Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) NOVAMBRA 2013

Ny Manompo An’Andriamanitra no Fanafodiny!

Ny Manompo An’Andriamanitra no Fanafodiny!

Gaga ny mpisava lalana roa tany Kenya rehefa nandroso tao amin’ny trano iray ka nahita olona kely teo am-pandriana. Tena kely ny vatan’ilay lehilahy ary fohy kely ny tanany. Nitsiky be izy rehefa noresahin’izy ireo taminy ny fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.”—Isaia 35:6.

I Onesmus no anaran’ilay lehilahy, ary efa ho 40 taona izy izao. Vao teraka izy dia efa nisy aretina mahatonga ny taolany ho faran’izay malemy. Vao voadona kely fotsiny izy dia efa mety ho tapaka ny taolany. Tsy misy fanafany ilay aretina, ka nieritreritra i Onesmus fa hanaintaina foana ary tsy ho afa-miala eo ambony seza misy kodiarana.

Nanaiky hianatra Baiboly i Onesmus. Tsy navelan’ny reniny handeha hivory anefa izy, sao maninomaninona any ka vao mainka hijaly. Noraisina feo àry ny fivoriana, ary nihaino izany tao an-tranony i Onesmus. Tapa-kevitra ny hivory anefa izy, rehefa nianatra Baiboly dimy volana, na dia mety hankarary azy aza izany.

Nihanarary tokoa ve i Onesmus rehefa nandeha nivory? Hoy izy: “Hoatran’ny nihena ny fanaintainako nandritra ny fivoriana.” Nihevitra izy fa nihasalama satria lasa nanana fanantenana. Faly ny reniny nahita azy lasa falifaly, ka nanaiky hianatra Baiboly koa. Hoy izy: “Ny manompo an’Andriamanitra no fanafodin-janako!”

Tsy ela i Onesmus dia lasa mpitory. Natao batisa izy tatỳ aoriana, ary mpanampy amin’ny fanompoana izy izao. Te hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana izy, nefa malemy ny tongony roa sy ny tanany iray. Saika hanao mpisava lalana mpanampy izy nefa nisalasala. Nila olona foana mantsy izy mba hanosika an’ilay sezany. Niresaka tamin’ny mpiara-manompo izy, ary nampanantena izy ireo fa hanampy azy. Nahavita mpisava lalana mpanampy ihany àry i Onesmus.

Te ho mpisava lalana maharitra koa izy tatỳ aoriana, nefa nisalasala indray. Nisy andinin-teny ho an’ny andro tena nampahery azy anefa. Ny Salamo 34:8 ilay izy, izay manao hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” Nisaintsaina an’izany i Onesmus, ka nanapa-kevitra ny ho mpisava lalana maharitra. Mitory inefatra isan-kerinandro izy ary manana mpianatra maromaro mandroso tsara. Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izy tamin’ny 2010. Faly be izy fa anisan’ny mpampianatra tao ny iray tamin’ireo rahalahy nitory taminy voalohany.

Efa maty ny ray aman-drenin’i Onesmus, nefa mikarakara azy isan’andro ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana. Mankasitraka ny fitahiana rehetra azony izy, ary efa tsy andriny izay hahatanterahan’ilay teny hoe: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.