Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Septambra 2013

Efa Niova ve Ianao?

Efa Niova ve Ianao?

“Miovà ka havaozy ny sainareo.”ROM. 12:2.

1, 2. Inona no vokatry ny fomba nitaizana antsika sy ny zavatra hafa manodidina antsika?

MISY vokany lalina eo amintsika rehetra ny fomba nitaizana antsika, ny kolontsaintsika, ny namantsika, ary ny fiaraha-monina misy antsika. Izany no mahatonga ny olona hanana ny fomba fiakanjony sy ny sakafo tiany ary ny fomba mahazatra azy.

2 Misy zavatra hafa lehibe kokoa noho ny sakafo sy ny fomba fiakanjo anefa. Anisan’izany ny fiheverantsika ny atao hoe tsara sy ratsy. Samy manana ny nitaizana azy ny tsirairay amin’io lafiny io, ka tsy mitovy hevitra. Misy vokany eo amin’ny safidy ataon’ny olona koa ny feon’ny fieritreretany. Milaza ny Baiboly fa matetika no “manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany.” (Rom. 2:14) Midika ve anefa izany fa rehefa tsy misy lalàna mazava tsara omen’Andriamanitra, dia afaka manaraka fotsiny an’izay nitaizana antsika isika, na izay fanaon’ny olona eo amin’ny misy antsika?

3. Inona ny antony roa mahatonga ny Kristianina tsy hanaraka befahatany ny fanaon’ny besinimaro?

3 Misy antony lehibe roa, fara fahakeliny, mahatonga ny Kristianina tsy hanaraka befahatany ny fomba nitaizana azy na ny fanaon’ny besinimaro. Voalohany, milaza ny Baiboly hoe: “Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.” (Ohab. 16:25) Tsy mahay mamantatra izay tena hahasoa antsika isika satria tsy lavorary, ka tsy haintsika ny fomba tsara indrindra hitondrana ny fiainantsika. (Ohab. 28:26; Jer. 10:23) Faharoa, asehon’ny Baiboly fa i Satana no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ka ataony mifanaraka amin’izay tiany ny zavatra tian’ny besinimaro sy izay heverin’izy ireo fa tsara na ratsy. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19) Mila manaraka ny torohevitra ao amin’ny Romanina 12:2 àry isika, raha te hotahin’i  Jehovah sy hahazo sitraka aminy.Vakio ny Romanina 12:2.

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Misy hevi-dehibe telo tokony hodinihintsika ao amin’ny Romanina 12:2: 1) Nahoana isika no mila ‘miova’? 2) Inona no mila ovana? 3) Inona no hanampy antsika hiova? Handinika izany isika izao.

NAHOANA ISIKA NO MILA MIOVA?

5. Iza no nanoratan’i Paoly ny torohevitra ao amin’ny Romanina 12:2?

5 Ny Kristianina voahosotra tany Roma, fa tsy ny mponina rehetra tany, no nanoratan’ny apostoly Paoly ny taratasiny ho an’ny Romanina, tamin’ny taona 56. (Rom. 1:7) Nampirisika azy ireo izy mba hiova sy tsy ‘hanaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony.’ Inona no tafiditra tamin’ilay hoe ‘ity tontolo ity’? Ny fomba amam-panaon’ny olona tany Roma, ny fitondran-tenany, ny fomba fitafiny, ary izay noheveriny hoe tsara na ratsy. Mbola nisy mpiray finoana tamin’i Paoly nanaraka ny fanao sy ny fisainan’ny Romanina, matoa izy nilaza hoe “aza manaiky intsony.” Inona avy izany fanao izany?

6, 7. Nahoana no tsy mora tamin’ny Kristianina tany Roma ny nanompo an’i Jehovah?

