Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) AOGOSITRA 2013

Aoka Isika Hifampihevitra sy Hifampahery

Aoka Isika Hifampihevitra sy Hifampahery

‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ —HEB. 10:24.

1, 2. Inona no nanampy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 230 ho tafavoaka velona tamin’ilay diaben’ny fahafatesana?

NADIVA ho rava ny fitondrana nazia rehefa akaiky hifarana ny Ady Lehibe II. Nisy didy navoaka àry hoe tsy maintsy vonoina ireo olona an’arivony tany amin’ny toby fitanana. Nokasaina halefa tany amin’ny seranan-tsambo ireo gadra tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen, hampidirina ao anaty sambo, ary halentika any an-dranomasina. Anisan’ny tetika iray nantsoina hoe diaben’ny fahafatesana izany.

2 Navoaka ireo gadra 33 000 tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen, ary nasaina nandeha an-tongotra 250 kilaometatra hatrany Lübeck, tanàna misy seranan-tsambo any Alemaina. Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena enina ny 230 tamin’ireo, ary nampiarahina izy ireo. Reraka ny rehetra satria tsy ampy sakafo sady narary. Ahoana no nataon’ireo rahalahintsika mba tsy hahafaty azy? Hoy ny rahalahy iray: “Nifampahery foana izahay mba ho afaka hanohy ny dia.” Tafavoaka velona izy ireo, satria nomen’Andriamanitra “hery fanampiny” sady nifankatia.—2 Kor. 4:7.

3. Nahoana isika no mila mifampahery?

3 Tsy manao diaben’ny fahafatesana isika ankehitriny, nefa miatrika zava-tsarotra maro. Noroahina avy tany an-danitra i Satana, rehefa nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Etỳ amin’ny manodidina ny tany izy izao, ary “tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apok. 12:7-9, 12) Efa akaiky ny Hara-magedona, ka mampiasa olana sy fitsapana isan-karazany i Satana mba hampahalemy ny finoantsika. Eo koa ny adin-tsaina amin’ny fiainana andavanandro. (Joba 14:1; Mpito. 2:23) Mety handreraka be antsika ny zava-manahirana rehefa mitambatra, ka mety ho kivy isika, na dia  miezaka ny hatanja-tsaina sy hatanjaka ara-panahy aza. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy iray, izay nanampy olona be dia be teo amin’ny lafiny ara-panahy, nandritra ny taona maro. Narary izy mivady rehefa antitra, ka kivy be ilay rahalahy. Mila “hery fanampiny” avy amin’i Jehovah sy fampaherezana avy amin’ny hafa isika rehetra, toa an’io rahalahy io.

4. Inona no torohevitr’i Paoly tokony harahintsika, raha te hampahery ny hafa isika?

4 Tokony hanaraka ny fampirisihana nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina hebreo isika, raha te hampahery ny hafa. Hoy izy: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Heb. 10:24, 25) Ahoana no hampiharantsika izany torohevitra izany?

‘AOKA ISIKA HIFAMPIHEVITRA’

5. Inona no dikan’ny hoe ‘mifampihevitra’, ary inona no ilaintsika hatao mba hahafahantsika “hifampihevitra”?

5 Ny hoe ‘mifampihevitra’ dia midika hoe “mieritreritra ny hafa sy izay ilainy.” Tena afaka mihevitra an’izay ilain’ny hafa ve isika, raha tsy dia miresaka aminy any am-pivoriana fa miarahaba maimaika fotsiny, na miresaka zavatra tsy dia lehibe? Azo antoka fa tsia. Marina fa ilaina ny mitandrina mba tsy hitsabaka “amin’ny raharahan’ny hafa” sy “amin’ny fiainan’ny olona.” (1 Tes. 4:11; 1 Tim. 5:13) Na izany aza, dia tena tokony hiezaka hahafantatra an’ireo rahalahintsika isika, raha te hampahery azy ireo. Ilaintsika, ohatra, ny mahafantatra ny zavatra iainany, ny toetra tsarany, ny fahalemeny, ary ny fitiavany ny fahamarinana. Tokony ho tsapan’izy ireo fa namany isika ary tia azy. Mila manokana fotoana iarahana amin’izy ireo àry isika, tsy hoe rehefa manana olana sy kivy ihany izy, fa amin’ny fotoana hafa koa.—Rom. 12:13.

