Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2013

Azo Itokisana ny Fampahatsiahivan’i Jehovah

Azo Itokisana ny Fampahatsiahivan’i Jehovah

“Azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah, mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.”SAL. 19:7.

1. Inona no ianarantsika matetika rehefa mivory, ary inona no soa raisintsika avy amin’izany?

EFA mba nieritreritra ve ianao teo am-panomanana Tilikambo Fiambenana hoe: ‘Tsy efa nianarantsika ve izany?’ Raha efa elaela ianao no namonjy fivoriana, dia angamba voamarikao hoe misy zavatra sasany resahina matetika. Ianarana matetika, ohatra, ny Fanjakan’Andriamanitra, ny vidim-panavotana, ny fitoriana sy fampianarana, ary ny toetra sasany toy ny fitiavana sy ny finoana. Manatanjaka ny finoantsika ny fianarana tsy tapaka momba an’ireo, sady manampy antsika mba “ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.”Jak. 1:22.

2. a) Manondro inona matetika ilay teny hebreo nadika hoe ‘fampahatsiahivana’? b) Inona no tsy mampitovy ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’olombelona?

2 Matetika no manondro ny lalàna sy didy ary ny fitsipika omen’Andriamanitra ny vahoakany ilay teny hebreo nadika hoe ‘fampahatsiahivana.’ Azo itokisana foana ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny, fa tsy toy ny lalàn’olombelona izay mila ahitsy sy havaozina imbetsaka. Marina fa tsy natao hampiharina ankehitriny intsony ny lalàna sasany nomeny, nefa tsy hoe misy lesoka izy ireny. Hoy ny mpanao salamo: “Marina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao.”Sal. 119:144.

3, 4. a) Inona koa no anisan’ny fampahatsiahivan’i Jehovah? b) Inona no vokany raha nankatò azy ireny ny Israelita?

3 Anisan’ny fampahatsiahivan’i Jehovah koa ny fampitandremana. Naniraka mpaminany i Jehovah matetika mba hampitandrina ny firenen’Israely. Nilaza toy izao, ohatra, i Mosesy taloha kelin’ny hidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: ‘Tandremo sao voafitaka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa ianareo ary  miankohoka eo anatrehany. Dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah.’ (Deot. 11:16, 17) Asehon’ny Baiboly fa maro ny fampahatsiahivana nomen’Andriamanitra ny vahoakany, mba hanampiana azy ireo.

4 Imbetsaka koa i Jehovah no nampirisika ny Israelita mba hatahotra azy sy hihaino ny feony ary hanamasina ny anarany. (Deot. 4:29-31; 5:28, 29) Nampanantena izy fa homeny fitahiana maro izy ireo, raha mankatò an’ireny fampahatsiahivany ireny.Lev. 26:3-6; Deot. 28:1-4.

AHOANA NO NANDRAISAN’NY ISRAELITA NY FAMPAHATSIAHIVAN’ANDRIAMANITRA?

5. Nahoana i Jehovah no niaro an’i Hezekia Mpanjaka?

5 Nitana ny teny nataony tamin’ny Israelita foana i Jehovah. Nanafika ny Joda i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, indray mandeha, ary nandrahona ny hanongana an’i Hezekia Mpanjaka. Naniraka anjely àry i Jehovah. Novonoin’izy io tao anatin’ny indray alina “ny lehilahy matanjaka sy mahery fo” rehetra tao amin’ny tafika asyrianina, ka voatery nody i Sankeriba sady afa-baraka tanteraka. (2 Tan. 32:21; 2 Mpanj. 19:35) Nahoana Andriamanitra no niaro an’i Hezekia? Satria ‘nifikitra taminy sy nanaraka azy foana izy, ary nitandrina ny didiny.’2 Mpanj. 18:1, 5, 6.

