Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Oktobra 2013

Ahalalana An’ilay Andriamanitra Velona ny Zavaboary

Ahalalana An’ilay Andriamanitra Velona ny Zavaboary

“Mendrika handray ny voninahitra . . . ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.”—APOK. 4:11.

1. Inona no tokony hataontsika mba hahatonga antsika hino foana fa tena misy i Jehovah?

MARO no milaza hoe tsy mino izay tsy hitany. Ahoana no anampiana azy ireny hino an’i Jehovah? Hoy mantsy ny Baiboly: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18) Ary isika? Inona no azontsika atao mba hinoantsika foana fa tena misy i Jehovah, ilay “Andriamanitra tsy hita maso”? (Kol. 1:15) Ilaina aloha ny mahafantatra an’ireo fampianarana misakana ny olona tsy hahalala ny marina momba an’i Jehovah. Mila mahay mampiasa ny Baiboly isika avy eo, mba handravana ny hevitra rehetra “atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.”—2 Kor. 10:4, 5.

2, 3. Inona ireo fampianarana roa misakana ny olona tsy hahalala ny marina momba an’Andriamanitra?

2 Anisan’ny fampianaran-diso miely patrana ny evolisiona (na fiovana miandalana), ary misakana ny olona tsy hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny Baiboly io hevitr’olombelona io ary mahatonga ny olona tsy hanana fanantenana. Araka ny evolisiona, dia nisy ho azy fa tsy nisy namorona ny zavamaniry sy ny zavamananaina rehetra. Tsy misy zava-kendrena ny fiainan’ny olona, raha izany no marina.

3 Mino kosa ny fivavahana sasany milaza azy ho Kristianina fa vao iray alina taona teo ho eo no nisian’izao rehetra izao, anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. Mety ho mino ny Baiboly izy ireny, nefa manizingizina fa noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny ny zava-drehetra. Tsy ekeny ny porofo ara-tsiansa manohitra ny heviny, na dia marim-pototra aza. Lasa tsy mino ny Baiboly àry ny olona, satria mihevitra fa tsy mitombina sy tsy marina ny zavatra voalaza ao. Mitovy amin’ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany ny olona mampiely an’io fampianarana io. Nafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, “saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.” (Rom. 10:2) Ahoana no hampiasantsika ny  Tenin’Andriamanitra, mba handravana an’ireo fampianarana roa “efa mafy orina” ireo? * Isika mihitsy aloha no mila miezaka mafy mba hahafantatra izay tena lazain’ny Baiboly.

ILAINA NY MANDINIKA NY POROFO SY MIERITRERITRA TSARA

4. Inona no tokony hahatonga antsika hino an’Andriamanitra?

4 Mampirisika antsika hihevitra ny fahalalana ho sarobidy ny Baiboly. (Ohab. 10:14) Tian’i Jehovah raha mandinika ny porofo sy mieritreritra tsara isika vao mino azy, fa tsy manaraka fotsiny ny hevitr’olombelona sy ny fampianaran’ny fivavahana. (Vakio ny Hebreo 11:1.) Mila resy lahatra isika fa tena misy i Jehovah, raha tiantsika ny hino azy. (Vakio ny Hebreo 11:6.) Tsy minomino fahatany an’izany anefa isika, fa mino kosa rehefa avy nandinika ny zava-misy sy ‘nampiasa ny saintsika.’—Rom. 12:1.

5. Inona no antony iray mahatonga antsika ho resy lahatra fa misy Andriamanitra?

5 Maro ny antony mahatonga antsika ho resy lahatra fa misy Andriamanitra, na dia tsy hita aza izy. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Rom. 1:20) Raha misy olona tsy tena mino hoe misy Andriamanitra, ahoana no azonao anampiana azy hiaiky fa marina ireo tenin’i Paoly ireo? Diniho miaraka aminy ny porofo manaraka. Asehon’izy ireo fa hita amin’ny zavatra noforonin’ny Mpamorona hoe mahery sy hendry izy.

HITA AMIN’NY ZAVABOARY NY HERINY

6, 7. Nahoana no azo lazaina hoe tena mahery i Jehovah, rehefa jerena ireo ampinga roa miaro antsika?