6. Inona no hanampy ny anti-panahy ‘hihevitra’ ny ondry?

6 Ampirisihina ny anti-panahy mba ‘hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketany’, ary hanao izany an-tsitrapo sy amim-paharisihana. (1 Pet. 5:1-3) Tsy hahavita tsara an’izany izy ireo, raha tsy mahalala tsara ny ondry iandraiketany. (Vakio ny Ohabolana 27:23.) Raha asehon’ny anti-panahy fa vonona hanampy ny mpiray finoana aminy izy sady tiany ny miaraka amin’izy ireo, dia ho mora kokoa amin’ny ondry ny hangataka fanampiana aminy. Ho mora kokoa amin’ny rahalahy sy anabavy koa ny hamboraka izay tena ao am-pony sy izay manahirana azy. Ho afaka hanome ny fanampiana ilain’izy ireo ny anti-panahy amin’izay.

7. Ahoana no tokony handraisantsika ny ‘rediredy’ ataon’ny olona kivy?

7 Hoy i Paoly tamin’ny fiangonana tany Tesalonika: ‘Tohano ny malemy.’ (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:14.) Azo lazaina hoe malemy ny “kivy.” Hoy mantsy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Mety ‘hirediredy’ ny olona rehefa kivy be. (Joba 6:2, 3) Tokony ‘hihevitra’ azy ireny isika, ka hitadidy fa mety tsy ho tena avy ao am-pony ny zavatra lazainy. Izany no tsapan’i Rachelle. Ketraka mafy ny reniny, ka imbetsaka no nilaza zavatra tena manafintohina. Hoy i Rachelle: ‘Niezaka nitadidy ny tena maha izy an’i Neny aho, tamin’ireny fotoana ireny. Fantatro fa be fitiavana sy tsara fanahy ary malala-tanana izy. Lasa takatro fa milaza zavatra maro tsy tena avy any am-pony ny olona ketraka. Tena tsy mety raha mamaly ratsy an’ilay zavatra lazainy na ataony koa ianao.’ Hoy ny Ohabolana 19:11: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.”

8. Amin’iza no tena tokony ‘hoporofointsika’ ny fitiavantsika, ary nahoana?

 8 Mety ho kivy ny olona sasany satria menatra sy ory noho ny fahadisoana nataony taloha, na dia efa nanao dingana hanitsiana ny tsy nety aza. Ahoana no hampisehoantsika fa ‘mihevitra’ azy ireny isika? Hoy i Paoly rehefa nibebaka ny mpanota iray tany Korinto: ‘Tokony ho vonona hamela ny helony amin-katsaram-panahy ianareo, ka hampionona azy sao ho difotry ny alahelo be loatra izy. Mananatra anareo àry aho mba hanaporofo ny fitiavanareo azy.’ (2 Kor. 2:7, 8) Tsy tokony hihevitra isika hoe tonga dia ho tsapan’ilay olona fa tia sy miahy azy isika. Tokony hoporofointsika amin’ny toetrantsika sy ny zavatra ataontsika kosa izany.

AOKA ISIKA ‘HIFANDRISIKA HO AMIN’NY FITIAVANA SY NY ASA TSARA’

9. Inona no dikan’ny hoe ‘mandrisika’ ny hafa “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara”?

9 Hoy i Paoly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ Manao izany isika rehefa mandrisika ny mpiray finoana amintsika haneho fitiavana sy hanao asa tsara. Rehefa mitady ho faty ny afo, dia mety hilaina ny manetsiketsika ny saribao sy mikopaka afo. (2 Tim. 1:6) Toy izany koa fa azontsika atao ny mandrisika amim-pitiavana an’ireo rahalahintsika mba hampisehoany ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Ilaina ny manao teny fiderana mety tsara, mba handrisihana ny hafa hanao asa tsara.