Nankatò ny fampahatsiahivan’i Jehovah i Josia, ka nanampy ny olona hanompo an’i Jehovah indray (Fehintsoratra 6)

6. Inona no mampiseho fa natoky an’i Jehovah i Josia?

6 Nankatò ny didin’i Jehovah koa i Josia Mpanjaka. Vao valo taona izy, dia efa “nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah. ... Nanaraka an-tsakany sy an-davany ny didin’Andriamanitra izy.” (2 Tan. 34:1, 2) Natoky an’i Jehovah i Josia, ka nesoriny avokoa ny sampy teo amin’ilay tany ary nampiany hanompo an’i Jehovah indray ny olona. Inona no vokany? Nahazo fitahiana izy sy ilay firenena manontolo.—Vakio ny 2 Tantara 34:31-33.

7. Inona no vokany rehefa tsy niraharaha ny fampahatsiahivan’i Jehovah ny Israelita?

7 Mampalahelo fa tsy natoky ny fampahatsiahivan’i Jehovah ny vahoakany indraindray. Nisy fotoana izy ireo nankatò, ary nisy fotoana tsy nankatò. Mora voatariky ny fampianaran-diso izy ireo rehefa nihanalemy ny finoany. (Efes. 4:13, 14) Araka ny efa nampitandremana azy ireo, dia nijinja vokany mangidy izy ireo rehefa tsy natoky ny fampahatsiahivan’i Jehovah.—Lev. 26:23-25; Jer. 5:23-25.

8. Nahoana no azo lazaina hoe misy itovizany amin’ny Israelita isika?

8 Nahoana no azo lazaina hoe misy itovizany amin’ny Israelita ny vahoakan’Andriamanitra  ankehitriny? Mahazo torohevitra sy fanitsiana toa azy ireo isika. (2 Pet. 1:12) Mahazo fampahatsiahivana isika isaky ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Manan-tsafidy isika ka afaka manapa-kevitra, na hankatò an’i Jehovah na hanao izay heverintsika fa mety. (Ohab. 14:12) Hodinihintsika izao hoe nahoana isika no afaka matoky ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ary inona no soa raisintsika rehefa mankatò azy ireny.

MANKATOAVA AN’ANDRIAMANITRA DIA HO VELONA IANAO

9. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nanampy ny Israelita izy tany an-tany efitra?

9 Namakivaky “tany efitra lehibe sady mampahatahotra” ny Israelita nandritra ny 40 taona. Tsy nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny an-tsipiriany ny fomba hitarihany sy hiarovany ary hikarakarany azy ireo, tamin’izy ireo hiainga. Imbetsaka anefa izy no nampiseho fa afaka matoky azy sy ny toromarika omeny ilay vahoaka. Nampiasa andry rahona i Jehovah tamin’ny antoandro ary andry afo rehefa alina, mba hampahatsiahivana ny Israelita fa manampy azy ireo hamakivaky an’ilay toerana mampidi-doza izy. (Deot. 1:19; Eks. 40:36-38) Nanome azy ireo izay tena nilainy koa izy. “Tsy tonta ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony.” Tena “tsy nisy nahory” azy ireo mihitsy.Neh. 9:19-21.

10. Ahoana no itarihan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny?

10 Efa ho tonga ao amin’ny tontolo vaovao koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Matoky ve isika fa hanome izay ilaintsika i Jehovah mba hahatafavoaka velona antsika amin’ny “fahoriana lehibe”? (Mat. 24:21, 22; Sal. 119:40, 41) Marina fa tsy mampiasa andry rahona sy andry afo i Jehovah mba hitarihana antsika. Mampiasa ny fandaminany anefa izy mba hanampiana antsika hiambina hatrany. Nantitranterina kokoa, ohatra, tato ho ato fa ilaina ny mamaky Baiboly samirery, ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary ny mivory sy manompo tsy tapaka. Manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah izany. Efa nanao an’izay fanovana tokony hatao ve isika mba hahavitana an’ireo? Hanana finoana matanjaka isika raha manao izany, ka ho tody soa any amin’ny tontolo vaovao.

Voasoroka ny loza mety hitranga ao amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa mankatò ny fampahatsiahivan’i Jehovah isika (Fehintsoratra 11)

11. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa miahy antsika izy?

