Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2013

Ahoana no Hahaizanao Manapa-kevitra?

Ahoana no Hahaizanao Manapa-kevitra?

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.”OHAB. 3:5.

1, 2. Tia mandray fanapahan-kevitra ve ianao, ary ahoana no fahitanao ny fanapahan-kevitra sasany noraisinao?

MANDRAY fanapahan-kevitra maro isika isan’andro. Tia mandray fanapahan-kevitra ve ianao? Tian’ny olona sasany raha izy ihany no manapa-kevitra amin’izay rehetra ataony. Manantitrantitra izy ireo fa zony izany, ka tsy tiany raha olon-kafa no manapa-kevitra ho azy. Ny hafa indray matahotra ny handray fanapahan-kevitra lehibe. Misy maka torohevitra any anaty boky na amin’ny mpanoro hevitra, ary angamba mandany vola be amin’izany mihitsy.

2 Fantatry ny ankamaroantsika fa tsy anjarantsika ny manapa-kevitra amin’ny zavatra sasany. Na izany aza, dia afaka mandray fanapahan-kevitra amin-javatra maro isika. (Gal. 6:5) Samy manaiky anefa isika fa mety handray fanapahan-kevitra tsy mety na tsy mahasoa.

3. Inona no manampy antsika hanapa-kevitra, nefa nahoana no sarotra ny manapa-kevitra indraindray?

3 Faly isika mpanompon’i Jehovah, satria nomeny tari-dalana mazava amin’ny lafiny lehibe maro eo amin’ny fiainana. Fantatsika fa raha manaraka azy ireny isika, dia afaka mandray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah sy mahasoa antsika. Tsy voalaza mazava ao amin’ny Baiboly anefa ny fomba hiatrehana ny olana na toe-javatra sasany. Ahoana àry no ahalalana izay tokony hatao? Fantatsika, ohatra, fa tsy mety ny mangalatra. (Efes. 4:28) Inona marina anefa no atao hoe halatra? Ny habetsahan’ny zavatra alainy ve no amaritana hoe mangalatra ny olona iray, sa ny antony akany an’ilay izy, sa antony hafa? Ahoana no hatao rehefa tsy misy fitsipika mazava? Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra?

 ILAINA NY MISAINA TSARA

4. Inona indraindray no torohevitra omen’ny olona, rehefa handray fanapahan-kevitra isika?

4 Mety hampirisika antsika hisaina tsara ny mpiray finoana amintsika, rehefa milaza aminy isika fa handray fanapahan-kevitra lehibe. Torohevitra tsara izany. Mampitandrina antsika mba tsy ho maimaika hanapa-kevitra ny Baiboly, ka milaza hoe: ‘Hahantra izay rehetra maimaika.’ (Ohab. 21:5) Inona anefa no dikan’ny hoe misaina tsara? Ampy ve ny mandinika tsara sy mandanjalanja ary mieritreritra ny zava-drehetra tafiditra amin’ilay fanapahan-kevitra? Ilaina avokoa ireo mba handraisana fanapahan-kevitra tsara. Mbola misy zavatra hafa anefa tafiditra amin’ny hoe misaina tsara.Rom. 12:3; 1 Pet. 4:7.

5. Nahoana no tsy tonga lafatra ny fisainantsika?

5 Tsy misy ny hoe vao teraka dia efa misaina tsara. Nahoana? Satria mpanota sy tsy lavorary daholo isika, ka tsy tonga lafatra ny vatantsika sy ny saintsika. (Sal. 51:5; Rom. 3:23) Maro amintsika koa taloha no ‘nohajambain’i Satana’, ka tsy nahalala an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (2 Kor. 4:4; Tit. 3:3) Mety tsy hety àry ny fanapahan-kevitra raisintsika, raha toa ka izay heverintsika fa mety fotsiny no ataontsika, eny fa na dia efa manokana fotoana ieritreretana tsara aza isika.Ohab. 14:12.

