Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2013

Mahafaly ny Fonao ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

Mahafaly ny Fonao ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

“Raisiko ho fananako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao.”—SAL. 119:111.

1. a) Ahoana no fihetsiky ny olona rehefa omena torohevitra, ary nahoana? b) Ahoana no handraisan’ny olona torohevitra raha manambony tena izy?

SAMY manana ny fihetsiny sy ny fihetseham-pony ny olona, rehefa anarina na toroana hevitra. Misy manaiky avy hatrany raha ny lehibeny no mampahatsiahy azy zavatra. Tsy manaiky kosa izy raha olona mitovy taona aminy na eo ambany fahefany no miteny azy. Misy indray malahelo na menatra, fa ny sasany kosa vonona hanaraka an’ilay torohevitra sy hiezaka ny hihatsara. Nahoana ny olona sasany no tsy tia tenenina? Noho ny hambom-po. Rehefa manambony tena mantsy ny olona, dia lasa tsy mieritreritra tsara ka tsy miraharaha torohevitra. Tsy mandray soa izy vokatr’izany.Ohab. 16:18.

2. Nahoana no ankasitrahan’ny tena Kristianina ny torohevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

2 Ankasitrahan’ny tena Kristianina kosa ny torohevitra mahasoa, indrindra rehefa avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay izy. Sarobidy ny fampahatsiahivan’i Jehovah, satria manampy antsika hahita an’ireo zavatra mety hampidi-doza antsika. Anisan’izany ny fitiavan-karena, ny fitondran-tena maloto, ny fampiasana zava-mahadomelina, ary ny fibobohan-toaka. (Ohab. 20:1; 2 Kor. 7:1; 1 Tes. 4:3-5; 1 Tim. 6:6-11) ‘Mahafaly ny fontsika’ koa ny mankatò ny fampahatsiahivan’Andriamanitra.Isaia 65:14.

3. Inona no toe-tsain’ny mpanao salamo tokony hotahafintsika?

3 Sarobidy ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any an-danitra, ka mila mampihatra foana ny torohevitra feno fahendrena omeny isika, mba hiarovana an’izany. Tena tsara ny manahaka ny mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Raisiko ho fananako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao, fa ireny no fifalian’ny foko.” (Sal.  119:111) Mahafaly anao koa ve ny didin’i Jehovah, sa heverinao ho maneritery izy ireny indraindray? Marina fa misy torohevitra mety tsy ho tiantsika. Aza atao mahakivy anefa izany. Misy zavatra azonao atao mba hahatonga anao hatoky kokoa hoe mahasoa foana ny didin’i Jehovah sady feno fahendrena. Handinika fomba telo isika ato.

MIVAVAHA

4. Inona no zavatra iray tsy niova mihitsy, teo amin’ny fiainan’i Davida?

4 Niovaova be ny fiainan’i Davida Mpanjaka, satria nifandimby tao ny soa sy ny ratsy. Tsy niova mihitsy anefa ny fatokisany ny Mpamorona. Hoy izy: “Ianao no anolorako ny tenako, Jehovah ô! Andriamanitro ô, ianao no itokisako.” (Sal. 25:1, 2) Inona no nanampy an’i Davida hatoky tanteraka ny Rainy any an-danitra?

5, 6. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Davida tamin’i Jehovah, raha jerena ny vavaka nataony?

5 Maro ny olona tsy mba mivavaka raha tsy manana olana lehibe. Ahoana anefa raha tsy miresaka aminao ny namanao na ny havanao, raha tsy rehefa mila vola na fanampiana? Mety hisalasala ianao rehefa ela ny ela hoe tia anao tokoa ve izy. Tsy toy izany i Davida. Hita tamin’ny vavaka nataony fa tena tia an’i Jehovah sy natoky azy foana izy, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.Sal. 40:8.

6 Nidera sy nisaotra an’i Jehovah, ohatra, izy ka niteny hoe: “Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao, tantaraina any ambonin’ny lanitra ny voninahitrao!” (Sal. 8:1) Tsy hitanao ve hoe tena nifandray akaiky tamin’ny Rainy any an-danitra i Davida? Niaiky izy fa tena tsara i Jehovah sady be voninahitra, ka nidera azy “lalandava” izy.—Sal. 35:28.

