Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2013

Tiavo Ireo Toetran’i Jehovah

Tiavo Ireo Toetran’i Jehovah

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.”—EFES. 5:1.

1. a) Inona matetika ny toetran’i Jehovah tonga ao an-tsaintsika? b) Inona no soa horaisintsika, raha mianatra momba ny toetran’i Jehovah isika?

REHEFA mieritreritra an’i Jehovah ianao, inona no toetrany tonga ao an-tsainao? Ilay izy be fitiavana ve, sa tia rariny, sa hendry, sa manana hery lehibe? Mbola manana toetra mahafinaritra be dia be anefa izy. Efa maherin’ny 40 ny toetran’i Jehovah nodinihina tao amin’ny bokintsika. Hahafantatra zavatra mahafinaritra momba ny toetran’i Jehovah ianao, rehefa mianatra samirery na manao fianaram-pianakaviana. Vao mainka ho tia an’i Jehovah ianao, raha manao izany. Ary arakaraka ny itiavanao azy no hahatonga anao haniry hifandray akaiky aminy sy hanahaka azy.—Jos. 23:8; Sal. 73:28.

2. a) Inona no hanampy antsika mba ho tia kokoa ny toetran’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ny lahatsoratra roa manaraka?

2 Tena sarobidy aminao ny zavatra iray matoa tianao. Mety hitombo tsikelikely ny fitiavana. Raha misy sakafo mbola tsy nohaninao mihitsy, ohatra, dia ny fofony aloha no manintona anao. Lasa tianao kokoa ilay izy avy eo, rehefa andramanao. Ary vao mainka ho tianao ilay sakafo, rehefa ianao mihitsy no mahandro azy. Toy izany koa ny hoe tia ny toetran’i Jehovah. Ho tiantsika kokoa ny toetrany, rehefa fantatsika tsara, eritreretintsika ny fomba ampisehoany an’ilay izy, ary avy eo isika mihitsy no miezaka hanana an’ilay izy. (Efes. 5:1) Hanampy antsika ity lahatsoratra ity sy ny lahatsoratra roa manaraka, mba ho tia kokoa an’ireo toetran’i Jehovah tsy dia resahina matetika. Hodinihintsika tsirairay ireo toetra ireo, ka hofantarintsika ny dikany. Hojerentsika avy eo hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah an’ilay toetra, ary ahoana no hanahafantsika azy.

 MORA HATONINA I JEHOVAH

3, 4. a) Ahoana no hanazavanao ny hoe mora hatonina? b) Ahoana no anomezan’i Jehovah toky antsika fa mora hatonina izy?

3 Hodinihintsika aloha ilay toetran’i Jehovah hoe mora hatonina. Ahoana no hanazavanao ny hoe mora hatonina? Mety hilaza ianao hoe tsara fanahy ny olona mora hatonina, vonona hiresaka fa tsy sahirana loatra, ary mora iresahana. Hita amin’ny zavatra lazain’ny olona iray sy ny endriny ary ny fihetsika ataony, raha mora hatonina izy na tsia.

4 Ahoana no ahitana hoe mora hatonina i Jehovah? Izy no Mpamorona an’izao rehetra izao sady manana fahefana ambony indrindra, nefa manome toky antsika izy fa vonona hihaino sy hamaly ny vavaka ataontsika. (Vakio ny Salamo 145:18; Isaia 30:18, 19.) Afaka miresaka amin’i Jehovah isika, na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana. Avelany hiresaka aminy ela be araka izay tiantsika koa isika. Tsy ho sosotra amintsika amin’izany mihitsy izy. (Sal. 65:2; Jak. 1:5) Mampiasa teny azontsika olombelona ny Baiboly, mba hampisehoana hoe tian’i Jehovah hanatona azy isika. Nilaza, ohatra, i Davida mpanao salamo fa ‘mitsinjo antsika ny mason’i Jehovah’, ary ‘mihazona mafy antsika ny tanany ankavanana.’ (Sal. 34:15; 63:8) Nampitahain’i Isaia mpaminany tamin’ny mpiandry ondry koa i Jehovah. Hoy izy: “Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” (Isaia 40:11) Eritrereto ange e! Tian’i Jehovah ho tena akaiky azy isika, toy ny ondrikely iray eo an-tratran’ny mpiandry be fitiavana. Mora hatonina tokoa ilay Raintsika! Ahoana àry no hanahafantsika azy?