Miaraha manompo amin’ny hafa

10, 11. a) Iza amintsika no mila teny fiderana? b) Afaka manampy olona ‘nanao fahadisoana’ ve ny teny fiderana? Manomeza ohatra.

10 Mila teny fiderana isika rehetra, na kivy na tsia. Hoy ny anti-panahy iray: ‘Mbola tsy niteny tamiko mihitsy i Dada hoe tsara ny zavatra nataoko. Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny aho, vokatr’izany. Efa 50 taona aho izao. Mbola tiako foana anefa rehefa manome toky ahy ny namako hoe manao tsara ny asan’ny anti-panahy aho. Hitako tamin’ny zavatra niainako fa tena ilaina ny mampahery ny hafa, ka miezaka be aho mba hanao izany.’ Mandrisika ny rehetra  ny teny fiderana, na mpisava lalana izany, na zokiolona, na olona kivy.—Rom. 12:10.

11 Mety hiverina hanao ny tsara ny olona ‘nanao fahadisoana’, rehefa miezaka manitsy azy ny “olona araka ny fanahy”, ka manome azy torohevitra amim-pitiavana sy teny fiderana mety tsara. (Gal. 6:1) Izany no nitranga tamin’ny anabavy iray antsoina hoe Miriam. Hoy izy: ‘Nisy fotoana aho tena kivy, satria nisy namako akaiky niala tamin’ny fahamarinana. I Dada koa tamin’izay narary mafy, satria nisy ra niparitaka tao amin’ny atidohany. Nampiaraka tamin’ny ankizilahy tsy Vavolombelona àry aho, satria noheveriko fa hanampy ahy tsy ho kivy izany.’ Nahatsiaro ho tsy mendrika ny fitiavan’i Jehovah i Miriam vokatr’izany, ary nikasa hiala tamin’ny fahamarinana. Nampahatsiahy ny fanompoana vitany taloha anefa ny anti-panahy iray, ka nanohina ny fony izany. Nampian’ny anti-panahy izy mba hatoky indray hoe tia azy i Jehovah. Lasa tia an’i Jehovah indray àry izy. Nisaraka tamin’ilay ankizilahy izy, ary nanohy ny fanompoany an’i Jehovah.

Aoka isika hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara

12. Inona no mety ho vokany raha te handrisika ny hafa isika, ka manao izay hahamenatra azy, na manakiana azy, na manao izay hahatsapany ho meloka?

12 Mila mitandrina anefa isika rehefa mandrisika ny hafa hanao ny tsara. Tsy tokony hampitaha azy amin’ny olon-kafa isika. Tsy mety koa ny mametraka fitsipika hentitra ary manakiana an’izay tsy mahavita manaraka an’izany, na manao izay hahatonga ny hafa hieritreritra hoe tsy mahavita be izy ka meloka. Marina fa mety hanjary hazoto be ilay olona vokatr’izany, nefa vetivety ihany. Ny tsara indrindra dia ny manao teny fiderana sy ny mampahatsiahy azy hoe ny fitiavana an’Andriamanitra no antony anompoantsika azy.—Vakio ny Filipianina 2:1-4.

‘MIFAMPAHEREZA’

13. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mampahery ny hafa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

13 Mila ‘mifampahery’ isika, indrindra satria ‘hitantsika hoe manakaiky ny andro.’ Mampahery ny hafa isika rehefa mandrisika azy ireo handroso hatrany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Toy ny mamelona afo efa ho faty ny hoe mandrisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. Ny hoe mampahery indray dia toy ny manampy saribao ao am-patana, mba hahatonga ny afo hirehitra foana na hiredareda. Mampahery ny hafa koa isika rehefa mampionona ny ketraka sy manampy azy hatanja-tsaina. Tokony ho tsara fanahy sy ho be fitiavana isika, rehefa mampahery olona toy ireny. (Ohab. 12:18) Tokony ho “mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny” koa isika. (Jak. 1:19) Mila mihaino tsara sy mangoraka isika. Ho fantatsika amin’izay ny mahakivy azy, ka ho afaka hilaza zavatra hanampy azy hiatrika an’izany isika.