7. Inona no soa raisintsika raha miresaka matetika amin’i Jehovah isika?

7 Mila manahaka an’i Davida isika ka hiresaka matetika amin’i Jehovah, raha te hatoky azy kokoa. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika rehefa mivavaka. Ny vavaka koa no tena manampy antsika hahazo ny fanahy masina.—Vakio ny 1 Jaona 3:22.

8. Nahoana isika no tsy tokony hilaza zavatra mitovy foana rehefa mivavaka?

8 Mitovy foana ve ny teny na fehezanteny lazainao rehefa mivavaka ianao? Raha izany no izy, dia makà fotoana kely hieritreretana an’izay holazainao, isaky ny hivavaka. Ahoana tokoa moa raha mitovy foana ny teny lazainao isaky ny miresaka amin’ny namanao na ny havanao ianao? Mety ho tsy te hihaino anao intsony izy amin’ny farany. Mazava ho azy fa tsy i Jehovah mihitsy no handa tsy hihaino ny vavaka vokatry ny fo ataon’ny mpanompony tsy mivadika. Tokony hiezaka anefa isika mba tsy hilaza zavatra mitovy foana isaky ny miresaka amin’i Jehovah.

9, 10. a) Inona avy no azontsika resahina rehefa mivavaka? b) Inona no azontsika atao mba hisy dikany kokoa ny vavaka ataontsika?

9 Tsy ho lasa akaiky an’Andriamanitra isika, raha zavatra amin’ny ambangovangony fotsiny no resahintsika rehefa mivavaka. Vao mainka ho akaiky kokoa azy sy hatoky azy kosa isika, raha mamboraka ny ao am-pontsika aminy. Inona avy àry no tokony holazaintsika rehefa mivavaka? Hoy ny Baiboly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” (Fil. 4:6) Azontsika resahina izay rehetra misy vokany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fifandraisantsika aminy.

10 Mandray lesona isika rehefa mandinika ny vavak’ireo lehilahy sy vehivavy tsy mivadika, ao amin’ny Baiboly. (1 Sam. 1:10, 11; Asa. 4:24-31) Feno vavaka vokatry ny fo sy hira ho  an’i Jehovah, ohatra, ao amin’ny Salamo. Hita ao daholo ny fihetseham-pon’ny olombelona, manomboka amin’ny hoe ory mafy ka hatramin’ny hoe dibo-kafaliana. Raha mandinika ny vavak’ireny olona tsy mivadika ireny isika, dia hahay hilaza zavatra misy dikany kokoa rehefa mivavaka.

SAINTSAINO NY FAMPAHATSIAHIVAN’I JEHOVAH

11. Nahoana isika no mila misaintsaina ny torohevitr’Andriamanitra?

11 Hoy i Davida: “Azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah, mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.” (Sal. 19:7) Mety ho lasa hendry tokoa isika, na mbola tsy dia nandia fiainana aza, raha mankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy maintsy saintsainina tsara anefa ny torohevitra sasany ao amin’ny Baiboly, izay vao tena hahasoa antsika. Raha manao izany isika, dia tsy ho voataona hanao ratsy rehefa any am-pianarana sy any am-piasana. Ho vitantsika koa ny hankatò ny lalàn’i Jehovah mba hifady ny ra sy tsy ho anisan’izao tontolo izao, ary ny hampihatra ny toro lalany momba ny fitafiana sy taovolo. Lasa mahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah mantsy isika rehefa misaintsaina, ka ho vonona hiatrika olana ary ho afaka hanapa-kevitra mialoha hoe inona no hataontsika. Tsy hanao fahadisoana isika amin’izay ary tsy hanenina.Ohab. 15:28.

12. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika, raha te hankatò ny fampahatsiahivan’i Jehovah isika?

