Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JOLAY 2013

“Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany?”

“Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany?”

“Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—MAT. 24:3.

1. Toa an’ireo apostoly, inona no tena tiantsika ho fantatra?

EFA hifarana ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany tamin’izay, ary te hahalala an’izay hitranga amin’ny hoavy ny mpianany. Nanontany azy toy izao àry ny apostoliny efatra, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany: “Rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mat. 24:3; Mar. 13:3) Nilaza faminaniana misy tsipiriany be dia be i Jesosy mba hamaliana an’izany, ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25. Misy zavatra miavaka be dia be nolazainy ao. Mahakasika antsika izany, satria isika koa mba tena te hahalala izay hitranga amin’ny hoavy.

2. a) Inona no niezahantsika hofantarina bebe kokoa? b) Inona ny fanontaniana telo hodinihintsika?

2 Efa an-taonany maro izay ny mpanompon’i Jehovah no nivavaka sy nandinika lalina ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany. Niezaka hahatakatra kokoa ny fotoana hahatanterahan’ny tenin’i Jesosy izy ireo. Handinika an’ireto fanontaniana telo ireto isika mba hahitana an’izany: Rahoviana no hanomboka ny “fahoriana lehibe”? Rahoviana i Jesosy no hitsara ny olona ho “ondry” na ho “osy”? Rahoviana i Jesosy no ho avy na ho “tonga”?—Mat. 24:21; 25:31-33.

RAHOVIANA NO HANOMBOKA NY FAHORIANA LEHIBE?

3. Inona no ninoantsika taloha momba ny fahoriana lehibe?

3 Nieritreritra isika nandritra ny taona maro fa nanomboka tamin’ny 1914, tamin’ny Ady Lehibe I, ny fahoriana lehibe. Nino isika hoe ‘nohafohezin’i Jehovah izany andro izany’ rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1918, mba hahafahan’ny sisa voahosotra hitory amin’ny firenena rehetra. (Mat. 24:21, 22) Horavana, hoy isika, ny tontolon’i Satana rehefa vita io fitoriana io. Raha izany no izy, dia misy fizarana telo ny fahoriana lehibe: Nanomboka  aloha ilay izy tamin’ny 1914-1918, avy eo nisy fiatoana nanomboka tamin’ny 1918, ary ny Hara-magedona no tapany farany.

4. Inona no lasa fantatsika ka nahatonga antsika hanitsy ny fanazavana sasany?

4 Nandinika indray an’ilay faminanian’i Jesosy anefa isika tatỳ aoriana, ka lasa fantatsika fa misy fahatanterahany roa ny zavatra sasany nolazainy momba ny andro farany. (Mat. 24:4-22) Tanteraka tany Jodia aloha ilay izy tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola ho tanteraka maneran-tany amin’ny androntsika. Nisy fanazavana maromaro nahitsy àry vokatr’izany. *

5. a) Inona no nanomboka tamin’ny 1914? b) Mifanitsy amin’ny inona izany?

5 Hitantsika koa fa tsy nanomboka tamin’ny 1914 ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe. Rehefa jerena mantsy ny faminanian’ny Baiboly, dia tsy adin’ny firenena no ho fanombohan’ny fahoriana lehibe fa fanafihana ny fivavahan-diso. Tsy fiandohan’ny fahoriana lehibe àry ilay zava-nitranga tamin’ny 1914, fa “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny. (Mat. 24:8) Mifanitsy amin’ilay zava-nitranga tany Jerosalema sy Jodia tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny taona 66 izany “fahoriana” izany.

6. Ahoana no hamantarana hoe manomboka ny fahoriana lehibe?

 6 Ahoana no hamantarana hoe manomboka ny fahoriana lehibe? Hoy i Jesosy: “Raha vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany—aoka ny mpamaky handinika tsara—, dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.” (Mat. 24:15, 16) Tamin’ny taona 66 izany no tanteraka voalohany. Ny tafika romanina no “zava-maharikoriko” tamin’izany. ‘Nitsangana tao amin’ny toerana masina’ izy io, rehefa nanafika an’i Jerosalema sy ny tempoly izay noheverin’ny Jiosy hoe masina. Mbola ho tanteraka fanindroany anefa izany. Ny Firenena Mikambana no “zava-maharikoriko”  ankehitriny. ‘Hitsangana’ koa izy io rehefa hotafihiny ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay heverin’ny Kristianina anarana hoe masina. Hotafihiny koa amin’izay ny fivavahana hafa anisan’i Babylona Lehibe. Miresaka an’io fanafihana io koa ny Apokalypsy 17:16-18. Izany no ho fanombohan’ny fahoriana lehibe.