TOETRA TENA ILAINA

5. Nahoana ny anti-panahy no tena tokony ho mora hatonina?

5 Vao tsy ela izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny tany samy hafa nanontaniana hoe: “Inona no toetra tena tianao amin’ny anti-panahy?” Namaly ny ankamaroany  hoe: “Mora hatonina.” Marina fa mila miezaka hanana an’io toetra io daholo isika. Ny anti-panahy anefa no tena mila miezaka ho mora hatonina. (Isaia 32:1, 2) Nahoana? Hoy ny anabavy iray: “Na manana toetra tsara be dia be aza ny anti-panahy, nefa izy tsy mora hatonina, dia tsy ho hitan’ny olona ireny toetra tsarany ireny.” Tsy hitanao hoe mitombina ve izany? Inona àry no azon’ny olona iray atao mba hahatonga azy ho mora hatonina?

6. Ahoana no ahitana hoe mora hatonina ny olona iray?

6 Tena miahy ny hafa amin’ny fony ny olona mora hatonina. Tsy hisalasala hanatona ny anti-panahy ny mpiara-manompo, anisan’izany ny ankizy sy ny tanora, raha hitan’izy ireo hoe miahy azy ny anti-panahy sady vonona hisahirana hanampy azy. (Mar. 10:13-16) Hoy i Carlos, ankizilahy 12 taona: “Tiako be ny mahita ny anti-panahy mitsikitsiky sy tsara fanahy any am-pivoriana.” Tsy ampy ny milaza hoe mora hatonina ianao, fa tokony ho hita amin’ny ataonao izany. (1 Jaona 3:18) Ahoana àry no azon’ny anti-panahy ampisehoana hoe mora hatonina izy?

7. Nahoana ny olona no tsy misalasala miresaka amintsika, rehefa manao karatry ny fivoriambe isika? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Nandeha fiaramanidina ny rahalahy iray, indray mandeha, rehefa nody avy nanatrika fivoriambe tany an-tany hafa. Nanao karatry ny fivoriambe izy tamin’izay. Hitan’ny mpiasan’ny fiaramanidina ilay karatra nisy soratra hoe ‘Ho Tonga Anie ny Fanjakan’Andriamanitra!’, ka hoy izy tamin’ilay rahalahy: “Ie, aleo mihitsy ho tonga! Tena mila miresaka an’izany isika.” Tafaresaka izy roa lahy avy eo, ary nandray gazety ilay mpiasan’ny fiaramanidina. Nahoana tokoa ny olona no tsy misalasala miresaka amintsika, rehefa mahita ny karatry ny fivoriambe? Satria toy ny hoe miantso ny olona hanatona antsika isika, rehefa manao an’ilay karatra. Mampahafantatra amin’ny olona iny karatra iny hoe vonona hiresaka momba ny zavatra inoantsika isika. Toy izany koa fa mila asehon’ny anti-panahy amin’ny mpiara-manompo hoe vonona hiresaka amin’izy ireo izy. Ahoana no hanaovany izany?

8. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe tena miahy ny hafa izy, ary inona no tsapan’ireo rahalahy sy anabavy rehefa manao izany izy ireo?

8 Marina fa samy manana ny fombany ny tany samy hafa. Hitan’ireo rahalahy sy anabavy anefa hoe tena miahy azy ireo isika, raha miarahaba azy tsara sy mandray ny tanany, ary mitsikitsiky. Iza àry no tokony hanatona voalohany? Diniho ny nataon’i Jesosy. Izy no nanatona ny mpianany sy niresaka tamin’izy ireo, rehefa nivory izy ireo. (Mat. 28:18) Toy izany koa no ataon’ny anti-panahy. Manatona ny mpiara-manompo izy ireo ary miresaka aminy. Inona no tsapan’ireo rahalahy sy anabavy rehefa manao izany ny anti-panahy? Hoy ny anabavy mpisava lalana, 88 taona: “Mitsikitsiky tsara amiko ny anti-panahy sady manao teny mampahery ahy, rehefa miditra ny Efitrano Fanjakana aho. Izany no tena itiavako azy ireo.” Hoy koa ny anabavy iray: “Tiako erỳ ny mahita ny anti-panahy mitsikitsiky amiko, rehefa tonga any am-pivoriana aho. Hoatran’ny hoe tsisy dikany izany, nefa zava-dehibe amiko.”