6 Hita fa tena mahery i Jehovah rehefa jerena ny zavatra roa noforoniny, dia ny atmosfera sy ny sahan’andriambin’ny tany. Toy ny ampinga miaro antsika ireo. Gazy matevina manodidina ny tany ny atmosfera. Tsy vitan’ny hoe mamatsy ny rivotra iainantsika izy io, fa miaro antsika amin’ny ankamaroan’ny vaingan-javatra avy any ambony tsy taka-maso koa. Mety hitondra fahavoazana lehibe ireo vaingam-bato lehibe avy any, raha midona amin’ny tany. May anefa izy ireny matetika rehefa miditra ao amin’ny atmosfera ary lasa hazavana manjelanjelatra tsara tarehy, izay tazana eny amin’ny lanitra amin’ny alina.

7 Miaro antsika koa ny sahan’andriambin’ny tany. Misy vy miempo sy mahamay be any anatin’ny tany lalina any. Mamoaka hery lehibe atao hoe sahan’andriamby izy io, ary miely hatrany ambony tsy taka-maso any izany. Miaro antsika amin’ireo taratra manimba avoakan’ny masoandro ny sahan’andriamby. Trohin’izy io ireo angovo mahery vaika avoakan’ny masoandro ary aviliny lalana, ka tsy kila forehitra ny zavaboary eto an-tany. Manaporofo ny asan’ny sahan’andriambin’ny tany ireo hazavana miloko samihafa, izay mandravaka ny lanitra any akaikin’ireo tendrontany. Manana “hery lehibe” tokoa i Jehovah!—Vakio ny Isaia 40:26.

HITA EO AMIN’NY NATIORA NY FAHENDRENY

8, 9. Nahoana no azo lazaina fa tena hendry i Jehovah, rehefa jerena ireo tsingerina miantoka ny fiainana?

8 Namorona tsingerina isan-karazany i Jehovah mba hahavelona ny zavamananaina, ary hita amin’izy ireny fa hendry izy. Alao sary an-tsaina hoe mipetraka ao amin’ny tanàna voafefy sy be mponina ianao. Tsy misy fomba ahafahana mampiditra rano madio avy any ivelany ao, ary tsy misy fomba azo anariana ny fako ho any ivelany. Vetivety io tanàna io dia haloto be sy tsy ho azo iainana. Toy ny tanàna voafefy koa ny tany. Voafetra ny tahirin-drano madio eto an-tany, ary sarotra ny mandefa ny loto ho any ambony tsy taka-maso. Mbola afaka miaina eto  anefa ny zavaboary an’arivony tapitrisa, hatramin’izay ka hatramin’izao. Nahoana? Satria mahavita manodina ny zavatra efa niasa ho zavatra hafa mahavelona ny tany.

9 Diniho, ohatra, ny tsingerin’ny oksizenina. Olona sy biby an’arivony tapitrisa no mifoka oksizenina sy mamoaka gazy karbonika. Tsy mety lany anefa ny oksizenina eto an-tany, ary tsy lasa be loatra ny gazy karbonika ao amin’ny atmosfera. Nahoana? Ny fiasan’ny hazavana amin’ny zava-maitso no mahatonga izany. Avadiky ny zava-maitso ho gliosida sy oksizenina ny gazy karbonika, ny rano, ny hazavana, ary ny zavatra mahavelona. Mifoka an’iny oksizenina iny isika avy eo, ary mamoaka gazy karbonika indray. Miverina foana izany tsingerina izany. Mampiasa ny zavamaniry noforoniny àry i Jehovah mba hanomezana ‘aina sy fofonaina ho an’ny olon-drehetra.’ (Asa. 17:25) Miavaka tokoa ny fahendreny!

10, 11. Nahoana no hita hoe tena mahay i Jehovah, rehefa jerena ny lolo mpanjaka sy ny angidina?

10 Hita koa fa tena mahay i Jehovah, rehefa jerena ny zavaboary maro be eto an-tany. Tombanana ho 2 tapitrisa ka hatramin’ny 100 tapitrisa ny karazana zavamananaina eto. (Vakio ny Salamo 104:24.) Tena hendry i Jehovah rehefa jerena ny fomba nanamboarany azy ireny.