6. Inona no hanampy antsika hisaina tsara?

6 Tsy toa antsika i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, fa lavorary amin’ny lafiny rehetra. (Deot. 32:4) Nomeny antsika izay ilaintsika mba hanavaozana ny saintsika sy hanampiana antsika hisaina tsara. (Vakio ny 2 Timoty 1:7.) Tokony hieritreritra tsara sy hanao zavatra amim-pahendrena àry isika Kristianina. Mila mifehy ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika isika, ka hiezaka hanana ny fomba fisainan’i Jehovah sy hitovy fihetseham-po aminy ary hanahaka ny fomba fanaovany zavatra.

7, 8. Milazà fitantarana manamarina hoe azo atao ny mandray fanapahan-kevitra tsara, na dia eo aza ny faneren’ny hafa na ny zava-tsarotra.

7 Fanaon’ny mpifindra monina any amin’ny tany sasany ny mandefa ny zanany vao teraka hokarakarain’ny havany any an-tanindrazany. Afaka manohy ny asany sy manangom-bola izy ireo amin’izay. * Niteraka zazalahikely mahafatifaty ny vehivavy iray nifindra monina tany amin’ny firenen-kafa. Nanomboka nianatra Baiboly izy tamin’izay, ary nampihatra an’izay nianarany. Nanery azy mivady handefa an’ilay zaza tany amin’ny dadabe sy bebeny ny havana aman-tsakaizany. Nianaran’ilay vehivavy tao amin’ny Baiboly anefa fa nomen’i Jehovah andraikitra hitaiza ny zanany izy mivady. (Sal. 127:3; Efes. 6:4) Hanaraka an’ilay fanao heverin’ny olona fa mety ve izy? Sa hankatò izay lazain’ny Baiboly, ka mety hahita olana ara-bola sy hiaritra ny esoeson’ny olona? Inona no ho nataonao?

8 Sahiran-tsaina ilay vehivavy, satria nanery azy ny olon-kafa. Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah àry izy, ka nitady ny tari-dalany. Noresahiny tamin’ny mpampianatra Baiboly azy sy ny mpiara-manompo koa ilay olana, ka lasa takany ny hevitr’i Jehovah momba an’ilay izy. Takany koa fa mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fihetseham-pon’ilay zaza, raha mbola kely izy dia efa sarahina amin’ny ray aman-dreniny. Nandinika tsara an’izay voalazan’ny Baiboly izy, ka nanatsoaka hevitra fa tsy mety ny mandefa an’ilay zaza. Hitan’ilay lehilahy vadiny fa nanampy azy ireo ny fiangonana, ary salama tsara sy falifaly ilay zaza, ka nanaiky hianatra Baiboly izy sady nanomboka nivory niaraka tamin’ny vadiny.

9, 10. Inona no atao hoe misaina tsara, ary inona no ataon’ny olona misaina tsara?

 9 Vao ohatra iray monja iny, nefa ahafahantsika mahita fa ny hoe misaina tsara dia tsy midika hoe manaraka fotsiny izay heverintsika na izay heverin’ny besinimaro fa mety na tsy manahirana. Toy ny famantaranandro mandeha haingana na miadana loatra ny fo sy ny saintsika tsy lavorary. Mety hahita olana lehibe isika raha manaraka famantaranandro toy izany. (Jer. 17:9) Tokony hahitsy mba hifanaraka amin’ny ora marina ilay famantaranandro. Toy izany koa fa ilaintsika ny manitsy ny fontsika sy ny saintsika, mba hifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah. Azo itokisana mantsy izany.Vakio ny Isaia 55:8, 9.

10 Tena mety àry ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohab. 3:5, 6) Mariho fa voalaza eo hoe “aza miantehitra amin’ny fahaizanao”, ary avy eo hoe “eritrereto izy”, izany hoe i Jehovah. Izy irery no tena azo lazaina hoe misaina tsara. Isaky ny hanapa-kevitra àry isika, dia mila mandinika ny Baiboly mba hahalalana ny hevitr’Andriamanitra, ary manapa-kevitra mifanaraka amin’izany. Izany no atao hoe misaina tsara, izany hoe miezaka hanana ny fomba fisainan’i Jehovah.