12 Miandry ny hahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah isika izao. Hita eo amin’ny fomba fiainantsika ve fa miambina foana isika? Tena mino ve, ohatra, isika fa tsy ho ela dia horavana i Babylona Lehibe? Mbola mino toy ny tamin’ny voalohany ve isika hoe ho tanteraka ireo zava-tsoa nampanantenain’i Jehovah, toy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany? Mbola mazoto manompo ve isika, sa ny zavatra mahafinaritra antsika indray no lasa zava-dehibe kokoa amintsika? Mbola zava-dehibe amintsika ve ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny zony hitondra? Raha misaintsaina an’ireo isika, dia hahavita hankatò ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ka ‘handray azy ireny ho fananantsika mandritra ny fotoana tsy voafetra.’Sal. 119:111.

13. Nahoana no tsy nazava tamin’ny Kristianina voalohany ny zavatra sasany? Manomeza ohatra.

13 Mety mbola tsy hazava amintsika izao ny zavatra sasany voalazan’ny Baiboly, satria mbola tsy tonga ny fotoana hanazavan’i Jehovah an’ilay izy. Imbetsaka i Jesosy no niteny tamin’ny apostoliny fa tsy maintsy hijaly izy ary hovonoina. (Vakio ny Matio 12:40; 16:21.) Tsy azon’izy ireo anefa izany. Tsy nazava tamin’izy ireo ilay izy raha tsy efa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy ka niseho tamin’ny mpianany, ary nanazava tsara tamin’izy ireo “ny hevitry ny Soratra Masina.” (Lioka 24:44-46; Asa. 1:3) Tsy azon’ny mpanara-dia an’i Kristy koa hoe any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, raha tsy efa nilatsahan’ny fanahy masina izy ireo tamin’ny Pentekosta taona 33.Asa. 1:6-8.

14. Inona no ohatra tsara navelan’ny Kristianina maro, na dia nisy zavatra tsy azony tsara aza momba ny andro farany?

14 Efa diso hevitra koa ny tena Kristianina, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, satria tsy nitranga ny zavatra nantenainy hitranga mandritra ny “andro farany.” (2 Tim. 3:1) Nieritreritra, ohatra, ny sasany taminy tamin’ny 1914, fa kely sisa izy ireo dia ho any an-danitra. Tsy nitranga anefa izany. Nandalina bebe kokoa ny Soratra Masina àry izy ireo, ka takany fa mbola hisy fitoriana hatao aloha eran-tany. (Mar. 13:10) Nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny 1922. Nilaza toy izao i J. Rutherford, izay nitarika ny asa fitoriana tamin’izany: ‘Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no irahiny hampahafantatra  izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.’ Ny fitoriana “ny vaovao tsaran’ilay fanjakana” no nampiavaka ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka teo.—Mat. 4:23; 24:14.

15. Nahoana no mahasoa antsika ny misaintsaina an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany?

15 Tsara ny misaintsaina ny fomba nanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’ny vahoakany, taloha sy ankehitriny. Manampy antsika izany mba hatoky kokoa hoe vitan’i Jehovah ny manatanteraka ny fikasany. Lasa tsy andrintsika koa ny hahatanterahan’ny fampanantenany, sady matoky isika fa tena ho tanteraka izy ireny.

MANAOVA ZAVATRA HAMPISEHOANA NY FINOANAO

16. Inona no vokany rehefa mazoto amin’ny fanompoana foana isika?

16 Hoy ny mpanao salamo: “Iza no mahery tahaka anao, ry Jah?” Hoy koa izy: “Matanjaka ny tananao, ary misandratra ny tananao ankavanana.” (Sal. 89:8, 13) Manana hery lehibe tokoa i Jehovah ary mazoto miasa. Faly àry izy rehefa mazoto isika ka manao ny Fanjakany ho loha laharana, ary tahiny isika noho izany. Hitany hoe tsy mipetra-potsiny ny mpanompony rehetra, na lahy na vavy, ary na tanora na antitra. “Tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana” izy ireo. (Ohab. 31:27) Manahaka ny Mpamorona isika ka be atao foana amin’ny asan’ilay Fanjakana. Mahafaly antsika ny manompo azy amin’ny fo manontolo, ary faly koa izy mitahy ny fanompoantsika.Vakio ny Salamo 62:12.