11 Mahasoa antsika eo amin’ny fiainana andavanandro koa ny toromarika omen’ny fandaminana. Nampahatsiahivina, ohatra, isika mba tsy ho variana loatra mitady vola fa hanana fiainana tsotra foana. Manampy antsika tsy hanahy be loatra izany. Mahasoa antsika koa ny tari-dalana momba ny fitafiana sy taovolo, sy ny fifidianana fialam-boly, ary ny habetsahan’ny fianarana tokony hatao. Eo koa ny fampahatsiahivana nomena antsika mba hisorohana ny loza mety hitranga ao an-trano sy eny ambony fiara ary ao amin’ny Efitrano Fanjakana, na mba hahatonga antsika ho vonona hiatrika loza hafa. Miahy antsika i Jehovah matoa manome an’ireny torohevitra ireny.

NANAMPY NY KRISTIANINA VOALOHANY TSY HIVADIKA NY FAMPAHATSIAHIVANA

12. a) Inona ilay hevitra naverimberin’i Jesosy tamin’ny mpianany? b) Inona no nataon’i Jesosy ka nisy vokany lalina teo amin’i Petera, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

12 Nahazo fampahatsiahivana tsy tapaka ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany. Naverimberin’i Jesosy tamin’ny mpianany fa ilaina ny manetry tena. Tsy nanazava ny atao hoe manetry tena fotsiny anefa izy, fa nanome modely mihitsy. Namory ny apostoliny izy ny alina talohan’ny nahafatesany, mba hiaraka hankalaza ny Paska aminy.  Nitsangana izy raha mbola nisakafo ny apostoly, ary nosasany ny tongotr’izy ireo. Mpanompo anefa matetika no manao izany. (Jaona 13:1-17) Tsy hadinon’izy ireo mihitsy iny lesona lehibe iny. Rehefa afaka 30 taona teo ho eo mantsy, dia nampirisika ny mpiray finoana taminy mba hanetry tena ny apostoly Petera, izay anisan’ny nahita an’ilay zavatra nataon’i Jesosy. (1 Pet. 5:5) Tokony handrisika antsika rehetra hanetry tena ny ohatra navelan’i Jesosy, rehefa mifandray amin’ny hafa isika.—Fil. 2:5-8.

13. Inona no nampahatsiahivin’i Jesosy ny mpianany hoe tena ilain’izy ireo?

13 Nampahatsiahy matetika ny mpianany koa i Jesosy hoe ilaina ny manana finoana matanjaka. Tsy nahavita namoaka demonia tamin’ny zazalahy iray ny mpianatra, indray mandeha, ka nanontany an’i Jesosy hoe: “Nahoana no tsy vitanay ny namoaka an’iny?” Hoy i Jesosy: ‘Noho ny hakelin’ny finoanareo. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy aza, dia tsy hisy tsy ho vitanareo.’ (Mat. 17:14-20) Nampianatra ny mpianany foana i Jesosy hoe tena ilaina ny finoana. (Vakio ny Matio 21:18-22.) Manatanjaka finoana ny fivoriana sy fivoriambe. Manatrika azy ireny ve isika ka mandray tsara ny fampianarana omena any? Tsy fivoriana mahafinaritra fotsiny izy ireny, fa fomba ampisehoantsika koa hoe matoky an’i Jehovah isika.

14. Nahoana no tena ilaina ny maneho fitiavana feno fahafoizan-tena, ankehitriny?

14 Imbetsaka ny Soratra Grika Kristianina no mampahatsiahy antsika mba hifankatia. Nilaza i Jesosy fa ny didy faharoa lehibe indrindra dia ny hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 22:39) Nilaza koa i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, hoe ny fitiavana no “mpanjakan’ny lalàna.” (Jak. 2:8) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Ry malala, tsy didy vaovao izao soratako aminareo izao fa didy efa ela, izay efa azonareo hatrany am-piandohana.” (1 Jaona 2:7, 8) Inona ilay “didy efa ela”? Ny didy mba ho tia ny hafa. Didy “efa ela” izy io satria didy nomen’i Jesosy ny mpianany “hatrany am-piandohana”, izany hoe am-polony taona maro talohan’izay. “Vaovao” koa anefa ilay izy, satria mila mahafoy tena izay maneho azy io. Hiatrika toe-javatra vaovao ny mpianatra, ka nila naneho an’io fitiavana io. Ankasitrahantsika ny fampahatsiahivana toy izany satria manampy antsika tsy ho tia tena. Io toetra mampiavaka an’izao tontolo izao io mantsy no misakana antsika tsy ho tia ny hafa.

