inona ilay tafika nolazain’ny faminanian’i Mika fa hampiasain’i Jehovah mba hiady amin’ilay fahavalo tsy mifaditrovana? Tafika tsy mahazatra ilay izy satria “mpiandry fito” sy “andriana valo.” (Mika 5:5) Iza ireo mpiandry fito sy andriana valo ireo? Ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. (1 Pet. 5:2) Sarobidy amin’i Jehovah ny ondriny, ka mampiasa an’ireo anti-panahy tsy mivadika maro be izy, mba hiandry azy ireo sy hanatanjaka ny finoan’izy ireo. * Ho afaka hiatrika tsara an’ilay fanafihana ho avy ny vahoakan’i Jehovah amin’izay. Hoy i Mika momba an’ireo mpiandry ireo: “Hasian’izy ireo amin’ny sabatra ny tanin’i Asyria.” (Mika 5:6) Anisan’ny ‘fitaovam-piadiana’ hampiasain’izy ireo ny “sabatry ny fanahy”, dia ny Tenin’Andriamanitra.—2 Kor. 10:4; Efes. 6:17.

17. Inona ireo lesona efatra azon’ny anti-panahy raisina avy amin’ilay tantara nodinihintsika teo?

17 Misy lesona tsara azonareo anti-panahy raisina avy amin’ilay tantara nodinihintsika teo: 1) Mila manatanjaka ny finoanareo an’Andriamanitra ianareo, ary manampy ny mpiara-manompo hanao toy izany koa. Izany no fomba tsara indrindra hiomanana ho amin’ilay fanafihana ho avy. 2) Rehefa ho tonga io fanafihana io, dia tokony ho resy lahatra tanteraka ianareo fa hamonjy antsika i Jehovah. 3) Mety ho toa hafahafa ny toromarika omen’ny fandaminan’i Jehovah mba hamonjena ny aintsika, amin’izay fotoana izay. Tokony ho vonona hankatò an’izay toromarika omena antsika anefa isika rehetra, na eken’ny saintsika ilay izy na tsia. 4) Raha misy Kristianina mitoky amin’ny vola sy harena, na amin’ny fikambanan’olombelona, na amin’ny fianarana eto amin’ity tontolo ity, dia izao no fotoana tokony hanovany ny toe-tsainy. Tokony ho vonona hanampy an’izay malemy finoana ny anti-panahy.

18. Nahoana no hahasoa antsika ny mitadidy an’ilay tantara nodinihintsika teo, amin’ny hoavy?

18 Ho toy ireo Jiosy tsy nanam-piarovana tao Jerosalema ny vahoakan’i Jehovah amin’ny hoavy. Enga anie ka hampahery antsika rehetra ny tenin’i Hezekia, amin’izay fotoana izay. Mila mitadidy isika fa “sandry nofo no momba” an’ireo fahavalontsika, “fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hanampy antsika sy hiady ho antsika.”—2 Tan. 32:8.

^ feh. 4 Mety hidika hoe vehivavy manambady na virjiny ilay teny hebreo nadika hoe “tovovavy”, ao amin’ny Isaia 7:14. Azo ampiasaina mba hilazana ny vadin’i Isaia àry io teny io, no sady azo ampiasaina mba hilazana an’i Maria virjiny.

^ feh. 16 Matetika ny isa fito no ilazana fahafenoana, ao amin’ny Baiboly. Ny isa valo (izany hoe fito ampiana iray) kosa indraindray dia manondro hamaroan-javatra.