7. a) Nahoana no nisy ‘nofo voavonjy’ tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no hitranga amin’ny hoavy?

 7 Nilaza koa i Jesosy fa “hohafohezina izany andro izany.” Tamin’ny taona 66 izany no tanteraka voalohany, rehefa nohafohezin’ny tafika romanina ny fanafihany. Nandositra ny Kristianina voahosotra tany Jerosalema sy tany Jodia mba ‘ho voavonjy ny nofo’ na ny ain’izy ireo. (Vakio ny Matio 24:22; Mal. 3:17) Inona àry no hitranga amin’ny fahoriana lehibe ho avy? Rehefa hanafika an’ireo fivavahana ny Firenena Mikambana, dia hohafohezin’i Jehovah ilay fanafihana, ka tsy havelany ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso ny fivavahana marina. Azo antoka àry fa ho voavonjy ny vahoakan’Andriamanitra.

8. a) Inona no hitranga rehefa tapitra ilay tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe? b) Mety ho rahoviana no hahazo ny valisoany any an-danitra ny farany amin’ny 144 000? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

  8 Inona no hitranga rehefa tapitra ilay tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe? Raha jerena ny tenin’i Jesosy, dia hisy elanelam-potoana aorian’izay, mandra-pahatongan’ny Hara-magedona. Inona ny zavatra hiseho mandritra an’io elanelam-potoana io? Mamaly izany ny Ezekiela 38:14-16 sy ny Matio 24:29-31. (Vakio.) * Aorian’izay no ho tonga ny Hara-magedona, izay hamarana ny fahoriana lehibe. Mifanitsy amin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 io ady io. (Mal. 4:1) Tena hiavaka ny fahoriana lehibe, satria mbola tsy hisy zava-mitranga hitovy amin’izy io mihitsy “hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.” (Mat. 24:21) Hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy aorian’izay.

9. Inona no tsapantsika rehefa mandinika an’ilay faminaniana momba ny fahoriana lehibe isika?

 9 Mampahery antsika ilay faminaniana momba ny fahoriana lehibe. Manome toky antsika mantsy izy io fa na inona na inona zava-tsarotra hatrehintsika, dia tsy maintsy ho tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany. (Apok. 7:9, 14) Faly koa isika satria hanamasina ny anarany i Jehovah amin’ny Hara-magedona, ary hoporofoiny fa izy irery ihany no manan-jo hitondra.—Sal. 83:18; Ezek. 38:23.

RAHOVIANA I JESOSY NO HITSARA NY OLONA HO ONDRY NA HO OSY?

10. Inona no ninoantsika taloha momba ny fotoana hitsarana ny olona ho ondry na ho osy?

10 Handinika zavatra hafa nolazain’i Jesosy tao amin’ilay faminaniana isika izao, dia ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy. (Mat. 25:31-46) Nihevitra isika taloha hoe mandritra ny andro farany iray manontolo, izay nanomboka tamin’ny 1914, i Jesosy no hitsara ny olona ho ondry na ho osy. Nino àry isika taloha fa izay nanda ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka maty alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, dia osy ary tsy hatsangana amin’ny maty.

11. Nahoana no mbola tsy nanomboka tamin’ny 1914 ny fitsarana ny olona ho ondry na ho osy?

11 Hoy ny Matio 25:31: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy.” Namerina nandinika an’io andinin-teny io isika tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny taona 1995. Noresahina tao fa tamin’ny 1914 i Jesosy no lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, kanefa mbola tsy ‘nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra’ mba hitsara ny “firenena rehetra” izy tamin’izay. (Mat. 25:32; ampitahao amin’ny Daniela 7:13.) Ny asan’i Jesosy amin’ny maha Mpitsara azy anefa no tena asongadina ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. (Vakio ny Matio 25:31-34, 41, 46.) Mbola tsy nitsara ny olona ho ondry na ho osy àry i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914, satria mbola tsy Mpitsara ny firenena rehetra izy tamin’izay. * Rahoviana izy no hanomboka hitsara raha izany?