Miaraha amin’ny namana tsara

14. Ahoana no nanampiana ny rahalahy iray kivy?

14 Nanampy rahalahy efa tsy nitory intsony nandritra ny taona maro ny anti-panahy  iray mahay mangoraka. Ahoana no nataony? Nihaino an’ilay rahalahy izy ka takany fa mbola tena tia an’i Jehovah izy. Nianatra tsara Ny Tilikambo Fiambenana rehetra vao nivoaka ilay rahalahy, sady niezaka nivory foana. Diso fanantenana anefa izy sady tezitra noho ny nataon’ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana. Nihaino azy sy niezaka niombom-pihetseham-po taminy ilay anti-panahy, fa tsy nitsaratsara azy. Niahy an’ilay rahalahy sy ny ankohonany koa izy. Takatr’ilay rahalahy, rehefa nandeha ny fotoana, fa navelany hanakana azy tsy hanompo an’ilay Andriamanitra tiany ny zavatra nanjo azy tamin’ny lasa. Nanasa azy hiara-mitory aminy ilay anti-panahy. Niverina nitory ilay rahalahy noho ny fanampian’ilay anti-panahy, ary nahafeno fepetra ho anti-panahy indray tatỳ aoriana.

Mahareta rehefa mihaino olona mila fampaherezana (Fehintsoratra 14, 15)

15. Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah rehefa mampahery ny kivy isika?

15 Tsy voatery hisinda eo no ho eo ny hakivian’ny olona ampiantsika, ary mety tsy ho tonga dia handray tsara ny fanampiana omentsika izy. Mila manampy azy elaela angamba isika. Hoy i Paoly: “Tazòny hatrany ny malemy, ary manàna faharetana amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14, Dikan-teny Amerikanina) Tsy tokony ho mora kivy isika rehefa manampy ny malemy, fa hanohana azy ireo foana, ka toy ny hoe ‘mitazona hatrany’ azy ireo. Nanam-paharetana tamin’ny mpanompony fahiny i Jehovah, rehefa kivy izy ireo. Tena tsara fanahy tamin’i Elia mpaminany, ohatra, Andriamanitra, ka nihevitra ny fihetseham-pony. Nomeny an’izay nilainy i Elia, mba hahafahany hanohy ny fanompoany. (1 Mpanj. 19:1-18) Tsara fanahy tamin’i Davida koa i Jehovah ka namela ny helony, satria tena nibebaka izy. (Sal. 51:7, 17) Nampian’i Jehovah koa ny mpanoratra ny Salamo faha-73, izay efa saika tsy hanompo azy intsony. (Sal. 73:13, 16, 17) Miantra sy tsara fanahy amintsika i Jehovah, indrindra rehefa malahelo sy kivy isika. (Eks. 34:6) “Vaovao isa-maraina” ny famindram-pony, ary “tsy ho lany.” (Fitom. 3:22, 23) Tian’i Jehovah hanahaka azy isika ka halemy fanahy amin’ireo kivy.

MIFAMPAHEREZA MBA TSY HIALA AMIN’NY LALAN’NY FIAINANA

16, 17. Efa hifarana ity tontolo ity, ka tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, ary nahoana?

16 Gadra an’arivony no maty, tamin’ireo gadra 33 000 niala tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen. Tafavoaka velona daholo anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah 230. Nifampahery sy nifanohana izy ireo, ka izany no tena nahatonga an’ilay diaben’ny fahafatesana ho lasa diaben’ny fiainana.

17 Eo amin’ny “lalana mankany amin’ny fiainana” isika ankehitriny. (Mat. 7:14) Tsy ho ela dia hiara-hiditra ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana ny mpivavaka amin’i Jehovah rehetra. (2 Pet. 3:13) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hifanampy, eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.