Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Anao Ireo Hevitra Ampifanoherina

Mahasoa Anao Ireo Hevitra Ampifanoherina

Azo inoana fa ekenao hoe i Jesosy no Mpampianatra nahay indrindra teto an-tany. Efa miezaka manahaka azy angamba ianao, ka mampiasa fanontaniana sy fanoharana rehefa mampianatra. Fantatrao ve anefa fa nampifanohitra hevitra koa izy?

Maro ny olona mampifanohitra hevitra rehefa miresaka. Mandeha ho azy izany matetika fa tsy eritreretina. Mety hilaza, ohatra, ianao hoe: “Lazainy fa masaka daholo ireo voankazo, nefa mbola manta be ireto.” Na koa hoe: “Saro-kenatra be io ankizivavy io taloha, nefa lasa maresaka be izy izao.”

Mampifanohitra hevitra ianao rehefa milaza hevitra na zava-misy ary avy eo milaza hevitra mifanohitra amin’iny, ka mampiasa mpampitohy toy ny hoe nefa, fa, anefa, na kosa. Tsy hafahafa ny mandre an’izany, sady manampy ny olona hahazo izay tianao holazaina.

Ilaina ny mampifanohitra hevitra, na dia tsy mahazatra aza izany amin’ny kolontsaina sy fiteny sasany. Nahoana? Satria misy fampifanoheran-kevitra maro ao amin’ny Baiboly. Nampiasa azy ireny matetika i Jesosy. Tsaroanao ve, ohatra, ireto? “Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana fa eo amin’ny fitoeran-jiro.” “Tsy tonga hanafoana [ny Lalàna] aho, fa hanatanteraka.” “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy...” “Voalaza hoe: ‘Maso ho solon’ny maso ary nify ho solon’ny nify.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Aza manohitra an’izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza mamely tehamaina ny takolakao havanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.”—Mat. 5:15, 17, 27, 28, 38, 39.

Misy fampifanoheran-kevitra koa any amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Manampy anao hahatakatra hevitra izy ireny, na manasongadina fomba tsara kokoa anaovana zavatra iray. Diniho, ohatra, ity raha manan-janaka ianao: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efes. 6:4) Afaka nilaza fotsiny ny apostoly Paoly hoe tokony hitaiza ny zanany araka ny fomba fisainan’i Jehovah ny ray (na ny reny). Efa marina izany sady torohevitra feno fahendrena. Vao mainka mazava anefa ny tiany holazaina rehefa nampifanohitra hevitra izy, ka niteny hoe: ‘Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fomba fisainan’i Jehovah izy.’

Hoy koa i Paoly: ‘Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’ (Efes. 6:12) Takatrao avy amin’io fampifanoheran-kevitra io fa ady mafy tokoa no tsy maintsy ataonao. Tsy ady atao amin’olona ilay izy, fa amin’ny fanahy ratsy.

 FOMBA ANDRAISAN-TSOA

Mbola maro ny fampifanoheran-kevitra nolazain’i Paoly ao amin’ny Efesianina. Ho azontsika izay tiany holazaina rehefa misaintsaina azy ireny isika, ary hazava kokoa amintsika izay tokony hatao.

Mety hahafinaritra anao sy hahasoa anao ny mandinika ny pejy faha-4 sy faha-5. Hita ao ny sasany amin’ireo hevitra ampifanoherina ao amin’ny Efesianina 4, 5. Saintsaino izao rehefa mamaky azy ireo ianao: ‘Manao ahoana marina ny toetrako sy ny fisainako? Ahoana no ataoko amin’ny toe-javatra hoatran’io na mitovitovy amin’io? Iza amin’ireo hevitra roa mifanohitra ireo no mety holazain’ny olona fa mahalaza ny momba ahy?’ Miezaha hiova raha misy zavatra hitanao hoe mila ahitsinao. Handray soa avy amin’ilay fampifanoheran-kevitra ianao, raha manao izany.

Azo ampiasaina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa ireo pejy ireo. Azo atao, ohatra, izao: Samy mamaky an’ireo fampifanoheran-kevitra aloha ny rehetra. Avy eo ny iray milaza ny tapany voalohany, ary ny hafa miezaka mitadidy ny hevitra asongadin’ilay tapany faharoa. Mety samy hilaza ny fomba ampiharana tsara kokoa an’ilay tapany faharoa ny rehetra, aorian’izay, ka hahafinaritra erỳ ilay dinidinika. Mety hanampy ny kely sy ny lehibe ny fandinihana an’ireny fampifanoheran-kevitra ireny, ka ho tsara fitondran-tena foana izy ireo, na ao an-tokantrano na any an-toeran-kafa.

Tohizo hoe ny tapany faharoa amin’ilay izy!

Mety ho mora kokoa aminao ny hahita ireo fampifanoheran-kevitra ao amin’ny Baiboly, rehefa tsapanao fa tena ilaina izy ireny. Mety ho hitanao koa hoe tena tsara ny mampiasa azy ireny rehefa manompo. Afaka milaza toy izao, ohatra, ianao rehefa mitory: “Maro no milaza fa manana fanahy tsy mety maty ny olona, nefa mariho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.” Afaka milaza toy izao koa ianao rehefa mampianatra: “Mino ny ankamaroan’ny olona hoe iray ihany Andriamanitra sy Jesosy. Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Ary ahoana ny hevitrao?”

Maro ny fampifanoheran-kevitra andraisana lesona ao amin’ny Soratra Masina. Afaka manampy antsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. Afaka mampiasa azy ireny koa isika mba hanampiana ny olona hahalala ny fahamarinana.