MORA HATONINA SADY VONONA HIRESAKA FOANA

9, 10. a) Inona no ohatra tsara omen’i Jehovah antsika? b) Ahoana no hanahafan’ny anti-panahy an’i Jehovah?

 9 Mazava ho azy fa tsy ho sahy hanatona antsika ny hafa, raha hitany hoe tsy vonona hiresaka aminy mihitsy isika. Ohatra tsara ho antsika i Jehovah, satria milaza ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asa. 17:27) Manahaka an’i Jehovah ny anti-panahy,  raha manokana fotoana hiresahana amin’ny mpiara-manompo, na tanora na antitra, aloha sy aorian’ny fivoriana. Hoy ny rahalahy iray mpisava lalana: “Tena tiako rehefa misy anti-panahy manontany ny fahasalamako, ary mijanona mihitsy mba hihaino izay holazaiko.” Hoy koa ny anabavy iray nanompo an’i Jehovah efa ho 50 taona: “Lasa mahatsiaro ho misy vidiny aho, rehefa misy anti-panahy manokana fotoana hiresahana amiko aorian’ny fivoriana.”

10 Marina fa manana andraikitra maro ny anti-panahy. Ny miresaka amin’ireo rahalahy sy anabavy anefa no tokony ho tanjon’izy ireo voalohany, rehefa any am-pivoriana.

TSY MANAVAKAVAKA I JEHOVAH

11, 12. a) Inona no atao hoe tsy manavakavaka? b) Inona no mampiseho fa tsy manavakavaka i Jehovah?

11 Anisan’ny toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah koa ny hoe tsy manavakavaka. Ny hoe tsy manavakavaka dia midika hoe tsy mitsara an-tendrony, tsy miangatra, ary manao ny rariny. Hita amin’ny toe-tsaina sy ny atao io toetra io. Nahoana no samy ilaina ireo? Satria mila manana toe-tsaina tsy manavakavaka ny olona iray, vao ho hita amin’ny ataony hoe tsy manavakavaka izy. Ny hoe tsy manavakavaka dia midika koa hoe “tsy mizaha tavan’olona”, izany hoe tsy mifidifidy olona. (Asa. 10:34) Ny toetran’ny olona àry no ifantohantsika raha tsy manavakavaka isika, fa tsy ny paoziny na ny fananany.

12 I Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’izany. Milaza ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona” izy, ary “tsy miangatra amin’iza na iza.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Deoteronomia 10:17.) Manaporofo an’izany ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Mosesy.

Tena faly ny zanakavavin’i Zelofada hoe tsy manavakavaka i Jehovah (Fehintsoratra 13, 14)

13, 14. a) Inona no olana natrehin’ny zanak’i Zelofada? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tsy nanavakavaka izy?

 13 Nisy lehilahy atao hoe Zelofada avy amin’ny fokon’i Manase. Nanan-janaka dimy vavy izy, ary samy tsy nanambady izy ireo. Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tamin’izay. Maty i Zelofada, ary ny fianakaviany no tokony hahazo ny anjara taniny, toy ny fianakaviana israelita hafa. (Nom. 26:52-55) Raha ny Lalàna no jerena, dia ny zanakalahy no tokony handova an’ilay tany. Tsy nanan-janakalahy anefa i Zelofada. (Nom. 26:33) Tsy hahazo anjara tany àry ve izy dimy mirahavavy, fa homena ny havany ilay izy?