Mampiharihary ny fahendren’Andriamanitra ny mason’ny angidina (sarina mason’angidina nohalehibeazina) (Fehintsoratra 11)

11 Diniho, ohatra, ny lolo mpanjaka. Kely toy ny lohana stylo ny atidohany. Mahavita dia 3 000 kilaometatra eo ho eo anefa izy io, avy any Kanada mankany amin’ny ala iray any Meksika. Ny masoandro no manampy azy hahita ny lalany. Ahoana no ataon’ilay lolo rehefa miova ny toeran’ny masoandro, eny amin’ny habakabaka? Noforonin’i Jehovah mba hahay hanitsy ny diany arakaraka ny fihetsehan’ny masoandro ny atidohan’ilay lolo. Diniho koa ny angidina. Manana maso roa be pitsiny izy io. Misy maso bitika 30 000 eo ho eo ao amin’ny masony tsirairay. Afaka mamantatra ny hafatra alefan’ireo maso rehetra ireo anefa ny atidohany, izay tena bitika, ka voamariny na dia ny zavatra mihetsika kely eo amin’ny manodidina aza.

12, 13. Inona no tena mahavariana anao amin’ny fomba nanamboaran’i Jehovah ny sela ao amin’ny vatanao?

12 Mbola mampitolagaga kokoa ny fomba namoronan’i Jehovah ny sela ao amin’ny zavamananaina. Misy sela 100 tapitrisa tapitrisa eo ho eo, ohatra, ao amin’ny vatanao. Misy molekiola bitika toy ny tady ao amin’ny sela tsirairay. Antsoina hoe ADN (acide désoxyribonucléique) izy io. Ao ny ankamaroan’ny toromarika ilaina mba hiforonan’ny vatantsika.

13 Manao ahoana ny habetsahan’ny toromarika ao anatin’ny ADN? Andeha hampitahaintsika amin’ny kapila mangilatra na CD ny ADN. Afaka mitahiry ny fanazavana rehetra ao anaty rakibolana iray ny CD iray. Tena be dia be izany rehefa eritreretina ny hanifin’ny CD. ADN iray grama monja anefa dia antonona ny fanazavana ao anatin’ny CD iray tapitrisa tapitrisa!  Raha azo afatra amin’ny sotrokely ny ADN, dia ADN maina eran’ny sotrokely monja no mirakitra ny toromarika ahavitana olona be dia be, izany hoe avo 350 heny amin’ny isan’ny olona eran-tany.

14. Inona no tsapanao rehefa mandinika ny zavatra hitan’ny mpahay siansa ianao?

14 Nolazain’i Davida Mpanjaka fa toy ny hoe voasoratra ao anaty boky ny fanazavana ilaina mba hiforonan’ny vatan’olombelona. Hoy izy momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny, nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.” (Sal. 139:16) Tsy mahagaga raha nidera an’i Jehovah i Davida, rehefa nandinika ny fomba nanamboarana ny vatany. Vao mainka mahatalanjona antsika ny fomba nanaovan’i Jehovah ny olona, rehefa jerena ny zavatra hitan’ny mpahay siansa tato ho ato. Mandrisika antsika izany hanahaka an’ilay mpanao salamo. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy. Mahatalanjona ny asanao. Ary tena fantatro tsara izany.” (Sal. 139:14) Mahagaga tokoa hoe tsy mino ny fisian’ilay Andriamanitra velona ny olona sasany, nefa efa manaporofo an’izany ny zavaboary.

AMPIO NY HAFA MBA HANOME VONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA

15, 16. a) Ahoana no ampisehoan’ny bokintsika fa tena mahay mamorona i Jehovah? b) Inona tamin’ireo lahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?” no tena nahavariana anao?

15 Efa am-polony taona maro izao ny gazety Mifohaza! no nampiseho tamin’ny olona an-tapitrisany fa mampahafantatra an’Andriamanitra ny zavaboary. Izao, ohatra, ny lohatenin’ny Mifohaza! Septambra 2006: “Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?” Navoaka io laharana manokana io, mba hahalala ny marina ireo mino ny evolisiona sy ireo mino hoe noforonina tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny izao rehetra izao. Nanoratra toy izao ho an’ny biraon’ny sampan’i Etazonia ny anabavy iray: ‘Nahafinaritra be ny nizara an’io gazety io! Nangataka 20 tamin’izy io ny vehivavy iray. Mpampianatra siansa mantsy izy ka tiany hahazo iray avy ny mpianany.’ Nanoratra toy izao koa ny rahalahy iray: ‘Efa taloha kelin’ny 1950 aho no nanomboka nitory, ary efa ho 75 taona aho izao. Tamin’ny volana nizarana an’iny Mifohaza! iny anefa no nahafinaritra ahy indrindra ny fanompoako.’