12. a) Rahoviana i Jesosy no hanomboka hitsara ny firenena rehetra? b) Inona no zavatra hitranga resahin’ny Matio 24:30, 31 sy Matio 25:31-33, 46? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

  12 Asehon’ilay faminanian’i Jesosy momba ny andro farany fa hanomboka hitsara ny firenena rehetra i Jesosy rehefa rava ny fivavahan-diso. Resahin’ny Matio 24:30, 31 ny zavatra sasany hitranga mandritra an’izany fotoana izany, araka ny hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faha-8. Mitovitovy ny zavatra nolazain’i Jesosy ao amin’ireo andinin-teny ireo sy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Anisan’izany ny hoe: Ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona miaraka amin’ny anjely, hangonina ny foko sy firenena rehetra, ary ‘hitraka’ ny olona voalaza hoe ondry satria hahazo “fiainana mandrakizay.” * “Hikapo-tratra sy hitomany” kosa izay voalaza hoe osy, satria ho ‘ringana mandrakizay.’—Mat. 25:31-33, 46.

13. a) Rahoviana i Jesosy no hitsara ny olona ho ondry na ho osy? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoantsika raha mitadidy an’izany isika?

 13 Inona àry no azontsika tsoahana avy amin’izany? Mandritra ny fahoriana lehibe i Jesosy no ho tonga ka hitsara ny olona any amin’ny firenena rehetra, ary hanavaka ny ondry sy ny osy. Ho ringana mandrakizay ireo notsaraina hoe osy, amin’ny Hara-magedona izay hamarana ny fahoriana lehibe. Hihevitra ny asa fitoriana ho zava-dehibe isika raha mitadidy an’izany. Mbola afaka miova foana ny olona ka handeha amin’ilay lalana tery “mankany amin’ny fiainana”, mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe. (Mat. 7:13, 14) Mety hanana toetra toy ny ondry na osy ny olona amin’izao. Tokony hotadidintsika anefa fa mandritra ny fahoriana lehibe no hivoaka  ny didim-pitsarana farany hoe iza no ondry ary iza no osy. Tokony hiezaka hitory foana àry isika mba ho betsaka araka izay azo atao ny olona handre sy hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Mbola afaka miova foana ny olona mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe (Fehintsoratra 13)

RAHOVIANA I JESOSY NO HO TONGA?

14, 15. Aiza avy ireo andinin-teny efatra miresaka momba ny fahatongavan’i Kristy mba hitsara ny olona?

 14 Handinika kokoa ny faminanian’i Jesosy isika. Midika ve izany fa mbola mila hahitsy ny fahatakarantsika ny fotoana hahatongavan’ny zavatra hafa nolazainy? Hanampy antsika hahita ny valin’izany ilay faminaniana.

15 Izay zavatra hitranga mandritra izao andro farany izao sy mandritra ny fahoriana lehibe ho avy no tena noresahin’i Jesosy, ao amin’ilay faminaniana ao amin’ny Matio 24:29–25:46. Imbalo i Jesosy ao no niresaka hoe “ho avy” izy na ho tonga. * Hoy izy momba ny fahoriana lehibe: ‘Ho hitan’izy ireo ny Zanak’olona ho avy, ao amin’ny rahona.’ “Tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” “Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” Hoy koa izy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy: ‘Ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona.’ (Mat. 24:30, 42, 44; 25:31) Ilay hoe i Kristy ho tonga mba hitsara ny olona no resahin’ireo andinin-teny efatra ireo. Ary aiza ao amin’ilay faminanian’i Jesosy ireo andinin-teny efatra ambiny, izay miresaka fa ho tonga izy?

16. Aiza koa ny andinin-teny miresaka momba ny fahatongavan’i Jesosy?

16 Hoy i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina: “Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!” Hoy koa i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny: “Raha mbola lasa nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra.” Izao koa no nolazainy tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta: “Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo.” Hoy ihany izy tao amin’io fanoharana io: ‘Ho noraisiko niaraka tamin’ny zanabola ny farantsa volafotsiko rehefa tonga aho.’ (Mat. 24:46; 25:10, 19, 27) Samy miresaka momba ny fahatongavan’i Jesosy ireo andinin-teny ireo. Rahoviana izany no hitranga?