6 Matetika ny mpizaha tany tonga any Roma no mahita ny sisa tsy rava tamin’ireo tempoly sy fasana ary tsangambato tany. Naorina tamin’ny taonjato voalohany ny sasany tamin’izy ireny, ary ahafantarana ny fiainan’ny Romanina fahiny sy ny fivavahany. Hita amin’ny boky koa hoe nisy fifaninanana mitondra kalesy tany Roma fahiny, nisy teatra sy tantara an-tsehatra arahin-kira, izay nahitana fitondran-tena maloto indraindray. Teo koa ny adin’ny gladiatera, izay tsy inona fa olona ampiadina mandra-pahafatiny. Nandeha be koa ny varotra tao Roma, ka mora ny nanangon-karena.—Rom. 6:21; 1 Pet. 4:3, 4.

7 Tsy tena nifandray tamin’ny andriamaniny ny Romanina, na dia nanana tempoly sy andriamanitra maro be aza. Ny fanarahana fombafomba no tena zava-dehibe tamin’ny fivavahan’izy ireo. Nisy fombafomba narahina, ohatra, rehefa nisy teraka, na nisy fampakaram-bady na fandevenana. Efa anisan’ny fiainany andavanandro ireny fombafomba ireny. Azo antoka àry fa tsy mora tamin’ny Kristianina ny nanompo an’i Jehovah. Efa zatra nanaraka ny fombafomban’ny Romanina mantsy ny ankamaroan’izy ireo taloha. Tena nila niova izy ireo mba ho lasa tena Kristianina, ary tsy nifarana teo amin’ny batisany izany.

8. Nahoana ity tontolo ity no mety hampidi-doza ny Kristianina ankehitriny?

8 Mampidi-doza antsika Kristianina koa ity tontolo ity, toa an’ilay tontolo tany Roma. Nahoana? Satria miely hatraiza hatraiza ny toe-tsain’izao tontolo izao, anisan’izany ny faniriany sy ny fomba fisainany ary ny fiheverany  momba ny tsara sy ny ratsy. (Vakio ny Efesianina 2:2, 3; 1 Jaona 2:16.) Mety ho voatarika ho anisan’ity tontolo ity àry isika, ka tena ilaina ny manaraka an’ilay torohevitra hoe: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà.” Inona no tafiditra amin’izany?

INONA NO MILA OVANA?

9. Inona no fiovana ataon’ny olona maro, alohan’ny hanaovana batisa azy?

9 Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah ny olona, rehefa mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy mampihatra izany. Ovany hifanaraka amin’izay ianarany ny fiainany. Miala amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso sy ny toetra ratsiny izy, ary miezaka hanana ny toetran’i Kristy. (Efes. 4:22-24) Faly isika fa olona ana hetsiny no manao izany fiovana izany isan-taona, ka manokan-tena ho an’i Jehovah ary atao batisa. Tena mampifaly ny fon’i Jehovah izany. (Ohab. 27:11) Ilaina anefa ny mieritreritra hoe: Ampy ve ireny fiovana ireny?

Maro ny olona mila miala amin’ny tontolon’i Satana ary miova (Fehintsoratra 9)

10. Nahoana no tsy midika fotsiny hoe manatsara ny toetra ny hoe miova?

10 Raha misy olona tena te hanatsara ny tranony, dia tsy ny rindrina ivelany fotsiny no lokoany. Amboariny koa ny ao anatiny. Toy izany koa ny hoe miova. Milaza ny diksionera iray manazava ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘miova’ ao amin’ny Romanina 12:2, dia midika hoe manaiky hiasan’ny fanahy masina ka manavao na manova ny fomba fisainana. Tsy ampy àry ny miala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fomba fiteny tsy mety ary ny fitondran-tena maloto, raha te hiova ny olona iray. Miezaka tsy hanao an’ireo zava-dratsy ireo koa mantsy ny olona sasany tsy mahalala an’izay voalazan’ny Baiboly. Inona àry ilay fanovana tsy maintsy ataon’ny Kristianina?