14 Nandeha nanontany an’i Mosesy izy ireo hoe: ‘Nahoana ny anaran’ny rainay no hovonoina tsy ho eo amin’ny fianakaviany, noho izy tsy nanan-janakalahy?’ Niangavy koa izy ireo hoe: “Mba omeo lova eo amin’ny rahalahin-drainay re izahay e!” Tsy fanao mihitsy izany taloha. Tonga dia niteny tamin-dry zareo àry ve i Mosesy hoe: ‘Efa izay ny lalàna, dia  izay’? Tsia, “nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.” (Nom. 27:2-5) Ahoana no nataon’i Jehovah? Hoy izy tamin’i Mosesy: “Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada. Tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy ireo. Koa afindrao aminy ny lovan-drainy.” Tsy vitan’izay fa nampidirin’i Jehovah tao amin’ny Lalàna mihitsy izany. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Raha misy lehilahy maty nefa tsy manan-janakalahy, dia afindrao amin’ny zanany vavy ny lovany.” (Nom. 27:6-8; Jos. 17:1-6) Nahazo lova daholo ny vehivavy israelita nanana olana toa azy dimy mirahavavy, nanomboka teo.

15. a) Ahoana no fomba itondran’i Jehovah ny mpanompony, indrindra fa ireo tsy mba misy mpanampy? b) Inona koa ny ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe tsy manavakavaka i Jehovah?

15 Hita tamin’ny fomba nandaminan’i Jehovah an’iny olana iny, fa tena tsara fanahy sy tsy manavakavaka izy. Tsy mba nanana olona hanampy azy izy dimy vavy. I Jehovah kosa nanome haja azy ireo, toy ny nataony tamin’ny Israelita hafa rehetra. (Sal. 68:5) Mbola misy tantara maro ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tsy manavakavaka i Jehovah.—1 Sam. 16:1-13; Asa. 10:30-35, 44-48.

MANAHAFA AN’I JEHOVAH

16. Inona no hanampy antsika hanahaka an’i Jehovah ka tsy hanavakavaka?

16 Inona no hanampy antsika hanahaka an’i Jehovah ka tsy hanavakavaka? Tadidio fa mila manana toe-tsaina tsy manavakavaka isika, vao ho hita amin’ny ataontsika hoe tsy manavakavaka. Mety hieritreritra isika hoe efa malala-tsaina sy tsy manavakavaka. Tsy mora amintsika anefa indraindray ny mamantatra izay tena ao am-pontsika. Inona àry no azo atao mba hahalalana raha tena tsy manavakavaka isika? Diniho ny nataon’i Jesosy. Tiany ho fantatra hoe inona no nolazain’ny olona momba azy, ka nanontany namana azo itokisana izy hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” (Mat. 16:13, 14) Afaka manontany namana azo itokisana koa ianao hoe: ‘Manavakavaka ve aho? Ahoana no fiheveran’ny olona ahy?’ Ahoana raha milaza izy hoe indraindray ianao manavakava-bolon-koditra ihany, na tsara fanahy kokoa amin’ny olona manam-bola na nahita fianarana noho ianao? Mivavaha mafy amin’i Jehovah mba hanampy anao hiova, ka hanahaka azy bebe kokoa ary tsy hanavakavaka.—Mat. 7:7; Kol. 3:10, 11.

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy manavakavaka isika?

 17 Manahaka an’ilay toetran’i Jehovah hoe tsy manavakavaka isika, raha tsara fanahy sy manaja ny rahalahy sy anabavy rehetra eo anivon’ny fiangonana. Rehefa manasa olona ho any an-tranontsika, ohatra, isika, dia afaka miantso olona isan-karazany. Anisan’izany ny olona tsy mitovy kolontsaina amintsika, ny mahantra, ny kamboty, ary ny maty vady. (Vakio ny Galatianina 2:10; Jakoba 1:27.) Tsy tokony hanavakavaka koa isika rehefa mitory, fa hiresaka amin’ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny olona avy any an-tany hafa. Tena faly isika hoe mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 600 eo ho eo ny fandaminana, ka hita hoe tsy manavakavaka.

18. Inona no tokony hataonao, raha tena tianao ny toetran’i Jehovah hoe mora hatonina sy tsy manavakavaka?

18 Vao mainka ho tia an’i Jehovah isika, rehefa maka fotoana mba hisaintsainana hoe mora hatonina sy tsy manavakavaka izy. Ary ny fitiavantsika azy no tokony handrisika antsika hanahaka azy bebe kokoa, ka hampiseho an’ireo toetrany ireo rehefa mifandray amin’ny mpiara-manompo sy ny olona itoriantsika.

“Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”—Sal. 145:18 (Fehintsoratra 9)

‘Tsy miangatra amin’iza na iza i Jehovah.’—Deot. 10:17 (Fehintsoratra 17)