ZARO NY FAHAIZANAO MISAINA

11. Inona no ilaina mba hahaizana manapa-kevitra?

11 Tsy mora ny miezaka hahay hanapa-kevitra sy manatanteraka an’izay fanapahan-kevitra noraisina, indrindra ho an’ireo vao vita batisa sy ireo vao miezaka handroso ara-panahy. Tena afaka ny hahay hanapa-kevitra anefa ny olona toy ireny, izay oharin’ny Baiboly amin’ny zaza. Eritrereto hoe ahoana no ataon’ny zazakely mba hahaizany mandeha nefa tsy hianjera. Matetika izy no manao dingana kely, ary mamerimberina an’izany. Mila manao toy izany koa ireo vaovao mba hahaizany manapa-kevitra. Tadidio fa nilaza ny apostoly Paoly hoe ny olona matotra dia “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” Hita amin’ilay teny hoe “nampiasaina” sy ilay hoe  “nozarina” fa ilaina ny ezaka mitohy sy miverimberina, ary izany indrindra no tokony hataon’ireo vaovao.Vakio ny Hebreo 5:13, 14.

Manazatra ny fahaizantsika misaina isika, rehefa manao safidy tsara isan’andro (Fehintsoratra 11)

12. Inona no hanampy antsika hahay hanapa-kevitra?

12 Hitantsika teny am-piandohana fa mila mandray fanapahan-kevitra maro isika isan’andro. Lehibe ny sasany amin’izy ireny, fa ny hafa kosa madinika. Asehon’ny fikarohana fa efa ho ny antsasaky ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona no ataony amim-pahazarana, fa tsy eritreretiny firy. Mifidy izay akanjo hanaovanao, ohatra, ianao isa-maraina. Heverinao hoe tsy dia zava-dehibe angamba izany, ka tsy mieritreritra be ianao, indrindra raha maika. Tena ilaina anefa ny mieritreritra raha mety amin’ny mpanompon’i Jehovah ilay akanjo fidinao na tsia. (2 Kor. 6:3, 4) Ary ahoana no ataonao rehefa mividy akanjo? Izay lamaody sy be mpitia fotsiny ve no fidinao, sa eritreretinao koa ny hoe maotina ve ilay izy ary ohatrinona ny vidiny? Hanazatra ny fahaizantsika misaina isika, raha manao safidy tsara amin-javatra madinika toy izany. Hanampy antsika izany mba handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny raharaha lehibe kokoa.Lioka 16:10; 1 Kor. 10:31.

MIEZAHA HO TAPA-KEVITRA NY HANAO NY TSARA

13. Inona no ilaina raha tiantsika ny hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika?

13 Na dia nandray fanapahan-kevitra tsara aza isika, dia mety tsy ho mora ny manatanteraka an’ilay izy. Te hiala amin’ny sigara, ohatra, ny olona sasany, nefa tsy mahavita satria tsy ampy risi-po. Mila maniry mafy hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika àry isika. Misy mihevitra fa toy ny hozatra io faniriana io, satria azo ampitomboina. Arakaraka ny ampiasana ny hozatra mantsy no mampitombo sy mampahatanjaka azy. Hihamalemy kosa ilay izy raha tsy ampiasaina firy. Inona àry no hanampy antsika hampitombo ny faniriantsika hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika? Mila miantehitra amin’i Jehovah isika.Vakio ny Filipianina 2:13

14. Inona no nanampy an’i Paoly hahavita an’izay fantany fa tokony hataony?

14 Hitan’i Paoly fa tsy mora ny manao ny tsara. Nitaraina izy hoe: “Ato anatiko ihany ny faniriana, saingy ny hahatanteraka izay tsara no tsy ato.” Fantany izay tokony hatao ary naniry hanao izany izy, nefa nisy zavatra nanakana azy tsy hahavita an’izany indraindray. Niaiky izy hoe: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” Tsy afa-nanoatra ve anefa izy? Tsia. Hoy izy: “Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Rom. 7:18, 22-25) Nilaza koa izy hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Fil. 4:13.

15. Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara?

15 Mila manapa-kevitra ny hanao ny tsara sy manatanteraka izany isika, raha te hampifaly an’Andriamanitra. Tadidio ny tenin’i Elia tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala sy tamin’ireo Israelita nivadi-pinoana, teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Hoy izy: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.” (1 Mpanj. 18:21) Nahalala an’izay tokony hataony ny Israelita, nefa ‘niroa saina.’ Tsy toy izany kosa i Josoa. Hoy izy tamin’ny Israelita, taona maro talohan’izay: “Raha tsy tianareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidio anio izay hotompoinareo. ... Fa izaho sy  ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.” (Jos. 24:15) Inona no soa azon’i Josoa noho izy tapa-kevitra ny hanao ny tsara? Navela hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, izay “tany tondra-dronono sy tantely”, izy sy ireo niaraka taminy.—Jos. 5:6.

MANDRAISA FANAPAHAN-KEVITRA TSARA DIA HOTAHINA IANAO

16, 17. Inona no soa raisintsika raha mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah isika? Manomeza ohatra.

16 Diniho ity zava-nitranga ity: Vita batisa vao haingana ny rahalahy iray. Manambady izy ary manan-janaka kely telo. Nahita asa be karama sy ahazoana tombontsoa kokoa ny mpiara-miasa taminy, ka nitaona azy mba hiara-mifindra aminy any amin’ilay orinasa hafa. Nieritreritra sy nivavaka momba izany ilay rahalahintsika. Marina fa tsy be karama izy amin’ilay asany. Nifidy azy io anefa izy satria tsy voatery miasa izy ny faran’ny herinandro, ka afaka mivory sy mitory miaraka amin’ny fianakaviany. Fantany fa tsy halalaka intsony izy amin’ny faran’ny herinandro, raha manao an’ilay asa vaovao, ary mety haharitra elaela izany. Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toerany?

17 Hitan’ilay rahalahy fa mety ho simba ny fifandraisany amin’i Jehovah raha miova asa izy. Nolaviny àry ilay asa, na dia be karama kokoa aza. Nanenina ve izy? Tsia. Nino izy fa hitondra soa kokoa ho azy sy ny fianakaviany ny fitahian’i Jehovah, ary tsara lavitra noho ny vola be izany. Faly be izy mivady rehefa nilaza taminy ny zanany vavimatoa, izay folo taona, fa tena tiany ny ray aman-dreniny, sy ireo rahalahy sy anabavy, ary i Jehovah. Nilaza koa izy fa te hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Tena nahasoa azy ny ohatra navelan’ny dadany, izay nanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah.

Mahaiza manapa-kevitra dia ho faly ianao rehefa miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana no ilaina ny mahay manapa-kevitra isan’andro?

18 Nitarika ny Israelita hamakivaky ny tany efitra i Mosesy. Efa an-taonany maro koa izao no nitarihan’i Jesosy Kristy ny vahoakan’Andriamanitra hamakivaky ny tontolon’i Satana, izay efa horinganina. Hotarihiny hiditra ao amin’ny tontolo vaovao itoeran’ny fahamarinana ny mpanara-dia azy, toy ny nitarihan’i Josoa ny Israelita hiditra ny Tany Nampanantenaina. (2 Pet. 3:13) Efa tena kely sisa izany dia hitranga, ka tsy mety raha izao indray isika no hiverina amin’ny fomba fisainantsika, ny fahazarantsika, ny tanjontsika, ary ny fitsipika narahintsika taloha. Izao kosa no fotoana hamantarana bebe kokoa izay tian’Andriamanitra hataontsika. (Rom. 12:2; 2 Kor. 13:5) Enga anie ianao hahay hanapa-kevitra sy hanao safidy tsara isan’andro, ka ho anisan’ireo olona hotahin’i Jehovah mandrakizay!Vakio ny Hebreo 10:38, 39.

^ feh. 7 Misy koa manao izany mba hahafahan’ny dadabe sy beben’ilay zaza hampideradera ny zafikeliny amin’ny tapaka sy namana.