17, 18. Nahoana isika no lasa matoky kokoa an’i Jehovah, rehefa manao zavatra mba hanehoana ny finoantsika azy? Manomeza ohatra.

17 Lasa matoky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa manao zavatra mba hanehoana ny  finoantsika azy. Manamarina an’izany ny zava-nitranga, rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Nandidy an’ireo mpisorona nitondra ny vata misy ny fifanekena i Jehovah, mba hiroboka avy hatrany tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Rehefa nihananatona an’ilay renirano anefa ny vahoaka, dia hitan’izy ireo hoe tondraka ilay renirano satria nisy oram-be. Inona no nataon’izy ireo? Nitoby teo amoron-drano nandritra ny herinandro vitsivitsy ve izy ireo, na ela kokoa noho izany, mandra-pihenan’ny rano? Tsia. Natoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo ary nankatò ny tari-dalany. Inona no vokany? ‘Raha vao nitsoboka teo amin’ny moron’i Jordana ny tongotry ny mpisorona, dia nijanona tsy nikoriana ny rano. Ary nijoro tsy nihetsika teo amin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ny mpisorona, raha mbola niampita teo amin’ny tany maina ny Israely rehetra.’ (Jos. 3:12-17) Azo antoka fa faly be izy ireo nahita hoe tsy nikoriana intsony ilay renirano mahery. Vao mainka izy ireo natoky an’i Jehovah satria nankatò ny tari-dalany.

Hatoky an’i Jehovah toa an’ireo Israelita tamin’ny andron’i Josoa ve ianao? (Fehintsoratra 17, 18)

18 Marina fa tsy manao fahagagana mba hanampiana ny vahoakany i Jehovah ankehitriny. Tahiny anefa izy ireo rehefa maneho finoana ka mankatò azy. Manome hery azy ireo ny fanahy masina mba hahafahany manao ny asa fitoriana maneran-tany. Nanome toky azy ireo i Jesosy Kristy, ilay Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra, fa hanampy azy ireo hanao an’io asa lehibe io. Hoy izy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. ... Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:19, 20) Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nahatsapa hoe nampian’ny fanahy masina, ka lasa sahy nitory tamin’ny olona tsy fantany, na dia saro-kenatra aza.Vakio ny Salamo 119:46; 2 Korintianina 4:7.

19. Inona no toky ananantsika na dia tsy afaka manompo firy aza isika?

19 Tsy dia afaka manompo firy ny rahalahy sy anabavy sasany, satria marary na be taona. Afaka matoky anefa izy ireo fa mahatakatra tsara ny mahazo ny Kristianina tsirairay i Jehovah, ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Kor. 1:3) Mankasitraka an’izay rehetra ataontsika mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana izy. Mila mitadidy isika fa ny finoantsika ny sorom-panavotan’i Kristy no tena hahavoavonjy ny aintsika, na dia manao izay fara herintsika mba hanompoana azy aza isika.Heb. 10:39.

20, 21. Inona avy no azontsika atao mba hampisehoana fa matoky an’i Jehovah isika?

20 Manome betsaka araka izay azo atao amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika isika, mba hanompoana an’i Jehovah. Te hanao izay tsara indrindra vitantsika isika eo amin’ny asa fitoriana “ny vaovao tsara.” (2 Tim. 4:5) Faly isika manao izany, satria manampy olona mba hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Lasa manan-karena ara-panahy isika, rehefa midera sy manome voninahitra an’i Jehovah. (Ohab. 10:22) Manampy antsika koa izany mba hatoky tanteraka ny Mpamorona, na inona na inona mitranga.—Rom. 8:35-39.

21 Hitantsika teo fa mila miezaka isika mba hatoky ny torohevitra feno fahendrena omen’i Jehovah, fa tsy hoe tongatonga ho azy izany. Ilaina ny mivavaka. Ilaina koa ny misaintsaina hoe ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’ny lasa, ary ahoana no hanaovany izany amin’ny hoavy. Ilaina foana koa ny manao zavatra mba hampisehoana ny finoantsika. Tadidio fa haharitra mandrakizay ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ary hiaina mandrakizay isika raha mankatò an’izany!