16 Hita ao amin’ny ankamaroan’ny Mifohaza! ilay lahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?” Asongadin’ireny lahatsoratra fohy ireny fa mahatalanjona ny nanaovana ny zavaboary. Resahin’izy ireny koa ny ataon’ny olona mba hakana tahaka ny asan’ilay Mpamorona Faran’izay Mahay. Nivoaka tamin’ny 2010 koa ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, ka niampy indray ny fitaovana manampy antsika hanome voninahitra an’Andriamanitra. Misy sary tsara tarehy sy mampiana-javatra ao anatiny, ka mahatonga antsika hiaiky ny fahaizan’i Jehovah mamorona. Misy fanontaniana koa amin’ny faran’ny fizarana tsirairay, mba hanampiana ny mpamaky hisaintsaina ny fanazavana nodinihiny. Tia mampiasa an’io bokikely io ve ianao rehefa mitory isan-trano, na mitory tsy ara-potoana, na mitory amin’ny fotoana hafa?

17, 18. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany ho sahy hiaro ny finoany? b) Tantarao ny fomba nampiasanareo an’ireo bokikely momba ny famoronana, tamin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo.

17 Ry ray aman-dreny, efa niara-nidinika an’io bokikely io tamin’ny zanakareo ve ianareo, tamin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana? Hanampy azy ireo ho tia an’ilay Andriamanitra velona izany. Manan-janaka mianatra eny amin’ny lise angamba ianao. Ireny ankizy ireny no tena kendren’ireo mampianatra ny evolisiona. Milaza an’io fampianaran-diso io ho marina ny mpahay siansa, ny mpampianatra, ny horonan-tsary  momba ny zavaboary, ary na dia ny fandaharana sy filma ao amin’ny tele aza. Ho afaka hanampy ny zanakao mba hanohitra an’io hevi-diso io ianao, raha mampiasa an’ilay bokikely iray hafa navoaka tamin’ny 2010 hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Mandrisika ny tanora mba hampitombo ny ‘fahaizany misaina’ izy io, toy ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (Ohab. 2:10, 11) Mampianatra azy ireo izy io mba hahay hamantatra raha mitombina na tsia ny zavatra ampianarina azy any am-pianarana.

Ampio ny zanakao mba ho vonona hiaro ny finoany (Fehintsoratra 17)

18 Mivoaka amin’ny vaovao indraindray hoe nisy mpahay siansa nahita taolam-biby fahiny izay heverina fa anisan’ny razambentsika. Manampy ny mpianatra hamotopototra ny fahamarinan’ireny tatitra ireny ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika?, ka hamantatra raha azo raisina ho porofo izy ireny hoe nivoatra miandalana avy tamin’ny biby ny olona. Misy koa milaza fa voaporofon’ny mpahay siansa tamin’ny andrana nataony hoe mety ho nisy ho azy ny zavamananaina. Manampy ny tanora ilay bokikely mba hahita fomba hamaliana an’ireny. Ampiasao hanampiana ny zanakareo àry ireo bokikely ireo, mba ho sahy hamaly izy rehefa anontanian’ny olona ny antony inoany fa misy ny Mpamorona.—Vakio ny 1 Petera 3:15.

19. Inona no tombontsoa ananantsika rehetra?

19 Tena nanaovana fikarohana lalina ny boky avoakan’ny fandaminan’i Jehovah, ary manampy antsika hahita an’ireo toetran’Andriamanitra, izay miharihary eo amin’ny zavaboary. Mahatonga antsika hidera an’i Jehovah foana ireny porofo marim-pototra ireny. (Sal. 19:1, 2) Tombontsoa lehibe tokoa ny manome voninahitra an’i Jehovah, ilay Mpamorona ny zava-drehetra, ary tena mendrika an’izany izy!—1 Tim. 1:17.

^ feh. 3 Jereo ny bokikely Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, pejy 24-28, mba hampisaintsainana ny olona mihevitra fa noforonina tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny izao rehetra izao.

Fanampim-panazavana

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?

Tsy miraharaha anao ve Andriamanitra? Jereo ato ny toetrany sy ny fomba hifandraisana aminy.