11. Inona no nolazain’i Paoly fa tokony hataon’ny olona iray raha te hiova izy?

11 Hoy i Paoly: “Miovà ka havaozy ny sainareo.” Misy ifandraisany amin’ny fahaiza-misaina ny hoe ‘saina.’ Midika koa hoe fomba fisaina, na toe-tsaina, na fahaiza-mamakafaka ny hoe ‘saina’, ao amin’ny Baiboly. Niresaka momba ny olona sasany nanana ‘toe-tsaina tsy ankasitrahan’Andriamanitra’ i Paoly, teo am-piandohan’ny taratasiny ho an’ny Romanina. ‘Feno tsy fahamarinana, haratsiam-panahy, fitsiriritana, ary faharatsiana’ izy ireny, “sady feno fialonana sy famonoana olona sy fifamaliana sy fitaka” ary zava-dratsy hafa. (Rom. 1:28-31) Toy izany ny toetran’ny olona tamin’izany, ka tsy mahagaga raha nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly mba ‘hiova’ sy ‘hanavao ny sainy.’

‘Esory tsy ho eo aminareo ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.’Efes. 4:31

12. Inona no toe-tsaina ananan’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny? Nahoana izany no mety hampidi-doza antsika Kristianina?

12 Mampalahelo fa manana ny toe-tsaina noresahin’i Paoly ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika. Mihevitra izy ireo fa efa nilaozan’ny toetrandro ny fanarahana fitsipika na toro lalana, ary tery saina ny olona manery ny hafa hanaraka an’izany. Maro ny  mpampianatra sy ray aman-dreny milefitra loatra, ary mampianatra hoe mahazo manao izay tiany ny tsirairay. Mino izy ireo fa tsy misy ny hoe tena tsara na tena ratsy. Na ny olona milaza ho mpivavaka aza mihevitra fa afaka manao izay eritreretiny fa mety izy ireo, ary tsy voatery hankatò an’Andriamanitra sy ny didiny. (Sal. 14:1) Mety hampidi-doza antsika Kristianina ny fomba fisaina toy izany. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety hanjary tsy hankatò ny toromariky ny fandaminan’i Jehovah, na himenomenona rehefa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika. Mety hisalasala koa isika raha tena mahasoa ny torohevitra ara-baiboly momba ny fialam-boly sy ny Internet ary ny fianarana ambony.

13. Nahoana isika no mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra?

13 Inona àry no tokony hataontsika mba tsy hovolavolain’ity tontolo ity intsony? Mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika. Ilaina, ohatra, ny mandinika an’izay tena fomba fisainantsika sy tanjontsika ary izay heverintsika hoe tsara na ratsy. Tsy miharihary amin’ny olon-kafa ireo. Mety hilaza amintsika izy ireo hoe efa mety tsara ny ataontsika. Isika ihany anefa no mahalala raha tena navelantsika hanova antsika ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Baiboly, sady mbola avelantsika hamolavola antsika.Vakio ny Jakoba 1:23-25.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIOVA?

14. Inona no hanampy antsika hahita ny fanovana ilaintsika hatao?

14 Ny any anatintsika lalina mihitsy no mila ovana, izany hoe ny maha isika antsika, araka ny hitantsika teo. Inona no hanampy antsika amin’izany? Ilaina aloha ny mianatra Baiboly mba hahalalana hoe tian’i Jehovah ho olona manao ahoana isika. Ho hitantsika amin’ny fomba andraisantsika an’izay vakintsika ny tena ao am-pontsika, ary ho hitantsika izay mila ovana mba hanaovana “ny sitrapon’Andriamanitra.”Rom. 12:2; Heb. 4:12.

15. Inona no vokany rehefa manaiky hovolavolain’i Jehovah isika?

15 Vakio ny Isaia 64:8. Nampitahain’i Isaia mpaminany tamin’ny mpanefy tanimanga i Jehovah, ary isika toy ny tanimanga. Mampita lesona lehibe io fanoharana io. Mazava ho azy fa tsy hoe manova ny vatantsika mba hahatonga antsika ho tsara bika kokoa i Jehovah, rehefa mamolavola antsika. Ny maha isika antsika no volavolainy. Mamela azy hanova ny ao an-tsaintsika sy ny ao am-pontsika isika, rehefa manaiky hovolavolainy. Tena ilaintsika izany mba tsy ho voataonan’ity tontolo ity isika. Ahoana àry no amolavolan’i Jehovah antsika?