17. Inona no ninoantsika taloha momba ny fahatongavan’i Jesosy resahin’ny Matio 24:46?

17 Nolazaina tao amin’ny gazetintsika taloha  fa samy miresaka ny fiaviana na fahatongavan’i Jesosy tamin’ny 1918 ireo andinin-teny efatra ireo. Diniho, ohatra, ny zavatra nolazain’i Jesosy momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Vakio ny Matio 24:45-47.) Nilaza isika taloha fa tonga mba handinika ny tsy fivadihan’ny voahosotra i Jesosy tamin’ny 1918, ary mifandray amin’izany ilay hoe i Jesosy “tonga” eo amin’ny andininy faha-46. Nihevitra koa isika hoe tamin’ny 1919 ilay mpanompo no notendren’ny Tompony hiandraikitra ny fananany rehetra. (Mal. 3:1) Hita anefa fa mila ahitsy ny fahazoantsika ny fotoana hahatanterahan’ny zavatra sasany nolazain’i Jesosy, rehefa nandinika indray an’ilay faminaniany isika. Hojerentsika hoe nahoana.

18. Inona no ianarantsika rehefa mandinika an’ilay faminanian’i Jesosy manontolo isika?

 18 Samy miresaka momba an’i Jesosy ho “tonga” na “ho avy” ny andinin-teny eo alohan’ny Matio 24:46. Ilay fotoana hahatongavan’i Jesosy mba hanambara sy hampihatra didim-pitsarana mandritra ny fahoriana lehibe no tiana holazaina amin’izany. (Mat. 24:30, 42, 44) Io fotoam-pitsarana amin’ny hoavy io ihany no tiana holazaina amin’ilay fahatongavan’i Jesosy resahin’ny Matio 25:31, araka ny hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faha-12. Araka izany dia mbola amin’ny hoavy, mandritra ny fahoriana lehibe koa, i Jesosy no hanendry ny mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra, araka ny lazain’ny Matio 24:46, 47. * Rahoviana àry no ho tanteraka ilay fiavian’i Jesosy resahin’ireo andinin-teny valo nodinihintsika? Raha jerena ilay faminanian’i Jesosy manontolo, dia amin’ny fotoam-pitsarana mandritra ny fahoriana lehibe ho avy.

19. Inona avy ny fanitsiana hitantsika tato, ary inona ny fanontaniana hodinihintsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka?

19 Raha fintinina àry dia inona no nianarantsika? Hitantsika teo fa tsy nanomboka tamin’ny 1914 ny fahoriana lehibe, fa hanomboka rehefa hanafika an’i Babylona Lehibe ny Firenena Mikambana. Hitantsika koa hoe nahoana no tsy nanomboka tamin’ny 1914 i Jesosy no nitsara ny ondry sy ny osy, fa mbola amin’ny fahoriana lehibe. Nodinihintsika koa hoe nahoana no tsy tamin’ny 1919 i Jesosy no tonga mba hanendry ny mpanompo mendri-pitokisana hiandraikitra ny fananany rehetra, fa mbola amin’ny fahoriana lehibe. Amin’ny fahoriana lehibe daholo àry ireo zavatra telo ireo no hitranga. Inona no vokatr’izany fanitsiana izany eo amin’ny fahazoantsika an’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana? Inona koa no vokatr’izany eo amin’ny fahatakarantsika an’ireo fanoharana hafa izay tanteraka amin’izao andro farany izao? Hodinihintsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka izany.

 

^ feh. 4 Fehintsoratra 4: Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1994, pejy 8-21, sy 1 Mey 1999, pejy 8-20.

^ feh. 8 Fehintsoratra 8: Anisan’ny zavatra resahin’ireo andinin-teny ireo ny ‘fanangonana ny olom-boafidy.’ (Mat. 24:31) Toa midika izany hoe hakarina any an-danitra alohan’ny hahatongavan’ny Hara-magedona ny voahosotra rehetra mbola eto an-tany aorian’ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe. Fanitsiana an’ilay nolazaina tao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1990, pejy 30 izany.

^ feh. 11 Fehintsoratra 11: Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1995, pejy 18-28.

^ feh. 12 Fehintsoratra 12: Jereo ilay tantara mitovy amin’io ao amin’ny Lioka 21:28.

^ feh. 15 Fehintsoratra 15: Samy avy amin’ilay matoanteny grika hoe erkômai ilay teny hoe “tonga” sy ilay hoe “ho avy.”

^ feh. 18 Fehintsoratra 18: Mitovy amin’ilay matoanteny grika nadika hoe “ho avy” na “hiavian’ny” ao amin’ny Matio 24:30, 42, 44 ilay teny grika nadika hoe “tonga” ao amin’ny Matio 24:46.