15. Inona no tena antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany?

 15 Tena niahy ny olona i Jesosy. Izany, ohatra, no nahatonga azy hanasitrana ny marary sy ny kilemaina ary hanangana ny maty. Tsy ny hanasitrana anefa no tena antony nahatongavany tetỳ an-tany, fa ny hitory sy hampianatra. Nisy vokany maharitra kokoa izany. Inona no manaporofo izany? Mbola nihantitra sy maty ihany ny olona nositraniny sy natsangany tamin’ny maty. Afaka ny hiaina mandrakizay kosa ny olona nanaiky ny hafatra notoriny.—Jaona 11:25, 26.

16. Inona no porofo fa mankatò ny didin’i Jesosy mba hanao mpianatra ny Vavolombelon’i Jehovah?

16 Betsaka lavitra noho ny toerana nitorian’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany ny toerana itoriana ankehitriny. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:19) Niezaka nanatanteraka izany izy ireo, ary toy izany koa isika! Fito tapitrisa mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, any amin’ny tany 230 mahery. Mampianatra tsy tapaka ny Baiboly amin’ny olona an-tapitrisany koa izy ireo. Porofo izany fa andro farany izao iainantsika izao.

MATOKIA AN’I JEHOVAH

17. Inona no torohevitra nomen’i Paoly sy Petera?

17 Nanampy ny Kristianina voalohany mba hanana finoana matanjaka foana tokoa ny fampahatsiahivana. Nilaza toy izao tamin’i Timoty, ohatra, ny apostoly Paoly tamin’izy nigadra tany Roma: “Hazòny hatrany ny modelin’ny teny mahasoa izay efa renao tamiko.” (2 Tim. 1:13) Azo antoka fa nampahery an’i Timoty izany. Nampirisika ny mpiray finoana taminy koa i Petera mba hiaritra sy ho tia ny rahalahy ary hifehy tena izy ireo. Hoy izy avy eo: ‘Vonona foana aho hampahatsiahy anareo izany zavatra izany, na dia efa fantatrareo aza izany, ary na dia efa miorina tsara amin’ny fahamarinana aza ianareo.’2 Pet. 1:5-8, 12.

18. Ahoana no nandraisan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny fampahatsiahivana nomena azy?

18 Marina fa izay “efa voalazan’ny mpaminany masina” ihany no hita tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly sy Petera. (2 Pet. 3:2) Sosotra tamin’izany ve anefa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? Tsia. Fantatr’izy ireo fa tia azy ireo i Jehovah sady te hanampy azy ireo mba tsy hivadika, matoa nanome azy ireo fampahatsiahivana.2 Pet. 3:18.

19, 20. Nahoana isika no tokony hatoky ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ary inona no tokony hataontsika raha te handray soa isika?

19 Be dia be ny antony atokisantsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah ao amin’ny Teniny, izay tsy mety diso. (Vakio ny Josoa 23:14.) Resahina ao ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny olombelona nandritra ny an’arivony taona maro. Nosoratana mba handraisantsika soa izany. (Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Hitantsika koa fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly, izay azo lazaina hoe fampahatsiahivana ho antsika. Olona an-tapitrisany, ohatra, no lasa mpanompon’i Jehovah, araka ny efa voalazan’ny faminaniana fa hitranga ‘atỳ am-parany.’ (Isaia 2:2, 3) Tanteraka koa ilay faminaniana hoe hiharatsy ny fiainana eran-tany. Atao eran-tany koa izao ny fitoriana, araka ny efa nolazain’i Jesosy.Mat. 24:14.

20 Noporofoin’ny Mpamorona tamin’izay nataony hatramin’izay fa tena azo itokisana izy. Matoky azy sy ny fampahatsiahivany àry ve isika? Izany no nataon’i Rosellen. Hoy izy: “Vao mainka tsapako hoe tia sy nanohana ary nampahery ahy i Jehovah, rehefa lasa natoky azy tanteraka aho.” Afaka mandray soa toy izany koa isika, raha mankatò foana ny fampahatsiahivan’i Jehovah.