16, 17. a) Ahoana no ataon’ny mpanefy tanimanga mba hanamboarana zavatra tena tsara? b) Ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika hiova ka ho lasa sarobidy amin’i Jehovah?

16 Mampiasa tanimanga faran’izay tsara ny mpanefy tanimanga, raha te hanamboatra zavatra tena tsara. Misy zavatra roa tsy maintsy ataony anefa aloha. Dioviny tsara ilay tanimanga mba ho afaka daholo ny fakofako ao anatiny. Afangarony amin’ny rano ampy tsara ilay izy avy eo, ary polipolesiny mba halefaka. Tsy miova ny bikany amin’izay rehefa avy volavolaina ilay izy.

17 Sady ampiasaina hanadiovana an’ilay tanimanga ny rano no ampiasaina mba hahatonga azy halefaka sy ho mora volavolaina araka izay tiana. Azo anaovana fitaovana tsara tarehy mihitsy ilay tanimanga amin’izay. Toy ny asan’ny rano amin’ny tanimanga ny asan’ny Tenin’Andriamanitra eo amintsika.  Afaka manampy antsika izy io mba hiala amin’ny fomba fisaina ratsy nananantsika taloha sy hiova, ka ho lasa sarobidy amin’i Jehovah. (Efes. 5:26) Imbetsaka isika no ampirisihina hamaky Baiboly isan’andro sy hivory tsy tapaka. Nahoana? Satria mamela an’i Jehovah hamolavola antsika isika rehefa manao izany.—Sal. 1:2; Asa. 17:11; Heb. 10:24, 25.

Ho hainao kokoa ny hiatrika ny olana mahazo anao, raha miova ianao (Fehintsoratra 18)

18. a) Nahoana no ilaina ny misaintsaina, raha tiantsika hisy heriny eo amintsika sy hampiova antsika ny Tenin’Andriamanitra? b) Inona avy ny fanontaniana hanampy antsika hisaintsaina?

18 Tsy ampy anefa ny mamaky sy mianatra Baiboly tsy tapaka, raha tiantsika hanova antsika izy io. Maro ny olona mamaky Baiboly, ka mahafantatra tsara izay voalaza ao. Mety ho nahita olona hoatr’izany ianao teny amin’ny fanompoana. Misy aza mahay tsianjery andinin-teny. * Tsy dia misy vokany eo amin’ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany anefa izany matetika. Tokony havela ho latsa-paka ao am-po mantsy ny Tenin’Andriamanitra, raha tiantsika hisy heriny eo amintsika sy hanova antsika. Mila maka fotoana àry isika hisaintsainana an’izay ianarantsika. Mila mieritreritra, ohatra, isika hoe: ‘Resy lahatra ve aho fa tsy fampianarana fotsiny ilay izy fa tokony hampihariko eo amin’ny fiainana koa? Tsapako ve hoe tena marina ilay izy? Ampihariko ve ilay zavatra nianarako, sa ampianariko ny hafa fotsiny? Mino ve aho hoe avy amin’i Jehovah io zavatra ianarako io, ka toy ny hoe miresaka amiko izy?’ Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha misaintsaina toy izany. Hitombo koa ny fitiavantsika azy. Rehefa manohina ny fontsika ny zavatra ianarantsika, dia lasa miova isika.Ohab. 4:23; Lioka 6:45.

19, 20. Inona ny torohevitry ny Baiboly tokony harahintsika mba hahasoa antsika?

19 Hoy ny Kolosianina 3:9, 10: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara.” Hahavita hanaraka an’io torohevitra io foana isika, raha mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina izany. Lasa mitafy ny toetra vaovao isika, rehefa azontsika tsara sy ampiharintsika izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Hiaro antsika amin’ny fandrik’i Satana izany.

20 Hoy ny apostoly Petera: ‘Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny fanirianareo taloha. Aoka ho masina ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.’ (1 Pet. 1:14, 15) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa hotahin’i Jehovah isika, raha manao izay rehetra azo atao mba hialana amin’ny toe-tsaintsika taloha ary miova.

^ feh. 18 Jereo ny ohatra resahin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1994, pejy 10, fehintsoratra 7.